Tsy maintsy ambara ireo fitsaran’Andriamanitra
“Miomàna ka lazao aminy izao rehetra andidiako anao izao. Aza matahotra ireo.” — JEREMIA 1:17.
1. Ahoana no ‘nampamirapiratan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fahazavany’ tany Alemaina nazia?
“NY FANENJEHANA nanjo ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny fanjakan’ny Fandripahana [Alemaina nazia] dia nanana ny toerany teo amin’ireo fotoam-pisedrana tamin’ny tantarany.” (Fandinihana isan-taona ny amin’ny Fandripahana, boky II, Fihetsik’ireo Fiangonana tamin’ny Fandripahana [anglisy]). Ny gazety afrikana tatsimo iray mivoaka isan’andro (ny Daily News tamin’ny 15 jolay 1939) dia nanambara toy izao momba ireo Vavolombelona alemana: “Tahaka ny fahazavana tsy mety mihevingevina mihitsy, io antokon-dehilahy sy vehivavy vitsy io dia nitoetra tsy nivadika tao amin’ny finoana kristiana, toy ny tsilo tao amin’ny ilan’ilay mpanjakan’i Munich [Adolf Hitler], nampahatsiahy azy fa mety maty izy.” Mampahatsiahy antsika izay nolazain’i Jesosy ny amin’ny mpianany ireo teny ireo, dia ny hoe “fahazavan’izao tontolo izao” izy ireo ary na inona na inona ho vidin’izany dia tokony hampamirapiratra ny fahazavany eo amin’izao tontolo izao izy. — Matio 5:11, 12, 14-16.
2, 3. Ohatra feno herim-po tamin’ny fitoriana manao ahoana moa no nomen’ny Vavolombelona iray tany Sri Lanka?
2 Fantatra fa tany Sri Lanka, tany rotidrotiky ny fampihorohoroana amin’izao fotoana izao, ny tanora Tamola iray, David Gunaratnam, toy ny nataon’i Jeremia, dia nanambara tamin-kerim-po ny finoany amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah teo anoloan’ny manam-pahefana ara-tafika. Nosamborina niaraka tamin’ny tovolahy hafa izy mba halaina am-bavany. Araka ny fitantarana voaray, “ny manamboninahitra sy ny miaramila tsotra dia variana noho ny fahalalana nananan’io lehilahy io, ary, ambonin’izany, noho ny fahatsorany niharihary, indrindra rehefa nilaza izy hoe: ‘Raha toa aho mifanena amin’ireo antsoina hoe mampihorohoro, dia hitoriako izao lazaiko aminareo izao koa izy.’ ”
3 Iny alina iny ihany dia nalain’ny mpampihorohoro an-keriny io tovolahy io raha tao an-tranony izy, ka nampangainy ho niara-niasa tamin’ny miaramila. Nilaza tamim-pahasahiana ny fialanalanana notanany izy, sady niteny fa tsy nanao afa-tsy ny nitory ny hafatry ny Fanjakan’Andriamanitra. “Manatanteraka ny asan’Andriamanitra aho ary hanohy izany aho, hoy izy taminy. Mitory amin’izay olona rehetra maniry hihaino ahy aho.” Novonoin’ireo mpampihorohoro ireo io Vavolombelona tsy natahotra io ary namela mpitondrantena tanora iray sy zazakely iray. — Jereo Asa. 7:51-60.
4. Fanenjehana inona nankasitrahan’ny klerjy moa no nahazo ny Vavolombelon’i Jehovah tao amin’ny tany iray any Amerika latina?
4 Izao no vaovao voarainay avy any amin’ny firenena iray eo Amerika latina, izay anenjehana ny Vavolombelon’i Jehovah omban’ny fankasitrahan’ny mpikambana sasany amin’ny klerjy katolika sy presbyteriana mivantana na tsia: “Nisy Vavolombelon’i Jehovah dimy tao amin’ny andiana miaramila misy anay (...) Matetika izy ireo no nokapohina sy natokna tsy nomena hanina. Nosazin’ilay manamboninahitra tompon’andraikitra tamin’ny fampielezan-kevitra ara-politika tao amin’ny laharana nisy anay izy ireo satria nitory tamin’ny miaramila hafa. Araka ny heviny, dia ny Vavolombelon’i Jehovah no mampidi-doza indrindra amin’ny mpanohitra ara-pivavahana rehetra.”
