Jesosy — Ilay Mpanapaka Izay “Hatry ny Fahagola no efa Nivoahany”
MIHATAITAITRA be ihany ianao eo am-piandrasana ny hahatongavan’itỳ havana ela tsy nifankahita taminao. Mihaona aminy ihany ianao amin’ny farany, ary mafana erỳ ny fomba iarahabanao azy. Manongilan-tsofina ianao eo am-pilazany aminao ny antony nanirahan-drainy azy hitsidika anao. Vetivety dia tonga ny fotoana hodiany any aminy. Manao veloma azy amin’alahelo ianao. Mihena ilay fahabangana tsapanao tamin’ny fiaingany rehefa tonga ny vaovao fa tody soa aman-tsara tany aminy izy.
Tatỳ aoriana, rehefa nikarokaroka tao amin’ireo antontan-taratasy tranainy ianao, dia nanjary voamarikao ny fisian’ny taratasy nilaza fohifohy ny amin’ireo zava-bitan’ilay havanao. Hitanao tamin’izany ireo zava-bitany efa ela be talohan’ny nanombohany ilay diany hihaonany taminao. Izay lazain’ireo taratasy ireo aminao dia mahatonga anao hahatakatra hevi-dalina mahaliana mahakasika ny ivom-piainana nisy azy, sady mampitombo ny fankasitrahanao ny fitsidihany sy izay asa ataony amin’izao fotoana izao.
“Hatry ny fahagola”
Anisan’ireo antontan-taratasy tranainy nananan’ireo Jiosy tamin’ny taonjato voalohany ny asa soratr’i Mika, mpaminanin’Andriamanitra, izay noraketina an-tsoratra sahabo ho fitonjato taona talohan’izay. Nanondro ny toerana hahaterahan’ny Mesia izy ireny. “Hianao, ry Betlehema Efrata, izay kely tsy tokony ho isan’ny arivon’i Joda akory, dia avy ao aminao no hivoahan’Izay anankiray ho Mpanapaka ho Ahy ao amin’ny Isiraely; hatry ny fahagola no efa nivoahany, dia hatrizay hatrizay.” (Mika 5:1). Ho fahatanterahan’ireo teny ireo, i Jesosy dia teraka tao Betlehema, vohitra any Jodia, tamin’ilay antsoina ankehitriny hoe taona 2 al.f.i. Ahoana anefa no hetezan’ny hoe “hatry ny fahagola” no nivoahany?
Efa nisy talohan’ny naha olombelona azy, i Jesosy. Ao amin’ny taratasiny ho an’ireo Kristianina tany Kolosia, ny apostoly Paoly dia nilazalaza an’i Jesosy ho “endrik’Andriamanitra tsy hita, ny Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao”. — Kolosiana 1:15, izahay no manao sora-mandry.
I Jehovah, ilay Loharanom-pahendrena, dia namorona ny Zanany lahimatoa ho ‘voalohan’asany’, raha indramina ny teny ara-tsindrimandry noraketin’i Solomona Mpanjaka ao amin’ny bokin’ny Ohabolana. Taorian’ny nivahinian’i Jesosy teto an-tany sy ny niverenany tany an-danitra, dia nohamarininy fa tena ‘fiandohan’ny zavatra noharìn’Andriamanitra’ tokoa ny tenany. Noho izy sary velona nampiseho ny fahendrena, dia izao no nambaran’i Jesosy talohan’ny naha olombelona azy: “Raha namorona ny lanitra [i Jehovah], dia tany aho”. — Ohabolana 8:22, 23, 27; Apokalypsy 3:14.
Hatrany am-piandohana, ilay Zanak’Andriamanitra dia nahazo fanendrena tsy nanam-paharoa ho “mpità-marika” teo anilan-dRainy. Hafaliana moa izany ny an’i Jehovah! “Nanjary ilay niraiketan’ny fon[’i Jehovah] manokana isan’andro isan’andro aho”, hoy ny nomarihin’ny Ohabolana 8:30 (NW ), sady nanampy teny izy hoe “ka falifaly mandrakariva teo anatrehany”.
