Ampiasao Amim-pahendrena ny Fahafahana Kristiana Anananao
“Aoka ianareo ho toy ny olona afaka, kanefa amin’ny fitondrana ny fahafahanareo (...) amin’ny maha-andevon’Andriamanitra.” — 1 PETERA 2:16, NW.
1. Fahafahana inona no verin’i Adama, ary fahafahana inona no haverin’i Jehovah amin’ny taranak’olombelona?
REHEFA nanota ireo ray aman-drenintsika voalohany tao amin’ny sahan’i Edena, dia namoy ho an’ny zanany ny lova be voninahitra iray — ny fahafahana amin’ny ota sy ny fahalovana. Ho vokatr’izany, dia teraka andevon’ny fahalovana sy ny fahafatesana isika rehetra. Soa ihany anefa fa mikasa ny hamerina fahafahana mahatalanjona amin’ireo olombelona mahatoky indray i Jehovah. Amin’izao andro izao, ireo manana fo mahitsy dia miandry amim-pahadodonana “ny fampiharihariana ny zanak’Andriamanitra”, ka “hovotsorana amin’ny fahandevozan’ny fahalovana [izy ireo] ary hahazo ny fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra”, ho vokatr’izany. — Romana 8:19-21, NW.
‘Voahosotra mba hitory’
2, 3. a) Iza moa ireo “zanak’Andriamanitra”? b) Toerana mahatalanjona inona no tanan’izy ireo eo anatrehan’Andriamanitra, ary mitarika andraikitra inona izany?
2 Iza moa ireo “zanak’Andriamanitra” ireo? Izy ireo dia ireo rahalahin’i Jesosy voahosotry ny fanahy izay ho mpanapaka miaraka aminy ao amin’ilay Fanjakana any an-danitra. Ny voalohany taminy dia niseho nandritra ny taonjato voalohany am.f.i. Nanaiky ny fahamarinana izay manafaka nampianarin’i Jesosy izy ireo, ary nanomboka tamin’ny Pentekosta taona 33 am.f.i., dia nahazo ireo tombontsoa be voninahitra noresahin’i Petera rehefa nanoratra toy izao tamin’izy ireo izy: “Hianareo (...) dia taranaka voafidy, ‘fanjakà-mpisorona, firenena masina’, olona nalain’Andriamanitra ho an’ny tenany.” — 1 Petera 2:9a; Jaona 8:32.
3 Olona nalain’Andriamanitra ho an’ny tenany — fitahiana mahatalanjona toy inona moa izany! Ary ny sisa amin’ireo zanak’Andriamanitra voahosotra amin’izao andro ankehitriny izao koa dia mitana izany toerana voatahy izany eo anatrehan’Andriamanitra. Misy andraikitra anefa miaraka amin’izany tombontsoa ambony dia ambony izany. Nisarika ny saina ho amin’ny iray amin’izany i Petera rehefa nanohy ny teniny toy izao: “Mba hilazanareo ny hatsaran’Ilay niantso anareo hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga.” — 1 Petera 2:9b.
4. Nanao ahoana ny fanatontosan’ireo Kristiana voahosotra ny andraikitra miaraka amin’ny fahafahany kristiana?
4 Moa ve ireo Kristiana voahosotra nanatontosa io andraikitra hilaza ny hatsaran’Andriamanitra io? Eny. Naminany momba ireo voahosotra nanomboka tamin’ny 1919 i Isaia ka nanao hoe: “Ny Fanahin’i Jehovah Tompo no ato amiko, satria Jehovah efa nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny mpandefitra, efa naniraka Ahy hahasitrana ny torotoro fo Izy, ary hitory fanafahana amin’ny babo sy hamoaka ny ao an-trano-maizina ho amin’ny mazava. Hitory taona ankasitrahan’i Jehovah sy andro famalian’Andriamanitsika.” (Isaia 61:1, 2). Amin’izao andro izao, ireo sisa voahosotra, ho fanarahana ny ohatr’i Jesosy, izay iharan’io andinin-teny io voalohany indrindra, dia manambara amin-jotom-po ny vaovao tsara momba ny fahafahana amin’ny hafa. — Matio 4:23-25; Lioka 4:14-21.
5, 6. a) Inona no vokatry ny fitoriana feno risi-po nataon’ireo Kristiana voahosotra? b) Tombontsoa sy andraikitra inona avy no ananan’ireo anisan’ny vahoaka betsaka?