Antony sy fihetsika
5. Antony inona matetika, toy ny tamin’i Jeremia tamin’ny androny, no anenjehana ny Vavolombelona?
5 Eny, tahaka ny nanenjehan’ireo filoha ara-pivavahana sy ara-politika an’i Jeremia, dia tahaka izany koa fa amin’izao androntsika izao dia manohitra an’ireo Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany izy ireo. Izao no antony: na dia fantatra ho ny olom-pirenena tia filaminana sy fatra-panaja lalàna indrindra aza ny Vavolombelona hatraiza hatraiza, dia heverin’ireo fahavalony ho mampidi-doza ny Tenin’Andriamanitra izay ampahafantariny, satria tsy tiany sady laviny ny hafatra momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Ankoatr’izany, ny fotopoto-pitsipika arahin’ny Vavolombelona sy ny asa fitoriana tanterahiny tsy misy fanekena lembenana mihitsy, dia manala sarona ny fitiavan-tena sy ny fihatsarambelatsihin’ny lafiny ara-politika sy ara-barotra ary ara-pivavahan’ny fandehan-javatra tarihin’i Satana. — Jaona 15:18, 19; 1 Jaona 5:19.
6. Ahoana moa no ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah manoloana ny fanenjehana?
6 Na dia ao aza anefa ny fanenjehana atrehiny: fanaovana an-tranomaizina sy fikapohana ary fahafatesana mihitsy aza, dia manana fihetsika mitovy amin’ny an’i Jeremia ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany. Sady maneho fitiavana sy fahaiza-mandanjalanja izy ireo no manohy mitory amin’ireo firenena sy fitsaran’Andriamanitra tsy tiam-bahoaka (2 Timoty 2:23-26). Fatany fa tokony hanaiky an’Andriamanitra ho filoha mihoatra noho ny olombelona izy (Asa. 4:19, 20; 5:29). Mandaitra aminy ny torohevitra nomen’i Paoly ao amin’ny taratasiny ho an’ny Hebreo, izay amporisihany ny kristiana mba hiaritra amin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra. Amin’izany fomba izany, no hahitany fahatanterahan’ny fampanantenana: ny fiainana mandrakizay. Isika dia tokony ho afaka hilaza toa an’i Paoly sy Jeremia hoe: “Fa isika tsy mba naman’izay mihemotra ho amin’ny fahaverezana, fa naman’izay mino ho amin’ny famonjena ny fanahy.” — Hebreo 10:35-39.
Mampihanjahanja ny fivavahana lazaina fa kristiana ny Jeremia amin’ny andro ankehitriny
7. Ahoana no nanarahan’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao taonjato faha-20 izao ny ohatr’ireo mpaminanin’i Jehovah nahatoky nalefany teo amin’ny Isiraely sy Joda?
7 Tahaka ny nandefasany ny mpaminaniny teo amin’ny Isiraely sy Joda, dia tahaka izany fa Jehovah dia mandefa ny Vavolombelony mba hampanakoako ireo teny ao amin’ny hafatra fitsarany ho avy (Jeremia 7:25, 26; 25:4, 8, 9). Indrindra fa hatramin’ny 1919, taona namelombelomana azy indray tamin’ny lafiny ara-panahy, ny sisa voahosotra rahalahin’i Kristy, dia nanambara amin-kerim-po amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana ireo hafatra mahery milaza loza, izay mahaforona ny fitsaran’Andriamanitra (jereo Jeremia 11:9-13). Tamin’io taona io dia navoaka ny gazety vaovao iray: L’Age d’Or. Rehefa nandeha ireo taona, Consolation (1937) avy eo dia Réveillez-vous! (1946), araka ny niantsoana azy tatỳ aoriana, dia nahafahana nanala sarona ny lainga ara-pivavahan’ny fivavahana lazaina fa kristiana, sady nampiseho fa tsy anisan’ny kristianisma marina izy.
8, 9. a) Nahoana, tamin’ny 1922 no nanameloka ireo Fiangonana ny L’Age d’Orỳ b) Loza inona no nambara mialoha ho an’ireny Fiangonana ireny?
8 Ohatra, L’Age d’Or tamin’ny 11 oktobra 1922 (anglisy) dia niampanga ny fivavahan-diso tamin’ireto teny ireto: “Ny fiezahan’ireo fandaminana ara-pivavahana rehetra — ary koa ny an’ny klerjiny sy ny tompon’andraikiny ary ny mpiandany aminy — mba hitandroana sy hampiorenana indray ny fandaharan-javatra eto ambonin’ny tany (...) dia voatokana tsy hahomby, satria tsy anisan’ny fanjakan’ny Mesia izy ireny. Mifanohitra amin’izany, nandritra ny Ady Lehibe [Voalohany] dia nivadika tamin’i Jesosy Kristy Tompo ny klerjin’ireny Fiangonana ireny satria izy niaraka tamin’izao tontolo izaon’ny raharaha ara-barotra sy ny mpanao politika be fahefana mba hanohana ny ady lehibe.”