Nanasa ny Zanany lahimatoa handray anjara tamin’ny famoronana ny olombelona, i Jehovah, tatỳ aoriana. “Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika”, hoy ny nambarany, “araka ny tarehintsika”. (Genesisy 1:26). Ho vokatr’izany, dia nisy firaiketam-po hafa nitsiry. “Ny zavatra niraiketan’ny foko dia teo amin’ny zanak’olombelona”, hoy ny fanazavan’i Jesosy, talohan’ny naha olombelona azy. (Ohabolana 8:31, NW ). Eo am-piandohan’ny Filazantsarany, dia nanaiky ny apostoly Jaona fa nanana anjara asa tamin’ny famoronana i Jesosy, talohan’ny naha olombelona azy. Hoy mantsy izy: “Izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza.” — Jaona 1:3.
Mpitondra tenin’i Jehovah
Ny tenin’i Jaona dia manintona ny saina ho amin’ny tombontsoa hafa iray nananan’ny Zanak’Andriamanitra, dia ny naha mpitondra teny azy. Hatrany am-piandohana, dia niasa ho toy ny Teny izy. Noho izany, rehefa niresaka tamin’i Adama i Jehovah, ary tatỳ aoriana, rehefa niresaka tamin’i Adama sy i Eva niaraka izy, dia azo inoana fa nanao izany tamin’ny alalan’ny Teny. Ary iza moa no tsara toerana kokoa mba hampita ny toromarik’Andriamanitra hahasoa ny olombelona, ankoatra ilay niraiki-po tamin’izy ireo? — Jaona 1:1, 2.
Fahorian-tsaina toy inona moa no tsy maintsy nahazo ny Teny rehefa hitany fa tsy nankatò ny Mpamorona azy i Eva, dia avy eo koa i Adama! Ary toy inona no tsy maintsy naniriany mafy hanarina ilay fahavoazana nentin’ny tsy fankatoavan’izy ireo teo amin’ny taranany! (Genesisy 2:15-17; 3:6, 8; Romana 5:12). Raha niteny tamin’i Satana izay nampirisika an’i Eva hikomy, i Jehovah, dia nanambara hoe: “Hampifandrafesiko hianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany”. (Genesisy 3:15). Noho izy nanatri-maso izay nitranga tany Edena, dia takatry ny Teny fa ho tonga lasibatry ny fankahalana feno halozana ny tenany, satria izy no voalohany indrindra amin’ny ‘taranaky’ ny vehivavy. Fantany fa mpamono olona, i Satana. — Jaona 8:44.
Rehefa nisalasala ny amin’ny tsy fivadihan’i Joba nahatoky i Satana, tatỳ aoriana, dia tsy maintsy tafintohina mafy ny Teny, noho ireo fiampangana feno endrikendrika namelezana an-dRainy. (Joba 1:6-10; 2:1-4). Raha ny marina, tamin’ny naha arkanjely azy, dia fantatra tamin’ny hoe Mikaela, ny Teny. Io anarana io dia midika hoe “Iza no Tahaka An’Andriamanitra?” ka mampiseho ny fomba niarovany an’i Jehovah tamin’ireo rehetra nitady handrombaka ny fiandrianan’Andriamanitra. — Daniela 12:1; Apokalypsy 12:7-10.
Arakaraka ny fandehan’ny tantaran’ny Isiraely, dia voadiniky ny Teny ireo fanandraman’i Satana hanodina ny olona hiala tamin’ny fanompoam-pivavahana madio. Taorian’ilay Fifindrana Rodobe avy tany Egypta, dia hoy i Jehovah tamin’ny Isiraely, tamin’ny alalan’i Mosesy: “Indro, Izaho maniraka Anjely eo alohanao hiaro anao any an-dàlana sy hitondra anao ho any amin’ny fitoerana izay namboariko. Mitandrema eo anatrehany, ka mihainoa ny feony, ary aza mampahatezitra Azy; fa tsy hamela ny fahotanareo Izy; fa ny anarako no ao aminy.” (Eksodosy 23:20, 21). Iza izany anjely izany? Azo inoana fa i Jesosy, talohan’ny naha olombelona azy.
