AVARATRA
Matetika no ampiasaina mba hilazana ny avaratra ny hoe tsafôhn. Ilazana ny avaratra koa anefa ny hoe ankavia, satria avy any ankavian’ny olona iray ny avaratra, raha manatrika ny fiposahan’ny masoandro any atsinanana izy. (Ge 14:15; jereo koa Kat.; JM) Ireto avy no heviny ampiasan’ny Soratra Masina ny hoe “avaratra”: Faritra eto an-tany (Sl 107:3; Is 43:6; Lk 13:29); zavatra nitodika tany avaratra (Ek 26:20; 1Mp 7:25; Ap 21:13); ny lanitra avaratra (Jb 26:7); ary tany sy fanjakana samihafa tany avaratra sy atsinanan’ny tany nipetrahan’ny Israelita (anisan’ireny i Asyria [Ze 2:13] sy Babylona [Je 46:10]). Raha ny marina, dia tany atsinanan’i Tyro i Babylona, izay nolalovan’ny Reniranon’i Eofrata. Lazain’ny Ezekiela 26:7 anefa hoe avy any avaratra ny mpanjakan’i Babylona rehefa hiady amin’i Tyro. Lazaina hoe “avy any avaratra” koa ny loza ampiharin’ny Babylonianina amin’i Joda sy Jerosalema. (Je 1:14, 15) Nahoana? Satria toa nanaraka ny lalana avy tany avaratra ny tafika babylonianina rehefa niankandrefana. Tsy te handalo tany an-tany efitra mantsy izy ireo. Misy asa soratra babylonianina milaza fa fanaon’izy ireo izany.
Nisy tany sy fanjakana maro tany avaratra, ka ilaina ny mijery ny teny manodidina sy ny andinin-teny hafa mba hahafantarana hoe iza no tiana holazaina amin’ny hoe “avaratra” na tany “any avaratra.” Miresaka momba ny tany “any avaratra”, ohatra, ny Jeremia 50:9. Ny Isaia 21:2, 9 sy Daniela 5:28 no ahafantarana hoe anisan’ny firenena tao amin’ireny tany ireny ny Medianina sy Persianina ary Elamita. Toa ‘nivondrona’ ho iray, ka noheverina ho tafika iray na fahavalo iray, ireo firenena nanafika an’i Babylona. Ny ankamaroan’izy ireny dia tany lavitra tany avaratr’i Babylona (Je 51:27, 28), ary tany avaratratsinanan’i Babylona ny ampahany lehibe tamin’i Media. Avy tany avaratra koa ilay fanafihana an’i Babylona, satria tany avaratr’i Babylona no navilin’i Kyrosy ilay renirano.
“Ny mpanjakan’ny avaratra.” Ny tantara koa no manampy ahalalana ny hevitry ny hoe “avaratra” ao amin’ny andininy sasany. Miresaka momba “ny mpanjakan’ny avaratra”, ohatra, ny Daniela toko faha-11. Asehon’ny tantara fa i Aleksandra Lehibe ilay “mpanjaka mahery” resahin’ny Daniela 11:3. Nozaraina tamin’ireo jeneraliny efatra ilay fanjakany lehibe, rehefa maty i Aleksandra. Anisan’ireo jeneraly ireo i Séleucus Nicator. Nalain’izy io i Mezopotamia sy Syria, ka lasa mpitondra an’ilay faritany tany avaratr’i Palestina izy. Anisan’ireo jeneraly ireo koa i Ptolémée Lagus, ary nifehy an’i Ejipta, tany atsimoandrefan’i Palestina, izy. I Séleucus Nicator sy Ptolémée Lagus àry no nanomboka an’ilay adin’ny “mpanjakan’ny avaratra” sy ny “mpanjakan’ny atsimo”, izay naharitra ela be. Tsy tamin’ny andron’i Séleucus Nicator ihany anefa no tanteraka ilay faminaniana momba ny “mpanjakan’ny avaratra”, fa hatramin’ny “fotoanan’ny farany” mihitsy. (Da 11:40) Mazava àry fa hiovaova ny firenena na ny mpitondra lazaina hoe “mpanjakan’ny avaratra”, rehefa mandeha ny fotoana. Azo fantarina ihany anefa hoe iza izy io, rehefa jerena izay lazain’ny faminaniana momba izay hataon’ny “mpanjakan’ny avaratra.”—Jereo ny boky Diniho ny Faminanian’i Daniela!, 1999, p. 211-285.
Fonenan’i Jehovah. Toy ny hoe nonina teo amin’ireo Israelita i Jehovah, tamin’ny alalan’ireo solontenany. Lazain’ny Soratra Masina hoe tany “avaratra” izany toeram-ponenany izany.—Sl 48:1, 2; Is 14:13, 14; jereo TENDROMBOHITRA FIVORIANA.