9 Nanohy toy izao io gazety io: “Ankoatr’izany dia nolaviny ny Tompo sy ny fanjakany, ary nampiseho fivadihana izy tamin’ny fiarahana an-tsitrapo tamin’ny fandaminan’i Satana sy tamin’ny nanambarany tamin’izao tontolo izao — fahasahiana tsy mampino — fa endrika ara-politikan’ny fanjakan’Andriamanitra eto an-tany ny Fikambanam-pirenena.” Farany dia nanaraka ny hafatra iray manambara “loza” na fitsarana: “Araka ny tenin’i Kristy Jesosy, ankehitriny dia hamely ny firenena eto an-tany ny vanim-potoana lehibe iray hisy ‘fahoriana izay tsy mbola nisy toa azy hatrizay niandohan’izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony’.”
10. Inona no nalana sarona tamin’ny 1926?
10 Izany asa nanirahana fampitandremana tahaka ny an’i Jeremia izany, dia nitatra be tokoa noho ny nampiasana zavatra vita an-tsoratra hafa toy ny Ny Tilikambo Fiambenana, sy bokikely ary boky. Ohatra, ny boky Délivrance, navoaka tamin’ny 1926, dia nanala sarona tamin-kery ireo fampianarana mamitaky ny fivavahana lazaina fa kristiana. Izao no azo novakina tao amin’ny pejy faha-210 amin’io boky io: “Anisan’ireo fampianaran-diso nanoloana malalaka ny fahamarinana [ao amin’ny fampianaran’ny fivavahana lazaina fa kristiana nivadi-pinoana], dia nahitana sady ahitana ny amin’ny trinité, ny tsy fahafatesan’ny fanahy rehetra, ny fampijaliana mandrakizay ny ratsy fanahy, ny fanirahan’Andriamanitra ny klerjy ary ny zon’ireo mpanjaka hanapaka avy amin’Andriamanitra. Araka ny fandehan’ny fotoana dia natsangana ho andriamani-bavy Maria, renin’i Jesosy zaza; ary nasaina hanaja azy ho toy ny renin’Andriamanitra ny olona.”
Ny fivavahana lazaina fa kristiana, mpampisaratsaraka, dia ampiomanina
11, 12. a) Raha ny amin’ny ady, amin’ny teny inona no anambarana ny firaisan’ny klerjy tsikombakomba? b) Fampitandremana inona no nomen’ny kilasin’i Jeremia?
11 Raha ny amin’ny ady, io boky io ihany dia nanambara ny firaisan’ny klerjy tetika tamin’ireto teny ireto: “Nitso-drano ireo tafika nandeha tany an’ady nirahin’ny lafiny ara-barotra sy ara-politika ny klerjy avy amin’ireny fikambanana ara-panahy samihafa ireny; nanome ny tsodranony tsy misy fiheverana ny antony niadian’ny miaramila izy. Tamin’ny andaniny roa, ny pretra sy ny pastora rehetra, dia miantso Andriamanitra mitovy ihany, mba hitahiany ny mpiady.” (Jereo Jeremia 7:31). Avy eo dia nambara, na dia tsy nivantana aza, ny fitsarana iray efa antomotra: “Ireo lafiny rehetra ireo izay mahaforona ny tapany hita maso amin’ny fandaminan’ilay Ratsy dia miomana ho amin’ny ady lehiben’i Hara-Magedona.” — Apokalypsy 16:14-16.
12 Tahaka ny nilazan’ireo mpitarika ny vahoaka tamin’ny andron’i Jeremia fa voavonjy sady nihavana tamin’Andriamanitra izy ireo, “dia tahaka izany koa fa ireny mpitondra ireny dia miaiky fa voavonjy izy, ka amin’izany dia tsy misy afa-tsy ny fiantsoana ny tenany amin’ny anaran’i Jesosy, raha mbola manohy milalao amin’ny afon’ny devoly izy ireo. Manajamba tena izy raha ny amin’ny tena tarehin-javatra, amin’ny fanipazana fasika ao amin’ny masony sy ny mason’ny mpiara-belona aminy.” (Délivrance, pejy faha-281.) Amin’izao androntsika izao dia manambara [ny fahajamban’izy ireo] ny kristiana be zotom-po: ny Mpianatra ny Baiboly izany, araka ny niantsoana ny Vavolombelon’i Jehovah taloha. — Matio 7:21-23.
