Ry ray aman-dreny, tohino ny fon’ny zanakareo dieny mbola kely izy
‘Tezao hatrany amin’ny lalàm-pifehezana sy ny fanabeazan-tsaina avy amin’i Jehovah ny zanakareo.’ — EFESIANA 6:4.
1. Inona no natao nandritra ny vanim-potoana nisedrana indrindra an’i Jesosy?
TENY an-dalana nankany Jerosalema niaraka tamin’ny mpianany i Jesosy Kristy. Fotoana fohy talohan’izay, dia indroa izy no nilaza tamin’izy ireo fa hiaritra fahoriana be ka hovonoina ao amin’io tanàna io (Marka 8:31; 9:31). Araka ny fitantaran’ny Baiboly, nandritra izany vanim-potoana nisedrana azy tokoa izany, dia nisy nitondra zazakely (...) ho eo amin’i Jesosy mba hotendreny”. — Lioka 18:15.
2. a) Noho ny antony inona no toa nanandraman’ny mpianatra nanilika ny olona? b) Nanao ahoana ny fihetsik’i Jesosy?
2 Inona no nataon’ny mpianatra rehefa nahita izany? Niteny mafy ireny olona ireny izy ka nanandrana nanilika azy, satria tsy isalasalana fa noheveriny ho nitondra fanampiana ho an’i Jesosy izy tamin’izany, nisoroka fahasahiranana sy ahiahy tsy amin’ny antony ho azy. Tezitra taminy anefa i Jesosy ka hoy izy taminy: “Avelao ny zaza hanatona Ahy, ary aza rarana’; (...) ary nitrotro azy Izy, dia nametra-tànana taminy ka nitso-drano azy.” (Marka 10:13-16). Eny, na dia teo aza izay rehetra tokony hitana ny sainy sy ny fony, Jesosy dia nanome fotoana ho an’ny zazakely.
Fianarana ho an’ny ray aman-dreny
3. Fianarana inona no azon’ny ray aman-dreny tsoahina avy amin’izany fitantarana izany?
3 Ry ray aman-dreny, azonareo atao ny maka fianarana avy amin’izany fitantarana izany: na inona na inona fanahianareo sy andraikitrareo, manokàna fotoana ho an’ny zanakareo. Izany no zavatra tokony hatao aloha. Amin’izany no hahafahanareo mampianatra azy ireo zavatra misy vidiny ara-panahy izay hiaro ny fony sady hametraka azy ho eo amin’ny lalana tsara (Deoteronomia 6:4-9; Ohabolana 4:23-27). Eonika renin’i Timoty sy Loisa renibeny dia naka fotoana mba hanomezana azy fampianarana izay nanohina ny fony tamin’ny naha-ankizy azy, ka nitarika azy ho tonga mpanompon’Andriamanitra nahafoy tena. — 2 Timoty 1:5; 3:15.
4. Manao ahoana ny hasarobidin’ny ankizy, ary ahoana no tokony hanehoan’ny ray aman-dreny fa manome vidiny lehibe azy ireo izy?
4 Ny ray aman-dreny kristiana dia tsy afaka manao tsirambina ireo zanaka nomen’i Jehovah azy. Eny, ny zanaka dia fanomezana sarobidy avy amin’i Jehovah (Salamo 127:3). Noho izany, dia mandania fotoana miaraka amin’izy ireo, tohino ny fony ka amin’izany ianareo dia hanaraka ny ohatra navelan’ny renin’i Timoty sy ny renibeny. Tokony hanokana fotoana ho azy ireo ianareo, tsy hoe hiresahana aminy fotsiny ny amin’ny fitondrantenany sy hanitsiana azy, fa mba hiaraha-misakafo aminy koa na hiaraha-milalao aminy ary mampatory azy, ohatra. Zava-dehibe ny hakanareo fotoana hanaovana izany rehetra izany miaraka amin’ny zanakareo.
