Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany
Nanasa an’i Matio hanaraka azy i Jesosy
FOTOANA fohy taorian’ny nanasitranany an’ilay malemy, dia nandao an’i Kapernaomy i Jesosy ka nankany amoron’ny ranomasin’i Galilia. Tany, dia nisy vahoaka nanatona azy indray, ary nanomboka nampianatra azy ireny izy. Rehefa nandalo izy, dia nahita an’i Matio, nantsoina hoe Levy koa, nipetraka teo amin’ny birao famorian-ketra. Nandefa ho azy izao antso izao izy: “Andeha hanaraka Ahy.”
Tsy isalasalana fa efa nahafantatra tsara ireo fampianaran’i Jesosy i Matio, tahaka ny nahafantaran’i Petera sy Andrea ary Jakoba sy Jaona izany fony Jesosy nanasa azy ireo hanaraka azy. Ary sahala amin’izy ireny, dia neken’i Matio avy hatrany ny fanasana natolotra azy. Nitsangana izy, namela ny andraikiny tamin’ny naha-mpamory hetra ary nanaraka an’i Jesosy.
Taty aoriana, angamba mba hankalazana ny fiantsoana azy, dia nandamina fanasana lehibe tao an-tranony i Matio. Ankoatra an’i Jesosy sy ireo mpianany, dia nisy mpiara-miasa tamin’i Matio taloha tonga tao. Mandrakariva izy ireny no nohamavoin’ny Jiosy hafa, satria izy namory hetra ho an’ny manam-pahefana romana izay nankahalaina teo amin’ny Isiraely. Ambonin’izany, matetika tokoa izy ireny dia nanao zavatra tsy marina tamin’ny fitakiana tamin’ny olona, vola nihoatra noho ny hetra ara-dalàna.
Rehefa hitan’ireo Fariseo fa tonga tao amin’ilay fety teo anilan’ny olona toy ireny Jesosy, dia nanontany ny mpianany toy izao izy ireo: “Nahoana kosa ny Mpampianatra anareo no miara-komana amin’ny mpamory hetra sy ny mpanota?” Jesosy izay nandre ny teniny dia namaly azy ireo hoe: “Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary. Fa mandehana ka mianara izay hevitry ny teny hoe: ‘Famindrampo no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-dra’; fa tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota.”
Azo inoana fa nanasa an’ireo mpamory hetra tao an-tranony i Matio mba hahafahan’izy ireo hihaino an’i Jesosy sy ho sitrana amin’ny lafiny ara-panahy. Niaraka tamin’izy ireo àry i Jesosy mba hanampy azy ireo hampifamatotra fifandraisana tsara amin’Andriamanitra. Tsy nanamavo azy ireny izy, nifanohitra tamin’ireo Fariseo nizahozaho noho ny fahamarinan’ny tenany. Feno fangoraham-po kosa izy ka niseho ho mpitsabo ara-panahy ho azy ireny.
Matoa Jesosy naneho famindrampo tamin’ireo mpanota, dia tsy hoe satria nanakimpy ny masony teo anoloan’ny fahotan’izy ireo izy, fa nahatsapa fihetseham-po tamin’izy ireny sahala amin’ny amin’ireo marary eo amin’ny lafiny ara-batana izy. Tadidio, ohatra, fa indray andro izy dia naninjitra ny tanany ho amin’ny boka iray ary nikasika azy tamin’ny filazana hoe: “Mety Aho; madiova hianao.” Sahala aminy, enga anie isika haneho famindrampo amin’ny fanampiana ireo sahirana, indrindra fa eo amin’ny lafiny ara-panahy! Matio 8:3; 9:9-13; Marka 2:13-17; Lioka 5:27-32.
◆ Taiza moa Jesosy no nahita an’i Matio?
◆ Inona moa no asan’i Matio, ary nahoana ny Jiosy no nanamavo ireo anisany nanao izany asa izany?
◆ Inona no nanomezan-tsiny an’i Jesosy, ary ahoana no navaliny?
◆ Nahoana moa Jesosy no niaraka tamin’ny mpanota?
[Sary, pejy 9]