Fanaovana Fanambarana Amin’ny “Firenena Rehetra”
“Hotorina amin’ny tany onenana manontolo itỳ vaovao tsaran’ny Fanjakana itỳ ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra; ary avy eo dia ho tonga ny farany.” — MATIO 24:14, NW.
1. Nahoana no tsy maintsy nanaitra an’ireo mpanara-dia azy ireo tenin’i Jesosy voarakitra ao amin’ny Matio 24:14?
TSY maintsy nanaitra toy inona moa ireo tenin’i Jesosy etsy ambony ireo, ho an’ireo mpianany jiosy! Ilay hevitra mihitsy hoe Jiosy iray nohamasinina handeha hiresaka amina Jentilisa “hafa firenena” “tsy madio”, dia zavatra hafahafa, maharikoriko mihitsy aza ho an’ny Jiosy iray.a Eny, ny Jiosy fatra-pitandrina iray dia tsy hieritreritra akory ny hiditra ao an-tranon’ny Jentilisa iray! Mbola nanan-javatra maro aoka izany hianarana momba an’i Jesosy sy ny fitiavany ary ny asa nanirahana azy, ireo mpianatra jiosy ireo. Ary mbola nanan-javatra maro hianarana momba ny tsy fizahan’i Jehovah tavan’olona izy ireo. — Asan’ny Apostoly 10:28, 34, 35, 45.
2. a) Hatraiza ny fitaran’ny fanompoana ataon’ny Vavolombelona? b) Anton-javatra fototra telo inona avy no nandray anjara tamin’ny fandrosoan’ny Vavolombelona?
2 Ny Vavolombelon’i Jehovah dia nitory ny vaovao tsara teo amin’ny firenena rehetra, anisan’izany i Isiraely maoderina, ary izao izy ireo dia manambara izany any amin’ny firenena maro kokoa mbola tsy nisy toy izany. Tamin’itỳ 1994 itỳ, dia Vavolombelona maherin’ny efatra tapitrisa sy sasany no mitory any amin’ny tany sahabo ho 230. Mitarika fampianarana ny Baiboly efatra tapitrisa sy sasany eo ho eo any an-tokatrano amin’ny olona liana, izy ireo. Atao izany na dia eo aza ny fitsarana an-tendrony maneran-tany, matetika miorina amin’ny tsy fahalalana ny fampianarana sy ny antony manosika ny Vavolombelona. Toy ny voalaza mikasika ireo Kristiana tany am-boalohany, dia azo atao koa ny milaza momba azy ireo hoe: “Ny amin’izany antoko izany dia fantatray fa efa ratsy laza eny tontolo eny izy.” (Asan’ny Apostoly 28:22). Koa avy amin’inona àry no azontsika lazaina fa iavian’ny fahombiazan’ny fanompoan’izy ireo? Misy anton-javatra telo fara fahakeliny izay mandray anjara amin’ny fandrosoan’izy ireo: Fanarahana ny fitarihan’ny fanahin’i Jehovah sy fanahafana ny fomba azo ampiharina nampiasain’i Jesosy ary fampiasana ireo fitaovana mety mba hampitana hevitra amin’ny fomba mandaitra.
