Ilay Firenena Mihazona Tsy Fivadihana
“Vohay ny vavahady, mba hidiran’ny firenena marina, izay mitana ny fahamarinana.” — ISAIA 26:2.
1. Nahoana no mety hahagaga ny filazan’i Isaia momba ny “firenena marina” iray?
AMIN’IZAO andro izao, dia misy ireo karazana firenena rehetra. Ny sasany dia demokrasia, ary ny sasany tapahin’ny filoha tsy refesi-mandidy. Ny sasany manankarena, ny sasany mahantra. Ny zavatra iray iombonan’izy ireo dia izao: Samy anisan’izao tontolo izao manana an’i Satana ho andriamanitra izy rehetra ireo. (2 Korintiana 4:4). Noho izany, dia mety hahagaga ny sasany ny tenin’i Isaia rehefa nilaza izy hoe: “Vohay ny vavahady, mba hidiran’ny firenena marina, izay mitana ny fahamarinana.” (Isaia 26:2). Firenena marina iray hoe? Eny, misy firenena marina iray satria ilay faminaniana dia manondro ny fisiany amin’izao androntsika izao. Ahoana no ahafahana mamantatra io firenena tsy mahazatra io?
2. Inona ilay “firenena marina”? Ahoana no ahafantaranao izany?
2 Ao amin’ny fandikana ny Isaia 26:2 nataon’ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao, ilay firenena dia lazaina fa “mihazona fitondran-tena mahatoky”. Ny fandikan-teny malagasy dia mandika io andininy io hoe “ny firenena marina, izay mitana ny fahamarinana”. Samy filazalazana mety tsara ireo roa ireo. Raha ny marina, dia mora ny mahafantatra ilay firenena marina satria izy no hany firenena eto an-tany izay manaiky an’i Kristy Mpanjaka, ka noho izany dia tsy anisan’izao tontolo izaon’i Satana. (Jaona 17:16). Amin’ny maha-izany azy, ireo mpikambana ao aminy dia fantatra ho ‘tsara fitondran-tena eo amin’ny jentilisa’. Manaraka fomba fiaina izay manome voninahitra an’Andriamanitra izy ireo. (1 Petera 2:12). Ambonin’izany, na aiza na aiza misy azy ireo eo amin’izao tontolo izao, dia anisan’ny “fiangonan’Andriamanitra velona, sady andry sy fiorenan’ny fahamarinana”, izy ireo. (1 Timoty 3:15). Noho izy ireo manohana ny fahamarinana, dia lavin’izy ireo ny filozofian’ny mpanompo sampy ampianarin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana, ary tohanan’izy ireo “ny ronono tsy mitapoka izay an’ny teny”, dia ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly. (1 Petera 2:2, NW ). Ankoatra izany, dia mitory amin-jotom-po ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana “eny ambanin’ny lanitra rehetra eny” izy ireo. (Kolosiana 1:23). Mety hisy fisalasalana ve ny amin’ny hoe io firenena io dia voaforon’ireo sisa amin’ny “Isiraelin’Andriamanitra”, dia ilay kongregasionan’ny Kristiana voahosotra? Tsia dia tsia! — Galatiana 6:16.