Fanekena amim-pahatokiana
Maty i Mosesy tamin’ny 1473 al.f.i., ary nalevina “tao an-dohasaha tao amin’ny tany Moaba, tandrifin’i Beti-peora” ny fatiny. (Deoteronomia 34:5, 6). Toa naniry hampiasa ilay faty i Satana, azo inoana fa mba hampirisihana fanompoan-tsampy. Nanohitra izany i Mikaela, kanefa nekeny tamim-pankatoavana ny fahefan’i Jehovah Rainy. ‘Tsy sahy niteny ratsy hahameloka an’i Satana’ i Mikaela, fa nampitandrina an’i Satana hoe: “Hananatra anao anie Jehovah.” — Joda 9.
Avy eo, dia nanomboka naka an’i Kanana, ilay Tany Nampanantenaina, ny Isiraely. Teo akaikin’ny tanànan’i Jeriko, dia nahazo toky i Josoa fa nanohy nikarakara ilay firenena ny Teny. Teo izy dia nihaona tamin-dehilahy iray nitondra sabatra voatsoaka tamin’ny fitoerany. Nanatona ilay olon-tsy fantatra i Josoa ka nanontany hoe: “Namanay va Hianao, sa naman’ny fahavalonay?” Alao sary an-tsaina ny fahatairan’i Josoa, rehefa nampahafantatra ny tenany ilay olon-tsy fantatra ka nanao hoe: “Tsia; fa Izaho dia Komandin’ny miaramilan’i Jehovah ka tonga atỳ ankehitriny.” Tsy mahagaga raha niankohoka teo anoloan’io solontena ambony avy amin’i Jehovah io i Josoa. Tsy isalasalana fa i Jesosy talohan’ny naha olombelona azy io, dia ilay Jesosy ho tonga “Mesia Andriana” atỳ aoriana. — Josoa 5:13-15; Daniela 9:25.
Mbola nisy fifanandrinana tamin’i Satana koa tamin’ny andron’i Daniela, mpaminanin’Andriamanitra. Tamin’izay i Mikaela dia nanampy anjely namany iray rehefa “nanohitra” nandritra ny roa tokom-bolana ilay demonia andrianan’i Persia. Nanazava toy izao ilay anjely: “Indro kosa Mikaela, anankiray amin’ireo andriana lehibe, no tonga hanampy ahy; ka dia izaho ihany no sisa nijanona teo amin’ny mpanjakan’i Persia.” — Daniela 10:13, 21.
Voninahitra talohan’ny naha olombelona sy tamin’ny naha olombelona azy
Tamin’ny 778 al.f.i., ilay taona nahafatesan’i Ozia, Mpanjakan’ny Joda, dia nahazo fahitana an’i Jehovah teo amin’ny seza fiandrianany avo, i Isaia mpaminanin’Andriamanitra. “Iza no hirahiko, ary iza no handeha ho irakay?”, hoy ny fanontanian’i Jehovah. Nanolo-tena i Isaia, saingy nampitandrina azy i Jehovah fa tsy hiraika amin’ny fanambarany ireo Isiraelita namany. Nampitovin’ny apostoly Jaona tamin’ny olona tamin’ny andron’i Isaia ireo Jiosy tsy nino tamin’ny taonjato voalohany, ka hoy izy hoe: “Izany teny izany no nolazain’i Isaia, satria nahita ny voninahiny izy”. Voninahitr’iza? Ny an’i Jehovah sy ilay teo anilany teo amin’ny kianjan’ny lanitra, dia i Jesosy talohan’ny naha olombelona azy. — Isaia 6:1, 8-10; Jaona 12:37-41.
Taonjato maromaro tatỳ aoriana no nahatongavan’ilay asa lehibe indrindra nanendrena an’i Jesosy hatramin’izany fotoana izany. Namindra ny herim-piainan’ilay Zanany malala avy tany an-danitra hankao an-kibon’i Maria, i Jehovah. Sivy volana tatỳ aoriana, i Maria dia niteraka zazalahy, i Jesosy. (Lioka 2:1-7, 21). Izao no tenin’ny apostoly Paoly: “Rehefa tonga ny fotoan’andro, dia nirahin’Andriamanitra ny Zanany, nateraky ny vehivavy”. (Galatiana 4:4). Niaiky toy izany koa ny apostoly Jaona, nanao hoe: “Ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra [mendrika] ho an’ny Lahitokana avy tamin’ny Ray, sady feno fahasoavana sy fahamarinana.” — Jaona 1:14.
