Manaiky ny Torohevitrao ve ny Hafa?
MISY vokany tsara foana ny torohevitra tsara rehefa mety ny fomba anomezana azy. Marina ve izany? Diso! Na dia ny torohevitra faran’izay tsara omen’ny mpanoro hevitra mahay aza matetika, dia tsy raharahaina na lavina. — Ohabolana 29:19.
Nitranga izany fony i Jehovah nanoro hevitra an’i Kaina, izay nampitombo fankahalana an’i Abela, rahalahiny. (Genesisy 4:3-5). Nahafantatra ny loza nentin’izany ho an’i Kaina Andriamanitra, ka niteny taminy hoe: “Nahoana no tezitra hianao? Ary nahoana no manjombona ny tarehinao? Raha tsara toetra hianao, moa tsy ho miramirana va? Fa raha tsy tsara toetra kosa hianao, dia mamitsaka eo am-baravarana ny ota; ary hianao no kendren’ny faniriany, kanefa hianao no tokony hanapaka azy.” — Genesisy 4:6, 7.
Araka izany, ny ota dia nampitovin’i Jehovah tamin’ny biby mpiremby izay niandry kendry tohina mba hiantsapazana tamin’i Kaina, raha toa izy ka nikiry nanao an-dolompo tamin’ny rahalahiny. (Ampitahao amin’ny Jakoba 1:14, 15.) Mbola nanam-potoana hanovana fihetsika i Kaina, mba ho “tsara toetra” fa tsy hanaraka lalam-pitondran-tena mampidi-doza. Nampalahelo fa tsy nihaino i Kaina. Nolaviny ny torohevitr’i Jehovah, ary faran’izay ratsy ny vokany.
Sosotra amin’izay karazan-torohevitra rehetra omena ny sasany, ka mandà tsy handray izany. (Ohabolana 1:22-30). Nety ho fahadisoan’ilay mpanome torohevitra ve raha nolavina ny toroheviny? (Joba 38:2). Ianao izay manome torohevitra ve no manasarotra ny fandraisan’ny hafa azy? Loza mananontanona tokoa izany noho ny tsy fahalavorarian’olombelona. Azonao ahena ho faran’izay kely anefa ny mety hitrangan’izany, amin’ny fanarahana amim-pitandremana ireo foto-pitsipika ara-baiboly. Andeha isika handinika maromaro amin’izany.
Aoka ianao ‘hanarina amin’ny toe-tsaina feno fahalemem-panahy’
“Ry rahalahy, na dia manao fahadisoana alohan’ny hahatsapany azy aza ny olona iray, ianareo izay manana ireo toetra ara-panahy ilaina, miezaha manarina izany olona izany amin’ny toe-tsaina feno fahalemem-panahy, sady hevero ny tenanao manokana, fandrao mba halaim-panahy koa ianao.” (Galatiana 6:1, NW ). Nohazavain’ny apostoly Paoly, araka izany, fa ireo izay “manana ireo toetra ara-panahy ilaina” dia tokony hiezaka hanarina ny Kristianina iray “manao fahadisoana alohan’ny hahatsapany azy”. Indraindray dia toa ireo zara fa manana ireo toetra ilaina hanaovana izany no mirona indrindra hanome torohevitra. Aza maika loatra ny hanoro hevitra ny hafa àry. (Ohabolana 10:19; Jakoba 1:19; 3:1). Ireo loholon’ny kôngregasiôna, voalohany indrindra, no manana ireo toetra ara-panahy ilaina hanaovana izany. Mazava ho azy fa tokony handefa fampitandremana ny Kristianina matotra, na iza izy na iza, raha mahita rahalahy mizotra mankamin’ny loza.