Teraka ilay firenena
3. Lazalazao ny fomba nahaterahan’ilay “firenena marina”.
3 Oviana no teraka ilay “firenena marina”? Ny fiandohan’izany dia nambaran’ny faminaniana ao amin’ny bokin’i Isaia. Izao no vakintsika ao amin’ny Izaia 66:7, 8 (Kat.): “Mbola tsy nihetsi-jaza izy [i Siona], dia efa niteraka; mbola tsy nanaintaina akory, dia efa velon-jazalahy! (...). Vao nihetsi-jaza i Siona, dia niteraka ireo zanany”. Faran’izay hafahafa ny hoe tokony ho velon-“jazalahy” i Ziona (Siona), ilay fandaminan’Andriamanitra any an-danitra, talohan’ny nijaliany noho izy nihetsi-jaza. Tamin’ny 1914, dia teraka tany an-danitra ilay Fanjakana Mesianika. (Apokalypsy 12:5.) Taorian’izany fahaterahan-jazalahy izany, dia maro kokoa hatrany ireo firenena tafiditra tao amin’ny ady lehibe voalohany, ary nijaly noho ny fahoriana sy ny fanenjehana mafy ireo Kristiana voahosotra. Farany, tamin’ny taona 1919, dia teraka teto an-tany ilay firenena ara-panahy, ilay ‘zazalahy’. Araka izany, i Ziona dia “niteraka ireo zanany” — ireo mpikambana voahosotra ao amin’ilay “firenena marina” vaovao — ary ireo dia nalamina ho amin’ny asa fanambarana miitatra tsy an-kijanona. — Matio 24:3, 7, 8, 14; 1 Petera 2:9.
4. Nahoana ilay firenena marin’Andriamanitra no tsy maintsy niady mafy mba hitanana ny tsy fivadihana?
4 Hatrany am-piandohany, io firenena io dia niatrika fitsapana mafy ny tsy fivadihany. Nahoana? Rehefa teraka ilay Fanjakana any an-danitra, dia nazera avy tany an-danitra nanketỳ an-tany i Satana sy ireo demoniany. Nisy feo mafy nanambara hoe: “Ankehitriny dia tonga ny famonjena sy ny hery sy ny fanjakan’Andriamanitsika, ary ny fahefan’ny Kristiny, satria nazera ilay mpiampanga ny rahalahintsika, dia ilay miampanga azy eo anatrehan’Andriamanitsika andro aman-alina. Ary izy ireo naharesy azy noho ny amin’ny ran’ny Zanak’ondry sy ny teny filazana Azy, ary tsy nankamamy ny ainy intsony izy, na dia ho faty aza.” Tezitra mafy i Satana tamin’io fiovan’ny toe-javatra io “ka lasa nandeha hiady tamin’ny zanany sisa, izay mitandrina ny didin’Andriamanitra sy mitana ny filazana an’i Jesosy”. Niorina mafy ireo Kristiana voahosotra nanoloana ny fanafihana tamim-pahasiahana nataon’i Satana. Mandraka androany, dia maneho finoana ny ran’i Jesosy mahavotra ireo mpikambana be zotom-po anisan’io firenena marin’Andriamanitra io, ary manohy manome an’i Jehovah valiny ho an’ilay mpiteny ratsy lehibe, amin’ny fihazonana ny tsy fivadihana “na dia ho faty aza”. — Apokalypsy 12:1, 5, 9-12, 17; Ohabolana 27:11.
5. Fihetsika tsara dia tsaran’ireo Vavolombelona amin’ny andro maoderina inona no nanampy azy ireo hihazona tsy fivadihana?
5 Tamin’ny 1919, rehefa natomboka ny fanambarana ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ny andro maoderina, dia vitsy an’isa kanefa natanjaka teo amin’ny finoana ireo Mpianatra ny Baiboly, araka ny niantsoana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany. Izy ireo dia tonga mpikambana fototra ho an’ny ‘tanàna mafy manana famonjena ho mànda sy fiarovana’. Ny tokiny dia tamin’i “Jehovah Tompo [izay] Vatolampy mandrakizay”. (Isaia 26:1, 3, 4). Sahala amin’i Mosesy fahiny, dia izao no nambaran’izy ireo: “Ny anaran’i Jehovah no hotoriko; maneke ny fahalehibiazan’Andriamanitsika. Ny amin’ny Vatolampy, tanteraka ny asany; fa ny làlany rehetra dia amin’ny rariny avokoa. Andriamanitra mahatoky Izy, ka tsy misy ratsy ao aminy; marina sy mahitsy Izy.” — Deoteronomia 32:3, 4.
