‘Aoka isika hamantatra ny tenantsika’ amin’ny fotoan’ny fahatsiarovana
“Fa raha mba mamantatra ny tenantsika manokana isika, dia tsy mba hotsaraina (...) mba tsy hohelohina [isika].” — 1 KORINTIANA 11:31, 32.
1. Inona no irin’ny kristiana marina hohalavirina indrindra, ary nahoana?
ZAVATRA faran’izay tsy irin’ny kristiana ny hohelohin’i Jehovah. Mety hitarika ho amin’ny ‘fanamelohana antsika miaraka amin’izao tontolo izao’ sy ho amin’ny famoizana ny famonjena ny tsy fahazoana sitraka amin’ilay “Mpitsara ny tany rehetra”. Izany no izy na manantena ny fiainana any an-danitra miaraka amin’i Jesosy isika, na ny fiainana tsy hanam-pahataperana eo amin’ny tany tonga paradisa. — Genesisy 18:25.; 1 Korintiana 11:32.
2, 3. Amin’ny lafiny inona no mety hahatonga antsika ho meloka, ary inona no nolazain’i Paoly mikasika izany?
2 Niresaka ny amin’ny lafiny mety hahatonga antsika homelohina ny apostoly Paoly ao amin’ny 1 Korintiana toko faha-11. Na dia natokany ho an’ny kristiana voahosotra aza ny fanazavany, dia zava-dehibe ho antsika rehetra ny toroheviny, indrindra amin’izao vanim-potoana izao. Afaka manampy antsika hahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra fa tsy fanamelohana ny famantarantsika ny tenantsika manokana. Teo am-pamakafakana ny fankalazana isan-taona ny Sakafo harivan’ny Tompo, dia nanoratra toy izao i Paoly:
3 “Fa izaho efa nandray tamin’ny Tompo izay natolotro anareo kosa, fa Jesosy Tompo tamin’iny alina iny izay namadihana Azy, dia nandray mofo, ary rehefa nisaotra Izy, dia novakiny, ka hoy Izy: Ity no tenako ho anareo; izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy. Dia araka izany koa ny kapoaka, rehefa nihinana, dia hoy Izy: Ity kapoaka ity no ilay fanekena vaovao amin’ny rako; izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy, na oviana na oviana no misotro hianareo. Fa na oviana na oviana hianareo no mihinana itony mofo itony sy misotro amin’ny kapoaka, dia manambara ny fahafatesan’ny Tompo hianareo mandra-pihaviny.” — 1 Korintiana 11:23-26a.
4. Inona no hitranga amin’ny 10 aprily 1990 hariva?
4 Aorian’ny filentehan’ny masoandro ny 10 aprily, dia hankalaza ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy ny Vavolombelon’i Jehovah. Mazàna dia kongregasiona iray ilay antokon’olona tafavory; hisy toerana àry ho an’ireo olona mbola tsy Vavolombelon’i Jehovah. Hanao ahoana ny fizotran’ilay fivoriana? Hisy lahateny avy ao amin’ny Baiboly. Avy eo, aorian’ny vavaka, dia handalo ny mofo. Hisy vavaka hafa iray alohan’ny fampandalovana ny kapoaka. Toy izay hampifanaraka izany rehetra izany amin’ny fombafomba ofisialy na amin’ny fomba fanao henjana, ny isan’ny mofo na ny kapoaka sy ny fomba ampandalovana azy dia alamina mifanaraka amin’ny toe-javatra eo an-toerana. Ny zava-dehibe dia ny fanaovana izay handalovan’izany eo amin’izay rehetra manatrika, na dia tsy manao afa-tsy mampandalo izany aza ny ankamaroany aminy fa tsy mandray anjara. Zavatra inona anefa no ampandalovina, ary mampiseho inona izany? Ankoatra izany, inona no tokony hoheverintsika mialoha mba hamantarana ny tenantsika manokana?
“Ity no tenako”
5, 6. a) Inona no nataon’i Jesosy tamin’ny mofo? b) Karazana mofo inona no nampiasainy?
