Fanontanian’ny Mpamaky
Nampirisika toy izao i Jesosy: “Miseseha hiditra amin’ny varavarana èty hianareo; fa hoy Izaho aminareo: Maro no hitady hiditra, fa tsy ho afaka.” (Lioka 13:24). Inona no tiany holazaina, ary ahoana no iharan’izany amin’izao andro izao?
Afaka mahazo tsara ny hevitr’io andalan-teny mahaliana io isika, amin’ny fandinihana ny toe-javatra manodidina ny nilazana azy io. Enim-bolana teo ho eo talohan’ny nahafatesany, dia tao Jerosalema i Jesosy nandritra ny fitsingerenan’ny andro nitokanana indray ny tempoly. Nilaza ny tenany ho mpiandry ny ondrin’Andriamanitra izy, kanefa nasehony fa tsy anisan’izany ondry izany ny Jiosy tamin’ny ankapobeny, noho izy ireo tsy nety nihaino. Rehefa nilaza izy fa “iray” ihany izy sy ny Rainy, dia naka vato hitorahana azy ny Jiosy. Afa-nandositra nankany Pere, tany an-dafin’i Jordana, izy. — Jaona 10:1-40.
Tany no nisy lehilahy iray nanontany hoe: “Tompoko, moa vitsy va no hovonjena?” (Lioka 13:23). Nety tokoa ny nametrahany izany fanontaniana izany, satria ireo Jiosy tamin’izany fotoana izany dia nino fa ho voafetra ihany ny isan’ny olona mendrika hovonjena. Raha jerena amin’ny fihetsik’izy ireo, dia tsy saro-binanina ny hoe iza no noheverin’izy ireo fa ho anisan’ireo olom-bitsy ireo. Tena diso hevitra mihitsy izy ireo, araka ny asehon’ny fizotran-javatra tatỳ aoriana!
Hatramin’ny roa taona teo ho eo, dia teo amin’izy ireo i Jesosy, nampianatra sy nanao fahagagana ary nanolotra azy ireo fahafahana ho tonga mpandova ny Fanjakana any an-danitra. Inona no vokatr’izany? Izy ireo, mbamin’ny mpitarika teo aminy indrindra indrindra, dia nirehareha tamin’ny naha taranak’i Abrahama azy sy ny nanankinana taminy ny Lalàn’Andriamanitra, (Matio 23:2; Jaona 8:31-44). Tsy nahafantatra ny feon’ilay Mpiandry Tsara anefa izy ireo, sady tsy nanoina ny antsony. Toy ny hoe nisy varavarana nivoha teo anoloan’izy ireo, ka ny valisoa lehibe indrindra tamin’ny fidirana tao dia ny ho mpikambana amin’ilay Fanjakana. Tsy nety niditra anefa izy ireo. Olona somary vitsy ihany, avy amin’ny saranga ambany ny ankabeazany, no nihaino ny hafatra momba ny fahamarinana nentin’i Jesosy ka nandray tsara izany sy naharitra nanaraka azy. — Lioka 22:28-30; Jaona 7:47-49.
Tamin’ny andro Pentekosta 33 am.f.i., dia ireo farany ireo no tsara toerana mba ho voahosotra tamin’ny fanahy. (Asan’ny Apostoly 2:1-38). Izy ireo dia tsy mba anisan’ireo mpanao meloka voalazan’i Jesosy, izay hitomany sy hikitro-nify noho ny tsy fanararaotana ilay fahafahana nomena azy. — Lioka 13:27, 28.
Noho izany, tamin’ny taonjato voalohany, ireo “maro” dia ny Jiosy tamin’ny ankapobeny, indrindra fa ireo mpitarika ara-pivavahana. Nilaza ho naniry hahazo sitraka tamin’Andriamanitra ireo — saingy araka ny fari-pitsipiky ny tenany ihany sy araka ny fombany ihany, fa tsy araka ny an’Andriamanitra. Mifanohitra amin’izany ny amin’ireo somary “vitsy” ihany, izay nandray tsara, noho izy ireo tena liana ny ho tonga anisan’ilay Fanjakana. Nanjary voahosotra ho anisan’ny kongregasiona kristianina izy ireo.
Diniho izao ny fampiharana azy io amin’ny fomba miitatra kokoa, izay mitranga amin’izao androntsika izao. Olona tsy tambo isaina miangona any amin’ireo fiangonan’ny Tontolo Lazaina fa Kristianina no nampianarina fa hankany an-danitra izy ireo. Tsy miorina amin’ny fampianarana araka ny marina ao amin’ny Soratra Masina anefa io faniriana io. Toy ny tamin’ireo Jiosy tany am-boalohany ihany, dia maniry hahazo sitraka amin’Andriamanitra izy ireo, saingy araka izay fomba itiavan’izy ireo azy ihany.
