Torohevitra “mamy sira”
“Aoka ny fiteninareo ho amin’ny fahasoavana mandrakariva, ho mamy sira, mba ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona rehetra.” — KOLOSIANA 4:6.
1, 2. Nahoana moa no zava-dehibe indrindra raha “mamy sira” ny torohevitra omen’ny kristiana?
TAMIN’NY fotoana rehetra nisian’ny Tantara, ny sira dia nandray anjara lehibe tamin’ny fomba fanamboaran-tsakafo. Mitahiry azy sy manatsara ny tsirony izany, hany ka raha tsy misy ny sira, ny ankamaroan’ny sakafo dia heverina ho matsatso. Noho izany, rehefa nanoratra i Paoly fa tokony ho “mamy sira” ny tenin’ny kristiana iray, ny tiany holazaina dia hoe tokony hampandroso ny fiteniny, nefa koa hahafinaritra sy hanintona (Kolosiana 4:6). Marina indrindra izany rehefa hoe hanome torohevitra. Fa nahoana?
2 Ny zava-kendrena amin’ny torohevitra dia tsy hoe fitondrana foto-pahalalana ho an’ilay olona toroana hevitra fotsiny, satria matetika tokoa izy no efa mahalala sasantsasany amin’ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly mifandray amin’ny tarehin-javatra hitany. Ny manahirana azy dia ny fampiharana izany na ny fahatakarana ny maha-zava-dehibe azy. Ny fomba fisainan’ilay olona indrindra àry no tokony hiezahan’ny kristiana ovana rehefa manome torohevitra izy (Galatiana 6:1; Efesiana 4:11, 12). Izany no antony ilàna “sira”.
3. Inona moa no fanampiana nomen’i Jehovah an’ireo kristiana izay manome torohevitra?
3 Tsy tena zavatra mora akory ny manome torohevitra; mitaky fahalalana sy fahaiza-manavaka izany (Ohabolana 2:1, 2, 9; II Timoty 4:2). Soa ihany Jehovah fa nanome ny Baiboly izay tsy vitan’ny hoe mirakitra ny fahalalana ilaintsika, fa mirakitra koa, ohatra maro ny amin’ny torohevitra nomen’olon’Andriamanitra naneho fahaiza-manavaka. Ny fandinihana ny sasantsasany amin’ireny ohatra ireny dia hanampy antsika ho mpanoro hevitra mahita vokany kokoa.
Ilay “Mpanolo-tsaina mahagaga”
4. Ahoana moa no azon’ny mpiandraikitra kristiana iray anahafana an’i Jesosy Kristy rehefa manome torohevitra ny kongregasiona izy?
4 Aoka hoheverintsika, ohatra, Jesosy, ilay “Mpanolo-tsaina mahagaga”. (Isaia 9:5, fanamarihana ambany pejy). Teo amin’ny faran’ny taonjato voalohany izy dia nanome torohevitra ho an’ny kongregasiona fito tany amin’ny distrikan’i Azia tamin’ny alalan’ny taratasy nasainy nalefa ho azy ireny. Ireny taratasy ireny dia ohatra faka tahaka tsara dia tsara ho an’ireo loholona rehefa tokony hanome torohevitra ho an’ny kongregasionany izy ireny, ary manan-kery koa ireny fotopoto-pitsipika ireny amin’ireo torohevitra manokana. Miresaka raharaha lehibe i Jesosy ao amin’ireo taratasy ireo, ankoatra ny zavatra hafa: ny fivadiham-pinoana, ny herin’ny “Jezebela” iray, ny fisehoana ho matimaty sy ny fitiavana fatratra ny zavatra ara-nofo (Apokalypsy 2:4, 14, 15, 20-23; 3:1, 14-18). Niresaka ny amin’izany tamim-pahatsorana i Jesosy. Tsy misy fisalasalana mihitsy ny amin’izay tiany holazaina isaky ny kongregasiona. Amin’izao androntsika izao, sahala amin’i Jesosy, ireo loholona dia tokony ‘hanamamy’ amin’ny fanetren-tena sy hatsaram-po ireo torohevitra omeny ny kongregasionany (Filipiana 2:3-8; Matio 11:29). Etsy andaniny koa, mbola ho fanahafana an’i Jesosy ihany, dia ilaina ny hilazan’izy ireny hevitra amim-pahatsorana. Ny torohevitra iray dia tsy tokony ho maizimaizina na amin’ny ankapobeny, satria amin’izany ilay kongregasiona dia tsy hahazo izay asiana fitenenana.
