Fiainana Mifanaraka Amin’ny Lalàn’i Kristy
“Mifampitondrà izay mahavesatra, ary aoka izany no hahatanterahanareo ny lalàn’i Kristy.” — GALATIANA 6:2.
1. Nahoana no azo lazaina fa fitaomana mahery ho amin’ny tsara ny lalàn’i Kristy?
TATSY Rwanda, ny Vavolombelon’i Jehovah hutu sy tutsi dia nanao vy very ny ainy mba hifampiaro tamin’ilay fandripahana foko izay niely mafy vao haingana, nanerana io tany io. Ireo Vavolombelon’i Jehovah tany Kobe, Japon, izay namoy mpianakavy tao amin’ilay horohoron-tany nandrava zavatra, dia torotoro fo noho izany famoizany azy ireny izany. Na dia izany aza, dia nanao zavatra avy hatrany izy ireo mba hamonjena ireo niharan-doza hafa. Eny, asehon’ireo ohatra manafana ny fo maneran-tany fa miasa ny lalàn’i Kristy amin’izao andro izao. Fitaomana mahery ho amin’ny tsara izy io.
2. Ahoana no tsy nahazoan’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana ny hevitry ny lalàn’i Kristy, ary inona no azontsika atao mba hanatanterahana io lalàna io?
2 Mandritra izany fotoana izany, dia eo am-pahatanterahana ny faminanian’ny Baiboly momba izao “andro farany” sarotra izao. Maro no ‘manana ny endriky ny fifikirana amin’Andriamanitra’ kanefa ‘hita fa mandà ny heriny’. (2 Timoty 3:1, 5, NW ). Ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana indrindra matetika no fombafomba ny fivavahana, fa tsy raharaha momba ny fo. Satria ve sarotra loatra ny miaina mifanaraka amin’ny lalàn’i Kristy no mahatonga izany? Tsia. Tsy hanome antsika lalàna izay tsy ho azo arahina, i Jesosy. Tsy nahazo ny hevitr’io lalàna io fotsiny ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana. Tsy nanaraka ireto teny ara-tsindrimandry ireto izy: “Mifampitondrà izay mahavesatra, ary aoka izany no hahatanterahanareo ny lalàn’i Kristy.” (Galatiana 6:2). ‘Manatanteraka ny lalàn’i Kristy’ isika, amin’ny fifampitondrana izay mahavesatra, fa tsy amin’ny fanahafana ny Fariseo ka hanampy tsy ara-drariny ny entan’ireo rahalahintsika.
3. a) Inona avy ireo didy sasany izay voafaoka ao amin’ny lalàn’i Kristy? b) Nahoana no tsy hety ny hanatsoahan-kevitra fa tsy tokony hanana fitsipika ankoatra ireo didin’i Kristy mivantana ny kongregasiona kristiana?
3 Ny lalàn’i Kristy dia mahafaoka ny didy rehetra nomen’i Kristy Jesosy — na fitoriana sy fampianarana izany, na fitanana ny maso ho madio sy tsotra, na fiezahana hihavana amin’ny mpiara-belona amintsika izany, na fanesorana ny fahalotoana tsy ho ao amin’ny kongregasiona. (Matio 5:27-30; 18:15-17; 28:19, 20; Apokalypsy 2:14-16). Ny Kristiana tokoa dia voatery mitandrina ireo didy rehetra ao amin’ny Baiboly izay natao ho an’ny mpanara-dia an’i Kristy. Ary mbola misy zavatra bebe kokoa. Tsy maintsy manorina fitsipika sy fomba fanaovan-javatra tena ilaina ny fandaminan’i Jehovah mbamin’ireo kongregasiona tsirairay ho fitandroana ny filaminana tsara. (1 Korintiana 14:33, 40). Tsy afaka miara-mivory akory ny Kristiana raha tsy manana fitsipika momba ny fotoana sy ny toerana ary ny fomba hanaovana izany fivoriana izany! (Hebreo 10:24, 25, NW ). Anisan’ny fanatanterahana ny lalàn’i Kristy koa ny fiaraha-miasa amin’ireo toro lalana amin’ny antonona naorin’ireo izay nomem-pahefana ao amin’ny fandaminana. — Hebreo 13:17.