6. Amin’ny fomba ahoana no itahian’i Jehovah ny olony amin’izao andro farany izao?
6 Hatramin’izay, dia nitoetra ho nivoha nidanadana ny vavahadin’ilay fandaharana momba ny Fanjakan’Andriamanitra, raha nangonina aloha ny sisa amin’ireo Kristiana voahosotra 144 000, ary izao dia misy vahoaka betsaka amin’ny “ondry hafa” miara-manambara amin’izy ireo ny fikasan’ilay Fanjakan’i Jehovah. (Jaona 10:16). Araka izany, dia azo ambara amim-pifaliana izao: “Nampitombo ny firenena Hianao, Jehovah ô, eny, nampitombo ny firenena Hianao ka nahazo voninahitra ho Anao; nitarinao halalaka avokoa ny faritry ny tany.” (Isaia 26:15). Raha eo am-panaraha-maso ny sahan’izao tontolo izao ankehitriny isika, dia afaka mahita tokoa ny fahamarinan’ireo teny ireo! Noho ny herin’ny fanahy masina, dia natao “hatramin’ny faran’ny tany” ny fanambarana ilay Fanjakan’i Kristy vao nahazo toerana. (Asan’ny Apostoly 1:8). Azo tombanana ny halehiben’io fitarana io amin’ny Rapaoro Maneran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah, Taom-piasana 1994 miseho eo amin’ny pejy faha-12 ka hatramin’ny faha-15.
Tampon’isa vaovao eo amin’ny mpitory
7, 8. a) Inona no porofo fa ny vahoakan’Andriamanitra dia ‘nanalava ny kofehin’ny lainy’? b) Rehefa mijery ny Rapaoron’ny Taom-piasana 1994 ianao, dia faritra aiza avy no hitanao fa ‘nanitatra ny faritry ny taniny’ tamin’ny fomba niavaka?
7 Diniho ny lafin-javatra misongadina sasany amin’io rapaoro io. Ny tampon’isa eo amin’ny mpitory ilay Fanjakana teny amin’ny saha dia nahatratra 4 914 094! Mampientam-po toy inona moa ny mandinika ny fanangonana tsy an-kijanona ny ‘olona betsaka avy amin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny mitsangana eo anoloan’ny seza fiandrianana sy eo anatrehan’ny Zanak’ondry, miakanjo akanjo fotsy lava’! Eny, ireo koa dia niharihary ho mpihazona tsy fivadihana. “Ny akanjony nosasany sy nofotsiany tamin’ny ran’ny Zanak’ondry”, ka nisaina ho marina izy ireo noho ny fanehoany finoana ny sorom-panavotan’i Jesosy. — Apokalypsy 7:9, 14.
8 Hatramin’ny 1919 indrindra no nandidiana ny fandaminan’i Jehovah toy izao: “Halalaho ny itoeran’ny lainao, ary aoka hohenjanina ny ambain-dainao, ka aza avela hisy hiketrona; halavao ny kofehinao, ary aoreno mafy ny tsima-dainao”. (Isaia 54:2). Ho valin’izany dia mitohy amin’ny heriny rehetra ny asa fitoriana. Na dia any Yukon faran’izay mamanala, manamorona an’i Alaska aza, dia misy antokona mpisava lalana mafy toto miaritra hatsiaka izay afaka midina 45 ka hatramin’ny 50 degre ambanin’ny zero mandritra ny herinandro maromaro misesy. Tao anatin’ireo taona faramparany, dia nisy vahoaka nihanitombo haingana kokoa hatrany nitangorona ho amin’ilay firenen’i Jehovah mihazona tsy fivadihana. Nivoha nidanadana ireo vavahady mba handraisana ireo avy any amin’ireo tany aziatika any ivelan’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana, ireo avy any amin’ireo faritra notapahin’ny komonisma teo aloha, ireo avy any amin’ny tany afrikana maro, ary avy any amin’ireo faritra ananan’ny katolika hery, toa an’i Italia sy i Espaina sy i Portogaly ary i Amerika Atsimo. Ireo olona nifindra toerana dia nanolotra saha hafa iray. Any Angletera, ohatra, ireo Vavolombelona dia manome izay ilain’ny antokom-pirazanana miteny vahiny 13.