5, 6. Inona moa no fianarana hafa koa azon’ny loholona iray tsoahina avy amin’ireo fanambarana nataon’i Jesosy ho an’ny kongregasiona fito, amin’izao andro izao?
5 Mariho koa fa, araka izay azo atao, Jesosy dia nidera tamin-kafanam-po ireo kongregasiona teo am-piandohan’ireo taratasiny, ary namarana tamin’ny teny vitsivitsy natao hamporisihana azy ireny sy hampandrosoana azy (Apokalypsy 2:2, 3, 7; 3:4, 5). Amin’izany fomba izany koa, ireo kristiana izay manome torohevitra dia tokony hanamamy ny teniny amin’ny fiderana sy ny fampaherezana. Araka ny nambaran’ny loholona za-draharaha iray, “raha mianina amin’ny fananarana ireo rahalahy ny tena dia tsy tena misy vokany firy”. Rehefa avy nahazo avy amin’ny loholona torohevitra mahery ny kristiana iray dia tsy tokony ho kivy, fa hatanjaka kosa sy ho vonona ny hanao tsaratsara kokoa amin’ny ho avy. — Jereo II Korintiana 1:1-4.
6 Farany, inona no holazaina ny amin’ireo fanambaran’i Jesosy ho an’ireo kongregasiona any Smyrna sy Filadelfia? Izany dia tsy nisy fanakianana velively an’ireny rahalahy ireny. Namporisika azy ireny hiaritra i Jesosy, satria izy ireo niharan’ny fitsapana mafy (Apokalypsy 2:8-11; 3:7-13). Ireo mpiandraikitra kristiana koa dia tsy vitan’ny hoe tokony hanitsy izay tsy mety fa ho vonona mandrakariva koa ny hidera ireo rahalahiny noho ny asany tsara, ka hamporisika azy ireny hiaritra. — Romana 12:12.
Mampiasà fanoharana
7, 8. a) Inona moa no nahatonga ireo torohevitra nomen’i Jesosy an’ireo mpianany ho “mamy sira”? b) Nahoana moa no sarobidy ny fanoharana rehefa hoe hanome torohevitra?
7 Indray mandeha, Jesosy dia nanoro hevitra ireo mpianany rehefa niahy izy ireo ny amin’ny hahafantarana hoe iza no ho voalohany ao amin’ny Fanjakan’ny lanitra. Nety ho afaka ny niteny mafy azy ireny izy. Tsy izany anefa fa ‘nataony mamy sira ny teniny’. Niantso zazakely ho eo aminy izy ka nilaza hoe: “Na zovy na zovy no hanetry tena tahaka ity zazakely ity, dia izy no ho lehibe indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra.” (Matio 18:1-4; Lioka 9:46-48). Mazava ny torohevitra, kanefa voamariky ny hatsaram-po sy nampandroso. Tamin’ny fampisehoana tamin’izy ireo fa ilay Fanjakana dia ho hafa tanteraka noho ireo fanjakana eo amin’izao tontolo izao, Jesosy dia namporisika ireo mpianany hanetry tena ary niezaka nampahafantatra azy ireo fa tsy nanana antony mihitsy tokony hiadiana hevitra izy ireny.