4. Inona no hery manosika ny fanompoam-pivavahana madio?
4 Na dia izany aza, dia tsy mamela ny fanompoam-pivavahany ho tonga rafi-dalàna tsy misy heviny ny Kristiana marina. Tsy manompo an’i Jehovah izy ireo satria fotsiny hoe misy olona na fandaminana milaza aminy mba hanao izany. Ny hery manosika ny fanompoam-pivavahan’izy ireo kosa, dia ny fitiavana. Nanoratra toy izao i Paoly: “Ny fitiavan’i Kristy no manery anay”. (2 Korintiana 5:14, izahay no manao sora-mandry.) Nandidy ireo mpanara-dia azy mba hifankatia, i Jesosy. (Jaona 15:12, 13). Ny fitiavana feno fahafoizan-tena no fototry ny lalàn’i Kristy, ary izy io no manery na manosika ny Kristiana marina hatraiza hatraiza, ao amin’ny fianakaviana sy ao amin’ny kongregasiona. Andeha hojerentsika hoe ahoana.
Ao amin’ny fianakaviana
5. a) Ahoana no ahafahan’ireo ray aman-dreny manatanteraka ny lalàn’i Kristy ao an-tokantrano? b) Mila inona avy amin’ny ray aman-dreniny ny ankizy, ary sakana inona avy no tsy maintsy resen’ny ray aman-dreny sasany mba hanomezana izany?
5 Nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, dia tahaka ny nitiavan’i Kristy ny fiangonana ka nanolorany ny tenany hamonjy azy”. (Efesiana 5:25). Rehefa manahaka an’i Kristy ny lehilahy iray ka mitondra ny vadiny amim-pitiavana sy amim-pahatakarana ny heviny, dia manatanteraka lafiny tena lehibe iray amin’ny lalàn’i Kristy izy. Ankoatra izany, i Jesosy dia nampiseho miharihary ny firaiketam-pony tamin’ireo ankizy madinika, nitrotro azy ireo sy nametra-tanana tamin’izy ireo ary nitso-drano azy ireo. (Marka 10:16). Ny ray aman-dreny izay manatanteraka ny lalàn’i Kristy koa dia mampiseho firaiketam-po amin’ireo zanany. Marina fa misy ray aman-dreny izay mahita fa zava-tsarotra ny manahaka ny ohatr’i Jesosy amin’io lafiny io. Efa toetran’ny sasany ny tsy mampiseho fihetseham-po. Ry ray aman-dreny, aza mamela fiheverana toy izany hisakana anareo tsy hampiseho amin’ny zanakareo ny fitiavana tsapanareo ho azy ireo! Tsy ampy ny hoe fantatry ny tenanareo fa tia azy ianareo. Tsy maintsy mahafantatra izany koa izy ireo. Ary tsy hahafantatra izany izy ireo raha tsy mahita fomba hampisehoana ny fitiavanareo ianareo. — Ampitahao amin’ny Marka 1:11.
6. a) Mila fitsipika avy amin’ny ray aman-dreny ve ny ankizy, ary nahoana ianao no mamaly toy izany? b) Inona ilay antony nanaovana fitsipika ho an’ny ankohonana ilain’ny ankizy hofantarina? d) Loza inona avy no halavirina rehefa manjaka eo amin’ny ankohonana ny lalàn’i Kristy?