5 Efa novakintsika izay ‘noraisin’i Paoly tamin’ny Tompo’ ny amin’ny Fahatsiarovana. Ao koa ny fitantaran’ny mpanoratra ny Filazantsara telo lahy, ka ny iray taminy dia teo fony i Jesosy nanorina io fankalazana io (1 Korintiana 11:23; Matio 26:26-29; Marka 14:22-25; Lioka 22:19, 20). Milaza ireo fitantarana ireo fa nandray mofo aloha i Jesosy, nivavaka, ary avy eo dia namaky sy nizara izany. Inona moa io mofo io? Mifanitsy amin’izany, inona no ampiasaina amin’izao androntsika izao? Inona no hevitra fonosin’izany na izay asehony?
6 Vonona azo nampiasaina teo ny zavatra niavaka tamin’ny sakafon’ny Paska, anisan’izany ny mofo tsy misy masirasira izay nantsoin’i Mosesy hoe “mofo tsy misy masirasira, dia mofom-pahoriana.” (Deoteronomia 16:3; Eksodosy 12:8.) Natao tamin’ny kobam-barim-bazaha tsy nisy lalivay na sira na zava-manitra izany. Noho izy tsy nisy masirasira (hebreo, matstsah), dia fisaka sy mora vaky; tsy maintsy novakivakina izy mba ho azo hanina. — Marka 6:41; 8:6; Asan’ny apostoly 27:35.
7. Inona no mofo ampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny Fahatsiarovana?
7 Nampiasa mofo tsy nisy masirasira i Jesosy tamin’ny Sakafo harivan’ny Tompo, noho izany dia manao toy izany koa ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao. Azo ampiasaina amin’izany ny “matzoth”, mofo tsy misy lalivay jiosy mahazatra, raha tsy nasiana fangarony toy ny malta, tongolo na atody. (Ny mofo tsy misy lalivay nasiana fangarony toy izany dia tsy hifanitsy amin’ny filazalazana ny amin’ny “mofom-pahoriana”.) Na, azon’ireo loholon’ny kongregasiona atao koa ny mangataka olona mba hanao mofo tsy misy masirasira amin’ny koba mando vita amin’ny varimbazaha sy rano. Raha tsy misy kombam-barimbazaha, dia azo atao amin’ny koba azo avy amin’ny vary Hordea, na vary, na katsaka na voamaina hafa ilay mofo tsy misy masirasira. Fisahina manify ilay feta ary ahandroana anaty lafaoro eo ambony takela-by misy menaka kely.
8. Nahoana no marika tena mety ny mofo tsy misy masirasira, ary midika inona ny fandraisana anjara amin’izany? (Hebreo 10:5-7; 1 Petera 4:1)
8 Tena mety ny mofo toy izany satria tsy misy masirasira (na lalivay), izay ampiasain’ny Baiboly hampisehoana ny fahasimbana na ny fahotana. Nanome izao torohevitra izao mikasika lehilahy iray ratsy fitondrantena tao amin’ny kongregasiona iray i Paoly: “Tsy fantatrareo va fa ny masirasira kely dia mahazo ny vongana rehetra? Esory ny masirasira ela, mba ho vongana vaovao hianareo. Fa voavono Kristy, Paska ho antsika; ka dia aoka isika hanao andro firavoravoana, tsy amin’ny masirasira ela, na amin’ny masirasira lolompo sy faharatsiana, fa amin’ny mofo tsy misy masirasira, dia ny fahadiovam-po sy ny fahamarinana.’ (1 Korintiana 5:6-8; jereo Matio 13:33; 16:6, 12). Ny mofo tsy misy masirasira dia fampisehoana mety ny vatan’olombelona nananan’i Jesosy izay “masina, tsy misy tsiny, tsy misy loto, voasaraka amin’ny mpanota” (Hebreo 7:26.) Nanana vatan’olombelona tanteraka i Jesosy fony izy niteny tamin’ny apostoly hoe: ‘Raiso, hano [ny mofo], ity no tenako.’ (Matio 26:26). Ny fandraisana anjara amin’ny mofo dia midika fa mino ny soa entin’ny soron’i Jesosy ho azy ny olona iray ka manaiky izany. Tsy izay ihany anefa.