“Aza mitsahatra manao izao”
9. a) Inona no asehon’ny isan’ny mpanatrika ny Fahatsiarovana tamin’ny 1994? b) Iza avy ireo tany sasany izay nahita isan’ny mpanatrika ny Fahatsiarovana ambony tamin’ny fomba tsy nahazatra?
9 Ny isan’ny mpanatrika ny Fahatsiarovana dia lafin-javatra hafa iray misongadina ao amin’ny rapaoro isan-taona. Taloha kelin’ny nahafatesany, dia nanorina ny Fahatsiarovana nampahatsiaro ny fahafatesany i Jesosy ka nilaza tamin’ireo mpanara-dia azy hoe: “Aza mitsahatra manao izao ho fahatsiarovana ahy”. (1 Korintiana 11:24, NW ). Tamin’ny 1994, dia nampientam-po ny nahita olona 12 288 917 — mihoatra ny avo roa heny amin’ny isan’ireo mpitory miasa — niara-tonga mba hankato izany didy izany, na tamin’ny naha-mpandray anjara na tamin’ny naha-mpitazana. Tany amin’ny tany sasany, dia mbola avo kokoa aza ny tahan’ny isan’ireo mpanatrika ny Fahatsiarovana raha ampitahaina amin’ny an’ny mpitory. Ireo mpitory 4 049 any Estonie sy Lettonie ary Lituanie dia ravoravo nahazo mpanatrika ny Fahatsiarovana 12 876, maherin’ny avo telo heny noho ny isan’ny mpitory. Ary tany Bénin, ireo mpanatrika ny Fahatsiarovana 16 786 dia nampiseho efa ho avo dimy heny noho ny isan’ny mpitory. Ny kongregasiona iray nisy mpitory 45 dia nahazo mpanatrika 831!
10. a) Mametraka andraikitra inona amintsika ny fahabetsahan’ny isan’ny mpanatrika ny Fahatsiarovana? b) Lazalazao izay mety hitranga rehefa mahazo fanampiana fanampiny ny olona iray nanatrika ny Fahatsiarovana.
10 Faly ny Vavolombelon’i Jehovah satria maro aoka izany ny olona liana niaraka tamin’izy ireo tamin’io fotoan-dehibe fambara tsara io. Izao izy ireo dia maniry ny hanampy azy ireny hanao fandrosoana bebe kokoa eo amin’ny fahazoany ny hevitry ny fahamarinana sy ny fitiavany izany. Mety hisy handray tsara toy ny nataon’i Alla, any Rosia. Niara-nianatra tamin’ny anabavy iray mpisava lalana manokana i Alla, saingy tsy nanao fandrosoana firy, hany ka natsahatra ilay fianarana. Na dia izany aza dia nanaiky ny fanasana hanatrika ny Fahatsiarovana i Alla. Io fivoriana io, izay manana heviny lehibe aoka izany, dia namela soritra lalina tao aminy. Rehefa nody tany an-trano izy, dia nariany avokoa ireo sary masina nananany, ary dia nivavaka tamin’i Jehovah izy mba hahazoana fanampiana. Roa andro taorian’izay dia nitsidika an’i Alla ilay anabavy mpisava lalana mba hahitana ny lafiny nankafiziny tamin’ny Fahatsiarovana. Nisy dinidinika nahitam-bokatra nanaraka izany. Natomboka indray ny fianaran’i Alla. Tsy ela izy dia nandray anjara tamin’ny asa fanambarana. Io fitantarana io dia mampiseho ny hasarobidin’ny fitsidihana ho fitanana ny fifandraisana amin’ireo manatrika ny Fahatsiarovana. Azo inoana fa maro no handray tsara toy ny nataon’i Alla.
