Aoka isika hanao izay rehetra azontsika atao mba hitoriana ny vaovao tsara
“Mazotoa manolotra ny tenanao amin’Andriamanitra ho olona voazaha toetra, dia mpiasa tsy mahazo henatra.” — II TIMOTY 2:15.
1, 2. Fitomboana inona moa no voamarikao teo amin’ny laharan’ny minisitra manontolo andro? Inona moa no nahatonga izany?
“TAONA vitsy lasa monja izay, dia maro tamintsika no nihevitra fa ireo izay ao anatin’ny toe-javatra manokana irery ihany no afaka ho tonga mpitory maharitra”, hoy ny mpitory maharitra — na minisitra manontolo andro — japone iray. “Toa diso hevitra anefa isika. Rentsika izao fa ireo izay ao anatin’ny tarehin-javatra manokana no hany tsy afaka ho tonga mpitory maharitra.”
2 Izany fomba fijery zavatra amim-pahatokiana izany dia niteraka ny anisan’ny fitomboana mahatalanjona indrindra teo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izao taona faramparany izao, teo amin’ny laharan’ny mpitory maharitra. Any Japon amin’izao andro izao, dia mpitory roa an’ilay Fanjakana amin’ny dimy no mandray anjara amin’ny endrika iray na hafa amin’ny fanompoana manontolo andro. Kanefa tsy any Japon ihany no ahitana izany zotom-po izany. Nandritra ny taom-piasana lasa, ny isan’ny mpitory maneran-tany dia nitombo fito isan-jato ary ny an’ny mpanompo manontolo andro dia roa amby roapolo isan-jato. Mampiseho izany fa ny vahoakan’i Jehovah dia nandray am-po ireto tenin’ny apostoly Paoly ireto: “Mazotoa manolotra ny tenanao amin’Andriamanitra ho olona voazaha toetra, dia mpiasa tsy mahazo henatra.” (II Timoty 2:15). Toy izany ve ny aminao?
“Fa izao no fitiavana an’Andriamanitra”
3. Hery inona moa no nihavian’izany fitomboana izany?
3 Rehefa anontaniana ny amin’ny antony nidirany tamin’ny fanompoana manontolo andro ny mpitory maharitra dia mamaly tsy miova izy fa izany dia noho ny fitiavany an’i Jehovah Andriamanitra (Matio 22:37, 38). Marina tokoa fa izany no valinteny mety, satria ny fiezahana rehetra tsy atosiky ny fitiavana dia foana (I Korintiana 13:1-3). Maro amin’ireo kristiana namantsika no mendri-piderana, satria ao amin’ny kongregasiona tsirairay maneran-tany dia maherin’ny mpitory fito amin’ny ara-keviny no nanome fitoerana teo amin’ny fiainany mba hanaporofoana ny fitiavany an’Andriamanitra, tamin’ny fanompoana azy manontolo andro.
4. Ahoana no ahatongavana amin’ny fitiavana an’Andriamanitra (Romana 5:8)?
4 Mazava ho azy fa isika rehetra izay nanolotra ny fiainantsika ho an’i Jehovah dia nanao izany satria tiantsika izy. Rehefa nahafantatra ny fitiavana ananan’i Jehovah — sy ny an’ny Zanany, Jesosy Kristy — amintsika isika, sy ireo fitahiana mahatalanjona entin’ny Fanjakany, dia voatosika ny fontsika ho tia azy ho valiny. Araka ny filazan’ny apostoly Jaona, “isika tia, satria Izy efa tia antsika taloha”. (I Jaona 4:19.) Mirona ho azy toy izany isika satria noforonina ho tahaka izany. Kanefa moa ve io fihetseham-po manafana ny fontsika io ihany no tafiditra amin’ny fitiavana an’Andriamanitra?
5. Inona moa no tafiditra amin’ny fitiavana an’Andriamanitra (I Jaona 2:5)?
5 Tsia, mihoatra noho izany ny fitiavana an’Andriamanitra. Milaza amintsika ny apostoly Jaona hoe: “Fa izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny, sady tsy mavesatra ny didiny.” (I Jaona 5:3). Ny tena fitiavana tokoa, tahaka ny finoana marina, dia miseho amin’ny asa (jereo II Korintiana 8:24). Mitaky ny hanaovantsika izay hahafinaritra amin’ilay olo-tiana izany sy izay hahazoantsika ny fankasitrahany. Fomba tsara dia tsara ho an’ny minisitra manontolo andro tokoa re izany nofidiny izany mba hanaporofoany ny fitiavany an’i Jehovah sy Jesosy Kristy!