Ny divay sy ny heviny
9. Marika hafa inona no nambaran’i Jesosy fa tokony hampiasaina?
9 Nampiasa famantarana hafa iray i Jesosy: “Ary nandray kapoaka Izy, ka nony efa nisaotra, dia natolony azy ka nataony hoe: Sotroinareo rehetra ity; fa ity no rako, dia ny amin’ny fanekena, izay alatsaka ho an’ny maro ho famelan-keloka.” (Matio 26:27, 28). Inona no tao anatin’io kapoaka nikambanana izay natolotr’i Jesosy io, ary inona no hevitr’izany ho antsika izay miezaka hamantatra ny tenantsika manokana?
10. Tamin’ny fomba ahoana no nahatafiditra ny divay tao amin’ny Paska jiosy?
10 Rehefa nilaza ny ambangovangony mikasika ny Paska voalohany i Mosesy, dia tsy nanonona zava-pisotro. Mpivaofy ny Soratra masina maro no mino fa nampidirina tao amin’ny Paska ny divay tatỳ aoriana lavitra, angamba tamin’ny taonjato faha-2 al.fan.ir.b. Na ahoana na ahoana, dia nahazatra ny fampiasana divay tamin’io sakafo io tamin’ny taonjato voalohany, ary tsy nanohitra izany i Jesosy. Nampiasa ny divain’ny Paska izy rehefa nanorina ny Fahatsiarovana.
11. Karazana divay inona no mety amin’ny Sakafo harivan’ny Tompo?
11 Koa satria nitranga ela be taorian’ny fotoam-pijinjana voaloboka ny Paska jiosy, dia tsy maintsy nampiasa divay mena izay afaka nampiseho mora foana ny rany i Jesosy, fa tsy ranom-boankazo tsy namorivory akory (jereo Apokalypsy 14:20). Tsy nila fanampiny ny ran’i Kristy, noho izany dia mety ny divay tsotra fa tsy divay nampiana toaka mba hahery (toy ny ‘porto’, ‘xérès’ na ‘muscat’) na nampiana zava-manitra (toy ny ‘vermouth’, ‘Dubonnet’ na ‘apéritif’ maro). Tsy ilaintsika anefa ny manahy ny amin’ny fomba nanaovana ny divay, na nasiana siramamy izany nandritra ny famorivoriana mba hanomezana tsiro na ampahan’alikaola antonontonony na nasiana solifara kely mba hisakanana ny fahasimbanac. Kongregasiona maro no mampiasa divay amidy eny amin’ny mpivarotra (toy ny ‘chianti’, ‘Bourgogne’, ‘Beaujolais’ na ‘Bordeaux’) na divay mena natao tao an-trano tsotra izao. Marika famantarana na fampahatsiarovana ihany ny divay sy ny mofo; noho izany dia azo entina mody sy ampiasaina toy ny sakafo na fisotro tsotra hafa rehetra izay tsy lany atỳ aoriana.