5. Manonòna ohatry ny ray aman-dreny izay nampiseho fa nanome toerana lehibe ho an’ny andraikiny izy?
5 Ny mpandraharaha malaza japone iray izay tonga Vavolombelon’i Jehovah, dia niaiky ny amin’ny maha-marina an’izany fotopoto-pitsipika izany. Momba izany, dia izao no azo novakina tao amin’ny gazety iray (ny Mainichi Daily News tamin’ny 10 febroary 1986) teo ambanin’ny lohateny hoe “Nametra-pialana ny tompon’andraikitra iray ao amin’ny JNR mba hiarahana amin’ny fianakaviany”: “Ny mpanao raharaha iray ao amin’ny Fikambanan’ny lalambim-pirenena japone (JNR) dia nifidy ny hametra-pialana toy izay hisaraka amin’ny fianakaviany. (...) Nanambara toy izao io lehilahy antsoina hoe Tamura io: ‘Ny asan’ny tale jeneraly dia azon’ny olona maro iantsorohana. Izaho irery kosa no rain’ny zanako.’ ” Ry ray aman-dreny, mandray ny andraikitrareo ara-pianakaviana ho zava-dehibe tahaka izany ve ianareo?
Fotoana manasarotra ny asan’ny ray aman-dreny
6. Nahoana no sarotra erỳ ny mitaiza ny ankizy araka ny tokony ho izy amin’izao androntsika izao?
6 Angamba mbola tsy sarotra toy izao mihitsy ny fitaizana ny ankizy araka ny takin’ny Tenin’Andriamanitra hoe ao amin’ny “lalàm-pifehezana sy ny fanabeazan-tsaina avy amin’i Jehovah” (Efesiana 6:4, MN.) Izany no miseho dia satria isika miaina amin’ny ‘andro farany’ ary satria mitondra loza lehibe Satana sy ny demoniany satria tezitra izy noho ny fahafantarany fa kely sisa ny fotoana tavela ho azy (2 Timoty 3:1-5; Apokalypsy 12:7-12). Ny fiezahan’ireo ray aman-dreny hitaiza ny zanany araka ny sitrapon’Andriamanitra àry dia voasakantsakan’ny “rivotra” ara-panoharana izay ampiharan’i Satana ny fahefany. Io “rivotra” io na toe-tsaina voamariky ny fitiavan-tena sy ny tsy fankatoavana dia misy hatraiza hatraiza tahaka ny rivotra fohintsika. — Efesiana 2:2.
7, 8. a) Inona no mety hampidirin’ny televiziona ao an-tokantrano, ary inona anefa no ataon’ny ray aman-dreny maro? b) Nahoana no manao tsirambina ny andraikiny ny ray aman-dreny izay mampiasa televiziona ho toy ny mpiambina ankizy?
7 Ny televiziona indrindra no mampiditra izany “fanahin’izao tontolo izao” na “rivotra” manimba izany ao an-tokantrano (1 Korintiana 2:12). Raha ny marina, ny ankamaroan’ny fandaharana ao amin’ny televiziona dia mitondra ny mariky ny olona simba ara-pitondrantena, lehilahy mandry amin’ny lehilahy izay mampihatra fitaomana mahery eo amin’ny sehatry ny fampisehoana (Romana 1:24-32). Ny zanakareo indrindra dia mora andairan’ny hevi-dravina sy ny zavatra aseho maloto hita eo amin’ny fahitalavitra, toy ny ataon’ny rivotra maloto fohiny. Kanefa, inona no ataon’ny ray aman-dreny betsaka?
8 Ampiasainy ho toy ny mpiambin-jaza ny televiziona. “Tsy izao aloha, anaka, mbola sahirana aho. Mandehana ianao mijery televiziona”, hoy izy ireo amin’ny zanany. Araka ny filazan’ny mpanolotra fandaharana malaza iray ao amin’ny televiziona, dia izany no “teny fandre matetika indrindra ao amin’ny tokantrano amerikana maro”. Ary anefa ny famelana ny ankizy hijery izao karazana fandaharana rehetra izao dia midika hoe mampanaram-po azy (Ohabolana 29:15). Manao tsirambina ny andraikiny ny ray aman-dreny manao toy izany, araka ny nomarihin’ilay mpanolotra fandaharana voalaza tetsy aloha tamin’izao teny izao: “Ny fanabeazana ny ankizy dia mitaky fotoana ary mahaforona andraikitra lehibe. Tsy tokony homena ny solontena hafa izany, ary indrindra tsy tokony homena ny televiziona.”