8 Aoka isika hijery kely ny fomba mandaitra nampiasain’i Jesosy mba hampitana izany fampianarana izany. Nampiasa fanoharana velona izy: zazakely iray. Ireo mpanoro hevitra malina dia matetika no ‘manamamy’ ny teniny amin’ny fanoharana, satria izany mety hanampy ilay mandray torohevitra hahatsapa ny halehiben’ilay foto-kevitra, hanjohy hevitra sy hijery an’ilay raharaha amin’ny endriny hafa. Matetika ireo fanoharana no mahatonga ho afaka hampihena ny fihenjanana.
9. Manonòna ohatra hafa nalaina avy ao amin’ny Soratra Masina nampiasana fanoharana mba hanomezana torohevitra.
9 Rehefa nampitandrina an’i Kaina Jehovah fa nety hanao fahotana lehibe izy, dia nampitaha tamin’ny fomba nanaitra ny fahotana tamin’ny bibidia izy. Izao no nolazainy: “Mamitsaka eo am-baravarana ny ota; ary hianao no kendren’ny faniriany.” (Genesisy 4:7). Rehefa tezitra i Jona satria nitsimbina ireo Ninivita nibebaka i Jehovah, dia nahazo tanantanamanga avy tamin’Andriamanitra izy mba hanalokaloka azy. Rehefa maina io tanantanamanga io, dia nitaraina tamin’i Jehovah i Jona, ka hoy Jehovah taminy: “Hianao malahelo ny tanantanamanga (...); ka moa Izaho tsy mba halahelo an’i Ninive, ilay tanàna lehibe va, izay misy olona tsy omby roa alina sy iray hetsy?” (Jona 4:5-11). Endrey izany torohevitra mahery!
10. Ahoana moa, tamin’izao androntsika izao, no nampiasan’ny kristiana iray fanoharana mba hanampiana zazavavy iray hahatakatra kokoa ny fikasan’ireo ray aman-dreniny?
10 Mbola ampiharina ihany izany fomba izany amin’izao androntsika izao. Tezitra ny zazavavy iray satria namepetra ny fifaneraserany ireo ray aman-dreniny. Nanandrana nanampy azy tamin’ny alalan’izao fanoharana izao àry ny mpiandraikitra mpitety faritany iray: “Tia ny manjaitra ianao, sa tsy izany? Aoka hatao hoe mandany fotoana be dia be ianao mba hanamboarana akanjo tsara tarehy ho an’ny namana iray. Taorian’ny nanomezanao azy izany, dia tsapanao fa nampiasainy hanasana gorodona izany. Inona no ho vokatr’izany eo aminao?” “Ho tezitra aho, hoy ny fiaiken’ilay zazavavy. Nanohy ny teniny toy izao ilay minisitra kristiana: “Toy izany no fijerin’ny ray aman-dreninao ny zavatra. Nanokana fotoana be dia be tamin’ny fanabeazana anao izy, ary mirehareha ny aminao. Koa iriny ny hiarahanao amin’olona izay hanan-kery mahasoa eo aminao, fa tsy olona hanimba anao fotsiny.” Io fanoharana io dia nanampy an’ilay zazavavy resahintsika hahatakatra ny zava-kendrena niezahan’ireo ray aman-dreniny notratrarina.
Mametraha fanontaniana
11. Nahoana moa no azo atao ny milaza fa rehefa nanoro hevitra an’i Jona i Jehovah dia nampiasa fanontaniana tamin’ny fomba mandaitra?