Raha manome torohevitra ianao, dia ataovy azo antoka fa miorina amin’ny fahendrena araka an’Andriamanitra izay lazainao fa tsy amin’ny teôria sy filôzôfian’olombelona. (Kolosiana 2:8). Ny mpahandro mitandrina tsara dia manao izay hahazoana antoka fa mahasalama avokoa ireo karazan-tsakafo rehetra ampiasainy, no sady tsy misy zavatra mety hanapoizina. Aoka ianao ho tahaka an’io mpahandro io, ka ataovy azo antoka fa miorina mafy amin’ny Tenin’Andriamanitra ny torohevitrao, fa tsy amin’ny hevitrao manokana fotsiny. (2 Timoty 3:16, 17). Amin’ny fanaovana izany, dia afaka mahazo antoka ianao fa tsy hanimba na iza na iza ny torohevitrao.
Ny ‘hanarina’ an’ilay naniasia no zava-kendren’ny torohevitra fa tsy ny hanery azy hanao fiovana tsy araka ny sitrapony. Ilay teny grika nadika hoe “manarina”, dia mifandray amin’ny voambolana iray mahakasika ny famerenana taolana iray nipitsoka, mba hisorohana fahavoazana fanampiny. Araka ny voalazan’ilay mpanao rakibolana, antsoina hoe W. E. Vine, dia toa manondro koa “ny ilana faharetana sy fikirizana amin’ilay zavatra atao” io teny io. Alao sary an-tsaina ny fikenakenana sy ny fahaizana ilaina mba hisorohana ny fampitondrana fanaintainana ara-batana tsy amin’antony. Mitovy amin’izany koa fa mila mitandrina fatratra ny mpanoro hevitra mba tsy hampisy ratram-po ao amin’ilay omena torohevitra. Sarotra ihany izany rehefa angatahan’olona torohevitra ny tena. Koa rehefa tsy nangatahina àry ny torohevitra omenao, dia vao mainka izany ilana fahaizana sy fandanjalanjana misimisy kokoa.
Azo antoka fa tsy ‘hanarina’ na iza na iza ianao raha mihataka aminy. Mba tsy hanaovana izany, dia tadidio fa ilaina ny maneho “famindrampo sy fiantrana, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana”. (Kolosiana 3:12). Raha tsy manam-paharetana sy masiaka tsy amin’antony ny dokotera iray, dia mety tsy hiraharaha ny toroheviny ilay marary ary tsy hiverina intsony mihitsy hanao ny fitsaboana ilaina.
Tsy milaza akory izany fa tsy tokony ho hentitra ny torohevitra omena. Hentitra i Jesosy Kristy fony nanome torohevitra an’ireo kôngregasiôna fito tany amin’ny distrikan’i Azia. (Apokalypsy 1:4; 3:1-22). Nanome azy ireo torohevitra tena nivantana, izay nilainy nohenoina sy nampiharina, izy. Hentitra i Jesosy, kanefa izany dia nampifandanjainy mandrakariva tamin’ny toetra tsara toy ny fangoraham-po sy ny hatsaram-panahy, izay nanome taratry ny toe-tsaina feno fitiavan’ny Rainy any an-danitra. — Salamo 23:1-6; Jaona 10:7-15.
Manomeza torohevitra amin’ny fomba mahafinaritra
“Aoka ny fiteninareo ho [mahafinaritra, NW ] mandrakariva, ho mamy sira, mba ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona rehetra.” (Kolosiana 4:6). Manatsara ny tsiron’ny sakafo ny sira, ka mahatonga azy hampilendalenda. Raha tianao hatsiro ny torohevitrao, dia tsy maintsy atao ‘mahafinaritra, mamy sira’ ny fanolorana azy. Na dia misy ireo karazan-javatra tsara indrindra aza anefa ny sakafo, dia mety ho ratsy voatra na tsy hahate hihinana ny endriny eo ambony lovia. Tsy mampahazoto homana an’iza na iza izany. Raha ny marina, dia mety ho raharaha be ny hitelina sakafo tsy misy tsirony, na dia indraim-bava monja aza.