“Aza mahafoy ny fiarahantsika miangona”
11-13. a) Inona no anisan’ny fitondran-tena mahatoky ananan’ilay firenena marina? b) Nahoana ny tena Kristiana no mila manatrika ireo fivoriana?
11 Ny Fahatsiarovana no fivoriana lehibe indrindra eo amin’ny lisitr’ireo fotoan-dehibe ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah, kanefa dia tsy izy io irery ihany no fivoriana. Isan-kerinandro ny Vavolombelon’i Jehovah dia miara-mivory mba ho fankatoavana ny tenin’ny apostoly Paoly manao hoe: “Aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara; aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon’ny sasany, fa mifananara kosa, mainka satria hitanareo fa mihantomotra ny andro.” (Hebreo 10:24, 25). Izy ireo dia miaraka amin’ilay firenena marin’i Jehovah izay fantatra amin’ny fitondran-tenany mahatoky. Ny fitondran-tena mahatoky dia mahafaoka fanatrehana fivoriana amim-pahatokiana.
12 Azo tsara amin’ny alalan’ny porofo izany any Philippines izay ny antsalan’ny isan’ny mpanatrika amin’ny fivoriana ny alahady manerana ilay tany dia 125 isan-jaton’ny isan’ny mpitory. Azon’ny antokona Vavolombelona sy olona liana any Arzantina tsara koa izany. Mipetraka sahabo ho 20 kilaometatra miala avy eo amin’ny Efitrano Fanjakana izy ireo. Na dia izany aza, dia manao tatitra ny mpiandraikitra ny fizaran-tany fa tsy misy amin’izy ireo tapaka amin’ireo fivoriana, raha tsy noho ny aretina ihany. Mandeha adiny efatra mitaingina voatiry na mitaingin-tsoavaly izy ireo, ary mandritra ny ririnina, dia mandeha mody ao anatin’ny haizin’ny alina izy ireo.
13 Arakaraka ny anakekezan’ny faran’itỳ fandehan-javatra itỳ, dia mihamafy ny fiainana, mitombo ny zava-manahirana, ary mety ho zava-tsarotra kokoa ny fanatrehana tsy tapaka ny fivoriana. Kanefa, ao anatin’ny tarehin-javatra toy izany, isika dia mila bebe kokoa mbola tsy misy toy izany sakafo ara-panahy sy fiarahana mafana izay tsy mety ho hita raha tsy any amin’ireny fivoriana ireny ihany.
“Manaova izany amim-pahadodonana”
14. Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no mahatsapa fahadodonana mahakasika ny fanompoany, ary vokatra inona avy no mampiseho izany?
14 Tamin’ny taon-dasa, ny Eglizy Katolika any Italia dia niresaka ny amin’ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah ho “fitaomana olona hiova finoana amin’ny fomba baribariàna”. Raha ny tena izy anefa, dia tsy misy maha-baribariàna azy izay ataon’ny Vavolombelona. Fampisehoana fitiavana lalina ny mpiara-monina aminy kosa ny fanompoana ataony. Izy io koa dia porofon’ny fankatoavany ny tenin’i Paoly hoe: “Mitoria ny teny, manaova izany amim-pahadodonana na amin’ny vanim-potoana mora na amin’ny vanim-potoana sarotra”. (2 Timoty 4:2, NW ). Ny fahatsapana fahadodonana dia manosika ny Vavolombelon’i Jehovah ho be zotom-po eo amin’ny fanompoan’izy ireo, araka ny hita eo amin’ny nandanian’izy ireo ora mitontaly ho 1 096 065 354 tamin’ny 1994 teo amin’ny fitoriana tamin’ny mpiara-monina aminy sy tamin’ny fiverenana mitsidika ary teo amin’ny fitarihana isan-kerinandro fampianarana ny Baiboly 4 701 357. Maro no afaka nandray anjara tamin’ny asan’ny mpisava lalana, ka izany dia mampiseho fa velombelona sy miasa tsara ny toe-tsain’ny mpisava lalana. Manaporofo izany ny antsalany maneran-tany 636 202 eo amin’ny isan’ny mpisava lalana.