11 Voamarikao angamba fa rehefa niresaka tamin’i Jona ny amin’ny fahatezerany tsy ara-drariny Jehovah, dia nametraka fanontaniana taminy izy. Sosotra noho ny tsy nandravana an’i Ninive i Jona ka nangataka ny ho faty. Hoy Jehovah taminy: “Moa mety va izao firehitry ny fahatezeranao izao?” Tsy namaly i Jona. Noho izany antony izany no namelan’i Jehovah ilay tanantanamanga hitombo, avy eo dia nasiany ilay izy. Roa sosona ny fahatezeran’i Jona. Koa nanontany azy toy izao Jehovah: “Moa mety va izao firehitry ny fahatezeranao ny amin’ny tanantanamanga izao?” Tamin’io indray mandeha io, dia tapa-kevitra ny hamaly i Jona: “Mety ny hahatezerako na dia mandra-pahafatiko aza.” Rehefa namaly azy izao ilay mpaminany, dia hampitahain’i Jehovah ny fihetsik’i Jona teo anatrehan’ny zavamaniry tsinontsinona iray sy ny fihetsiky ny tenany teo anoloan’i Ninive. Nametraka fanontaniana anankiray farany taminy izy: “Ka moa izaho tsy mba halahelo an’i Ninive, (...) va?” (Jona 4:4, 9, 11). Nanome torohevitra an’i Jona àry Jehovah mba hanahaka ny fihetsiny teo anoloan’ny Ninivita nibebaka.
12. Inona moa no vidin’ny fanontaniana rehefa hoe hanome torohevitra? Hazavao ny valinteninao.
12 Eny, izay manome torohevitra dia tonga amin’ny fanavahana tsara kokoa izay eritreretin’ny olona iresahany raha mametraka fanontaniana aminy izy. Afa-tsy izany koa, izay toroana hevitra dia hahatsapa bebe kokoa ny amin’izay tsy mety sy ireo antony manosika azy. Ohatra, ny lehilahy iray dia mety hihevitra fa zony tanteraka ny hisotro alohan’ny hodiana any an-tranony mamily fiarakodia, ary tsy haniry hiova hevitra. Mety hilaza anakampo amim-pahatsorana toy izao izy: ‘Tsy misy vokany amiko mihitsy ny alikaola!’ Mety haniry hampieritreritra azy koa ny namana iray ka hiteny aminy toy izao: ‘Aoka hatao hoe mahita voina tsy maha-tompon’andraikitra anao ianao. Inona no hoeritreretin’ny polisy raha tsikariny fa nisotro ianao? Ary raha manimba na dia kely monja aza ny fihetsehanao tsy nahy ny alikaola? Tianao tokoa ve ny hamily fiarakodia amin’ny fahafantarana fa tsy afaka mampiasa tanteraka ny fahaizanao ianao? Mendrika ny hisetrana loza ve ny iray vera?’
13. Hazavao izay nataon’ny loholona iray mba hanomezana torohevitra tamin’ny alalan’ny Baiboly sy tamin’ny fametrahana fanontaniana. Nahoana izy no nahazo vokany tsara?
13 Miorina amin’ny Baiboly foana ireo torohevitra omen’ny kristiana. Ary isaky ny azo atao izany, dia tena mampiasa Baiboly tokoa ireo mba hanomezana torohevitra. Tena manampy be dia be tokoa izany (Hebreo 4:12)! Hohazavaintsika ny resatsika. Ny loholona za-draharaha iray dia nanandrana nanampy kristiana iray tsy narisika intsony tamin’ny fitoriana. Nanintona ny sainy izy ho amin’ilay fanoharana ny amin’ny lehilahy nangataka tamin’ireo zanany roa lahy mba handeha hiasa ny tanimboalobony. Nilaza fa handeha ny voalohany, kanefa tsy nandeha. Nilaza ny faharoa fa tsy handeha, nefa tamin’ny farany, dia tapa-kevitra ny handeha izy (Matio 21:28-31). Tamin’izay ilay loholona dia nanontany azy hoe: “Mitovy amin’iza amin’ireo zanakalahy roa ireo ianao amin’izao fotoana izao?” Takatr’ilay kristiana avy hatrany ny fianarana, indrindra fa rehefa nanampy teny toy izao ilay loholona: “Araka ny hevitrao, ahoana no fiheveran’i Jehovah, Tompon’ny tanimboaloboka izay mitranga aminao?”