9. Amin’ny karazam-pandotoana inona indrindra moa no ilàna hiarovana ny ankizy?
9 Kanefa, noho ny fotoan-tsarotra diavintsika, dia mety hanana fironana ianareo, tahaka ny mpianatr’i Jesosy voaresaka tetsy ambony, hamela ny zanakareo, mba hikarakarana zavatra izay heverinareo ho lehibe kokoa angamba. Nefa inona moa no zava-dehibe kokoa noho ny zanakareo? Iankinan’ny fiainany ara-panahy izany! Tadidinareo angamba fa taorian’ilay loza nitranga tao Tchernobyl (Firaisana sovietika) tamin’ny 1986, dia nesorina tsy ho ao amin’ilay faritra ny ankizy mba hiarovana azy amin’ny taratra ataomika. Tahaka izany koa, raha irinareo ny hitandro ny fahasalamana ara-panahin’ny zanakareo, dia tsy maintsy harovanareo amin’ny “rivotra” manimba an’izao tontolo izao izy ireny, rivotra izay mivoaka matetika amin’ny alalan’ny vatan’ny fahitalavitra. — Ohabolana 13:20.
10. Fototra hafa inona iavian’ny “rivotra” manimba moa no mahaforona fandrahonana ho an’ny ankizy, ary ohatra inona ao amin’ny Baiboly no manazava izany?
10 Nefa misy fototra hafa iavian’ny “rivotra” manimba izay mandrava ireo zavatra misy vidiny ara-pitondrantena sady manadonto ny saina tanora. Raha manana naman-dratsy ny ankizy iray any an-tsekoly na eo amin’ny manodidina azy, izy ireny dia mety hanongotra avy ao am-pony tsy tsara fiorenana, ny fahamarinana (1 Korintiana 15:33). Azo atao ny mandray fianarana avy amin’izay nanjo an’i Dina, zanakavavin’i Jakoba, izay “nanana fahazarana nizaha ny zazavavy tompon-tany.” Nosavihin’ny tovolahy iray izy (Genesisy 34:1, 2, MN ). Tokony hampianarina amin’ny fomba mety ny ankizy ka hampiofanina mba handositra ireo fandrik’izao tontolo izao izay mbola ratsy kokoa noho ny tamin’ny andron’i Dina.
Hatry ny fony vao zaza — Nahoana?
11. a) Amin’ny fotoana toa inona no tokony hanombohan’ny ray aman-dreny mampianatra ny zanany? b) Vokatra tsara dia tsara inona no azony ampoizina ho azo?
11 Nefa tamin’ny fotoana toy inona no tokony hanomboka ny fanabeazana ny zanany ny ray aman-dreny? Araka ny Baiboly, Timoty dia nampianarina “hatry ny fony vao zaza”. (2 Timoty 3:15.) Aoka homarihintsika fa ny teny grika hoe bréphos dia entina manondro ny zaza iray mbola hateraka. Ahitana izany indray ao amin’ny Lioka 1:41, 44, izay milaza fa niantsambotra i Jaona zaza tao an-kibon-dreniny. Kanefa koa ny teny hoe bréphos dia entina manondro ny zaza menavava isiraelita izay notandindomin-doza ny ainy tamin’ny fotoana nahaterahan’i Mosesy (Asa. 7:19, 20). Raha ny amin’i Timoty, io teny io àry dia manondro miharihary ny fotoana naha-zaza menavava azy, zazakely, fa tsy hoe ankizy kely fotsiny. Ary vokany tsara dia tsara toy inona moa no azo tamin’izany (Filipiana 2:19-22)! Kanefa moa ve tena afaka mandray soa avy amin’ny fampianarana omena aloha toy izany ny zaza vao teraka?