15, 16. a) Ahoana no samy nampisehoan’ny tanora sy ny antitra toe-tsain’ny mpisava lalana? b) Raha mijery ny tany tsirairay ao amin’ny Rapaoron’ny Taom-piasana 1994 ianao, dia aiza no ahitanao isa miavaka eo amin’ny mpisava lalana?
15 Eo anivon’ireo mpisava lalana ireo, dia misy zatovo maro. Ny sasany any Etazonia izao dia manompo amin’ny maha-mpisava lalana maharitra mandritra ny fianarany any amin’ny lise, ka ny lakilasy no faritanin’izy ireo voalohany indrindra. Hitan’ireny tanora ireny fa ny fanaovana ny asan’ny mpisava lalana no tena fomba tsara indrindra hiarovany ny tenany amin’ny zava-mahadomelina sy ny fahalotoam-pitondran-tena ary ny herisetra izay manenika ny sekoly maro any amin’io tany io. Tanora maro hafa no manana tanjona ho tonga mpisava lalana rehefa handao ny sekoly izy ireo. I Irina any Ukraine, dia nanao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy nandritra ireo taona rehetra nianarany tany amin’ny lise mba hiomanany ho amin’ny asan’ny mpisava lalana aorian’ny hahazoany diplaoma. Rehefa nahavita ny fianarany izy, dia nanolotra ny hanampy azy ara-bola ny fianakaviany mba hahafahany hisolo tena azy ireo eo amin’ny asan’ny mpisava lalana maharitra. Tsy mora ny toe-javatra ara-toe-karena any Ukraine. Kanefa dia hoy i Irina: “Fantatro fa ny tenako dia manao asa izay midika ho fiainana, tsy ho ahy fotsiny, fa ho an’ireo izay itoriako koa.” Tena fahafinaretana tokoa ny mahita tanora maro aoka izany amin’izao andro izao misaina sahala amin’i Irina. Inona moa no fomba tsara kokoa noho izany ‘hahatsiarovan’izy ireo ny Mpanao azy amin’ny andro fahatanorany’? — Mpitoriteny 12:1.
16 Maro be amin’ireo mpisava lalana no efa zokinjokiny. Nanao tatitra ny olona iray fa nandritra ny ady lehibe faharoa, dia maty tany an’ady ny rainy sy ny anadahiny, ary nisy nitifitra tao amin’ny faritanànan’ny Jiosy ny reniny sy ny rahavaviny. Tatỳ aoriana dia maty ny zanany lahy. Amin’izao fahanterany sy fahasalamany tsizarizary izao, dia nanome azy fianakaviana lehibe lavitra noho ilay nafoiny i Jehovah, ao amin’ny kongregasiona kristiana. Ary mahita fifaliana izy eo amin’ny fanampiana ny hafa amin’ny maha-mpisava lalana maharitra.
17, 18. Ahoana no ahafahan’ny tsirairay amintsika maneho toe-tsain’ny mpisava lalana, na mpisava lalana isika na tsia?
17 Mazava ho azy fa tsy ny rehetra akory no afaka ny ho tonga mpisava lalana. Faly i Jehovah manaiky ny ampahafolon-karenantsika manontolo, dia ny tsara indrindra izay azontsika atolotra, na toy inona na toy inona mety ho toe-javatra misy antsika manokana. (Malakia 3:10). Tsy azo lavina fa isika rehetra dia afaka mamboly ny toe-tsain’ny mpisava lalana ananan’ireny mpisava lalana be zotom-po ireny, ka hanao izay mety ho azontsika atao araka izay amelan’ny toe-javatra misy antsika, mba hampandrosoana ny fitoriana ny vaovao tsara.