Miseho ny Mesia
Teo amin’ny faha-12 taonany, fara fahakeliny, dia efa nanjary nahatakatra i Jesosy kely, fa tsy maintsy be atao amin’ny fanaovana ny asan’ilay Rainy any an-danitra, izy. (Lioka 2:48, 49). Valo ambin’ny folo taona teo ho eo tatỳ aoriana, dia nanatona an’i Jaona Mpanao Batisa teo amin’ny Ony Jordana i Jesosy, ary natao batisa. Raha iny Jesosy nivavaka iny, dia nisokatra ny lanitra, ary nidina teo aminy ny fanahy masina. Alao sary an-tsaina ny fitobaky ny fahatsiarovana nibosesika tao an-tsainy fony izy nahatsiaro ireo taona an’arivony maro tsy hita isa nanompoany teo anilan-dRainy, tamin’ny naha mpità-marika, mpitondra teny, andrianan’ny tafik’Andriamanitra sy arkanjely Mikaela azy. Avy eo dia tonga ny fientanam-po rehefa reny ny feon-dRainy nilaza toy izao tamin’i Jaona Mpanao Batisa: “Ity no Zanako malalako Izay sitrako.” — Matio 3:16, 17; Lioka 3:21, 22.
Azo antoka fa tsy nisalasala ny amin’ny fisian’i Jesosy talohan’ny naha olombelona azy, i Jaona Mpanao Batisa. Raha nanatona azy i Jesosy, dia izao no nambaran’i Jaona: “Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao!” Ary nanampy teny toy izao izy: “Izy Ilay nolazaiko hoe: Misy Lehilahy avy ao aoriako Izay efa tonga eo alohako, satria [efa nisy, NW ] talohako Izy.” (Jaona 1:15, 29, 30, izahay no manao sora-mandry.) Nahafantatra ny fisian’i Jesosy talohan’ny naha olombelona azy koa ny apostoly Jaona. “Izay avy any ambony dia ambonin’izy rehetra”, hoy ny nosoratany, ary, “Izay avy any an-danitra dia ambonin’izy rehetra; koa izay hitany sy reny no ambarany”. — Jaona 3:31, 32, izahay no manao sora-mandry.
Tokony ho tamin’ny taona 61 am.f.i., no nampirisihan’ny apostoly Paoly ireo Kristianina hebreo mba hankasitraka ny tena lanjan’ny nahatongavan’ny Mesia teto an-tany sy ny asany amin’ny maha Mpisoronabe azy. Nanoratra toy izao i Paoly, raha nanintona ny saina ho amin’ny anjara asan’i Jesosy tamin’ny naha Mpitondra teny azy: “Amin’izao andro farany izao kosa no nampitenenan[’Andriamanitra] tamintsika ny Zanany, Izay (...) nahariany izao tontolo izao”. Na manondro ny anjara asan’i Jesosy tamin’ny naha “mpità-marika” azy teo amin’ny famoronana io teny io, na manondro ny nandraisany anjara tamin’ireo fandaharana miandalana nataon’Andriamanitra mba hampihavanana ny olona aminy, dia nampian’i Paoly eto ny fanaporofoany fa nisy talohan’ny naha olombelona azy, i Jesosy. — Hebreo 1:1-6; 2:9.
