HOROHORON-TANY
Mihovotrovotra tampoka na mihetsiketsika ny tany, vokatry ny hery any ambanin’ny tany. Midika hoe “horohoron-tany” (1Mp 19:11; Am 1:1) ilay teny hebreo hoe raʽash, nefa koa midika hoe ‘fihovotrovotry’ ny tany rehefa misy miaramila mirodorodo (Is 9:5), na ‘firodorodon’ny’ kalesin’ady (Je 47:3), na ‘figodongodon’ny’ soavaly. (Jb 39:24) Misy ifandraisany koa amin’ny feon’ny lefom-pohy ahetsiketsika io teny hebreo io. (Jb 41:29) Manana heviny hoe zavatra mihovotrovotra, mihozongozona na mangovitra, ilay teny grika hoe seismôs (horohoron-tany).—Mt 27:54; ampit. Mt 27:51; 28:4; Ap 6:13.
Misy fitantarana maro momba ny horohoron-tany, ao amin’ny Baiboly. Vokatry ny fihetsehana voajanahary mitranga any ambanin’ny tany ny sasany tamin’ireny horohoron-tany ireny (Za 14:5), ary ny hafa kosa vokatry ny fampiharan’Andriamanitra ny didim-pitsarany, na koa mba hanaporofoana zavatra amin’ny mpanompony. Nisy horohoron-tany matetika teo amin’ny faritra nonenan’ny Israely, ary mbola toy izany foana any hatramin’izao. Ny toetry ny tany eo amin’ilay faritra no mahatonga izany.
Faritra mitresaka sy mora mihetsika no nisy ny tempoly tao Jerosalema, raha jerena ny any ambanin’ny tany. Eo amin’io faritra io ankehitriny ilay toeram-pivavahana atao hoe el-Aksa an’ny Silamo, ka simban’ny horohoron-tany matetika. Tsy voakasik’izany kosa ilay toerana masin’ny Silamo atao hoe Dôme du Rocher.
Nisy horohoron-tany nahery sy nampahatahotra tamin’ny fotoana nanaovana ny fifaneken’ny Lalàna tao Sinay, ary toy ny hoe nisy volkano efa hipoaka tao amin’ilay tendrombohitra. (Ek 19:18; Sl 68:8) I Jehovah no nahatonga izany mba hampisehoany ny heriny. Niteny avy tao amin’ilay tendrombohitra, tamin’ny alalan’ny anjely, mantsy izy avy eo.—Ek 19:19; Ga 3:19; He 12:18-21.
Nampiasa horohoron-tany mafy sy nampahatahotra i Jehovah indraindray, rehefa nanasazy an’izay nandika ny lalàny. (Na 1:3-6) Nanao izany, ohatra, izy rehefa nandringana an’i Datana sy Abirama ary ny ankohonan’i Kora, noho izy ireo nikomy taminy. Nisokatra ny tany ka nitelina azy ireo ary nidina velona tany amin’ny Fasana izy ireo. (No 16:27, 32, 33) Nataon’i Jehovah nandre horohoron-tany koa i Elia, ary avy eo nahitsiny ny fomba fiheviny ka nirahiny izy mba hanao asa vaovao. (1Mp 19:11-18) Nanao fahagagana koa i Jehovah ka nampisy horohoron-tany mba hanampiana ny vahoakany, tamin’i Jonatana sy ilay mpitondra fiadiany naneho herim-po ka nanafika ny toby mpitilin’ny Filistinina. Nino izy roa lahy fa hamonjy azy i Jehovah. Namaly soa an’izany finoany izany i Jehovah ka nampisy an’ilay horohoron-tany, izay nampisahotaka ny tao an-tobin’ny Filistinina. Lasa nifamely izy ireo ka resy tanteraka.—1Sa 14:6, 10, 12, 15, 16, 20, 23.
Nisy horohoron-tany tamin’ny andro nahafatesan’i Jesosy, tamin’ny telo tolakandro teo ho eo. Nitresaka ny vatolampy vokatr’izany, ary nisokatra ny fasana ka nipitika tetỳ ivelany ny faty maro tao anatiny. Nitriatra roa hatrany ambony ka hatrany ambany ny ridao tao amin’ilay tempoly naorina indray. Talohan’izay, dia nisy haizina nanarona an’ilay faritra. Misy mihevitra fa volkano efa hipoaka no nahatonga izany. Matetika mantsy ny volkano no mamoaka setroka sy vovoka manamatroka ny lanitra. Tsy misy porofo anefa manamarina izany fiheverana izany. (Mt 27:45, 51-54; Lk 23:44, 45) Nisy horohoron-tany koa tamin’i Jesosy nitsangana tamin’ny maty, rehefa nidina avy tany an-danitra ny anjely iray ary nanakodia ny vato teo amin’ny fasana. (Mt 28:1, 2) Nisy horohoron-tany koa nitranga ho valin’ny vavaka sy hira fiderana nataon’ny apostoly Paoly sy Silasy, tamin’izy ireo nigadra tany Filipy. Nahery ilay horohoron-tany ka nisokatra ny varavaran’ny fonja ary nivaha ny fatoran’ny voafonja. Lasa mpino ilay mpiambina sy ny ankohonany, noho izany.—As 16:25-34.