Ny fanahin’i Jehovah sy ny vaovao tsara
3. Nahoana isika no tsy afaka mirehaka ny amin’izay efa vita?
3 Mirehaka ny amin’ny fahombiazany ve ny Vavolombelon’i Jehovah, toy ny hoe izany dia noho ny fahaizana manokana izay mety hananany? Tsia, satria mihatra ilay tenin’i Jesosy hoe: “Rehefa vitanareo izay rehetra nandidiana anareo, dia ataovy hoe: Mpanompo tsy mahasoa izahay; ny tokony ho nataonay ihany no efa nataonay.” Amin’ny maha-Kristiana nanolo-tena sy vita batisa azy, ny Vavolombelon’i Jehovah dia nanaiky an-tsitrapo ilay andraikitra hanompo an’Andriamanitra, na toy inona na toy inona toerana misy azy manokana. Ho an’ny sasany, izany dia midika ho fanompoana manontolo andro amin’ny maha-misionera na amin’ny maha-mpiasa an-tsitrapo any amin’ireo biraon’ny sampana sy ny trano fanaovana pirinty ireo zavatra vita an-tsoratra kristiana. Ho an’ny hafa, ny fahavononana kristiana toy izany dia mitarika azy ireo ho any amin’ny asa fanorenana trano ara-pivavahana, ho amin’ny fitoriana manontolo andro amin’ny maha-mpitory mpisava lalana, na ho amin’ny fitoriana tapa-potoana amin’ny maha-mpitory ny vaovao tsara ao amin’ny kongregasiona eo an-toerana. Tsy misy amintsika afaka mirehareha ara-drariny ny amin’ny fanaovantsika ny adidintsika, ‘izay tokony ho nataontsika’. — Lioka 17:10; 1 Korintiana 9:16.
4. Ahoana no nandresena ny fanoherana maneran-tany atao amin’ny fanompoana kristiana?
4 Izay mety ho fahombiazana hitantsika dia azo lazaina fa avy amin’ny fanahin’i Jehovah, na heriny miasa. Mety ny hilazana amin’izao andro izao, toy ny tamin’ny andron’ny mpaminany Zakaria, hoe: “Izao no tenin’i Jehovah amin’i Zerobabela: Tsy amin-kery na amim-pahatanjahana, fa amin’ny Fanahiko, hoy i Jehovah, Tompon’ny maro.” Araka izany, dia resy ny fanoherana maneran-tany atao amin’ny asa fitorian’ny Vavolombelona, tsy noho ny ezaka nataon’olombelona, fa noho ny fitarihana sy ny fiarovan’i Jehovah. — Zakaria 4:6.
5. Anjara asa inona no notanan’i Jehovah teo amin’ny fanaovana izay hielezan’ny hafatra momba ilay Fanjakana?
5 Mikasika ireo izay mandray ny hafatr’ilay Fanjakana, dia izao no nolazain’i Jesosy: “Voasoratra ao amin’ny mpaminany hoe: ‘Ary izy rehetra dia hampianarin’Andriamanitra’. Izay rehetra mandre ka mianatra amin’ny Ray no manatona Ahy. (...) Tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy nomen’ny Ray azy izany.” (Jaona 6:45, 65). Afaka mamaky izay ao am-po sy ao an-tsaina i Jehovah, ary fantany ireo izay ho azo inoana fa hanaiky ny fitiavany na dia mety ho mbola tsy mahafantatra azy aza izy ireo. Mampiasa ny anjeliny koa izy mba hitarika io fanompoana tsy manan-tsahala io. Izany no antony nahitan’i Jaona, tao amin’ny fahitana, ny fandraisan’ny anjely anjara, ka dia nanoratra toy izao izy: “Hitako fa, indro, nisy anjely iray koa nanidina teo afovoan’ny lanitra, nanana filazantsara mandrakizay hotorina amin’izay monina ambonin’ny tany sy amin’ny firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra”. — Apokalypsy 14:6.
Mahatsapa fa mila zavatra ara-panahy
6. Toe-tsaina fototra inona no ilain’ny olona iray mba handraisana ny vaovao tsara?
6 Nolazain’i Jesosy toy izao ny anton-javatra hafa iray mahatonga an’i Jehovah hanome fahafahana ho an’ny olona iray hanaiky ny vaovao tsara: “Sambatra izay mahatsapa fa mila zavatra ara-panahy, satria azy ny fanjakan’ny lanitra.” (Matio 5:3, NW ). Tsy hahatsapa filana zavatra ara-panahy ny olona iray afa-po amin’ny tenany na ny olona iray tsy mitady ny fahamarinana. Tsy misaina afa-tsy ny amin’ny zavatra ara-nofo sy araka ny nofo fotsiny izy. Manjary fanakanana ny fahatsiarovana ho afa-po amin’ny tena. Noho izany, rehefa mandà ny hafatra ny olona maro hitantsika eo am-pandehanana isan-trano, dia tokony hodinihintsika ireo antony samy hafa rehetra mety hananan’ny olona ka mahatonga ny fihetsiny.