Amin’ny androntsika anefa, dia misy olona somary vitsy ihany, nanetry tena ka nandray ny hafatra momba ilay Fanjakana sy nanolo-tena ho an’i Jehovah ary nanjary tsara toerana mba hahazoana sitraka aminy. Nanjary nahatonga azy ireo ho “zanaky ny fanjakana” izany. (Matio 13:38). Nanomboka nasaina ireny ‘zanaka’ voahosotra ireny tamin’ny Pentekosta 33 am.f.i. Efa hatramin’ny ela ny Vavolombelon’i Jehovah no nino fa ny porofo omen’ny fifandraisan’Andriamanitra amin’ny vahoakany dia toa manondro fa efa voantso ireo anisan’ny ho any an-danitra, amin’ny fitambarany. Koa ireo izay vao nianatra ny Baiboly tamin’ireo taona faramparany, dia mahatakatra fa atolotra ankehitriny ny fanantenana fiainana mandrakizay eo amin’ny tany zary paradisa. Nanjary nihoaran’izy ireo ny isan’ireo Kristianina sisa voahosotra izay mihamihena hatrany. Ireny Kristianina sisa voahosotra ireny no tena hankany an-danitra. Tsy mihatra voalohany indrindra amin’ireo tsy manantena ny ho any an-danitra akory ny Lioka 13:24, kanefa azo antoka fa mirakitra torohevitra feno fahendrena ho azy ireo izy io.
Rehefa nampirisika antsika hisesika i Jesosy, dia tsy nilaza hoe mametraka vato misakana eo amin’ny lalantsika izy sy ny Rainy mba hanembantsembanana antsika. Takatsika avy amin’ny Lioka 13:24 kosa fa ireo zavatra takin’Andriamanitra dia hanilika ireo tsy mendrika. Ny hoe “miseseha” dia milaza tolona, fikelezana aina. Afaka manontany tena àry isika hoe: ‘Mikely aina ve aho?’ Azo lazaina amin’ny fomba hafa toy izao ny Lioka 13:24: ‘Mila misesika aho mba hiditra amin’ny varavarana ety, satria maro no hitady hiditra fa tsy ho afaka. Koa tena mikely aina mafy tokoa ve aho? Moa ve aho toy ny atleta iray teo amin’ny kianja filalaovana fahiny, izay nanao ny ainy tsy ho zavatra mba hahazoana ny loka? Tsy hisy amin’ny atleta toy izany ho malai-mihetsika, zara raha hanao fiezahana. Toy izany ve aho?’
Toa milaza ny tenin’i Jesosy hoe ny sasany dia mety hitady ‘hiditra amin’ilay varavarana’ kanefa araka izay mety aminy ihany, amin’ny filasilasiana araka ny itiavany azy. Mety hahavoa ny Vavolombelona isam-batan’olona izany fihetsika izany. Mety hisy hisaina hoe: ‘Mahafantatra Kristianina be fandavan-tena izay nikely aina efa an-taonany maro, tamin’ny fanaovana sorona be dia be, aho; kanefa tamin’ny fotoana nahafatesany, dia mbola tsy tonga ihany ny faran’itỳ fandehan-javatra ratsy itỳ. Koa aleoko mampiadana ny famindrako, ka mba hiaina amin’ny fomba ara-dalàna kokoa’.
Mora ny mieritreritra toy izany, saingy tena mampiseho fahendrena tokoa ve izany? Nieritreritra toy izany ve, ohatra, ireo apostoly? Tsia dia tsia tokoa. Natontony tao amin’ny fanompoam-pivavahana marina avokoa ny fananany sy ny heriny manontolo — mandra-pahafatin’izy ireo. Afaka niteny toy izao, ohatra, i Paoly: “[Kristy] no torinay (...). Ary ny hahatanteraka izany no ikelezako aina koa sy iezahako fatratra araka ny fiàsan’ny herin’Ilay miasa mahery ato anatiko.” Nanoratra toy izao izy tatỳ aoriana: “Izany no ikelezanay aina sy iezahanay, satria izahay manantena an’Andriamanitra velona, Izay Mpamonjy ny olona rehetra, indrindra fa izay mino.” — Kolosiana 1:28, 29; 1 Timoty 4:10.
Fantatsika fa marina tanteraka ny an’i Paoly raha nikely aina izy. Tena ho afa-po mihitsy isika tsirairay raha afaka milaza sahala amin’i Paoly hoe: “Efa niady ny ady tsara aho; nahatanteraka ny fihazakazahako aho; nitahiry ny finoana aho”. (2 Timoty 4:7). Koa afaka manontany tena toy izao ny tsirairay amintsika, mifanaraka amin’ny tenin’i Jesosy voarakitra ao amin’ny Lioka 13:24: ‘Miezaka mafy amim-pahazotoana sy amim-pahavitrihana ve aho? Eny, moa ve aho manome porofo ampy sy tsy tapaka fa manaraka ilay fananaran’i Jesosy hoe: “Miseseha hiditra amin’ny varavarana èty hianareo”?’