13. Inona no nitranga tamin’ny 1931, ary nahoana izany no nety?
13 Rehefa nandeha ny fotoana, dia mbola nihanazava kokoa ihany ny fifandraisana misy eo amin’ny Mpianatra ny Baiboly sy Jeremia, satria tamin’ny 1931, nandritra ny fivoriambe tany Columbus, any Ohio, Etazonia, dia nambara fa io antokon’olona kristiana be herim-po io dia hitondra manomboka hatreo ny anarana araka ny Baiboly hoe “Vavolombelon’i Jehovah”. (Isaia 43:10-12.) Tamin’ny taonjato faha-8 alohan’ny fanisan-taona iraisana dia nahariharin’i Jehovah io anarana io, tamin’ny fanomezana azy ny Isiraely. Noho izany, taonjato iray tatỳ aoriana, dia Vavolombelon’i Jehovah koa ny tenan’i Jeremia mpaminany (Jeremia 16:21). Tahaka izany, rehefa tonga teto an-tany Jesosy, izay anisan’ny vahoaka jiosy, dia Vavolombelon’i Jehovah Rainy koa izy (Jaona 17:25, 26; Apokalypsy 1:5; 3:14). Nety àry tamin’ny fotoana nanirian’Andriamanitra azy, raha mitondra ara-dalàna an’io anarana nofidin’Andriamanitra io, dia ny hoe: “Vavolombelon’i Jehovah”, ny vahoakan’i Jehovah. — Jaona 17:6, 11, 12.
Alana sarona ny fivavahana lazaina fa kristiana
14. Ahoana no nampiharihariana ny asan’ny fivavahana lazaina fa kristiana nandritra ireo 70 faramparany?
14 Nandritra ireo 70 taona faramparany, ny Vavolombelon’i Jehovah dia nanambara ny fanantenana kanto momba ny Fanjakan’Andriamanitra, sady nampiely teo amin’izao tontolo izao tena ranonoram-panamelohana sy fitsarana. Tamin’ny fanampian’ny boky manazava ny Baiboly an-jato tapitrisany maro voasoratra amin’ny fiteny mazava sy mamparisidrisika, dia nasehony ny tena maha-izy ny fivavahana lazaina fa kristiana: ny tapany mahery indrindra amin’ilay vehivavy janga ara-pivavahana, “Babylona Lehibe”, araka ny ilazana azy ao amin’ny Apokalypsy toko faha-17 sy 18. (Jereo “Babylone la Grande est tombée!” Le Royaume de Dieu a commencé son règne!, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc., tamin’ny 1963 pejy faha-567 ka hatramin’ny 609.)
15. Ahoana no nanalana sarona ny fivavahana lazaina fa kristiana tamin’ny 1955?
15 Tamin’ny 1955 dia nizara ilay bokikely hoe Qui est “la lumière du monde”, la chrétienté ou le christianisme? ny Vavolombelon’i Jehovah ary izany dia an-tapitrisany maro, ka an’arivony maromaro tamin’izany no nozaraina mivantana tamin’ny klerjin’ny fivavahana lazaina fa kristiana. Inona no nambaran’io bokikely io tamin’ireo anisan’ny klerjy? Nitovy tanteraka tamin’ny nataon’i Jeremia, dia nanambara izy hoe: “Araka izany, na dia teo aza ny tombontsoany rehetra, izay nametraka azy teo amin’ny laharana voalohany tamin’ny lafiny ara-toe-karena, ara-pahaizana sy ara-tafika, ny fivavahana lazaina fa kristiana dia tsy niseho ho toy ny ‘fahazavan’izo tontolo izao’. Nahoana? (...) tsy mitory na mampihatra ny kristianisma ampianarina” ao amin’ny Baiboly izy. Lavidavitra kokoa dia nametraka ireto fanontaniana ireto ilay bokikely: “Amin’ny fanalana sarona ny fivavahan-diso, moa ve enjehina ireo mpanaraka azy? Amin’ny fanaovana toy izany moa ve mirehidrehitra foana tsy amin’ny antony ny tena?”
16. Tamin’ny fanambarana ny fanaon’ny fivavahana lazaina fa kristiana, moa ve nirehidrehitra tsy amin’ny antony ny Vavolombelona?