7. Nahoana ny maro no tsy manaiky ny fahamarinana?
7 Maro no tsy mety mihaino noho izy ireo mifikitra amim-pikirizana amin’ny fivavahana nolovany sy noho izy ireo tsy vonona ny hifanakalo hevitra. Ny hafa dia nanjary voasinton’ny fivavahana iray izay mifanentana amin’ny toetra maha-izy azy ireo manokana — ny sasany maniry fivavahana mifono zava-miafina, ny hafa manaiky ny fivavahana manaitaitra ny fihetseham-po, mbola misy hafa koa tsy mitady afa-tsy ny fiarahana manao zavatra ao amin’ny fiangonany. Maro amin’izao andro izao no nifidy fomba fiaina izay mifanohitra amin’ny fari-pitsipik’Andriamanitra. Angamba izy ireo manana fiainana ratsy ara-pitondran-tena, ka izany no mahatonga azy hilaza hoe: “Tsy mahaliana ahy izany.” Ny hafa koa, izay mety hilaza tena ho nahita fianarana sy ho mahay siansa, dia manilika ny Baiboly ho toy ny tsotra loatra. — 1 Korintiana 6:9-11; 2 Korintiana 4:3, 4.
8. Nahoana ny fandavana no tsy mampihena ny zotom-pontsika? (Jaona 15:18-20).
8 Moa ve tokony hampihena ny finoantsika sy ny zotom-pontsika eo amin’ilay fanompoana mamonjy aina ny fandavan’ny ankamaroan’ny olona? Afaka maka fampiononana avy amin’ny tenin’i Paoly ho an’ny Romana toy izao isika: “Fa ahoana kosa raha tsy nino ny sasany? Moa ny tsy finoan’ireo va hahafoana ny tsy fivadihan’Andriamanitra? Sanatria izany! fa Andriamanitra tsy maintsy ho marina, na dia mpandainga aza ny olona rehetra, araka ny Soratra Masina hoe: Mba ho marina hianao raha miteny, ary tsy hanan-tsiny raha mitsara.” — Romana 3:3, 4, Kat.
9, 10. Inona no porofo fa resy ny fanoherana tany amin’ny tany maro?
9 Afaka maka fampaherezana avy amin’ny ohatra maro manerana izao tontolo izao isika, dia ohatra ny amin’ireo tany izay toa tsy nandray mihitsy, ary anefa rehefa nandeha ny fotoana dia hita fa ny mifanohitra amin’izany indrindra no nitranga. Efa fantatr’i Jehovah sy ny anjely fa nisy olona nanana fo tsara tokony hotadiavina, kanefa dia tsy maintsy nikiry sy niaritra teo amin’ny fanompoany ny Vavolombelon’i Jehovah. Raiso, ohatra, ny tany sasany izay toa nisehoan’ny fivavahana katolika ho vato misakana tsy azo nihoarana, 50 taona lasa izay — Arzantina, Brezila, Espaina, Irlande, Italia, Kolombia, Meksika, sy Portogaly. Vitsy ny Vavolombelona tamin’ny 1943, 126 000 monja maneran-tany, ary ny 72 000 tamin’izy ireo dia tany Etazonia. Toa rindrina biriky tsy azo nogorobahina ny tsy fahalalana sy ny fitsarana an-tendrony nifanandrina tamin’ny Vavolombelona. Amin’izao andro izao anefa, ny sasany amin’ireo vokatry ny fitoriana nahitam-pahombiazana indrindra dia tany amin’ireny tany ireny. Marina koa izany teo amin’ireo tany kaominista taloha. Porofon’izany ny fanaovana batisa olona 7 402, tamin’ny fivoriambe iray tany Kiev, any Ukraine, tamin’ny 1993.
10 Fomba inona avy no nampiasain’ny Vavolombelona mba hampitana ny vaovao tsara tamin’ireo mpiara-belona aminy? Moa ve izy ireo nampiasa fitaomana ara-nofo mba hanovana olona hanaraka azy, dia fomba izay naroson’ny sasany ho fialan-tsiny? Moa ve izy ireo tsy nitsidika afa-tsy ny mahantra sy ny tsy nahita fianarana ihany, toy ny ilazan’ny hafa azy?