5 Ho vokatry ny fitoriana feno risi-po ataony, dia misy olona betsaka voaforon’ny ondry hafa niseho teo amin’ny sehatr’izao tontolo izao amin’izao andro farany izao. Nivoaka avy amin’ny firenena rehetra izy ireo mba hiaraka amin’ireo voahosotra eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah, ary ny fahamarinana dia nanafaka azy ireo koa. (Zakaria 8:23; Jaona 10:16). Toa an’i Abrahama, izy ireo dia nambara ho marina noho ny finoana, ary manjary manana fifandraisana akaiky amin’i Jehovah Andriamanitra. Ary toa an-dRahaba, ny fanambarana azy ireo ho marina dia mahatonga azy ho mendrika ny ho tafita velona — ho tafita velona amin’ny Haramagedona raha ny amin’izy ireo. (Jakoba 2:23-25; Apokalypsy 16:14, 16). Izany tombontsoa ambony dia ambony izany koa anefa dia mahafaoka ny andraikitra hilaza amin’ny hafa ny voninahitr’Andriamanitra. Izany no antony nahitan’i Jaona azy ireo midera an’i Jehovah ampahibemaso ka ‘miantso amin’ny feo mahery manao hoe: Ny famonjena dia avy amin’Andriamanitsika, izay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana, sy avy amin’ny Zanak’ondry’. — Apokalypsy 7:9, 10, 14, NW.
6 Tamin’ny herintaona, ny olona betsaka, miisa ho efatra tapitrisa mahery ankehitriny, miaraka amin’ny antokon’ireo Kristiana voahosotra vitsy tavela, dia nandany efa ho arivo tapitrisa ora nilazana ny hatsaran’i Jehovah. Izany no fomba tsara indrindra ampiasana ny fahafahany ara-panahy.
“Manomeza voninahitra ny Mpanjaka”
7, 8. Andraikitra inona eo anatrehan’ny fahefana tsy ara-pivavahana no voafaokan’ny fahafahana kristiana, ary momba izany, fihetsika ratsy inona no tsy maintsy andosirantsika?
7 Ny fahafahantsika kristiana dia mahafaoka andraikitra maro hafa. Nanondro ny sasany tamin’izany i Petera rehefa nanoratra hoe: “Manomeza voninahitra ny karazan’olona rehetra, manàna fitiavana ny fitambarana manontolon’ireo rahalahy, matahora an’Andriamanitra, manomeza voninahitra ny mpanjaka.” (1 Petera 2:17, NW). Inona no tiana holazaina amin’ny teny hoe “manomeza voninahitra ny mpanjaka”?
8 “Ny mpanjaka” dia mampiseho ireo mpanapaka tsy ara-pivavahana. Amin’izao andro izao, dia misy toe-tsaina tsy manaja fahefana mitombo eo amin’izao tontolo izao, ary mety hahazo ny Kristiana mora foana izany. Mety hanontany tena mihitsy aza ny Kristiana iray hoe nahoana izy no tokony hanome voninahitra “ny mpanjaka” nefa “izao tontolo izao (...) mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa”. (1 Jaona 5:19). Raha mijery ireo teny ireo izy, dia mety hihevitra fa afaka mandika ireo lalàna izay tsy dia sahaza azy ary tsy hanome vola hetra raha afaka mandositra ny sazy izy. Izany anefa dia hifanipaka amin’ny baiko mazava nomen’i Jesosy mba “hanome ho an’i Kaisara izay an’i Kaisara”. Raha ny tena izy, izany dia ho ‘fampiasana ny fahafahany ho fanaronana ny ratsy’. — Matio 22:21; 1 Petera 2:16, NW.
9. Antony roa inona avy no tokony hankatoavana ny fahefana tsy ara-pivavahana?
9 Ny Kristiana dia tsy maintsy manome voninahitra ny fahefana sy manaiky azy — na dia voafetra ihany aza izany. (Asan’ny Apostoly 5:29). Fa nahoana? Ao amin’ny 1 Petera 2:14, i Petera dia manondro antony telo rehefa milaza fa ny mpanapaka dia ‘nirahin’Andriamanitra hamaly izay manao ratsy, fa ho mpidera izay manao tsara’. Ny tahotra ny famaizana dia antony ampy mba hankatoavana ny fahefana. Ho fahafaham-baraka toy inona moa ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah iray izany hoe ho voatery handoa sazy vola na hiditra an-tranomaizina noho ny famelezana olona, halatra na heloka bevava hafa! Alao sary an-tsaina fa hisy ho ravo aoka izany hampahafantatra izany amin’ny besinimaro! Etsy an-daniny kosa, rehefa manjary fantatra tsara ho mpankatò lalàna isika, dia handray teny fiderana avy amin’ireo mpanapaka tia ny rariny. Mety homena fahafahana bebe kokoa hanao ny asa fitoriantsika ny vaovao tsara isika. Fanampin’izany, ‘amin’ny fanaovantsika soa, dia hampangina ny resaka tsy ampy fahalalan’ny olona tsy misaina isika’. (1 Petera 2:15b, NW). Izany no antony faharoa hankatoavana ny fahefana. — Romana 13:3.
