-
KaftoraFandalinana ny Soratra Masina
-
-
Taranak’i Hama avy tamin’i Mizraima ny Kaftorima. (Ge 10:6, 13, 14; 1Ta 1:12) Nalain’izy ireo ny tanin’ny Avita teo amin’ny faritra atsimoandrefan’i Kanana, talohan’ny nanafahana ny Israelita avy tany Ejipta (1513 T.K.). (De 2:23) Ilazana an’ilay “nosy” nipetrahan’ny Filistinina talohan’ny nifindrany tany Kanana ny hoe Kaftora (na Kreta, TV), ao amin’ny andininy hafa.—Je 47:4; Am 9:7.
Niadian-kevitra be ny hoe taiza ho aiza i Kaftora: Ny faritry ny Vinany any Ejipta, sa ny morontsiraka atsimoatsinanan’i Azia Minora (anisan’izany i Kilikia), sa i Kapadokia, sa i Kreta? Milaza ny ankamaroan’ny manam-pahaizana ankehitriny fa ny nosy Kreta, eo atsimoatsinanan’i Gresy, izy io. Misy koa milaza fa anisan’i Kaftora ireo nosy sy tany amoron-tsiraka eny akaikin’i Kreta. Antsoina hoe Kaptara i Kaftora ao amin’ny soratra asyrianina-babylonianina, ary hoe Kfty(v) ao amin’ny soratra ejipsianina. Voaporofo fa nanao raharaham-barotra tamin’ny Kretanina efa hatry ny ela ny Ejipsianina (taranak’i Mizraima koa), angamba efa hatramin’ny andron’i Abrahama.
-
-
KaslohimaFandalinana ny Soratra Masina
-
-
KASLOHIMA
(Kaslôhima).
Zanakalahin’i Mizraima zanak’i Hama, na firenena taranak’i Mizraima. Milaza ny Baiboly fa ny Kaslohima no “niavian’ny Filistinina.” (Ge 10:6, 13, 14; 1Ta 1:8, 11, 12) Ny andininy hafa kosa milaza fa avy any Kaftora na Kreta ny Filistinina. (Je 47:4; Am 9:7) Misy manam-pahaizana àry milaza fa tokony ho ao aorian’i Kaftorima (ilay voatonona farany amin’ny zanak’i Mizraima) ilay hoe “izay niavian’ny Filistinina.” Tsy voatery ho mifanohitra anefa ireo andininy ireo. Ny razamben’ny Filistinina mantsy no resahin’ilay fitantarana ao amin’ny Genesisy (sy ny Tantara), fa ny toerana niaviany (Kaftora) kosa no resahin’ireo andininy hafa. Toa avy tany amin’ny faritanin’ny Kaftorima izy ireo no nifindra monina.
-
-
Kreta, KretaninaFandalinana ny Soratra Masina
-
-
Maro no manaiky hoe i Kreta ihany ilay “Kaftora” resahin’ny Soratra Hebreo. Avy any àry ireo Filistinina nonina tany Kanana. (Je 47:4; Am 9:7) Misy manam-pahaizana milaza fa mitovy ihany ny “Keretita” sy ny Kretanina. “Kretanina” fa tsy “Keretita”, ohatra, no ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo ao amin’ny Ezekiela 25:15-17 sy Zefania 2:5-7. (Jereo KERETITA.) Raha i Kreta ihany àry no Kaftora, dia taranak’i Mizraima (antsoin’ny Baiboly koa hoe Ejipta) ny mponina tao amin’ilay nosy.—Ge 10:13, 14.
-