12. a) Amin’ny fotoana toy inona ny zazakely no toa manomboka manana fihetseham-po sy manangona fahalalana? b) Amin’ny fotoana toy inona no tokony hanombohan’ny ray aman-dreny hanome fampianarana ara-panahy ny zanany?
12 “Ny anankiray amin’ireo zavatra hita mahavariana indrindra teo amin’ny lafin’ny fandinihana ny toe-tsaina dia ny fahaiza-mahataka-javatra mahagaga ananan’ny zazakely”, hoy ny profesora Edward Zigler avy ao amin’ny Oniversiten’i Yale tamin’ny 1984. Izao no azo novakina tao amin’ny revio iray (Health) momba izany: “Nisy fikarohana natao vao haingana mirona hampiseho fa alohan’ny hahaterahany, ny zazakely dia mahita, mahare, sy mahatsapa tsiron-javatra ary ‘manana’ fihetseham-po.” Koa toa tsy aloha loatra mihitsy àry raha manomboka mampianatra ny zanany ny ray aman-dreny (Deoteronomia 31:12). Amin’ny voalohany, dia afaka mampiseho sary azy sy manao tantara aminy izy ireo. ‘Ny taona fanapahan-javatra’, hoy Masaru Ibuka, mpanoratra ilay boky hoe Efa diso aoriana loatra any amin’ny akanin-jaza madinika (anglisy), dia ‘ny taona telo voalohany eo amin’ny fiainany’. Ny anton’izany dia satria mora volavolaina ny saina tanora iray sady mora mandray fahalalana amin’ny fomba mahagaga tokoa, araka ny porofoin’ny fahamailahan’ny ankizy mianatra fiteny vaovao iray. Ny profesora iray ao amin’ny oniversiten’i New York, manam-pahaizana manokana amin’ny fampianarana ny zazakely aza dia nanao hoe “tokony hampianatra hamaky teny ny zanany kely ny ray aman-dreny raha vao miala ao amin’ny trano fiterahana izy”!
13. Zava-niseho inona no mampisongadina ny fahaizan’ny zazakely mahataka-javatra?
13 Izao no nosoratan’ny vehivavy Kanadiana iray momba ny fahaizan’ny zanany mahataka-javatra: “Indray andro aho dia namaky tantara iray tao amin’ny Bokiko misy Fitantarana avy ao amin’ny Baiboly tamin’i Shaun, zanako lahy efa-taona sy tapany. Raha niato kely aho dia gaga be mihitsy fa notohizany ny tantara, tamin’ny famerenana azy tsy an-jery araka izay voasoratra ao amin’ny Bokiko misy Fitantarana avy ao amin’ny Baiboly. (...) Nandramako indray tamin’ny tantara faharoa, avy eo dia tamin’ny anankiray fahatelo ka hitako fa hainy tsy an-jery avokoa izany. (...) Raha ny marina dia afaka namerina ny tantara 33 voalohany ao amin’io boky io izy, anisan’izany ny anaran’ireo toerana sy olona sarotra tononinaa.”
14. a) Iza no tsy gaga amin’ny fahaizan’ny zazakely? b) Inona no tokony ho zava-kendren’ny ray aman-dreny kristiana? d) Ho fikendrena inona no ilàna hanomanana ilay zaza ary nahoana?