12. Araka ny fanazavan’i Jesosy, mampiseho inona moa ny divay?
12 Mety ho nampahatsiahy ny ran-janak’ondry tany Egypta ny niresahan’i Jesosy ny amin’ny rany tamin’ny alin’ny Paska. Mariho anefa ny fomba nanaovan’i Jesosy fampitahana hafa tamin’ny filazana hoe: “Ity kapoaka ity no fanekena vaovao amin’ny rako, izay aidina ho anareo.” (Lioka 22:20). Taloha Andriamanitra dia nanao fanekena tamin’ny firenen’Isiraely ara-nofo, ary notokanana tamin’ny ram-biby natao sorona izany. Nisy fitoviana teo amin’ny ran’ireny sorona ireny sy ny ran’i Jesosy. Samy tafiditra tamin’ny fitokanan’Andriamanitra fanekena tamin’ny firenena voaforon’ny vahoakany izy roa ireo (Eksodosy 24:3-8; Hebreo 9:17-20). Zavatra mampiavaka ny Lalàna ny fananan’ny Isiraely ara-nofo fanantenana ny ho tonga firenena voaforon’ny fanjakà-mpisorona (Eksodosy 19:5, 6). Taorian’ny tsy nitandreman’ny Isiraely ny faneken’i Jehovah, dia nilaza izy fa hosoloany “fanekena vaovao” ilay “fanekena voalohany”. (Hebreo 9:1, 15; Jeremia 31:31-34.) Ny kapoaka nisy divay izay nampandalovin’i Jesosy teo amin’ireo apostoly tsy nivadika izao, dia nampiseho io fanekena vaovao io.
13, 14. a) Midika ho inona ny fahatafidirana ao amin’ny fanekena vaovao? b) Inona no asehon’ny olona izay mandray anjara amin’ireo marika?
13 Nanjary anisan’ny firenena ara-panahy voaforon’ny mpanjaka sady mpisorona ireo kristiana voaray ao amin’io fanekena vaovao io (Galatiana 6:16). Nanoratra toy izao ny apostoly Petera: “Fa hianareo kosa dia taranaka voafidy, “fanjakà-mpisorona, firenena masina”, olona nalain’Andriamanitra ho an’ny tenany, mba hilazanareo ny hatsaran’Ilay niantso anareo hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga.” (1 Petera 2:9). Mazava ny famonjena ho azony — fiainana any an-danitra amin’ny maha-mpiara-manjaka amin’i Jesosy. Hamarinin’ny Apokalypsy 20:6 toy izao izany: “Sambatra sy masina izay manana anjara amin’ny fitsanganana voalohany; (...) fa ho mpisoron’Andriamanitra sy Kristy ireo ka hiara-manjaka aminy arivo taona.”
14 Raha ny marina, taorian’ny nitarihan’i Jesosy ny apostoly handray anjara amin’ny marika voaforon’ny mofo sy divay, dia nilaza taminy izy fa ‘hihinana sy hisotro eo amin’ny latabany amin’ny fanjakany izy ireo sady hipetraka ambony seza fiandrianana hitsara ny firenen’Isiraely roa ambin’ny folo’. (Lioka 22:28-30.) Noho izany, ny fandraisana anjara amin’ireo marika dia midika be lavitra noho ny finoana fotsiny ny soron’i Jesosy. Tsy maintsy manaiky ny avotra sy maneho finoana ny kristiana tsirairay raha ta-hahazo fiainana mandrakizay izy na aiza na aiza (Matio 20:28; Jaona 6:51). Ny fandraisana anjara amin’ireo marika anefa dia midika fa voaray ao anatin’ny fanekena vaovao ny tena ary voafidy hiaraka amin’i Jesosy ao amin’ny Fanjakany.
Ilaina ny fahaiza-manavaka amin’ny fotoan’ny Fahatsiarovana
15. Ahoana no nampidiran’i Jesosy fanantenana vaovao ho an’ireo mpanompon’Andriamanitra?
15 Araka ny fanazavan’ny lahatsoratra teo aloha, dia tsy nanana fanantenana ny ho any an-danitra ny mpanompon’Andriamanitra nahatoky talohan’ny andron’i Jesosy. Nanantena ny hahazo fiainana mandrakizay eto an-tany izay fonenan’ny olombelona tany am-boalohany izy ireo. Jesosy Kristy no voalohany natsangana ho fanahy, ary tonga ny olombelona voalohany nakarina tany an-danitra izy (Efesiana 1:20-22; 1 Petera 3:18, 22). Nanamarina izany i Paoly tamin’ny fanoratana hoe: “Satria manana fahatokiana hiditra ao amin’ny fitoerana masina isika noho ny ran’i Jesosy, amin’izay làlana natokany ho antsika, dia làlana vaovao sady velona.” (Hebreo 10:19, 20). Iza no hanaraka rehefa avy nosokafan’i Jesosy io lalana io?