Tsy fivadihana “hatry ny fahagola”
Nanao izao fampirisihana izao tamin’ireo Kristianina tany Filipy, tamin’ny taonjato voalohany, i Paoly: “Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin’i Kristy Jesosy koa, Izay, na dia nanana ny endrik’Andriamanitra aza, dia tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin’Andriamanitra, fa nofoanany ny tenany tamin’ny nakany ny endriky ny mpanompo sy ny nahatongavany ho manam-pitoviana amin’ny olona; ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy, dia nanetry tena ka nanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin’ny hazo fijaliana.” (Filipiana 2:5-8). Namaly tamim-pitiavana ny lalam-pitondran-tena tsy nivadika narahin’i Jesosy, i Jehovah, tamin’ny fananganana azy tamin’ny maty sy tamin’ny fandraisana tsara azy tafaverina tany aminy, tany an-danitra. Ohatra faran’izay tsara momba ny tsy fivadihana nandritra ny taona tsy hita fetra tokoa izany nomen’i Jesosy antsika izany! — 1 Petera 2:21.
Toy inona moa ny fankasitrahantsika noho ilay topy maso omen’ny Baiboly antsika momba ny fisian’i Jesosy talohan’ny naha olombelona azy! Azo antoka fa ireny dia manatanjaka ny fahatapahan-kevitsika hanahaka ny ohatra nomeny eo amin’ny fanompoana ao anatin’ny tsy fivadihana, indrindra fa amin’izao efa anjakany amin’ny maha Mpanjakan’ny Fanjakana Mesianikan’Andriamanitra izao. Aoka isika hihoby an’i Kristy Jesosy, ilay “Andrian’ny fiadanana”, ilay Mpitondra sy Mpanapaka antsika, izay “hatry ny fahagola no efa nivoahany”! — Isaia 9:5; Mika 5:1.
[Efajoro, pejy 24]
Porofon’ny Fisiany Talohan’ny Naha Olombelona Azy
Ny tenin’i Jesosy mihitsy dia manome porofo sesehena ny amin’ny fisiany talohan’ny naha olombelona azy, araka ny voalaza eto ambany:
◻ “Tsy nisy niakatra ho any an-danitra, afa-tsy Ilay nidina avy tany an-danitra, dia ny Zanak’olona”. — Jaona 3:13.
◻ “Tsy Mosesy no nanome anareo ny mofo avy tany an-danitra; fa ny Raiko no manome anareo ny tena mofo avy any an-danitra. Fa ny mofon’Andriamanitra dia Ilay midina avy any an-danitra ka manome fiainana ho an’izao tontolo izao. (...) Tsy nidina avy tany an-danitra Aho mba hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon’Izay naniraka Ahy.” — Jaona 6:32, 33, 38.
◻ “Ity no mofo izay midina avy any an-danitra, mba tsy ho faty izay mihinana azy. Izaho no mofo velona izay nidina avy tany an-danitra; raha misy mihinana ity mofo ity, dia ho velona mandrakizay izy”. — Jaona 6:50, 51.
◻ “Mainka raha mahita ny Zanak’olona miakatra ho any amin’izay nitoerany taloha hianareo.” — Jaona 6:62.
◻ “Marina ny fanambarako, satria fantatro izay nihaviako sy izay alehako; (...): Hianareo avy atỳ ambany; Izaho avy any ambony; hianareo avy amin’izao tontolo izao; Izaho tsy mba avy amin’izao tontolo izao”. — Jaona 8:14, 23.
◻ “Raha Andriamanitra no Rainareo, dia ho tia Ahy hianareo, satria avy tamin’Andriamanitra no nivoahako sy nankanesako atỳ; fa Izaho tsy tonga ho Ahy, fa Izy no naniraka Ahy.” — Jaona 8:42.
◻ “Lazaiko aminareo marina tokoa: Fony tsy mbola ary Abrahama, dia Izy Aho.” — Jaona 8:58.
◻ “Ray ô, mankalazà Ahy amin’ny tenanao, dia amin’ny voninahitra niarahako nanana taminao, fony tsy mbola ary izao tontolo izao. Ray ô, tiako mba ho any amiko amin’izay itoerako ireo izay nomenao Ahy, mba hahita ny voninahitro nomenao Ahy izy; fa efa tia Ahy Hianao, fony tsy mbola ary ny fanorenan’izao tontolo izao.” — Jaona 17:5, 24.
[Sary, pejy 23]
Nihaona tamin’ilay andrianan’ny tafik’i Jehovah, i Josoa