14 Ireo izay mahafantatra ny fahaizana mahataka-javatra mahavariana ananan’ny zazakely dia tsy gaga amin’ny fahombiazana toy izany. “Raha mampianatra ny zazakely isika fa tsy ny ankizy, izao tontolo izao dia ho feno olona mahay tahaka an-dry Einstein, Shakespeare, Beethoven ny Léonard de Vinci”, hoy ny nambaran’i Glenn Doman, talen’ireo Fikambanana mitady ny hanatsarana ny fahazoan’ny olombelona manao zavatra. Marina fa tsy ny hamokatra olona mahay eo amin’ny ara-tsaina akory ny zava-kendren’ireo ray aman-dreny kristiana, fa ny hanohina ny fon’ny zanany mba hanompoany an’Andriamanitra amin’ny andro rehetra iainany (Ohabolana 22:6). Tokony hatombony mialoha ela ny handehanan’ny zanany lahy na zanany vavy ho any an-tsekoly izany, mba hanomanana azy amin’ireo fisedrana ho hitany any. Any amin’ny akanin-jaza madinika na ao amin’ny fitaizan-jaza, ohatra, dia fotoana hifaliana mety hanintona ny zaza ny fitsingerenan’ny andro nahaterahana sy ireo fety. Tokony ho fantany tsara àry hoe nahoana ny mpanompon’i Jehovah no tsy mandray anjara amin’izany. Raha tsy izany dia angamba ho tonga hatramin’ny fankahalana ny fivavahan’ny ray aman-dreniny izy.
Ny fomba hanohinana ny fon’ny ankizy
15, 16. Boky inona avy no azon’ny ray aman-dreny anampiana ny tenany mba hanohinana ny fon’ny zanany, ary ahoana no hampiasany izany amin’ny fomba mandaitra?
15 Mba hanampiana ny ray aman-dreny hanohina ny fon’ny zanany dia namoaka boky toy ny Ecoutez le grand Enseignant ny Vavolombelon’i Jehovah. Miresaka ny amin’ireo fanasana izay mety hahafinaritra io boky io ao amin’ny toko mitondra ny lohateny hoe “Lehilahy roa nankalaza ny fitsingerenan’ny andro nahaterahany”. Kanefa manazava izy fa ny hany fankalazana roa fitsingerenan’ny andro nahaterahana lazain’ny Baiboly dia nataon’olona mpanompo sampy, olona tsy nivavaka tamin’i Jehovah, ary tamin’ny tsirairay avy tamin’ireo fety ireo dia notapahin-doha ny lehilahy iray.’ (Marka 6:17-29; Genesisy 40:20-22.) Ahoana no azonao ampiasana izany filazalazana izany mba hanohinana ny fon’ny zanakao?
16 Mba hanintonana ny fon’ny zanakao dia ampiasao ny fanaporofoan-kevitra ao amin’ny boky Grand Enseignant. Lazao aminy izao: “Fantatsika fa izay rehetra voasoratra ao amin’ny Baiboly dia natao noho ny antony iray, sa tsy izany?” Avy eo dia dia anontanio izy hoe: “Araka ny hevitrao, inona àry no lazain’Andriamanitra amintsika momba ny fitsingeranan’ny andro nahaterahana?” Amin’izany fomba izany no hampisaintsainanao ny zanakao ny amin’ilay raharaha ka hahatongavany amin’ny famaranan-kevitra mety. Ankoatra ny boky Grand Enseignant, dia misy boky hafa nomanina ho fampiasan’ny ray aman-dreny, indrindra fa ny Bokiko misy Fitantarana avy ao amin’ny Baiboly sy ny fitohitohizan-dahatsoratra mitondra ny lohateny hoe: “Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany”, lahatsoratra mivoaka ao amin’ny nomerao tsirairay amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana nanomboka tamin’ny jolay 1985. Moa ve ianao mampiasa ireny foto-kevitra ireny mba hampitomboana ny fahalalan’ny zanakao sy ny anao koa miaraka amin’izany?