14. Manonòna toe-javatra hafa ihariharian’ny fanontaniana ho fiasana sarobidy ho an’izay manome torohevitra.
14 Izany no atao mba hanampiana ireo misalasala, ireo mahita fahasahiranana amin’ny vadiny, ny fianakaviany na olon-kafa, na izay tojo tarehin-javatra misedra hafaa. Mahatonga azy ireny hieritreritra ny fanontaniana mampiseho fahakingana. Mandini-tena izy ireny ary manatsoaka ny hevitra mety.
Mihainoa amim-pitandremana
15. a) Inona moa no tsy nataon’ireo “mpampionona” an’i Joba telo? b) Amin’ny ahoana moa ny fihainoana no hanampy kristiana iray izay manome torohevitra?
15 Tadidio anefa fa izay mametraka fanontaniana dia tokony haniry handre ny valiny homena azy (Ohabolana 18:13). Izay manome torohevitra dia tsy tokony hanao fahadisoana tahaka ireo “mpampionona” an’i Joba telo. Tsy tena nihaino an’i Joba izy ireo, satria efa namorona hevitra ny amin’ny fahoriany: vokatry ny fahotany izany (Joba 16:2; 22:4-11). Ny kristiana iray kosa dia tokony hihaino amim-pitandremana rehefa manome torohevitra. Araka izany, dia mety hahamarika fanginana mampiharihary zavatra izy na fiovam-peo mampiseho fa tsy nampahafantatra azy ny zavatra rehetra ilay olona iresahany. Angamba ny fanontaniana fanampiny iray dia hahatonga an’io ho afaka hilaza hevitra miafina ao an-tsainy. — Jereo Ohabolana 20:5.
16. Inona no tokony hataon’ny kristiana iray izay manome torohevitra rehefa mihaino ny anankiray amin’ireo namany misamboaravoara mafy izy?
16 Marina fa tsy mora foana akory ny manome torohevitra olona iray misamboaravoara mafy ka mihiaka hoe: “Halako ireo ray aman-dreniko!”, na, raha miteny ny amin’ny vadiny: “Tsy afaka ny hiara-miaina aminy intsony aho!” Very hevitra ny tena rehefa tsy maintsy mihaino zavatra toy izany. Aoka tsy hohadinointsika anefa fa vonona Jehovah ny hihaino an’i Asafa izay nitaraina fa toa very maina foana ny fahatokiany (Salamo 73:13, 14). Nihaino an’i Jeremia koa Andriamanitra rehefa nilaza izy fa voataona (Jeremia 20:7). Toa nitaraina Habakoka satria ny ratsy fanahy nampahory ny marina, kanefa tsy hitan’i Jehovah akory (Habakoka 1:13-17). Toy izany koa, ny kristiana iray dia tokony ho vonona ny hihaino rehefa manome torohevitra. Raha toa ireo namany ka mahatsapa ireo fihetseham-po vao avy nampahatsiahivintsika, dia tokony ho fantany izany mba hahafahany hanampy azy ireny. Tsy tokony hanosika azy ireny amin-kafetsena izy mba hilaza izay heveriny fa tokony holazainy fa tsy izay tena ananany holazaina. Tsy tokony hamaly mafy koa izy na hitsara ny namany, ka izany dia mety hanakivy azy io ka tsy hanokatra bebe kokoa ny fony izy. — Ohabolana 14:29; 17:27.
17. Nahoana moa no azo atao ny milaza fa ny fihainoana fotsiny ireo rahalahintsika indraindray dia fomba hampiononana azy ireny?