6. a) Karazana kristiana manao ahoana moa no afaka tonga mpitory maharitra? Inona no nahafahany nanao izany? b) Manonòna ohatra fantatrao.
6 Marina fa tokony hoheverina ny toeran’ny tsirairay avy. Kanefa rehefa eritreretina, dia hita fa misy ny karazan’olona rehetra ao amin’ireo izay anisan’ny minisitra manontolo andro: tanora sy tsy dia tanora intsony, mpitovo sy olona manambady; ny sasany tsy dia manana fahasalamana tsara loatra, manana na tsy manana andraikitra ara-pianakaviana, sy ny sisa. Kanefa toy izay hamela ireny zavatra ireny ho tonga vato misakana, dia mianatra nizatra tamin’izany izy, tahaka ny apostoly Paoly (II Korintiana 11:29, 30; 12:7). Aoka hodinihintsika, ohatra, izay niseho tamin’ity fianakaviana iray.
Eiji dia loholona ao amin’ny kongregasionany. Izy sy ny vadiny dia mpitory maharitra hatramin’ny roa ambin’ny folo taona, ary namelona zaza telo izy. Ahoana no nahavitany izany? “Tsy maintsy niaina tamin’ny fomba tsotsotra kokoa izahay”, hoy Eiji. Na dia ny ankizy aza dia nianatra tsy nahazo ny zavatra maro izay notadiaviny. “Na dia nahita fotoan-tsarotra aza izahay, Jehovah dia nanome foana izay nilainay.”
Nisy vidiny ve ny sorona nataon’izany fianakaviana izany? “Isan-kariva alohan’ny hamonoana ny jiro, dia mijery ny vadiko manoratra ny rapaoron’ny fitoriany tamin’ilay andro aho, hoy Eiji. Rehefa mahita ny fianakaviako mametraka ny zavatra ara-panahy amin’ny voalohan-toerana toy izany aho, dia tsapako fa araka ny tokony ho izy ny zava-drehetra ary mahomby ny fiainanay. Tsy azoko eritreretina ho tsy mpitory maharitra ny tenanay.” Ahoana kosa no hevitry ny vadiny? “Nikarakara anay fatratra tokoa Eiji, hoy izy. Rehefa mahita azy variana amin’ireo andraikitra ara-panahy aho dia mahatsiaro fahafaham-po lalina. Antenaiko fa mbola ho afaka hanohy izahay.”
Tsy hoe mandany izany fotoana rehetra itoriana isan’andro izany io rahalahy sy anabavy io ka tsy hisy heriny eo amin’ireo zanany izany. Ny zanany lahimatoa amin’izao fotoana izao dia mandray anjara amin’ny fanorenana, izay haharitra efa-taona, ao amin’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower. Ny zanany vavy dia mpitory maharitra mandavantaona ary ny zanany lahy farany, izay mbola mandeha any an-tsekoly dia nametra ho zava-kendrena ny fahatongavana ho mpitory maharitra manokana. Faly izy telo dahy fa ao amin’ny fanompoana manontolo andro ny ray aman-dreniny.
7. a) Milazà ohatra olona fantatrao, izay naharesy zava-manahirana mba hanaovana ny fanompoana manontolo andro. b) Torohevitra inona ao amin’ny Baiboly moa no noraisiny am-po?
7 Azo atao ny mahita fianakaviana toy izany ao amin’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany. Manao fiezahana marina tokoa izy ireny mba handraisan-tsoa faran’izay betsaka avy amin’ny toerana misy azy mba hanaovana ny asan’ny mpitory maharitra sy hijanona amin’izany. Asehony amin’ny asany izay hevitry ny fitiavana marina an’Andriamanitra ho azy ireny. Manaraka amim-pahadodonana ny torohevitra nomen’i Paoly an’i Timoty izy hoe: “Mazotoa manolotra ny tenanao amin’Andriamanitra ho olona voazaha toetra, dia mpiasa tsy mahazo henatra.” — II Timoty 2:15.