6 Mandritra izany fotoana izany, dia mila toro lalana ny ankizy, ka izany dia midika fa ilain’ireo ray aman-dreniny ny manorina fitsipika sy mampihatra azy ireny amin’ny alalan’ny famaizana, indraindray. (Hebreo 12:7, 9, 11). Na dia izany aza, dia tsy maintsy ampiana miandalana ny ankizy mba hahita ny antony fototr’ireny fitsipika ireny: tia azy ny ray aman-dreniny. Ary tsy maintsy mianatra izy ireo fa ny fitiavana no antony tsara indrindra ankatoavany ny ray aman-dreniny. (Efesiana 6:1; Kolosiana 3:20; 1 Jaona 5:3). Ny zava-kendren’ny ray na reny mahay mahataka-javatra, dia ny hampianatra ireo ankizy madinika hampiasa ny ‘herin’ny sainy’ mba hanaovany fanapahan-kevitra tsara samirery, amin’ny farany. (Romana 12:1, NW; ampitahao amin’ny 1 Korintiana 13:11.) Etsy an-danin’izany, ireo fitsipika dia tsy tokony ho maro loatra, na ny famaizana ho henjana loatra. Hoy i Paoly: “Hianareo ray, aza mampahasosotra ny zanakareo, fandrao mamoy fo izy.” (Kolosiana 3:21; Efesiana 6:4). Rehefa manjaka eo amin’ny ankohonana ny lalàn’i Kristy, dia tsy misy toerana ho an’ny fampiharana famaizana amin-katezerana tsy voafehy na ho an’ny vazivazy maharary natao handratrana. Ao amin’ny tokantrano toy izany, ny ankizy dia mahatsiaro tena ho tsy manana ahiahy sy mahazo hery, fa tsy hampahorina na ambanina. — Ampitahao amin’ny Salamo 36:7.
7. Amin’ny fomba ahoana avy ireo trano Betela no mety hanome ohatra mahakasika ny fanaovana fitsipika ao an-tokantrano?
7 Milaza ny sasany izay efa nitsidika ireo trano Betela maneran-tany fa izany dia ohatra tsara momba ny fahaiza-mandanjalanja eo amin’ny raharaha mahakasika ireo fitsipika ho an’ny fianakaviana. Na dia voaforon’ny olon-dehibe aza ny fikambanana toy izany, dia be itoviana amin’ny fianakaviana ny fiasany.a Mifampidipiditra ireo asa tontosain’ny Betela ka mitaky fitsipika maro be — azo antoka fa bebe kokoa noho ny an’ny fianakaviana antonontonona iray. Na dia izany aza, dia miezaka mampihatra ny lalàn’i Kristy ireo loholona mitari-dalana any amin’ireo trano sy birao ary ireo asan’ny orinasan’ny Betela. Tsy ny fandaminana ny asa ihany no raisiny ho fanendrena azy, fa ny fampiroboroboana ny fandrosoana ara-panahy sy ny “fifaliana avy amin’i Jehovah” eo amin’ireo mpiara-miasa aminy koa. (Nehemia 8:10). Noho izany, dia miezaka manao zavatra amin’ny fomba manorina sy mampahery izy ireo, sady mikely aina mba hahalala ny antonona. (Efesiana 4:31, 32). Tsy mahagaga raha fantatra amin’ny toe-tsainy falifaly ny fianakavian’ny Betela!
Ao amin’ny kongregasiona
8. a) Inona foana no tokony ho zava-kendrentsika ao amin’ny kongregasiona? b) Tamin’ny toe-javatra inona avy ny sasany no nangataka fitsipika na nanandrana nanao fitsipika?