17 Indraindray, ny anjaran’ny torohevitsika tsara indrindra dia ny fihainoana ilay namantsika, ny famelana azy hamboraka ny fanaintainany, ny alahelom-pony na ny fahoriany ara-piraiketam-po. Rehefa niverina avy any amin’ny tany Moaba i Naomy, dia nandray azy tamin’izao teny izao ireo vehivavy teo amin’ny Isiraely: “Naomy va re ity?” Namaly tamin’alahelo toy izao anefa i Naomy: “Aza atao hoe Naomy intsony aho, fa ataovy hoe Mara, satria mangidy indrindra ny nataon’ny Tsitoha amiko. Nivoaka nanam-be aho, fa ampodin’i Jehovah tsy manana na inona na inona. Nahoana aho no ataonareo hoe Naomy, fa Jehovah efa nitsangan-ko fahavaloko, ary ny Tsitoha efa nampahory ahy?” (Rota 1:19-21). Tsy afaka namaly firy azy ireo vehivavy isiraelita. Kanefa, ny fampisehoana ny fitiavan’ny tena fotsiny amin’ny fihainoana tsara ny fanaintainan’ny hafa dia matetika no mety hitondra fanasitranana ho azy irenyb.
Mihevera ny zavatra tena misy
18. a) Manonòna fomba sasany nandraisana ireo torohevitr’i Jehovah sy Jesosy Kristy. b) Noho izany, toetra inona no tokony hambolen’ireo kristiana izay manome torohevitra?
18 Mazava ho azy fa tsy mitovy akory ny fomba fandraisan’ny olona rehetra torohevitra iray. Miharihary tokoa fa nandray tsara ny torohevitr’i Jehovah i Jona. Afaka tamin’ny alahelony sy ny fahatezerany tokoa izy, hany ka nitantara ny amin’izay nitranga taminy mba handraisan’ny hafa fampianarana avy amin’izany. Nila fotoana elaela ireo mpianatr’i Jesosy mba hahatakarany ny fampianarany ny amin’ny fanetren-tena. Ny alina nialoha ny hahafatesany tokoa, dia nifanditra indray izy ireo mba hahafantarana hoe iza no ho lehibe indrindra amin’izy ireo (Lioka 22:24). Ilaina àry ny haharetan’ireo izay manome torohevitra (Mpitoriteny 7:8). Amin’ny ankapobeny, raha latsa-paka lalina ao amin’ny olona iray ny toe-tsainy ratsy, dia tsy teny vitsivitsy fotsiny ataon’ny loholona iray akory no hanova azy. Ny tsy fifanarahana hatramin’ny ela eo amin’ny mpivady dia tsy hanjavona aorian’ny fihaonana indray mandeha monja amin’ny kristiana matotra iray. Mety hilaina ny volana maro mba hanasitranana aretina mafy iray; toy izany koa ny amin’ny aretina ara-panahy. Etsy andaniny koa, ny sasany aza tsy mihaino ireo torohevitra mampiseho fahendrena akory. Na dia ny tenan’i Jehovah mihitsy aza no nanoro hevitra an’i Kaina, dia namono ny rahalahiny izy. — Genesisy 4:6-8.
19. Ahoana moa no azon’ny kongregasiona anampiana ireo izay mijaly noho ny fikorontanana ara-pihetseham-po?
19 Ireo izay tojo fahasahiranana lehibe dia tsy tokony hitaky zavatra tsy azo atao amin’ny kongregasiona. Ny namana kristiana iray dia tsy afaka manafoana faharerahan-tsaina maharitra iray na fikorontanana ara-pihetseham-po angamba nateraky ny fisehoan-javatra nampangitakitaka na tarehin-javatra iray nisedra. Rehefa marary ny olona iray, ny hany zavatra ataon’ny mpitsabo matetika dia ny fitondrana fanamaivanana ho azy eo am-piandrasana ny hahasitranany. Toy izany koa, rehefa ketraka ny kristiana iray, ny kongregasiona dia afaka manandrana “mitondra fanamaivanana” ho azy amin’ny fivavahana miaraka aminy sy ho azy, amin’ny fanaovana teny fampaherezana azy rehefa azo atao izany, sy amin’ny fanomezana azy ny fanampiana azo omena rehetra eo amin’ny lafin’ny fampiharana. Amin’izay, mandrakariva, ny fotoana sy ny fanahin’i Jehovah dia afaka manasitrana azy (Ohabolana 12:25; Jakoba 5:14, 15). Araka izany, ny zazavavy iray nandrian’ny havana akaiky taloha dia nanoratra toy izao: “Na dia fisedrana ara-pihetseham-po mahatsiravina aza ny fandrian’ny havana akaiky tamin’ny tena, dia manao zavatra be dia be ny fandaminan’i Jehovah mba hanohanana anao; afa-tsy izany koa, noho ny fanampian’ny Soratra Masina sy ny anadahy mbamin’ny rahavavy, dia afaka ny tsy ho sahirana ianaoc.
