Hiran’i Asafa.+
50 Ilay Andriamanitry ny andriamanitra, dia i Jehovah,+ no miteny;
Miantso ny tany izy,
Hatrany amin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatrany amin’ny filentehany.
2 Avy ao Ziona, tanàna tonga lafatra amin’ny hatsaran-tarehy,+ no amirapiratan’Andriamanitra.
3 Ho avy ilay Andriamanitsika, ary tsy hangina fotsiny izy.+
Misy afo mandevona eo alohany,+
Ary misy tafio-drivotra mahery mifofofofo manodidina azy.+
4 Miantso ny lanitra sy ny tany izy,+
Mba hitsara ny vahoakany.+ Hoy izy:
5 “Vorio eto anatrehako ny olona tsy mivadika amiko,
Dia ireo nanao fifanekena tamiko tamin’ny alalan’ny sorona.”+
6 Ny lanitra manambara ny fahamarinan’Andriamanitra,
Fa Andriamanitra no Mpitsara.+ (Sela)
7 “Mihainoa, ry vahoakako, fa hiteny aho;
Ry Israely, hijoro ho vavolombelona hiampanga anao aho.+
Izaho no Andriamanitra, ilay Andriamanitrao.+
8 Tsy noho ny sorona nataonao no ananarako anao,
Na noho ny fanatitra dorana natolotrao, izay eto anatrehako foana.+
9 Tsy mila maka ombilahy any an-tranonao aho,
Na osy ao am-balanao.+
10 Fa ahy ny bibidia rehetra any an’ala,+
Na dia ny bibidia eny amin’ireo tendrombohitra arivo aza.
11 Fantatro ny vorona rehetra eny an-tendrombohitra;+
Ahy ny biby tsy hita isa eny an-tsaha.
12 Raha noana aho, dia tsy hiteny aminao,
Satria ahy ny tany lonaka sy izay rehetra ao aminy.+
13 Hihinana henan’ombilahy angaha aho
Sa hisotro ran’osy?+
14 Fisaorana no atolory ho sorona ho an’Andriamanitra,+
Ary tanteraho ny voady nataonao tamin’ny Avo Indrindra;+
15 Antsoy aho rehefa ao anatin’ny sarotra ianao.+
Dia hamonjy anao aho, ka hanome voninahitra ahy ianao.”+
16 Fa hoy kosa Andriamanitra amin’ny ratsy fanahy:
“Ianao angaha manana zo hanonona ny fitsipiko,+
Na hiresaka momba ny fifanekena nataoko?+
17 Ianao mantsy mankahala anatra,
Ary tsy raharahianao foana ny teniko.+
18 Rehefa mahita mpangalatra ianao, dia mankasitraka ny ataony,+
Ary miaraka foana amin’ny mpanitsakitsa-bady ianao.
19 Avelanao hanely zava-dratsy ny vavanao,
Ary tsy mitsahatra miteny fitaka ny lelanao.+
20 Mipetraka manaratsy ny rahalahinao ianao;+
Resadresahinao ny fahadisoan’ny zanaky ny reninao.
21 Rehefa nanao an’izany rehetra izany ianao, dia nangina tsy niteny aho,
Ka nieritreritra ianao hoe hoatr’anao ihany aho.
Hananatra anao anefa aho izao,
Ary hilaza an’izay hiampangako anao.+
22 Aoka ianareo izay manadino an’Andriamanitra+ handinika an’izany,
Sao hamiravira anareo aho ka tsy hisy hamonjy anareo.
23 Izay manolotra fisaorana ho sorona no manome voninahitra ahy.+
Ary izay tapa-kevitra ny hanao ny tsara foana,
Dia hataoko izay hahitany ny famonjen’Andriamanitra.”+