16. Inona no hoentin’ny hoavy ho an’ireo mandray anjara amin’ny mofo sy ny divay?
16 Ny alina nanorenan’i Jesosy ny Sakafo harivan’ny Tompo, dia nilaza tamin’ireo apostoliny nahatoky i Jesosy fa teo am-panomanana fitoerana ho azy any an-danitra izy (Jaona 14:2, 3). Tadidio anefa fa nilaza koa i Jesosy hoe izay mandray anjara amin’ny mofo sy ny kapoaka dia ho ao amin’ny Fanjakany ka hipetraka ambony seza fiandrianana mba hitsara. Moa ve ho ireo apostoly fotsiny izany? Tsia, satria fantatry ny apostoly Jaona tatỳ aoriana fa hisy kristiana hafa koa handresy ary ‘hiara-hipetraka amin’i Jesosy eo ambonin’ny seza fiandrianany’, ka ho tonga ‘fanjakana sy mpisorona sy hanjaka ambonin’ny tany’ izy rehetra. (Apokalypsy 3:21; 5:10.) Fantatr’i Jaona koa ny fitambaran’isan’ny kristiana izay “navotana niala tamin’ny tany” — 144 000 (Apokalypsy 14:1-3). Koa satria antokon’olona vitsy ihany izany, “ondry vitsy” raha oharina amin’izay rehetra nanompo an’Andriamanitra nandritra ireo taonjato, dia ilaina ny fahaiza-manavaka manokana amin’ny fotoan’ny Fahatsiarovana. — Lioka 12:32.
17, 18. a) Latsaka tao amin’ny fahazarana inona moa ny kristiana sasany tany Korinto? b) Nahoana no ratsy aoka izany ny fanaranam-po tafahoatra amin’ny fihinanana sy ny fisotroana (Hebreo 10:28-31)?
17 Niresaka ny amin’io raharaha io i Paoly ao amin’ny taratasiny ho an’ny Korintiana tamin’ny fotoana mbola nahavelona ny apostoly sasany rehefa niantso ny kristiana ho ‘olona masina’. Nolazain’i Paoly fa nisy fahazaran-dratsy nitombo tany, teo amin’ireo izay tsy maintsy nandray anjara tamin’ny marika. Nisakafo mialoha ny sasany ary nihinana na nisotro tafahoatra ka nahatonga azy hatoritory sy ho donto izany. Vokatr’izany dia tsy afaka ‘namantatra ny tena’ izy ireo, ny tenan’i Jesosy ara-nofo nasehon’ilay mofo. Tena ratsy ve izany? Eny! Tamin’ny fandraisana anjara amin’ny fomba tsy mendrika, dia nanjary “meloka ny amin’ny tena sy ny ran’ny Tompo” izy ireo. Raha nifoha ara-tsaina sy ara-panahy izy ireo, dia ho afaka ‘namantatra ny tenany ka tsy mba notsaraina’ — 1 Korintiana 1:2; 11:20-22, 27-31.
18 Inona no nilain’ireo kristiana hofantarina ary amin’ny fomba ahoana? Voalohany indrindra, dia tokony hankasitraka amin’ny fo sy ny saina ny fiantsoana azy ho anisan’ireo 144 000 mpandova ny fiainana any an-danitra izy ireo. Ahoana no namantarany izany, ary amin’izao androntsika izao, tokony hino ve ny maro fa anisan’io antokon’olom-bitsy izay nofidin’Andriamanitra hatramin’ny andron’ny apostoly io izy?