“Mpiasa tsy mahazo henatra”
8. Nahoana Paoly no nilaza tamin’i Timoty mba ‘hanao izay rehetra azony atao’, ary inona no hevitr’izany?
8 Tany amin’ny taona 65, rehefa nanoratan’i Paoly izy, Timoty dia efa nanana andraikitra lehibe tao anatin’ny kongregasiona kristiana. Paoly dia niantso azy hoe “miaramila tsaran’i Kristy Jesosy” ary nampahatsiahiviny matetika ny andraikiny amin’ny maha-mpampianatra (II Timoty 2:3, 14, 25; 4:2). Kanefa dia nananatra an’i Timoty tamin’izao teny izao izy: “Mazotoa manolotra [Ataovy izay rehetra azonao atao mba hanolorana, MN ] ny tenanao amin’Andriamanitra ho olona voazaha toetra.” Ny fitenenana hoe “ataovy izay rehetra azonao atao” dia mandika ny matoanteny grika manana heviny hoe “aoka ianao ho dodona”. (Jereo ny Traduction interlinéaire du Royaume, angl.) Amin’ny teny hafa, dia nilaza tamin’i Timoty Paoly fa mba hahazoana ny fankasitrahan’Andriamanitra dia ilainy ny mampitombo ny asany, na dia efa miantsoroka andraikitra mavesatra aza izy. Inona àry no antony? Mba hahafahany ho tonga “mpiasa tsy mahazo henatra”.
9. Fanoharana inona nataon’i Jesosy moa no afaka hanampy antsika hamantatra izay tian’i Paoly holazaina tamin’ny hoe “mpiasa tsy mahazo henatra”?
9 Io fitenenana io dia mampahatsiahy antsika ny fanoharana nataon’i Jesosy ny amin’ny talenta ao amin’ny Matio 25:14-30. Tamin’ny fiverenan’ny tompony, ireo mpanompo telo dia tsy maintsy nadininy tamin’ny asany avy. Ilay nandray talenta dimy sy ilay nandray roa dia noderain’ny tompony noho izay nataony tamin’ny vola nankinina taminy. Nasaina ‘hiditra amin’ny fifalian’ny tompony’ izy ireo. Ilay mpanompo nomena talenta iray kosa anefa dia hita fa diso. Izay nananany dia nalaina taminy ary nariana tany “amin’ny maizina any ivelany” izy mba ho menatra.
10. Nahoana ilay mpanompo nomena talenta iray no nahazo henatra sy nosaziana?
10 Ny mpanompo roa voalohany dia tsy nitandro hasasarana sady nampitombo avo roa heny ny fananan’ny tompony. Tena niseho ho mpiasa ‘tsy nahazo henatra’ izy. Nefa nahoana ilay mpanompo fahatelo no nalaim-baraka sy nosaziana na dia tsy very aza ny vola nankinina taminy? Satria tsy nisy na inona na inona manorina nataony taminy. Araka ny fanamarihana nataon’ny tompony, dia azony natao ny nametraka izany tany amin’ny mpampanàna vola fara faharatsiny. Nefa raha ny marina, ary eto no maha-diso azy, dia tsy nanana ny tena fitiavana ny tompony izy. “Natahotra aho ka lasa nandevina ny talentanao tao anatin’ny tany” hoy ny fiaikeny tamin’ny tompony (Matio 25:25; jereo I Jaona 4:18). Nihevitra ny tompony ho toy ny “olona mila voatsiary” sy henjana izy, ary ny andraikiny ho toy ny enta-mavesatra. Toy izay hanandrana ‘izay rehetra azony atao’ mba hahazoana ny fankasitrahan’ny tompony, dia nanao faran’izay kely izy mba ho afa-pahasahiranana.