Fomba ahitam-pahombiazana eo amin’ny fampitana ny vaovao tsara
11. Ohatra tsara dia tsara inona no navelan’i Jesosy teo amin’ny fanompoany? (Jereo ny Jaona 4:6-26.)
11 I Jesosy sy ny mpianany dia nanorina modely izay arahin’ny Vavolombelona hatramin’izao eo amin’ny asa fanaovan’izy ireo mpianatra. I Jesosy dia nandeha tany amin’izay rehetra nisy olona, manankarena na mahantra — tany an-trano, teny an-kalamanjana, teny amorom-parihy, teny amin’ny ilan-tendrombohitra, ary na dia tany amin’ny synagoga aza. — Matio 5:1, 2; 8:14; Marka 1:16; Lioka 4:15.
12, 13. a) Ahoana no nanomezan’i Paoly modely ho an’ny Kristiana? b) Ahoana no nanarahan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny ohatr’i Paoly?
12 Mikasika ny fanompoany manokana, dia afaka niteny ara-drariny toy izao ny apostoly Paoly: “Fantatrareo hatramin’ny andro voalohany nahatongavako teto Asia izay toetry ny fitondrantenako taminareo tamin’izany andro rehetra izany, dia ny nanompoako ny Tompo (...) ka tsy mba nafeniko izay mahasoa, fa nambarako sy nampianariko anareo teo imason’ny olona ary tao amin’ny isan-trano”. — Asan’ny Apostoly 20:18-20.
13 Fantatra maneran-tany ny Vavolombelon’i Jehovah noho ny fanarahany ny modelin’ireo apostoly, dia ny fanompoana isan-trano. Ny Vavolombelona dia tsy mifantoka amin’ny fanaovana toriteny ao amin’ny televiziona, dia fanompoana lafo vidy sy tsy lasa lalina ary tsy mahatafiditra ny maha-izy azy. Mankany amin’ny olona kosa izy ireo, any amin’ny manankarena sy ny mahantra, ary mifanatri-tava amin’izy ireny. Tadiaviny izay hiresahana mikasika an’Andriamanitra sy ny Teniny.b Izy ireo dia tsy manandrana manao Kristiana mitady tombontsoa ara-nofo fotsiny (toy ny hoe Kristiana raha misy patsa), ka hoe mizarazara zavatra maimaim-poana mba hahazoana olona. Amin’ireo izay vonona ny hanjohy hevitra, dia hazavain’izy ireo fa ny hany tena ala olana amin’ny zava-manahirana ny taranak’olombelona dia ny fanapahan’ny Fanjakan’Andriamanitra izay hanova ny toe-piainana eto amin’ny tanintsika ho amin’ny tsara kokoa. — Isaia 65:17, 21-25; 2 Petera 3:13; Apokalypsy 21:1-4.
14. a) Ahoana no nametrahan’ireo misionera sy mpisava lalana maro fanorenana mafy? b) Inona no ianarantsika avy amin’ny fanandraman-javatra hitan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Japana?
14 Mba hahavitana ilay asa any amin’ny tany betsaka araka izay azo atao, dia nanorina toby mpialoha lalana tany amin’ny firenena maro ireo misionera sy mpisava lalana. Nametraka fototra izy ireo, ary avy eo dia nandray ny fitarihana ireo Vavolombelona teo an-toerana. Araka izany, dia tsy nilana Vavolombelona vahiny maro be mba hampandehanana sy hampilamina tsara hatrany ny fitoriana. Ohatra miavaka iray ny tany Japana. Tamin’ny faramparan’ireo taona 1940, dia misionera australasiens sy britanika indrindra no nandeha tany, nianatra ilay fiteny sy nifankazatra tamin’ny toe-piainana somary sarotra ihany tamin’izany fe-potoana taorian’ny ady izany, ary nanomboka ny fitoriana isan-trano. Nandritra ny Ady Lehibe Faharoa, dia voarara sy nenjehina ny Vavolombelona tany Japana. Koa tsy nahita afa-tsy Vavolombelona japoney narisika vitsy dia vitsy ireo misionera. Amin’izao andro izao anefa, dia nitombo maherin’ny 187 000 izy ireo any amin’ny kongregasiona maherin’ny 3 000! Inona no tsiambaratelon’ny fahombiazan’izy ireo tany am-boalohany? Hoy ny misionera iray nanompo tany maherin’ny 25 taona: “Zava-dehibe indrindra ny nianarana nifampiresaka tamin’ny olona. Tamin’ny fahafantarana ny fiteniny, dia afaka nampitovy ny tenanay tamin’izy ireo izahay, nahazo ny heviny sy nankasitraka ny fomba fiainany. Tsy maintsy nampiseho izahay fa tianay ny Japoney. Niezaka tamim-panetren-tena ny ho tonga anisan’ilay fiaraha-monina teo an-toerana izahay kanefa, mazava ho azy, fa tsy nampilefitra ny fari-pitsipika kristiana narahinay.”