Rehefa manome torohevitra, dia zava-dehibe ny hifidianana izay teny sahaza. Nilaza toy izao ilay lehilahy hendry atao hoe Solomona: “Ny teny atao amin’ny antony dia poma volamena ao anaty vilia volafotsy tsara soratra.” (Ohabolana 25:11). Azo inoana fa fitoeran-tsakafo iray tsara tarehy vita tamin’ny volafotsy voasokitra, izay nisy paoma volamena voasokitra tamin’ny fomba kanto, no tao an-tsain’i Solomona. Ho nahafinaritra ny maso tokoa izany, ary ho nankasitrahanao tokoa raha azonao ho fanomezana! Mitovy amin’izany koa fa ny teny voafidy tsara sy mahafinaritra dia mety hanintona aoka izany ny olona iray ezahinao ampiana. — Mpitoriteny 12:9, 10.
Mifanohitra amin’izany, fa “ny teny maharary mahatonga fahasosorana”. (Ohabolana 15:1). Ny teny tsy voafidy tsara dia afaka miteraka fanaintainana sy fahatezerana mora foana, fa tsy fankasitrahana. Raha ny marina, dia samy mety hahatonga ny olona iray handa torohevitra ny teny tsy voafidy tsara sy ny toe-peo tsy araka ny tokony ho izy, na dia tsara aza ny votoatin’ilay torohevitra. Afaka manimba toy ny famelezana olona amin’ny fitaovam-piadiana ny fanomezana torohevitra tsy misy fahaiza-mandanjalanja sy tsy misy fiheverana ny fihetseham-pon’ilay toroana hevitra. “Misy mandefalefa teny tsy tsaroana ka tonga toy ny fanindron’ny sabatra”, hoy ny Ohabolana 12:18. Nahoana no handefalefa teny tsy tsaroana ka hanasarotra ny fihainoan’ny olona iray torohevitra? — Ohabolana 12:15.
Araka ny voalazan’i Solomona, dia tokony ‘hatao amin’ny antony’, na hoe amin’ny fotoana mahamety azy, ny torohevitra. Zava-dehibe tokoa ny fifidianana ny fotoana raha tiana hahomby ny torohevitra! Mazava ho azy fa mety tsy hankasitraka sakafo ny olona iray tsy mazoto homana. Angamba vao avy nisakafo be izy na mety harary koa. Sady tsy fahendrena no tsy azo ekena ny hanerena olona iray efa tsy te hihinan-kanina.
Manomeza torohevitra amim-panetren-tena
“Tanteraho ny fifaliako, (...) tsy manao na inona na inona amin’ny fifampiandaniana, na mandrani-tena foana; fa amin’ny fanetren-tena dia aoka samy hanao ny namany ho mihoatra noho ny tenany. [Manehoa fiheverana, tsy ny raharahan’ny tenanao manokana ihany, fa manehoa fiheverana ny an’ny hafa koa, NW ].” (Filipiana 2:2-4). Raha mpanome torohevitra tsara ianao, dia hatosiky ny ‘fiheverana manokana’ ny amin’izay hahasoa ny hafa. ‘Hanetry tena’ koa ianao rehefa mifampiraharaha amin’ireo rahalahy sy anabavy ara-panahy, ka hihevitra ny hafa ho ambony noho ianao. Inona no dikan’izany?
Ny fanetren-tena dia hisakana anao tsy hanana fihetsika na toe-peo manambony tena. Tsy misy amintsika manana antony tokony hiheveran-tena ho ambony noho ny mpiray finoana amintsika. Samy manao ny tsy mety isika rehetra indraindray. Koa satria tsy afaka mamaky ny ao am-po ianao, dia zava-dehibe indrindra ny tsy hitsarana izay antony manosika ny olona iray omenao torohevitra. Mety ho tsy meloka ho manana antony ratsy manosika izy, ary tsy mahatsapa akory hoe nanao zavatra na fihetsika tsy mety. Na dia mahafantatra ihany aza izy fa nandika ny zavatra takin’Andriamanitra, dia tsy isalasalana fa ho mora kokoa aminy ny handray torohevitra raha omena amim-panetren-tena ilay izy, ka fahalianana amim-pahatsorana ny amin’izay hahasoa azy ara-panahy no antony anomezana azy izany.