17. Fanipazan-kevitra azo ampiharina inona avy no azon’ny ray aman-dreny arahina?
17 Ilainao ny mandinika sy mamerimberina mandinika miaraka amin’ny zanakao ireo hevitra momba ny raharaha sy ny tarehin-javatra izay hatrehiny any an-tsekoly. Ataovy takany fa tahaka anao dia hadinina eo anatrehan’i Jehovah koa ny tenany (Romana 14:12). Hamafiso ny amin’ireo zava-tsoa ataon’i Jehovah ho antsika, ka amin’izany ianao dia hanolokolo ao am-pony ny faniriana hahazo sitraka amin’i Jehovah (Asa. 14:17). Ataovy ho fotoana mahafaly ny fotoana ianarana. Tia tantara ny ankizy; iezaho amim-pahatsorana àry ny mampianatra azy amin’ny fomba velombelona izay manohina ny fony. Fianakaviana maro no tsy manararaotra ny fahafahana kanto ahazoana manao izany satria tsy miara-misakafo amin’ny fomba tsy tapaka ireo mpianakaviny. Manao ahoana ny ao an-tranonao? Raha izany no miseho, tsy ho azaonao atao ve ny manao fandaminan-javatra amin’ny fomba hafa? — Jereo Asa. 2:42, 46, 47.
18, 19. a) Inona no hoheverin’ny ray aman-dreny rehefa mampianatra ny zanany izy, ary inona no antitranterina foana? b) Inona no hitanao ho mahavariana tamin’ny fomba nampianaran’ilay ray noraisina ho ohatra ny zanany lahy, ary araka ny hevitrao, vokatra inona no mety ho azon’ny ray aman-dreny amin’ny fanahafana azy?
18 Tokony hampifanarahina amin’ny taonan’ny zaza ny faharetan’ny fianarana. Amin’ny zazakely iray, izay voafetra ny fahafahany mampifantoka ny sainy, dia manàna fotoana fohy maromaro ianarana isan’andro. Avy eo dia halavao miandalana izany ka mandiniha foto-kevitra lalindalina kokoa. Ilaina foana ny manantitrantitra ny amin’ny maha-zava-dehibe ny hanokanana fotoana mialoha hiarahana mianatra tsy tapaka amin’ny ankizy (Genesisy 18:19; Deoteronomia 11:18-21). Ny ray anankiray fitopolo taona mahery dia nanome ohatra tsara dia tsara tamin’ny fomba nanabeazany ny zanany lahy, izay loholona ankehitriny. Taona maro lasa izay dia nanazava tamin’izao teny izao ny fomba nampiasainy izy:
19 “Rehefa feno herintaona izy, dia nanomboka nanaovako tantara rehefa hatory, tantara ao amin’ny Baiboly izay nataoko nifanentana tamin’ny fahaizany ary tamin’ny fomba manaitra ny sainy. Raha vao nanomboka niteny izy, tamin’izy roa taona, dia nanana fahazarana nandohalika teo anilan’ny fandriany izahay ary nasainay namerina nanaraka anay ny Rainay izay any an-danitra izy. (...) Rehefa telo taona kosa izy dia niara-nianatra ny Baiboly taminy tsy tapaka aho. (...) Nanaraka tao anatin’ny bokiny izy tamin’ny famerenana ireo fehezanteny nolazaiko. Tamin’izany no nahaizany nanonona tsara sy mazava na dia ireo teny sarotra indrindra aza. (...) Ambonin’izany, mba handentehana tsara tao aminy ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly, dia nampianarinay azy tsy an-jery ireo andininy mora tadidina ao amin’ny Baiboly. Rehefa nanomboka nandeha tany amin’ny akanin-jaza madinika izy, dia nahay andininy teo amin’ny telopolo. Tamin’ny herintaona, rehefa niditra tany an-tsekoly fanabeazana fototra izy dia nahay fitopolo tamin’izany. (...) Alohan’ny hatoriany dia tokony hamerina amiko andininy vitsivitsy ao amin’ny Baiboly ny zanako lahy. Rehefa mifoha amin’ny maraina izy dia miarahaba ahy matetika amin’ny famerenana andininy vitsivitsy indray.”
20. Fampiofanana inona no tokony homena ny ankizy, ary ahoana no azo anampiana azy handray anjara amim-pifaliana amin’ny fitoriana isan-trano?
