Tsy ho ela: fiovan’ny fanapahana
TSY niraharaha ny anton-javatra iray lehibe dia lehibe ny ankamaroan’olona. Hadinon’izy ireny fa amin’ny adiny ho amin’ny fanapahana izao tontolo izao, ireo firenena mpifaninana dia tsy mety manaiky ny fisian’ny fahefana iray sy ny hery iray ambony noho ny azy ireo. Tsy raharahain’izy ireo mihitsy ny hoe “ny Avo Indrindra no manapaka amin’ny fanjakan’ny olona ka manome izany ho an’izay tiany”. (Daniela 4:22.) Iza no fidin’ilay Andriamanitra Tsitoha mba ho Mpanjaka eo amin’ny tany manontolo? Rahoviana izy no mandray fanapahana eo amin’izao tontolo izao?
Mpanjaka hafa iray amin’ny ho avy
Talohan’ny hanomezana antsika ny faminaniany momba ‘ny mpanjakan’ny avaratra sy ny mpanjakan’ny atsimo’, dia nanana izao fahitana ara-paminaniana manaraka izao i Daniela momba ilay Mpanjaka voafidin’Andriamanitra: “Indro, nisy toy ny zanak’olona avy tamin’ny rahon’ny lanitra, ary nankeo amin’ny Fahagola [Jehovah Andriamanitra] Izy (...). Ary nomena fanapahana sy voninahitra ary fanjakana Izy, mba hanompoan’ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra Azy; ny fanapahany (...) tsy ho tapaka, ary ny fanjakany tsy ho rava.” — Daniela 7:13, 14.
Nitohy ilay fahitana tamin’ny filazalazana ny amin’ireo herim-panjakana hisesy; nanana endriky ny biby izy ireo ary, raha ny marina, dia “misy andro anapahan’ny olona ny namany ka ampidirany loza aminy” amin-kalozan’ny biby masiaka (Mpitoriteny 8:9). Afa-tsy izany koa, ny olona dia nampihatra ny fahefany teo ambany fanapahana toy ny biby nananan’ny saina nikomy, mpanapaka izay ny tenan’i Satana mihitsy no filoha (Daniela 7:17; 10:13; jereo Apokalypsy 12:9; 13:2-4). Avy amin’i Jehovah Andriamanitra kosa anefa ilay “toy ny zanak’olona” no mandray ny fahefana mba hanapaka. Notendren’Andriamanitra izy ka manana ireo toetra mety mba hanjakana eo amin’ny olombelona, izay tamin’ny voalohany dia natao “tahaka ny endrik’Andriamanitra”. (Genesisy 1:27.) Fa iza moa io olona io?
Fony izy teto an-tany, 1 900 taona lasa izay, dia nampiharin’i Jesosy tamin’ny tenany ny teny hoe “Zanak’olona”. Noho izy olombelona tamin’izay, dia tena “zanak’olona” tokoa izy, ary nampiseho tamin’ny fomba tonga lafatra, toetra tsara toy ny fitiavana, ny fangoraham-po sy ny fahamarinana. Nanome ny ainy ho avotra ho an’ny olombelona koa izy, ka niseho tamin’izany ho ny havana akaiky indrindra ho an’ny olombelona, tena “Zanak’olona”. — Matio 20:28; Hebreo 2:11-17.
Nampiasa indray io fitenena voarakitra ao amin’ny faminanian’i Daniela io i Jesosy ka nanambara hoe: “Ary hahita ny Zanak’olona avy amin-kery sy voninahitra lehibe eo amin’ny rahon’ny lanitra izy.” Noraisiny indray taty aoriana io sary io rehefa nilaza izy hoe: “Ary raha tonga ny Zanak’olona amin’ny voninahiny, (...) dia hipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianan’ny voninahiny Izy.” (Matio 24:30; 25:31). Amin’izao andro izao i Jesosy dia tsy olona eto an-tany fotsiny intsony. Nanomboka tamin’ny nahafatesany sy ny nananganana azy tamin’ny maty tamin’ny 33 amin’ny fanisan-taona iraisana, dia fanahy any an-danitra araka ny endrik’Andriamanitra izy io. Mifanohitra amin’ireo mpitondra olombelona, dia izy no hany Mpanjaka “manana ny tsi-fahafatesana, mitoetra eo amin’ny mazava tsy azo hatonina Izay tsy hitan’ny olona sady tsy hainy jerena”. (I Timoty 6:16.) Ny fanjakany dia tsy hanana toetram-bibin’ireo fanahy ratsy nanan-kery teo amin’ny fitondram-panjakan’olombelona.
Araka izany, dia Jesosy no hany Mpanjaka voatendrin’Andriamanitra ho Mesiany, na Kristy, ary omen-dalana hanapaka eo amin’ny tany manontolo (Daniela 7:14). Milaza izany fa ny fitondram-panjakan’olombelona rehetra, anisan’izany “ny mpanjakan’ny avaratra” sy “ny mpanjakan’ny atsimo”, dia tsy maintsy hanjavona sy hosoloana ny Fanjakan’Andriamanitra eo ambany fahefan’i Kristy. — Daniela 2:44; jereo Salamo 2:7, 8, 12.