Fanambarana koa ny fitondran-tena kristiana
15. Ahoana no nampisehoan’ny Vavolombelona fitondran-tena kristiana?
15 Tsy nanaiky noho ny hafatra avy ao amin’ny Baiboly fotsiny anefa ny olona. Hitan’izy ireo koa ny Kristianisma eo am-perinasa. Voadinik’izy ireo ny fitiavana sy ny firindrana ary ny firaisan-kina eo amin’ny Vavolombelona na dia ao anatin’ny tarehin-javatra misedra indrindra aza, toy ny ady an-trano sy ny fifandrafiana ara-poko ary ny fifankahalana eo amin’ny antokon’olona samy hafa kolontsaina. Nitana fialanalanana kristiana mazava ireo Vavolombelona tamin’ny fifandirana rehetra, ary notanterahiny ny tenin’i Jesosy hoe: “Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa. Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.” — Jaona 13:34, 35.
16. Fanandraman-javatra inona no manazava ny fitiavana kristiana azo tsapain-tanana?
16 Ny fitiavana ny mpiara-belona dia voazava tamin’izay nitranga tamin’ny lehilahy zokiolona iray izay nanoratra tany amin’ny gazety teo an-toerana mikasika an’“Atoa sy Rtoa Ramahafinaritra”. Nanazava izy fa tsara fanahy taminy ireto mpifanila trano taminy ireto fony ny vadiny efa ho faty. “Hatramin’ny nahafatesany [ny vadiko] (...) dia fatratra izy ireo”, hoy ny nosoratany. “Hatramin’izay dia ‘nanangana’ ahy toy ny zanaka izy ireo (...), nanao izao karazana asa an-trano rehetra izao ary nanampy mba handamina ireo zava-manahirana ny lehilahy misotro ronono iray 74 taona. Ny mahatonga izany rehetra izany ho mbola hafakely kokoa, dia izy ireo mainty hoditra, izaho fotsy hoditra. Izy ireo Vavolombelon’i Jehovah, izaho Katolika niala.”
17. Lalana manao ahoana no tokony hohalavirintsika?
17 Io fanandraman-javatra io dia manazava fa afaka manao fanambarana amin’ny fomba maro isika, tafiditra amin’izany ny fitondran-tenantsika isan’andro. Raha ny marina, raha tsy sahala amin’ny an’i Kristy ny fitondran-tenantsika, dia ho toy ny an’ny Fariseo ny fanompoantsika, tsy hisy vokany. Tsy irintsika ny ho sahala amin’ireo izay nolazalazain’i Jesosy hoe: “Izay rehetra lazainy dia ataovy ka tandremo; fa aza mba manao araka ny asany, satria miteny ihany izy, nefa tsy manao.” — Matio 22:37-39; 23:3.
Manome ireo fitaovana mety ny kilasin’ny mpanompo
18. Amin’ny ahoana ireo zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly no manome fitaovana antsika mba hanampiana ny olona tso-po?