11. Amin’ny ahoana moa no mahakasika antsika izany fanoharana izany?
11 Ankehitriny dia tanteraka io fanoharana io. Ny Tompo, Jesosy Kristy, dia tafaverina ary manara-maso ny asan’ny kilasin’ny ‘mpanompony’ sy ny an’ireo namany, ny “olona betsaka” azo oharina amin’ny ondry (Matio 24:45-47; Apokalypsy 7:9, 15). Inona no miseho eo imasony? Raha mianina amin’ny fanompoana ara-panoharana isika mba tsy hahita fahasahiranana fotsiny, dia mety ho hita anisan’ireo izay hahazo henatra ka hatsipy any “amin’ny maizina any ivelany” isika. Raha toa mahatsapa kosa isika fa miaina amin’ny fotoana fanapahan-javatra ka ‘manao izay rehetra azontsika atao’ amin’ny fanehoana ‘fahadodonana’ amin’ny asa ataontsika, dia hankasitrahana isika tahaka ny “mpiasa tsy mahazo henatra” ary handray anjara amin’ny ‘fifalian’ny tompontsika’.
Ilaina ny fanitsiana sy ny fandavan-tena
12. Inona moa no nahafahan’ny ampahany lehibe amin’ny mpitory japone niditra tamin’ny fanompoana manontolo andro?
12 Ny fitomboana tsy tapaka amin’ny isan’ny mpitory maharitra any amin’ny tany tsirairay avy eran’izao tontolo izao, dia mampiharihary fa amin’ny fitambarany ny vahoakan’i Jehovah dia ‘manao izay rehetra azony atao’ mba hisehoana ho “mpiasa tsy mahazo henatra”. Kanefa, mba efa nanontany tena ve ianao hoe nahoana no ampahany bebe kokoa amin’ireo rahalahintsika no afaka manomboka ny fanompoana manontolo andro any amin’ny tany sasany fa tsy toy izany kosa any amin’ny hafa? Napetraka tamin’ny mpitory maharitra japone vitsivitsy io fanontaniana mahaliana io; jereo ny fomba namalian’ny roa tamin’izy ireo:
“Tsy milaza akory izany, araka ny hevitro, fa ny finoana na ny fitiavan’ireo Vavolombelona japone dia lehibe kokoa noho ny an’ny rahalahiny any amin’ny tany hafa, hoy ny Vavolombelona iray miasa ao amin’ny Betela ary ao amin’ny fanompoana manontolo andro efa ho telopolo taona. Azo inoana anefa fa ny toe-tsaina japone dia misy idirany amin’izany fisehoan-javatra izany. Amin’ny ankapobeny, ny Japone dia mpankatò sy mora andairan’ny famporisihana.”
“Koa satria betsaka ny isan’ny mpitory maharitra saika ao amin’ny kongregasiona rehetra, hoy ny fanamarihana nataon’ny loholona iray, dia ekena fa ny tsirairay avy dia afaka manompo manontolo andro.” Ny Japone dia tia tokoa manao zavatra miaraka; manana toe-tsaina tsaina tsara dia tsara tia mifampiankina izy.
Tsy lavina fa izany dia fanamarihana mampieritreritra antsika, ary raha mihevitra amim-pahatsorana hanatsara ny fanompoantsika an’i Jehovah isika, dia tsara raha dinihintsika amim-pitandremana ny zavatra lehibe sasantsasany.
13. Nahoana isika no tokony ho mpankatò sy mora andairan’ny famporisihina?
13 Tokony ho mpankatò sy mora andairan’ny famporisihana aloha isika. Rehefa ara-dalàna ny fitarihana sy ny famporisihana raisintsika, dia ara-dalàna tanteraka raha mora andairan’izany isika. Noho izany, tsy hihevitra ireo toetra ireo ho toy ny toetra tsotra mampiavaka ny firenena iray isika, fa hitadidy kosa ny tenin’i Jesosy hoe: “Ny ondriko mihaino ny feoko, ary Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy.” (Jaona 10:27). Tsy hohadinointsika koa fa anisan’ny mampiavaka “ny fahendrena izay avy any ambony” dia ny hoe “mora alahatra” izy. (Jakoba 3:17.) Ny kristiana rehetra dia amporisihina hitafy an’ireo toetra ireo. Noho ny fanabeazana azony sy noho ny fiainany lasa, ny sasany dia mety mirona kokoa ho amin’ny tsy fiankinana noho ny hafa, maniry kokoa hanao zavatra araka izay tiany. Angamba izany dia lafiny ilàna hanitsiantsika tena sy ‘hanavaozana ny saintsika’, mba hahatakarantsika mazava kokoa izay “sitrapon’Andriamanitra”. — Romana 12:2.