16 Mamaly toy izao ilay bokikely: “Tsia, satria raha tsy izany dia ho mpanenjika mirehidrehitra foana an’ireo Jiosy Jesosy Kristy. (...) Ireo mpaminan’i Jehovah fahiny rehetra [anisan’izany i Jeremia], izay niseho talohan’i Jesosy Kristy, dia ho mpanenjika sy mpirehidrehitra foana, satria izy rehetra dia nanameloka ny fivavahan-diso narahin’ny Jiosy nivadi-pinoana ireo firenena mpanomp sampy.” Mba hahatongavany ho ‘fahazavan’izao tontolo izao’ dia ilain’ny kristiana marina ny mampiseho hoe aiza no misy ny “haizina” ara-panahy (2 Korintiana 6:14-17). Tsy midika akory izany fa tokony hamely ny isam-batan’olona izy, fa ireo fandaminana izay manandevo azy ihany. Araka izany, Jehovah dia nandidy an’i Jeremia toy izao: “Fa hianao kosa dia misikina, ary miomàna ka lazao aminy izao rehetra andidiako anao izao. Aza matahotra ireo (...). Fa hiady aminao ireny, nefa tsy hahaleo anao, satria ‘momba anao hamonjy anao aho’, hoy Jehovah.” — Jeremia 1:17, 19.
Madiva hifarana ilay asa tahaka ny nataon’i Jeremia
17, 18. a) Ahoana, tamin’izao taona faramparany izao no nahatanterahan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny asany tahaka ny an’i Jeremia? b) Torohevitra inona moa no nomena ny olona tso-po?
17 Moa ve ny Vavolombelon’i Jehovah nampiadana ny fanambarany ireo fitsaran’Andriamanitra? Marina fa isika dia miaina amin’ny fotoana izay tsy ahitana loatra ny fanomezana tsiny ny fivavahana hafa; kanefa ireo bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah dia mirakitra hafatra fitsarana mitovy amin’izay nambara fahiny ho fanoherana ny fivavahana lazaina fa kristiana. Araka izany, nandritra ireo efa-taona lasa dia nanonta 32 tapitrisa tamin’ilay boky hoe Azonao atao ny hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany ny Vavolombelon’i Jehovah, ary izany dia tamin’ny fiteny 76. Io boky io dia mivaofy foto-kevitra maro mitana ny sain’ny olona, anisan’izany ny hoe “Inona no mitranga eo amin’ny fahafatesana?”, “Nahoana no navelan’Andriamanitra hisy ny faharatsiana?” sy “Ny fomba famantatra ny fivavahana marina”. Ankoatra izany dia mampitandrina mazava ny olombelona amin’ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso izy io.
18 Ao amin’ny toko faha-25 amin’io boky io, mitondra ny lohateny hoe “Miandany amin’izao tontolo izaon’i Satana ve ianao sa amin’ny Fanjakan’Andriamanitra?”, dia misy firesahana ny amin’ny “fivavahan-diso izay lazalazain’ny Baiboly ho toy ny ‘vehivavy janga’ antsoina hoe ‘Babylona Lehibe’. (...) Tamin’ny fotoana rehetra ny fivavahana dia nitsabaka tamin’ny politika. Tena nampihatra fiandrianana teo amin’ireo mpanjaka amin’ny tany tokoa izy”. Noho izany, fitondrantena inona no amporisihan’io boky io mba harahina? Izao no vakintsika: “Moa ve ianao miandany amin’izao tontolo izaon’i Satana sa amin’ny fandehan-javatra vaovaon’Andriamanitra? Raha nifidy ny fandehan-javatra vaovaon’Andriamanitra ianao, dia tokony hisaraka amin’izao tontolo izao, anisan’izany ny fivavahan-disony. Araho izao baiko ao amin’ny Baiboly izao: ‘Mialà aminy [amin’i Babylona lehibe] hianareo, ry oloko.’ (Apokalypsy 18:4).”
19. Ahoana no azo ampisehoana fa amin’izao fotoana atỳ aoriana izao dia tsy maty akory ny feon’i Jeremia amin’ny andro ankehitriny?