Naminany i Jesosy fa anisan’ireo zavatra hiseho hamantarana ny fanatrehany ny horohoron-tany maro be sy mafy. (Mt 24:3, 7, 8; Lk 21:11) Nihabetsaka tokoa ny horohoron-tany, nanomboka tamin’ny 1914, ka nahatonga fijaliana be. Tamin’ny 1984, dia natao lisitra ireo horohoron-tany nahatratra 7,5 na mihoatra amin’ny maridrefy Richter, na niteraka fahasimbana nahatratra dimy tapitrisa dolara na mihoatra, na nahafaty olona 100 na mihoatra. Fanazavana nomen’ny foibem-pirenena momba ny nofon-tany, any Boulder, any Colorado, ary nalainy tao amin’ny boky misy loharanon-kevitra azo antoka, no fototra nanaovana an’ilay lisitra. Hita àry fa nisy 856 ny horohoron-tany toy izany nandritra ny 2 000 taona talohan’ny 1914, fa 605 kosa tao anatin’ny 69 taona monja taorian’ny 1914. Porofo izany fa nijaly be vokatry ny horohoron-tany ny olona nandritra io fe-potoana faharoa io.
Ampiasaina an’ohatra sy ao amin’ny faminaniana. Ny horohoron-tany no sarin-teny ampiasaina matetika ao amin’ny Soratra Masina rehefa te hilaza hoe hozongozonina sy aongana ny firenena na fanjakana iray. Nitoky tamin’i Nebo sy Mardoka, andriamani-disony, ny Babylonianina ary nihevitra fa nameno ny lanitra ireo andriamaniny. Natoky be an’ilay tafika matanjaka sy mahery nananany koa izy ireo. Hoy anefa Andriamanitra, ho fanamelohana an’i Babylona: “Hataoko mihorohoro ny lanitra ary hihovotrovotra hiala amin’ny toerany ny tany, noho ny fisafoahan’i Jehovah Tompon’ny tafika.” (Is 13:13) Tsy maintsy ho taitra be ny Babylonianina rehefa rava ilay fanjakany ary lasan’ny hafa ny taniny ka tsy firenena matanjaka fahatelo intsony izy, fa nanjary faritany tsotra fotsiny teo ambany fahefan’i Persa.—Da 5:30, 31.
Nilaza i Davida fa niady mba hanafahana azy i Jehovah ka toy ny hoe nampisy horohoron-tany. (2Sa 22:8; Sl 18:7) Nikasa hanozongozona ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina sy ny tany maina ary ny firenena rehetra i Jehovah, ka hiditra ao amin’ny tranony ny zava-tsarobidin’ny firenena rehetra, ary hofenoiny voninahitra ny tranony.—Hg 2:6, 7.
Tena nampatahotra ilay zava-nitranga teo amin’ny Tendrombohitra Sinay rehefa tafavory teo ny Israelita. Nampiasain’ny apostoly Paoly io fitantarana io mba hanasongadinana fa zava-dehibe sy mampahatahotra kokoa no hitranga rehefa ho tafavory eo anatrehan’Andriamanitra sy ny Zanany ny fiangonan’ny lahimatoa. Io Zanany io no Mpanelanelana eo amin’ny Tendrombohitra Ziona any an-danitra. Nomeny heviny an’ohatra koa ilay horohoron-tany nitranga tany Sinay. Nandrisika an’ireo Kristianina izany mba ho be herim-po sy hanana finoana matanjaka foana, ary hitadidy fa haharitra ilay Fanjakana sy izay manohana azy io foana, fa ho montsamontsana kosa izay anisan’ilay lanitra sy tany an’ohatra.—He 12:18-29.
Hisy horohoron-tany lehibe mbola tsy nisy toy izany, amin’ny hoavy. An’ohatra izy io, ary hitranga rehefa hiseho ny loza fahafito farany resahin’ny Apokalypsy. Voalaza fa handrava an’ireo “tanànan’ny firenena” izy io, fa tsy tanàna iray na roa fotsiny toy ny amin’ny horohoron-tany mafy sasany. Toy izao ny fitantaran’i Jaona izany: “Nisy horohoron-tany lehibe mbola tsy nisy toa azy hatrizay nisian’ny olona teto an-tany, eny, mbola tsy nisy horohoron-tany mafy sy lehibe toy izany. Dia nizara telo ilay tanàna lehibe [Babylona Lehibe], ary rava ireo tanànan’ny firenena.”—Ap 16:18, 19.