20 Amin’ny fampianarana miandalana ny zanakao, amin’ny fanomezana azy ohatra tsara sy amin’ny fifehezana azy amin’ny fomba mirindra dia hanome azy fiandohana tsara eo amin’ny fiainana ianao, ka ho velom-pankasitrahana anao mandrakizay noho izany izy (Ohabolana 22:15; 23:13, 14). Endrika iray lehibe amin’izany fanabeazana izany dia ny fampiofanana azy aloha be amin’ny fanompoana ampahibemaso. Ataovy izay hahatonga izany hahafinaritra azy, amin’ny fanampiana azy handray anjara tokoa amin’izany. Ilay ray noresahina tetsy ambony dia mbola niteny toy izao momba ny zanany lahy: “Izany fahaizany manonona andalan-teny ao amin’ny Baiboly izany dia manampy azy be dia be amin’ny fitoriana isan-trano satria olona maro no gaga tokoa noho izany ka lasa mandray ireo gazety atolony ho azy. Mandray anjara amin’izany asa kristiana izany izy hatramin’ny telo taona, ary [tamin’izy 6 taona] dia matetika nahazo fahombiazana mihoatra noho izahay mivady izy raha ny amin’ny fanelezana boky manazava ny Baiboly.” — Réveillez-vous!, 8 may 1965, pejy faha-3, 4.
21. a) Inona no fanomezana tsara indrindra azon’ny ray aman-dreny omena ny zanany? b) Famporisihana inona no atao ho an’ny ray aman-dreny, ary inona no tokony hataon’izy rehetra miaraka amin’ny zanany kely?
21 Tsy azo lavina fa manana lova kanto hampitaina amin’ireo zanany ny ray aman-dreny kristiana, dia ny fahalalana an’i Jehovah izany ary ny fahatsinjovana fiainana tsy hanam-pahataperana ao anatin’izao tontolo izao vaovao sy kanto izay hanjakan’ny fiadanana sy ny fahasambarana (Ohabolana 3:1-6, 13-18; 13:22). Ambonin’ny zavatra rehetra dia kolokoloy ao am-pon’ny zanakareo ny fitokisana an’izany ho avy kanto tena hisy izany sy ny faniriana hanompo an’i Jehovah. Ataovy lasa fahazarany ny manaraka ny fanompoam-pivavahana marina sady mahasambatra azy (1 Timoty 1:11). Ampianaro azy ny fitokisana amin’i Jehovah dieny mbola kely izy. Ary aza sahirana loatra na oviana na oviana mihitsy mba handany fotoana tsy tapaka hiarahana mianatra amin’izy ireo. Aza misy avela hanakantsakana anareo amin’izany. Saintsaino isan’andro ny amin’ny zavatra ilain’ny zanakareo amin’ny ara-panahy sy ny fomba tsara indrindra hanomezana izany amin’ny fanohinana ny fony. Marina fa sahirana tokoa ianao sady iharan’ny fanerena; miahy ny amin’izany Satana sy izao tontolo izaony. Tadidio anefa ny ohatr’i Jesosy! Aza sahirana loatra mihitsy ka hoe tsy ho afaka hiara-mianatra tsy tapaka amin’ny zanakareo.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Taloha elan’ny nahaizany namaky teny, ilay zaza dia efa nahay tsy an-jery ireny tantara ireny, tamin’ny fihainoana fotsiny ny feo noraisina tamin’ny “cassettes” momba an’io boky io.
Inona no havalinao?
◻ Ahoana no ampisehoan’ny Baiboly fa ny andraikitry ny ray aman-dreny voalohany dia ny manome izay ilain’ny zanany?
◻ Amin’izao androntsika izao, nahoana no tokony hanao fiezahana manokana ny ray aman-dreny mba hiarovana ny zanany?
◻ Nahoana no tena zava-dehibe ny hampianarana ny ankizy raha vao eo amin’ny fahazazany izy?
◻ Fanipazan-kevitra azo ampiharina inona avy moa no hahafahan’ny ray aman-dreny hanohina ny fon’ny zanany?
◻ Inona no tokony hataon’ireo ray aman-dreny kristiana tsirambina mihitsy?
[Sary, pejy 12]
Tsy aloha loatra mihitsy ny fampianarana ny zanaky ny tena