8 Ao amin’ny kongregasiona dia zava-kendrentsika mitovy amin’izany koa ny hifampahatanjaka ao amin’ny toe-tsaina feno fitiavana (1 Tesaloniana 5:11). Koa tokony hitandrina àry ny Kristiana rehetra mba tsy hanampy ny efa enta-mavesatry ny hafa, amin’ny fiheverana amin’ny fomba diso fa manana zo hampanaiky ny heviny manokana izy, eo amin’ny raharaha mahakasika safidin’ny tena manokana. Indraindray, dia misy manoratra any amin’ny Fikambana Watch Tower, mangataka fitsipika mahakasika raharaha toy ny fiheverana tokony hananany momba ny filma sy boky voafaritra tsara, ary kilalao mihitsy aza. Kanefa ny Fikambanana dia tsy nomen-dalana handinika akaiky zavatra toy izany ka hamoaka fanapahan-kevitra momba izany. Amin’ny ankamaroan’ny toe-javatra, ireny dia raharaha tokony hotapahin’ny olona tsirairay na ny loham-pianakaviana, miorina amin’ny fitiavany ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly. Ny hafa mirona hanodina ho fitsipika ireo fanoloran-kevitra sy toro lalan’ny Fandaminana. Tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Martsa 1996, ohatra, dia nisy lahatsoratra tsara dia tsara iray nampirisika ireo loholona mba hanao fitsidihan’ny mpiandry tsy tapaka any amin’ireo mpikambana amin’ny kongregasiona. Mba hanorenana fitsipika ve no nokendrena tamin’izany? Tsia. Na dia mahita soa maro aza ireo izay afaka manaraka ilay fanoloran-kevitra, dia misy loholona sasany tsy afaka manao izany. Toy izany koa, ilay lahatsoratra hoe “Fanontanian’ny Mpamaky” tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Aprily 1995, dia nampitandrina mba tsy hampivily ny saina amin’ny fahamendrehan’ny fotoan’ny batisa, amin’ny fanaovan-javatra tafahoatra, toy ny fikoranana tsy voafehy na filaharam-pandresena ho hitan’ny besinimaro. Nisy nampihatra tamin’ny fomba tafahoatra io torohevitra matotra io, ka nanao fitsipika mihitsy hoe tsy hety ny handefasana carte fampaherezana amin’io fisehoan-javatra io!
9. Nahoana no zava-dehibe ny hanalavirantsika ny hifanakiana be loatra sy hifampitsara?
9 Diniho koa fa, raha tokony hanjaka eo anivontsika “ny lalàna tanteraka, dia ny lalàn’ny fahafahana”, dia tsy maintsy ekentsika fa tsy àry mitovy avokoa akory ny feon’ny fieritreretan’ny Kristiana rehetra. (Jakoba 1:25). Tokony ho sosotra ve isika raha manana ny safidiny manokana izay tsy mandika ny fotopoto-pitsipiky ny Soratra Masina, ny olona? Tsia. Hahatonga fisaratsarahana ny fanaovantsika izany. (1 Korintiana 1:10). Hoy i Paoly rehefa nampitandrina antsika mba tsy hitsara ny Kristiana tahaka antsika izy: “Amin’ny tompony ihany no ijoroany na ahalavoany. Nefa hampitoerina ihany izy; fa mahay mampitoetra azy [i Jehovah, NW ].” (Romana 14:4). Mety tsy hahafaly an’Andriamanitra isika raha mifanaratsy momba ny raharaha izay tokony havela ho an’ny feon’ny fieritreretan’ny tsirairay. — Jakoba 4:10-12.
10. Iza avy no voatendry hiandraikitra ny kongregasiona, ary ahoana no tokony hanohanantsika azy ireo?
10 Aoka hotadidintsika koa fa ireo loholona dia voatendry hiandraikitra ny andian’ondrin’Andriamanitra. (Asan’ny Apostoly 20:28). Eo izy ireo mba hanampy. Tsy tokony hisalasala isika hanatona azy ireo mba hangataka torohevitra, satria mpianatra ny Baiboly izy ireo ary mahafantatra tsara izay efa voaresaka tao amin’ireo zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana Watch Tower. Rehefa hitan’ireo loholona fa misy fitondran-tena izay azo inoana fa hitarika ho amin’ny fandikana ireo fotopoto-pitsipiky ny Soratra Masina, dia manolotra tsy amin-tahotra ny torohevitra ilaina izy ireo. (Galatiana 6:1). Manaraka ny lalàn’i Kristy ireo mpikambana ao amin’ny kongregasiona, amin’ny fiaraha-miasa amin’ireny mpiandry malala izay mitari-dalana eo anivony ireny. — Hebreo 13:7, NW.