19. Toe-javatra inona no hita nandritra ny Fahatsiarovana 1989?
19 Raha ny marina, dia vitsy dia vitsy amin’ny kristiana marina ankehitriny no mamantatra izany raha ny amin’ny tenany. Olona maherin’ny 9 479 000 no nivory tao amin’ireo kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany tamin’ny fankalazana ny Sakafo harivan’ny Tompo tamin’ny 1989. Teo amin’ny 8700 no nilaza ho nanana ny fanantenana ny ‘hovonjena ho any amin’ny fanjakana any an-danitra’ (2 Timoty 4:18.) Ny ankamaroany — eny, an-tapitrisany maro amin’ireo kristiana tsy mivadika sy voatahy hafa izay nivory — dia namantatra fa ny tena fanantenany dia ny hiaina mandrakizay eto an-tany.
20. Ahoana no ampahafantarana ireo anisan’ny 144 000 fa voantso izy ireo (1 Jaona 2:27)?
20 Nanomboka nifidy ireo 144000 ho amin’ny fiainana any an-danitra Andriamanitra tamin’ny Pentekosta taona 33. Koa satria vaovao io fanantenana io, tsy nananan’ireo mpanompon’Andriamanitra talohan’i Kristy, dia ahoana no hahafantaran’ireo voafidy na hahazoany antoka ny amin’io fanantenana io? Mamantatra izany izy amin’ny alalan’ny teny fanamarinana omen’ny fanahy masin’Andriamanitra. Tsy milaza akory izany fa tena mahita ny fanahy masina izy ireo (tsy persona akory izany) na mahazo fahitana ara-tsaina ny fanahy masina eo am-piresahana aminy, na koa hoe mandre feo avy any amin’ny faritra ara-panahy izy. Manazava toy izao i Paoly: “Ny Fanahy dia miara-milaza amin’ny fanahintsika fa zanak’Andriamanitra isika (...); eny sady mpandova an’Andriamanitra no mpiray lova amin’i Kristy koa, raha miara-miaritra aminy isika mba hiara-manam-boninahitra aminy koa.” — Romana 8:16, 17.
21. a) Ahoana no hahafantaran’ny voahosotra fa manana fanantenana ho any an-danitra izy (1 Korintiana 10:15-17)? b) Karazan’olona manao ahoana moa ireo voahosotra, ary amin’ny fomba ahoana no anambarany amim-panetren-tena ny fanantenany?
21 Io teny fanamarinana, na fampahafantarana tsara io, dia manome fitarihan-dalana vaovao ny fisainany sy ny fanantenany. Mbola olombelona ihany izy ireo, mifaly amin’ireo zavatra tsara eo amin’ny zavaboarin’Andriamanitra eto an-tany na dia mifantoka amin’ny fiarahany mandova amin’i Kristy aza ny fiainany sy ny fiahiany. Tsy tonga tamin’izany fomba fijery izany noho ny fihetseham-po akory izy ireo. Olona ara-dalàna izao izy ireo, mahay mandanjalanja raha ny amin’ny fomba fijery sy ny fitondrantena. Noho izy nohamasinina tamin’ny fanahin’Andriamanitra anefa, dia miaiky mafy ny amin’ny fiantsoana azy izy fa tsy misalasala foana ny amin’izany. Fantany fa ho any an-danitra ny famonjena azy raha miseho ho tsy mivadika izy (2 Tesaloniana 2:13; 2 Timoty 2:10-12). Noho ny fahatakarany ny hevitry ny soron’i Jesosy ho azy sy noho ny famantarany ny tenany ho kristiana voahosotry ny fanahy, dia mandray anjara amim-panetren-tena amin’ireo marika amin’ny Fahatsiarovana izy ireo.