20. Inona moa no anjara raisin’ny torohevitra amin’ny fiezahana ataontsika rehetra mba hanohizana hanompo an’i Jehovah?
20 Eny, ny kristiana dia manana andraikitra ny hifanampy. Ny mpikambana rehetra ao amin’ny kongregasiona — indrindra fa ireo loholona — dia tokony hiahy ny hahasambatra azy samy izy ka hanome be dia be, rehefa ilaina izany, torohevitra voamariky ny hatsaram-po sy notsoahina avy ao amin’ny Soratra Masina (Filipiana 2:4). Mazava ho azy fa ireny torohevitra ireny dia tsy tokony homena amin’ny fomba mandidindidy na henjana, ary tsy tokony hahatonga hihevitra fa mitady hitarika ny fiainan’izay omena izany ny tena. Tokony hiorina amin’ny Soratra Masina kosa izany ary “ho mamy sira”. (Kolosiana 4:6.) Mila fanampiana daholo isika indraindray, ary ny torohevitra mety, ‘hamamina’ amin’ny hatsaram-po sy ny fampaherezana, dia hanampy antsika hitoetra eo amin’ny lalana izay mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mba hahitana fanazavana misimisy kokoa ny amin’ny fomba fanoroana hevitra ireo mpivady, dia azonao atao ny mijery ilay lahatsoratra hoe “L’art de donner des conseils qui portent”, ao amin’ny Réveillez-vous! tamin’ny 22 oktobra 1983.
b Ny amin’ny fomba fanampiana ireo kristiana izay mijaly noho ny fahaketrahana, dia jereo ny lahatsoratra hoe “Omeo toky ny fanahy ketraka” ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 oktobra 1982 sy “Lela nozarina ‘hahay hampahatanjaka ny reraka’ ”, ao amin’ny nomerao tamin’ny 1 desambra 1982.
c Mba hahazoana fanazavana misimisy kokoa ny amin’ny fomba fanampiana ireo izay mijaly noho ny fikorontanana ara-pihetseham-po dia jereo ny lahatsoratra hoe “Fanantenana ho an’ireo mamoifo” sy “Vonona ny hanampy anao izy ireo”, ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 febroary 1984 ary “Fanampiana ho an’ireo niharam-pahavoazana noho ny nandrian’ny havana akaiky taminy” ao amin’ny nomerao tamin’ny 1 aprily 1984.
Tadidinao ve?
◻ Lafiny inona avy amin’ireo torohevitra nomen’i Jesosy ho an’ny kongregasiona fito no mety hanampy ireo loholona amin’izao andro izao?
◻ Manonòna ohatra vitsivitsy ao amin’ny Soratra Masina ampiasana fanoharana mba hanomezana torohevitra.
◻ Ho an’ny kristiana iray izay manome torohevitra, inona no tena vidin’ny fanontaniana?
◻ Ahoana no azon’ny mpanolo-tsaina kinga iray ampiasana ny Baiboly?
◻ Nahoana moa no ilaina ny hihainoana tsara rehefa manome torohevitra ny tena?
[Sary, pejy 17]
Nampiasa zaza iray mba hanazavana ny fanaporofoan-keviny i Jesosy ka nanome ho an’ireo mpianany torohevitra mazava, voamariky ny hatsaram-po sy nampandroso.
[Sary, pejy 18]
Feno alahelo sy fahatezerana i Jona, miharihary anefa fa nandray tsara ny torohevitr’i Jehovah izy.