Mampihatra ny lalàn’i Kristy ireo loholona
11. Ahoana no ampiharan’ireo loholona ny lalàn’i Kristy ao amin’ny kongregasiona?
11 Dodona ny hanatanteraka ny lalàn’i Kristy ao amin’ny kongregasiona, ireo loholona. Mitari-dalana eo amin’ny fitoriana ny vaovao tsara izy ireo, mampianatra avy ao amin’ny Baiboly mba hanohinana ny fo, ary miresaka amin’ireo “fanahy ketraka” toy ny mpiandry be fitiavana sy malemy fanahy. (1 Tesaloniana 5:14, NW ). Halavirin’izy ireo ny fihetsika tsy kristiana izay misy any amin’ny fivavahana maro aoka izany ao amin’ny Tontolo Lazaina fa Kristiana. Marina fa mikororosy haingana itỳ tontolo itỳ, ary sahala amin’i Paoly, ireo loholona dia mety hahatsapa tebiteby ny amin’ny andian’ondry; kanefa dia mihazona fahaiza-mandanjalanja izy ireo eo am-panaovan-javatra mifandray amin’izany fanahiana izany. — 2 Korintiana 11:28.
12. Rehefa manatona loholona ny Kristiana iray mba hahazoana fanampiana, ahoana no azon’ilay loholona amaliana izany?
12 Mety haniry hanatona loholona, ohatra, ny Kristiana iray momba ny raharaha lehibe iray izay tsy voazava mivantana ao amin’ny Soratra Masina, na mitaky fahaizana mampifandanja fotopoto-pitsipika kristiana samy hafa. Angamba tany am-piasana izy dia notolorana fisondrotana izay be karama saingy misy andraikitra lehibe kokoa. Na mety hitaky zavatra izay mety hisy fiantraikany eo amin’ny fanompoan’ny Kristiana tanora iray, ny rainy tsy mpino. Amin’ny toe-javatra toy izany, ireo loholona dia hitana tena mba tsy hanome ny heviny manokana. Azo inoana fa hanokatra ny Baiboly kosa izy, ary hanampy ilay olona hanjohy hevitra avy amin’ireo fotopoto-pitsipika mifandray amin’ilay foto-kevitra. Mety hampiasainy ny Index des publications de la Société Watch Tower, raha misy, mba hahitana izay lazain’ny “mpanompo mahatoky sy malina” momba ilay foto-kevitra ao amin’ireo pejin’ny Ny Tilikambo Fiambenana na ao amin’ireo zavatra vita an-tsoratra hafa. (Matio 24:45, NW ). Ahoana raha manao fanapahan-kevitra izay toa tsy mampiseho fahendrena eo imason’ilay loholona, ilay Kristiana, aorian’izay? Raha tsy mandika mivantana fotopoto-pitsipika na lalàna ao amin’ny Baiboly ilay fanapahan-kevitra, dia ho hitan’ilay Kristiana fa manaiky ny zon’ny tsirairay hanao fanapahan-kevitra toy izany, ilay loholona, ka mahafantatra fa “samy hitondra ny entany avy ny olona rehetra”. Tokony hotadidin’ilay Kristiana anefa fa “izay afafin’ny olona no hojinjany”. — Galatiana 6:5, 7.
13. Nahoana ireo loholona no manampy ny hafa hanjohy hevitra momba ilay raharaha, fa tsy hanome valiny mivantana amin’ireo fanontaniana, na hanome ny heviny manokana?