19 Izany hafatra mahery momba ny fisarahana amin’i “Babylona lehibe” sy ny fitsarana ireo ratsy fanahy izany, dia manakoako amin’ny fomba mazava ao amin’ilay boky hoe Sécurité universelle sous le Règne du “Prince de paix”, navoaka tamin’ny 1986 (6 tapitrisa ny boky amin’ny fiteny 25). Io boky io dia manameloka ny klerjin’ny fivavahana lazaina fa kristiana noho izy ‘namporisika tao amin’ny toriteniny an’ireo tovolahy mba handray anjara tamin’ny Ady Lehibe Voalohany’. Manohy amin’ireto teny ireto izy: “Hatramin’izao andro izao ny fivavahana lazaina fa kristiana, dia mitoetra ho fahavalon’ilay Andriamanitra Avo Indrindra. Mazava fa tsy manana ny fankasitrahan’Andriamanitra izy, ary izany no maha-tandindomin-doza mihitsy ny fisiany.” (Jereo pejy faha-30 ka hatramin’ny 32). Tsy maty akory ny feon’i Jeremia amin’ny andro ankehitriny; na dia miezaka hanakana ny fanambarana ireo fitsaran’i Jehovah aza ny klerjy sy ireo mpanao politika, dia mandroso foana ny vavolombelon’Andriamanitra mahatoky, tapa-kevitra ny hamita an’io asa famitandremana io. — Jeremia 18:18.
20. Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no manohy manambara ny fitsaran’Andriamanitra amin’ireo firenena?
20 Nahoana àry no tokony hovitaina io asa io? Satria Jehovah, ilay Andriamanitra velona, ilay Tompom-piandrianana eo amin’izao rehetra izao, dia hanadina ireo firenena sy ny fivavahany. Ny fanontaniana napetrak’i Jehovah tamin’ny mponina mpihatsaravelatsihy tao Joda sy Jerosalema, dia mipetraka amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana koa ankehitriny: “Tsy hovaliako va izy amin’izany? hoy Jehovah; ary tsy hialako fo va ny firenena toy izany?” Izany no antony anohizan’ny Vavolombelon’i Jeohvah mitondra ho an’ny olona avy amin’ny firenena rehetra, hafatra tsy tiam-bahoaka, izay mampahatezitra ny ankamaroan’izy ireny, satria raisiny ho toy ny fanamelohana izany, fa mahafaly kosa olom-bitsy, izay mahita amin’izany, vaovao tsara iray, ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. — Jeremia 5:9, 29; 9:9; Asa. 8:4, 12.
21. Na dia misy loza ambara aza, fanantenana kanto inona no atolotra ho an’ireo izay mihaino ny asa tanterahin’ny kilasin’i Jeremia? (Salamo 37:9, 11, 18, 19, 28, 29)?
21 Na dia nantsoina matetika ho “mpaminany mpanambara loza” aza Jeremia, ny hafatra nentiny dia nanome tara-panantenana ihany ho an’ny Jiosy (Jeremia 23:5, 6; 31:16, 17). Tahaka izany koa, raha manambara ny fahantomoran’ny “fahoriana lehibe” sy ny fitsaran’Andriamanitra ao Hara-Magedona ny Vavolombelon’i Jehovah, dia mitory koa “lanitra vaovao sy tany vaovao” izy fiorenany dia hitondra fitahiana, toy ny famerenana indray ny rariny sy ny Paradisa eto an-tany, ary koa ny fiainana mandrakizay (Matio 24:21, 22; Apokalypsy 16:16; 21:1-4). Rehefa fantatra ny fotoana iainantsika, dia tokony haneho fitandremana manokana ny hafatra fitsaran’i Jehovah isika ka hitondra ny fanohanantsika amin’ny famitana ny asa lehibe tanterahin’ny kilasin’i Jeremia. — Jereo Jeremia 38:7-13.
Tadidinao ve?
◻ Tahaka an’i Jeremia, fanenjehana manao ahoana no mihatra amin’ny Vavolombelon’i Jehovah?
◻ Nahoana no manohy mitory ny Vavolombelon’i Jehovah?
◻ Fitarana manao ahoana no hitan’ny asa mitovy amin’izay notanterahin’i Jeremia?
◻ Ohatra vao haingana inona no mampiseho fa tsy niova ny hafatra fanamelohana?
◻ Na dia manambara loza koa aza izany, fanantenana inona no atolotr’ilay hafatra?
[Sary, pejy 23]
Maria dia nivavahana ho toy ny “Renin’Andriamanitra” tamin’ny farany.
[Sary, pejy 24]
Tamin’ny 1931, nandritra ny fivoriambe tao Columbus (Ohio), ny Mpianatra ny Baiboly dia nandray ny anarana hoe “Vavolombelon’i Jehovah”.
[Sary, pejy 25]
Maneran-tany ny Vavolombelon’i Jehovah dia manaraka ny ohatr’i Jeremia.