Mandray fahefana ny “andrian-dehibe”
Tsy nanomboka nanjaka teo amin’ny olombelona tamin’ny toana 33 anefa i Jesosy. Taorian’ny vanim-potoam-piandrasana i Jehovah vao nanome ho an’ny Zanany fahefana ‘hanapaka eo amin’ny fahavalony’. (Salamo 110:1, 2; Asan’ny apostoly 2:32-36.) Nilaza mialoha ny amin’izany fisehoan-javatra izany tamin’izao teny izao i Daniela: “Ary amin’izany dia hitsangana Mikaela, andrian-dehibe (...); ary hisy andro fahoriana, izay tsy nisy tahaka azy hatrizay nisian’ny firenena ka hatramin’izany andro izany.” — Daniela 12:1.
Io faminaniana io dia tohin’ny fitantaran’i Daniela mampiseho fa ny ady ifanaovan’ny “mpanjakan’ny avaratra” sy “ny mpanjakan’ny atsimo” dia ho tonga amin’ny fara heriny amin’ny “andro farany” iainantsika. Amin’izany fotoana izany, ny anankiray amin’ireo “mpanjaka” ireo dia hivoaka “amin’ny fahatezerana be” noho ny fikendrena ny handringana maro be (Daniela 11:40, 44, 45). Amin’izay Mikaela, izay ‘miaro’ ny olon’Andriamanitra, no hanao zavatra farany hahatonga izany vahoaka izany ho afa-mandositra. — Jereo Daniela 11:2, 3, 7, 20, 21; 12:1.
Inona anefa no ifandraisan’izany amin’i Jesosy? Tsaroantsika fa rehefa nanambara Kristy fa ho Mpanjaka izy indray andro any, dia nanisy fitenenana ny amin’ny faminanian’i Daniela izy. Ny amin’izany, dia noresahiny koa ny momba ny “fahoriana lehibe” tsy mbola nisy toy izany (Matio 24:21, 29-31). Nasiany fitenenana mazava ny amin’ny “andro fahoriana” resahin’i Daniela momba an’i Mikaela (ampitahao Matio 24:15 sy Daniela 11:31). Jesosy àry dia nampahafantatra ny tenany ho Mikaela izay tokony hitsangana mba hampihatra ny fahefany.
Jesosy sy Daniela dia nampiditra ireo faminaniana ireo tao amin’ny filazalazany ny amin’ny “andro farany”. Ireo fisehoan-javatra voambara dia tanteraka tamin’ny fomba mahagaga nanomboka tamin’ny 1914. Tamin’izay fotoana izay i Jesosy no nandray ny fahefana hanjaka tany an-danitra, ary hatreo izy dia manjaka eo afovoan’ireo fahavalony. — Matio 24:3, 7-12.
Tsy ho ela: ny Paradisa eo amin’ny tany manontolo!
Azo inoana fa tsy miafina aminao fa tsy nanaiky ny Fanjakan’i Kristy ireo firenena. Lavin’izy ireny ireo fanambarana ny amin’ny niorenan’izany, ary manohy manantitrantitra ny amin’ny fiandrianan’ny tenany izy ireo. Hadalana fotsiny amin’izy ireo izany fanambarana izany. Araka izany, dia tsy misy “na dia iray aza amin’ireo filoha eo amin’izao fandehan-javatra izao tonga tamin’ny fahalalana” ny fahendrena nasehon’Andriamanitra tamin’ny fifidianana an’i Kristy ho Mpanjaka. Jamban’ny fandehan-javatra iray mipetraka eo ambany fanapahan’i Satana sy ireo fanahy nikomy notendreny ho mpanapaka izy ireny ka manohitra ny Fanjakana mesianika. — I Korintiana 2:8, MN; jereo Lioka 4:5, 6; II Korintiana 4:4.
Noho izany, araka ny nolazain’i Jesosy mialoha, ireo izay mitory amim-pahatokiana ny Fanjakany dia enjehina. Ary hiharan’ny famelezana mbola mafy kokoa ihany izy ireo (Matio 24:9, 14; Daniela 11:44, 45; jereo Ezekiela 38:14-16). Kanefa, Jesosy “Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo” dia hivoaka mba hiady ho an’ny olony. Io ady io dia hifarana amin’ny fandresena feno ho azon’ilay Mpanjaka voafidin’Andriamanitra. Ireo izay ho nanafika ny olony dia “ho tonga ao amin’ny hiafarany (...), ka tsy hisy hamonjy azy”. Ho efa nofoanana ny “mpanjaka” hafa rehetra. — Apokalypsy 11:15, 18; 19:11, 16, 19-21; Salamo 2:1-3, 6-9.
Nanomboka tamin’ny 1914 ny “andro farany” ka efa lasa lavitra tokoa izao. Nilaza mazava i Jesosy fa ny taranaka izay hahita ny fanombohan’io fotoana io dia hahita ny farany koa (Matio 24:32-34). Noho izany, isika dia manatona haingana ny fotoana malaza handraisan’i Kristy Jesosy an-tanana tanteraka ny raharahan’ny tany sy hampiraisany ny olombelona mankatò rehetra ho eo ambanin’ny fitondram-panjakany ihany.
Eny, azo atao ny milaza fa tsy ho ela dia hisy fiovan’ny fanapahana. Milaza inona ho anao anefa izany? Na hanjavona hiaraka amin’ireo fitondram-panjakan’olombelona sy ireo olona manohana izany ianao, na, araka izay hataonao, dia hanana ny fiainana mandrakizay sy ny tsy fananana ahiahy eo amin’ny tany voaova ho paradisa ianao, eo ambany fiarovana sy fahefan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Mety ho tanteraka ireo fampanantenana ireo raha tohananao amim-pahatokiana ny fanapahan’i Kristy miaraka amin’ireo Vavolombelon’i Jehovah an-tapitrisany maro maneran-tany.