18 Tany Aostralia, ohatra, dia notendrena ho andro manokana hanaovana fitoriana teny amin’ny arabe ny 16 Aprily. Samy nanohana tsara izany na ireo mpitory na ireo mpisava lalana, araka ny niharihary tamin’ilay tampon’isa vaovao teo amin’ny mpitory 58 780 tamin’io volana io. Ankoatra izany, dia nitombo 90 000 noho ny tamin’ny taon-dasa ny isan’ny gazety voazara tamin’io volana io ihany. Nandritra ilay andro manokana dia nisy anabavy iray nametraka gazety tamin’ny lehilahy iray, ary raha teo am-panoratana ny anaran’ilay rangahy sy ny adiresiny mba hanolokoloana ilay fahalianana izy, dia nahita fa mpihavana ry zareo! Hay zanak’olo-mpiray tam-po izy ireo, ary tsy nifankahita efa hatramin’ny 30 taona. Azo antoka fa izany dia nahatonga fiverenana mitsidika tena nahasambatra!
Hazòny hatramin’ny farany ny tsy fivadihana
19. Nahoana no ilaina maika ny hihazonan’ilay firenena marina tsy fivadihana hatramin’ny farany?
19 Ilaina maika ho an’ny rehetra ao amin’ilay firenena marin’Andriamanitra ny mihazona tsy fivadihana, satria miditra ao amin’ny fotoana farany iainany izao tontolo izaon’i Satana. Tsy ho ela ilay firenena masin’i Jehovah dia handre ilay antso hoe: “Mandehana, ry oloko, midira ao amin’ny efi-tranonao, ary mirindrìna varavarana hianao, ka miere kely indray mipì-maso monja mandra-pahalasan’ny fahatezerana.” Hiatrika amin’ny fomba tsy azo ialana ny didim-pitsaran’Andriamanitra itỳ tontolo mivesatra trosan-dra itỳ. “Fa, indro, Jehovah mivoaka avy amin’ny fitoerany hamaly ny mponina amin’ny tany noho ny helony; ary ny tany hampiseho ny ra izay nofohiny ka tsy hanafina intsony izay novonoina teo aminy.” (Isaia 26:20, 21). Enga anie ny tsirairay amintsika hiorina tsara amin’ny maha-mpihazona tsy fivadihana kristiana miaraka amin’ilay firenena marin’i Jehovah. Avy eo isika dia hifaly amin’ny fahazoana ny fiainana mandrakizay eo amin’ny faritry ny Fanjakan’i Kristy eto an-tany na any an-danitra.
Tadidinao Ve?
◻ Oviana no nahaterahan’ilay “firenena marina”?
◻ Nahoana ny vahoakan’Andriamanitra no mila fiaretana amin’izao andro farany izao?
◻ Inona no asehon’ny isa ambony eo amin’ny mpitory sy ny ora lany teo amin’ny fanompoana hita ao amin’ny Rapaoron’ny Taom-piasana 1994?
◻ Nahoana no zava-dehibe aoka izany ny fanatrehana ireo fivoriana, arakaraka ny anakekezan’itỳ tontolo itỳ ny farany?
◻ Nahoana no tsy maintsy mihazona tsy fivadihana izay rehetra miaraka amin’ilay firenena marin’Andriamanitra?
[Tabilao, pejy 12-15]
RAPAORO MANERAN-TANIN’NY VAVOLOMBELON’I JEHOVAH, TAOM-PIASANA 1994
(Jereo ny gazety)
[Sary, pejy 18]
Ireo mpihazona tsy fivadihana ao amin’ilay firenena marin’i Jehovah dia hahazo fiainana mandrakizay ao anatin’ny fahalavorariana