Alao sary an-tsaina izay ho tsapanao raha nasaina hisakafo ianao nefa nangatsiaka taminao sy nanao tsinontsinona anao ilay nanasa anao. Azo antoka fa tsy hankafy an’ilay sakafo ianao. Eny tokoa, “aleo sakafo anana ampian-tsetsetra toy izay omby mifahy asian-dromoromo”. (Ohabolana 15:17). Toy izany koa, fa na dia ny torohevitra tsara indrindra aza dia mety hanahirana ny handray azy, raha toa ilay mpanoro hevitra ka tsy tia an’ilay omeny torohevitra, na manambany sy manao izay hahasakodiavatra azy. Ny fitiavana sy ny fifanajana ary ny fifampitokisana kosa anefa, dia manamora ny fanomezana sy ny fandraisana torohevitra. — Kolosiana 3:14.
Torohevitra nekena
Nampiseho fanetren-tena i Natana mpaminany rehefa nanome torohevitra an’i Davida Mpanjaka. Niharihary tamin’izay nolazain’i Natana sy izay nataony ny fitiavana sy ny fanajana an’i Davida. Fanoharana iray no nanombohan’i Natana ny resaka. Nanisy fiheverana ny zava-tsarotra nety ho hitan’i Davida teo am-pihainoana torohevitra ilay fanoharana. (2 Samoela 12:1-4). Nitaona an’i Davida haneho ny fitiavany ny rariny sy ny fahamarinana ilay mpaminany, na dia tsy niharihary aza izany toetra tsara izany tamin’ny zavatra nataony nahakasika an’i Batseba. (2 Samoela 11:2-27). Rehefa nivohitra ny votoatin-kevitra tao amin’ilay fanoharana, dia toy izao ny fihetsik’i Davida tamim-pahatsorana: “Efa nanota tamin’i Jehovah aho.” (2 Samoela 12:7-13). Tsy sahala amin’i Kaina, izay tsy nihaino an’i Jehovah i Davida, fa nanaiky fanitsiana tamim-panetren-tena kosa.
Tsy isalasalana fa nitari-dalana an’i Natana i Jehovah, ka nanisy fiheverana ny hoe tsy lavorary i Davida ary nety tsy handray torohevitra. Nanao zavatra tamim-pahaiza-mandanjalanja lehibe i Natana, ary niharihary fa nihevitra an’i Davida ho ambony, satria mpanjaka voatendrin’i Jehovah izy. Raha eo amin’ny toerana iray izay mahatonga anao hanana fahefana sasantsasany ianao, dia mety hanome torohevitra tsara, nefa hanahirana ny handray izany raha tsy mampiseho fanetren-tena ianao.
Nanarina an’i Davida tamin’ny toe-tsaina feno fahalemem-panahy i Natana. Nahafinaritra ny teny nataon’ilay mpaminany no sady voaomana tamim-pitandremana, hany ka afaka nandray izany tamin’ny fomba izay nitondra soa be indrindra ho azy i Davida. Tsy natosiky ny fiheverana ny tenany manokana i Natana, na nanandrana nihambo ho ambony noho i Davida teo amin’ny fitondran-tena sy ny ara-panahy. Izany ka ohatra tsara dia tsara ny amin’ny fanaovana teny sahaza sy araka ny tokony ho izy! Raha maneho toe-tsaina mitovy amin’izany ianao, dia azo inoana kokoa fa hanaiky ny torohevitrao ny hafa.
[Sary, pejy 22]
Toy ny sakafo mahavelona, dia tokony hahasoa koa ny torohevitra omenao
[Sary, pejy 23]
Ataonao manintona toy ny paoma volamena ao anaty lovia volafotsy ve ny torohevitrao?
[Sary, pejy 24]
Nitaona an’i Davida tamim-panetren-tena haneho ny fitiavany ny rariny sy ny fahamarinana i Natana mpaminany