14. Fanasana inona moa no neken’ny kristiana rehetra, ary inona no tafiditra amin’izany?
14 Amin’ny maha-kristiana antsika, dia nanaiky isika ny fanasan’i Jesosy antsika hoe: “Raha misy olona ta-hanaraka Ahy, aoka izy handa ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy.” (Matio 16:24). Ny hoe ‘mandà’ ny tena dia midika marina hoe ‘mandà tanteraka’ ny tena, ary dia vonona ho tonga fananan’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy — ka ho antsika izany dia milaza fanekena hotarihiny eo amin’ny fiainantsika, ary famelana azy hilaza amintsika izay tokony na tsy tokony hataontsika. Mba hanehoana fa mandà ny tenantsika isika, moa ve misy fomba tsara indrindra hanarahana ny dian’i Jesosy, ankoatra ny fiasana ao amin’ny fanompoana manontolo andro?
15. a) Raha manaraka an’i Jesosy isika, nahoana no tokony hekentsika ny tsy hanan-javatra betsaka eo amin’ny lafiny ara-nofo? b) Inona no nataon’ny mpianatr’i Jesosy voalohany rehefa nanasa azy ireo hanaraka azy izy?
15 Avy eo, dia tokony hanaiky ny tsy fananan-javatra betsaka eo amin’ny lafiny ara-nofo isika. Miharihary fa izany dia mifanohitra amin’ny fironan’ny olona amin’ny ankapobeny, izay mikatsaka aloha ny “filan’ny nofo sy ny filan’ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao”. (I Jaona 2:16.) Nanambara tamin-kery izao anefa Jesosy: “Ary toy izany koa hianareo rehetra, izay tsy mahafoy izay rehetra anananareo, dia tsy azo ekena ho mpianatro.” (Lioka 14:33). Nahoana àry? satria mba hahatongavana ho mpianatr’i Jesosy dia tsy ampy ny ho tonga mpino. Tamin’ny taona faharoa nanompoany, rehefa niantso an’i Andrea, Petera, Jakoba, Jaona ary ny hafa Jesosy mba ho tonga mpianany, dia tsy nangataka azy ireo fotsiny hanaiky azy ho toy ny Mesia sy hino azy izy. Taty aoriana izy dia nanasa azy ireo hanaraka azy sy handany hery amin’ny asa izay notanterahin’ny tenany ihany koa, dia ny fitoriana manontolo andro izany. Ahoana no nandraisan’izy ireo izany fanolorana izany? “Dia nandao ny harato niaraka tamin’izay izy ka nanaraka Azy.” Raha ny amin’i Jakoba sy Jaona kosa dia “nandao an’i Zebedio rainy teo an-tsambokely mbamin’ny olona nokaramainy [izy], ka dia nanaraka an’i Jesosy”. (Marka 1:16-20.) Nafoiny àry ny asany sy ny namany, ary nanomboka ny fanompoana manontolo andro izy.
16. Inona moa no tokony hanokanan’ny kristiana nanolo-tena ho an’Andriamanitra ny fotoany sy ny heriny (Ohabolana 3:9)?
16 Noho izany, dia mora ny mahita hoe nahoana no zava-dehibe indrindra ny hianinantsika amin’izay kely, raha tiantsika ny hanao izay rehetra azontsika atao eo amin’ny fanompoana manontolo andro. Raha manaiky ho voasinton’ny zavatra ara-nofo na ny adidy maro isika, dia mety ho tonga tahaka ilay mpanapaka, zatovolahy mpanan-karena iray, izay nanda ho tonga mpianatr’i Jesosy, tsy hoe satria tsy afaka nanao izany izy, fa tsy vonona handao ny ‘fananany’ maro kosa izy. (Matio 19:16-22; Lioka 18:18-23.) Araka izay, toy izany handany ny fotoantsika sy ny herintsika amin’ny fikatsahana zavatra izay tsy ho ela dia ‘handalo’, dia aleontsika kosa mampiasa ireny zava-tsarobidy ireny ho an’ny fahasambarantsika mandrakizay. — I Jaona 2:16, 17.