13 Nahoana ilay loholona ampy fanandraman-javatra no manao zavatra toy izany? Noho ny antony roa fara fahakeliny. Voalohany, i Paoly dia nilaza tamin’ny kongregasiona iray fa ‘tsy tompon’ny finoan’izy ireo’ izy. (2 Korintiana 1:24). Manahaka ny fihetsik’i Paoly ilay loholona amin’ny fanampiana ny rahalahiny hanjohy hevitra avy amin’ny Soratra Masina sy hanao ny fanapahan-keviny manokana miorina amin’ny fahalalana. Ekeny fa misy fetra ny fahefany, toy ny naneken’i Jesosy fa nisy fetra ny fahefan’ny tenany. (Lioka 12:13, 14; Joda 9). Mandritra izany fotoana izany, eo amin’izay ilana izany, ireo loholona dia vonona ny hanolotra torohevitra mahasoa araka ny Soratra Masina, mivantana mihitsy aza. Faharoa, dia mampiofana ny Kristiana tahaka azy izy. Hoy ny apostoly Paoly: “Ho an’izay efa lehibe ny ventin-kanina, dia ho an’izay manana ny saina efa zatra nampiasaina tsara ka mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy.” (Hebreo 5:14). Noho izany, mba hitomboana ho amin’ny fahamatorana, dia tsy maintsy mampiasa ny herin’ny fahaizantsika manavaka manokana isika, fa tsy hiantehitra lava amin’olon-kafa mba hanome antsika ny valiny. Rehefa mampiseho amin’ny Kristiana tahaka azy ny fomba fanjohian-kevitra avy amin’ny Soratra Masina ilay loholona, dia manampy azy handroso amin’izany fomba izany.
14. Ahoana no ahafahan’ireo Kristiana matotra mampiseho fa mitoky amin’i Jehovah izy ireo?
14 Afaka mino isika fa, amin’ny alalan’ny fanahiny masina, i Jehovah Andriamanitra dia hanan-kery eo amin’ny fon’ireo mpivavaka marina. Noho izany, dia manintona ny fon’ny rahalahiny ny Kristiana matotra, miangavy azy ireo, toy ny nataon’ny apostoly Paoly. (2 Korintiana 8:8; 10:1; Filemona 8, 9). Fantatr’i Paoly fa ireo olon-tsy marina indrindra no mila lalàna misy tsipiriany be mba hampandehanana azy tsara, fa tsy ny olo-marina. (1 Timoty 1:9). Nampiseho finoana an’ireo rahalahiny izy, fa tsy fiahiahiana na tsy fitokiana. Nanoratra toy izao ho an’ny kongregasiona iray izy: “Izahay matoky anareo ao amin’ny Tompo”. (2 Tesaloniana 3:4). Azo antoka fa nandray anjara betsaka tamin’ny fanentanana ireny Kristiana ireny ny finoana sy ny fitokiana ary ny fatokian’i Paoly. Manan-java-kendrena mitovy amin’izany ireo loholona sy mpiandraikitra mpitety faritany amin’izao andro izao. Mamelombelona toy inona moa ireny lehilahy mahatoky ireny, rehefa miandry amim-pitiavana ny andian’ondrin’Andriamanitra! — Isaia 32:1, 2; 1 Petera 5:1-3.
Fiainana mifanaraka amin’ny lalàn’i Kristy
15. Inona avy ireo fanontaniana sasany azontsika atao amin’ny tenantsika mba hahitana raha mampihatra ny lalàn’i Kristy eo amin’ny fifandraisantsika amin’ireo rahalahintsika isika?
15 Samy mila mandini-tena tsy tapaka isika rehetra mba hahitana raha miaina mifanaraka amin’ny lalàn’i Kristy sy mampandroso azy io. (2 Korintiana 13:5). Afaka mandray soa tokoa isika rehetra amin’ny fanontaniana hoe: ‘Mampahery ve aho sa be fanakianana? Mahay mandanjalanja ve aho sa manao zavatra tafahoatra? Maneho fiheverana ny hafa ve aho sa manizingizina ny zoko manokana?’ Ny Kristiana iray dia tsy manandrana handidy izay dingana tokony hataon’ny rahalahiny, na tsy tokony hataony, eo amin’ny raharaha tsy voazava amin’ny fomba voafaritra tsara ao amin’ny Baiboly. — Romana 12:1; 1 Korintiana 4:6.
16. Ahoana no ahafahantsika manampy ireo izay mihevi-tena ho tsinontsinona, ka manatanteraka amin’izany ny lafiny iray tena lehibe amin’ny lalàn’i Kristy?