18 Ny anton-javatra tena lehibe hafa iray eo amin’ny fitoriana ny vaovao tsara amin’ny firenena rehetra dia ny fisian’ny zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly azo ampiasaina, navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society. Ananantsika ny boky, bokikely, taratasy mivalona sy gazety izay afaka manome fahafaham-po saiky ny mpanontany tso-po rehetra. Raha mifanena amin’ny Miozilimanina iray, Hindoa iray, Bodista iray, Taoista iray na Jiosy iray isika, dia afaka mampiasa ilay boky hoe L’humanité à la recherche de Dieu na taratasy mivalona sy bokikely maro isan-karazany mba hanombohana resaka ary angamba fampianarana ny Baiboly. Raha manontany ny amin’ny famoronana ny olona iray mpanohana ny fivoarana miandalana, dia azontsika ampiaisana ilay boky hoe La vie: Comment est-elle apparue? Évolution ou création? Raha manontany ny tanora iray hoe: ‘Inona no zava-kendren’ny fiainana?’ dia azontsika aseho azy ilay boky hoe Manontany ny Tanora — Valiny Mandaitra. Raha misy olona voa mafy noho ny zava-manahirana manokana — fahaketrahana, fitondrana ratsy, faharerahana, fisavihana, fisaraham-panambadiana — dia ananantsika ireo gazety izay mivaofy amin’ny fomba azo ampiharina ny foto-kevitra toy izany. Marina tokoa fa manatontosa ny anjara asany ilay mpanompo mahatoky izay nambaran’i Jesosy ara-paminaniana fa hanome “hanina amin’ny fotoana mety”. — Matio 24:45-47, NW.
19, 20. Tamin’ny ahoana no nanafainganana ny asan’ilay Fanjakana tany Albania?
19 Mba hanatratrarana ireo firenena anefa, dia nilaina ny namoahana izany zavatra vita an-tsoratra izany tamin’ny fiteny maro. Ahoana no naha-azo atao ny fandikana ny Baiboly sy ireo zavatra vita an-tsoratra momba ny Soratra Masina tamin’ny fiteny maherin’ny 200? Ny fandinihana fohy ohatra iray, i Albania, dia manazava ny fomba nahafahan’ny kilasin’ny mpanompo mahatoky sy malina nampandroso ny vaovao tsara na dia teo aza ireo zava-tsarotra lehibe ary na dia tsy nisy aza Pentekosta maoderina mba hanome fahafahana hampiasa avy hatrany ireo fiteny. — Asan’ny Apostoly 2:1-11.
20 Taona vitsivitsy lasa monja izay, i Albania dia mbola noheverina ho ny hany tany kaominista tena tsy nino an’Andriamanitra. Nilaza toy izao ilay gazetiboky hoe National Geographic, tamin’ny 1980: “Mandrara ny [fivavahana] i Albania, nanambara ny tenany ho ‘ny fanjakana tsy mino an’Andriamanitra voalohany eo amin’izao tontolo izao’ izy tamin’ny 1967 (...) Ny tsy finoana an’Andriamanitra ihany no hany fantatry ny taranaka vaovao ao Albania.” Amin’izao itambotsoran’ny kaominisma izao, ireo Albaney izay miaiky fa mila zavatra ara-panahy dia manaiky ny fitoriana ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Natsangana tao Tiranë tamin’ny 1992 ny antokon’olom-bitsy mpandika teny miara-miasa, voaforon’ny Vavolombelona tanora mahay fiteny italiana sy anglisy. Nisy rahalahy ampy fahaizana, mpitsidika avy any an-tany hafa, nampianatra azy ireo hampiasa ordinatera azo entina mandehandeha, mba hampidirana ireo soratra amin’ny fiteny albaney. Nanomboka nandika taratasy mivalona sy ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana izy ireo. Arakaraka ny nahazoan’izy ireo fanandraman-javatra dia niezaka nandika zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly sarobidy hafa izy ireo. Amin’izao fotoana izao izy ireo dia Vavolombelona marisika sahabo ho 200 ao amin’io tany kely dia kely io (mponina 3 262 000), ary 1 984 no nanatrika ny Fahatsiarovana tamin’ny 1994.