22. Inona no ho hain’ny ankamaroan’ireo manatrika ny Sakafo harivan’ny Tompo fantarina?
22 Tsy manana izany fanantenana izany ny ankamaroan’ireo izay hivory amim-pankatoavana amin’ny 10 aprily, satria tsy nanosotra azy tamin’ny fanahy mba hiantso azy ho amin’ny fiainana any an-danitra Andriamanitra. Araka ny voalazantsika, dia nanomboka nifidy ny 144 000 Andriamanitra tamin’ny andron’ireo apostoly. Rehefa vita anefa izany fiantsoana izany, dia azo atao ny manampo fa ny olon-kafa izay tonga manompo azy dia hanana fanantenana mitovy amin’izay nananan-dry Mosesy, Davida, Jaona mpanao batisa ary olona nahatoky hafa izay maty talohan’ny nanokafan’i Jesosy ny lalana ho amin’ny fiainana any an-danitra. Tsy mandray anjara amin’ny mariky ny Fahatsiarovana àry ny kristiana tsy mivadika sy be zotom-po an-tapitrisany maro. Mahafantatra ny toerany eo anatrehan’Andriamanitra ny kristiana toy izany amin’ny heviny hoe takany ny tena fanantenany. Mandray soa avy amin’ny ra sy ny tenan’i Jesosy izy ireo amin’ny fahazoana famelana ny helony, ary avy eo dia ny fiainana tsy hanam-pahataperana eto an-tany. — 1 Petera 1:19; 2:24; Apokalypsy 7:9, 15.
23. Nahoana no ho fankalazana mahafaly ny Fahatsiarovana (jereo 2 Tantara 30:21)?
23 Aoka àry isika hisaintsaina amim-pahafinaretana ny fankalazana mahafaly amin’ny 10 aprily. Ho fotoana fanehoana fahaiza-manavaka izany nefa koa ho fotoam-pifaliana. Fifaliana ho an’ireo vitsy an’isa manana fanantenana ho any an-danitra ka handray anjara ara-drariny sy amim-pankatoavana amin’ny mofo sy ny kapoaka (Apokalypsy 19:7). Fifaliana koa ho an’ireo kristiana sambatra an-tapitrisany maro izay hankalaza sy hianatra amin’io hariva io ka manantena ny hahatsiaro mandrakizay eto an-tany io fankalazana misy heviny lehibe io. — Jaona 3:29.
[Fanamarihana ambany pejy]
a “Tamin’ny alina izay namadihana Azy, dia naka mofo i Jesosy Tompo; rehefa nisaotra dia namaky izany ary niteny hoe: ‘Ity ny tenako ho anareo; ataovy izao ho fahatsiarovana Ahy.’ Toy izany koa no nandraisany ny kapoaka rehefa vita ny sakafo, ary hoy izy: ‘Ity kapoaka ity no fanekena vaovao, nasiana tombo-kase tamin’ny rako; isaky ny misotro izany ianareo, dia ataovy ho fahatsiarovana ahy izany.’ ” — Famoaboasana miitatra ny Epistilin’i Paoly (angl.), nataon’i F. F. Bruce.
b Nilaza ny heviny toy izao ny mpivaofy ny Soratra masina iray mikasika ny antony nanampiana divay: Tsy tokony ho fivoriana manetriketrika isan-taona eo amin’ny samy lehilahy lehibe intsony [ny Paska], fa nanjary fotoam-pifaliana ho an’ny fianakaviana ka nahazo toerana ho azy tamin’izany ny fisotroana divay. — Ny Paska hebreo — Tany am-piandohany ka hatramin’ny taona 70 (angl.), nataon’i J. B. Segal.
c Hatramin’ny fahagola no nampiasana sira, tapotsin’atody sy zavatra hafa mba hanadiovana na hanasiana loko na tsiro ny divay. Nampiasa solifara mihitsy aza ny Romana ho famonoana bibikely amin’ny fanamboarana divay.
Ahoana no havalinao?
◻ Nahoana no ampandalovina ny mofo tsy misy masirasira mandritra ny Fahatsiarovana, ary famantarana ny amin’inona izany?
◻ Inona ilay kapoaka ampandalovina mandritra ny Sakafo harivan’ny Tompo, ary mampiseho inona izany?
◻ Nahoana no ilaina ny fahaiza-manavaka mifandray amin’ny fankalazana ny Fahatsiarovana?
◻ Nahoana ianao no mifaly sahady amin’ny fisaintsainana ny Fahatsiarovana ho avy izao?