17. Amin’ny ahoana no mety hitondran’ny toe-tsaina tia mifampiankina fitaomana tsara?
17 Farany, dia ilaintsika ny manana toe-tsaina tia mifampiankina. Rehefa nasain’i Jesosy hanaraka azy i Andrea, Petera, Jakoba ary Jaona, dia azo inoana fa nifampahery izy mba handraisany fanapahan-kevitra (Jaona 1:40, 41). Tahaka izany koa fa ny fahafahan’ny maro tamin’ireo rahalahintsika nanome toerana ho an’ny fanompoana manontolo andro teo amin’ny fiainany, izay feno tokoa anefa, dia tokony hamporisika antsika handinika amim-pieritreretana ny toerantsika. Etsy ankilan’izany, ireo anisantsika izay efa mifaly sahady amin’izany tombontsoa izany dia afaka mampahafantatra amin’ny namany ireo fotoana sambatra azony, ka hamporisika azy amin’izany mba hiaraka aminy amin’io endri-panompoana io. Farany, ny minisitra manontolo andro, mazava ho azy, dia afaka mifanampy ho tombontsoan’ny tsirairay avy. — Romana 1:12.
18. Ahoana no hahafahantsika rehetra hampanjaka ny fitiavana ny asan’ny mpitory maharitra?
18 Na dia tsy mamela anao ho tonga minisitra manontolo andro aza ny toeranao amin’izao fotoana izao, dia azonao atao ny mampitombo ny fitiavana ny asan’ny mpitory maharitra. Amin’ny fomba ahoana izany? Amin’ny fanohanana sy famporisihina ny mpitory maharitra; amin’ny fikarakaranao amim-paharisihana ireo izay manana fahafahana hanao izany; amin’ny fandraisana fandaharana mba hahatongavan’ny fara fahakeliny iray amin’ny fianakavianao ho mpitory maharitra; amin’ny fanaovanao ny asan’ny mpitory maharitra mpanampy, rehefa afaka ianao; ary amin’ny fiasana mba hanombohana ny fanompoana manontolo andro, raha vao mety izany. Amin’izany fomba izany, no ahafahantsika rehetra mampiseho fa ‘manao izay rehetra azontsika atao isika’ mba hanompoana an’i Jehovah, na minisitra manontolo andro isika amin’izao fotoana izao na tsia.
Aoka isika hanohy hanao izay rehetra azontsika atao
19 Koa satria isika miaina amin’ny fotoana anafainganan’i Jehovah ny asany, dia tokony ‘hanao izay rehetra azontsika atao’ marina tokoa isika mba ho “mpiasa tsy mahazo henatra.” Amin’ny maha-miaramila tsara dia tsaran’i Jesosy Kristy antsika, dia ilaina koa ny manary izay rehetra manavesatra antsika, mba hahafahana manompo azy amin’ny fomba mandaitra ka mahazo ny fankasitrahany (II Timoty 2:3-5). Raha miasa amim-pahatsorana isika mba hampitombo ny fandraisantsika anjara amin’ny fanompoana an’ilay Fanjakana, dia mahazo matoky isika fa ny fiezahana ataontsika dia ho valiantsoa be dia be (Hebreo 6:10; II Korintiana 9:6). Noho izany, toy izay hitokana, aoka isika hanao izay rehetra azontsika atao mba hitoriana ny vaovao tsara ary aoka isika hamaly ny fanasan’ny mpanao salamo hoe: “Manompoa an’i Jehovah, ry tany rehetra. Mankanesa eo anatrehany amin’ny fihobiana.” — Salamo 100:2.
Famerenana
◻ Inona no hevitry ny hoe tia an’Andriamanitra?
◻ Tao amin’ny fanoharana ny amin’ny talenta nataon’i Jesosy, inona moa no tena fahadisoan’ilay mpanompo fahatelo?
◻ Inona no dikan’ny hoe mandà ny tena?
◻ Nahoana ny mpianatr’i Jesosy no tokony ‘hahafoy izay rehetra ananany’?
◻ Ahoana no ahafahan’ny tsirairay avy amintsika hampanjaka ny fitiavana ny asan’ny mpitory maharitra?
19. Rehefa jerena ny vanim-potoana iainantsika, tokony ho tapa-kevitra hanao inona moa isika?
[Sary, pejy 18]
‘Ario ho any ivelany ny mpanompo tsy mahasoa.’