Samy manana andraikitra avokoa isika rehetra
21. Ao anatin’ny karazana fe-potoana toy inona no iainantsika?
21 Mahatratra ny fara tampony ireo fisehoan-javatra eo amin’izao tontolo izao. Toa mihamanjary fanjakan’i Baroa, tsy azo tapahina izao tontolo izao misy ny fitomboan’ny heloka bevava sy ny herisetra, ny fandripahana olona sy ny fisavihana ao amin’ireo ady eo an-toerana, ny fari-pitondran-tena baranahiny manjaka sy ny vokany, dia ny aretina mifindra avy amin’ny firaisana, ny tsy fanajana ny fahefana ara-dalàna. Isika dia ao anatin’ny fe-potoana iray mifanitsy amin’ny fotoana talohan’ny Safodrano izay voalazalaza toy izao ao amin’ny Genesisy: “Hitan’i Jehovah fa be ny faharatsian’ny olona tambonin’ny tany, ka izay fisainana rehetra avy amin’ny fony dia ratsy ihany mandritra ny andro. Ary Jehovah nanenina noho ny nanaovany ny olona tambonin’ny tany, ka nalahelo ny fony.” — Genesisy 6:5, 6; Matio 24:37-39.
22. Manana andraikitra kristiana inona ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra?
22 Toy ny tamin’ny andron’i Noa, dia hanao zavatra i Jehovah. Noho ny rariny sy ny fitiavany anefa, dia iriny hotorina amin’ny firenena rehetra aloha ny vaovao tsara sy ilay hafatra fampitandremana. (Marka 13:10, NW ). Amin’io lafiny io ny Vavolombelon’i Jehovah dia manana andraikitra — hitady ireo izay mendrika ny fiadanan’Andriamanitra ary hampianatra azy ireo ny lalany feno fiadanana. Tsy ho ela, amin’ny fotoana mety amin’Andriamanitra, dia ho vita amim-pahombiazana ilay fanirahana hitory. “Ary avy eo dia ho tonga ny farany”. — Matio 10:12, 13; 24:14, NW; 28:19, 20.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mba hahazoana fanazavana fanampiny mikasika ny Jentilisa, dia jereo ilay foto-dresaka hoe “Nations” ao amin’ny Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible, Jo-Ni, pejy faha-1062-1063, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.
b Mba hahazoana fanipazan-kevitra azo ampiharina mikasika ny fanompoana kristiana, dia jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Febroary 1985, pejy faha-15, “Ny Fomba Hahatongavana ho Minisitra Mahomby”, sy pejy faha-21, “Fanompoana Mandaitra mba Hanaovana Mpianatra Misimisy Kokoa”.
Tadidinao Ve?
◻ Fahombiazana inona no hitan’ny Vavolombelona maoderina eo amin’ny fanompoany?
◻ Nahoana no mandà ny hafatra kristiana ny maro?
◻ Fomba fitorian’ireo apostoly inona no ampiasain’ny Vavolombena?
◻ Fitaovana inona avy no ananantsika mba hanaovana fanompoana mandaitra?
◻ Inona no tsy maintsy ataontsika rehetra, mifanaraka amin’ny Marka 13:10?
[Efajoro, pejy 19]
TANY VAVOLOMBELONA NIASA TAMIN’NY 1943 TAMIN’NY 1993
Arzantina 374 102 043
Brezila 430 366 297
Espaina Tsy nisy rapaoro 97 595
Frantsa Ady Lehibe II — tsy nisy rapaoro 122 254
Irlande 150? 4 224
Italia Ady Lehibe II — tsy nisy rapaoro 201 440
Kolombia ?? 60 854
Meksika 1 565 380 201
Peroa Tsy nisy rapaoro 45 363
Philippines Ady Lehibe II — tsy nisy rapaoro 116 576
Polonina Ady Lehibe II — tsy nisy rapaoro 113 551
Portogaly Tsy nisy rapaoro 41 842
Silia 72 44 668
Uruguay Tsy nisy rapaoro 9 144
Venezoela 22 64 081
[Sary, pejy 17]
Mitombo isa ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny tany katolika maro, toa an’i Espaina
[Sary, pejy 18]
Marisika ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ireo firenena manerana ny bolan-tany