16 Amin’izao andro sarotra izao dia zava-dehibe ny itadiavantsika fomba ifampaherezana. (Hebreo 10:24, 25; ampitahao amin’ny Matio 7:1-5.) Rehefa mijery ireo rahalahy sy anabavintsika isika, tsy zava-dehibe kokoa amintsika ve ny toetrany tsara noho ny fahalemeny? Amin’i Jehovah, dia sarobidy ny tsirairay. Mampalahelo fa tsy ny rehetra no mihevitra toy izany, eny fa na dia momba ny tenany aza. Maro no mirona tsy hahita afa-tsy ny fahalemeny sy ny tsy fahalavorarian’ny tenany manokana. Mba hampaherezana olona toy izany — sy ny hafa koa — moa ve isika afaka miezaka miresaka amin’olona iray na roa isaky ny fivoriana, ka mamela azy ireo hahafantatra ny antony ankamamiantsika ny maha-eo azy ireo, sy ny anjara lehibe raisin’izy ireo ao amin’ny kongregasiona? Fifaliana toy inona moa ny manamaivana ny entan’izy ireny amin’izany fomba izany ka manatanteraka ny lalàn’i Kristy amin’izany! — Galatiana 6:2.
Miasa ny lalàn’i Kristy!
17. Amin’ny fomba samy hafa inona avy no ahitanao ny fiasan’ny lalàn’i Kristy ao amin’ny kongregasiona misy anao?
17 Miasa ao amin’ny kongregasiona kristiana ny lalàn’i Kristy. Mahita izany isan’andro isika — rehefa dodona mandray anjara amin’ny fizarana ny vaovao tsara ireo Vavolombelona tahaka antsika, rehefa mifampionona sy mifampahery izy ireo, rehefa miezaka mafy mba hanompo an’i Jehovah izy ireo na dia eo aza ireo zava-manahirana faran’izay sarotra, rehefa mikely aina ireo ray aman-dreny mba hitaiza ny zanany ho tia an’i Jehovah amin’ny fo falifaly, rehefa mampianatra ny Tenin’Andriamanitra amim-pitiavana sy amin-kafanana ireo mpiandraikitra, mandrisika ny andian’ondry mba hanana zotom-po miredareda hanompo an’i Jehovah mandrakizay. (Matio 28:19, 20; 1 Tesaloniana 5:11, 14). Faly toy inona moa ny fon’i Jehovah rehefa mampihatra ny lalàn’i Kristy eo amin’ny fiainantsika manokana isika isam-batan’olona! (Ohabolana 23:15). Iriny ho velona mandrakizay ireo rehetra tia ny lalàny tonga lafatra. Ao amin’ilay Paradisa ho avy, dia ho hitantsika ny fotoana haha-lavorary ny olombelona, fotoana tsy hisian’ny mpandika lalàna, fotoana hahafahana hifehy ny fironan’ny fontsika rehetra. Valisoa be voninahitra toy inona moa izany, noho ny fiainana mifanaraka amin’ny lalàn’i Kristy!
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny trano toy izany dia tsy mitovy amin’ireo monasiteran’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana. Tsy misy “abbé”, na “ray” amin’izany heviny izany, any. (Matio 23:9). Hajaina ireo rahalahy manana andraikitra, kanefa ny fanompoan’izy ireo dia tarihin’ny fotopoto-pitsipika mitovy amin’izay manapaka ny loholona rehetra.
Ahoana no Hevitrao?
◻ Nahoana ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana no tsy nahazo ny hevitry ny lalàn’i Kristy?
◻ Ahoana no azontsika ampiharana ny lalàn’i Kristy ao amin’ny fianakaviana?
◻ Mba hampiharana ny lalàn’i Kristy ao amin’ny kongregasiona, inona no tsy maintsy halavirintsika, ary inona no tsy maintsy ataontsika?
◻ Ahoana no ahazoan’ireo loholona mankato ny lalàn’i Kristy eo amin’ny fifampiraharahany amin’ny kongregasiona?
[Sary, pejy 23]
Mila fitiavana be dia be ny zanakao
[Sary, pejy 24]
Mamelombelona toy inona moa ireo mpiandry antsika be fitiavana!