10. Inona no antony mahery indrindra hankatoavana ny fahefana tsy ara-pivavahana?
10 Misy antony mahery kokoa noho izany anefa. Ireo manam-pahefana dia misy noho ny famelan’i Jehovah azy hisy. Araka ny ilazan’i Petera azy, ireo mpanapaka ara-politika dia ‘nirahin’i Jehovah’ ary “sitrapon’Andriamanitra” ny haneken’ny Kristiana azy ireo hatrany. (1 Petera 2:15a). Mitovy amin’izany koa fa ny apostoly Paoly dia manao hoe: “Ireo manam-pahefana misy dia eo amin’ny toerana voafetra misy azy noho Andriamanitra.” Noho izany, ny fieritreretantsika voaofan’ny Baiboly dia manosika antsika hankatò ireo manam-pahefana. Raha mandà tsy hanaiky azy ireo isika dia “manohitra ny fandaharan’Andriamanitra”. (Romana 13:1, 2, 5, NW). Iza amintsika no haniry an-tsitrapo hanohitra ny fandaharan’Andriamanitra? Ho fampiasana ratsy ny fahafahana kristiana toy inona moa izany!
‘Manàna fitiavana ny rahalahy rehetra’
11, 12. a) Andraikitra inona eo anatrehan’ireo mpiray finoana amintsika no miaraka amin’ny fahafahantsika kristiana? b) Iza indrindra no mendrika ny hanehoantsika fiheverana feno fitiavana, ary nahoana?
11 Nilaza koa i Petera fa ny Kristiana iray dia tokony ‘hanana fitiavana ny fitambarana manontolon’ireo rahalahy’. (1 Petera 2:17, NW). Izany dia andraikitra iray hafa miaraka amin’ny fahafahana kristiana. Ny ankamaroantsika dia anisan’ny kongregasiona kristiana iray. Tena anisan’ny fitambarana, na fandaminana, iraisam-pirenena misy mpirahalahy tokoa isika rehetra. Ny fanehoana fitiavana amin’ireo dia fampiasana ny fahafahantsika amim-pahendrena. — Jaona 15:12, 13.
12 Nosinganin’ny apostoly Paoly ny antokona Kristiana iray izay mendrika ny hanehoantsika fitiavana amin’ny fomba manokana. Hoy izy: “Manekè [ireo izay mitarika eo aminareo, NW] ka manoava azy; fa izy miambina ny fanahinareo araka izay tokony hataon’ny olona mbola hampamoahina, mba hanaovany izany amin’ny fifaliana, fa tsy amin’ny fisentoana; fa tsy hahasoa anareo izany.” (Hebreo 13:17). Ireo mitarika ao amin’ny kongregasiona dia ireo loholona. Marina fa tsy tanteraka ireny lehilahy ireny. Na dia izany aza, dia notendrena teo ambany fanaraha-mason’ny Kolejy Foibe izy ireny. Mitarika amin’ny alalan’ny ohatra sy ny fanehoana fiheverana izy ireny ary notendrena mba hiambina ny fanahintsika. Fanendrena mavesatra toy inona moa ny azy! (Hebreo 13:7). Soa ihany fa manana toe-tsaina tsara dia tsara sy vonona hiara-miasa ny ankamaroan’ireo kongregasiona, ary fifaliana ho an’ny loholona ny miara-miasa amin’izy ireo. Sarotra kokoa rehefa misy olona tsy vonona hiara-miasa. Mbola manao ny asany ihany ilay loholona, nefa, araka ny lazain’i Paoly, “amin’ny fisentoana”. Azo antoka fa tsy tiantsika ny hanao izay ‘hisentoan’ireo’ loholona! Tiantsika hahita fifaliana eo amin’ny asany izy ireo mba hahafahany hampahery antsika.
13. Inona avy no fomba sasany ahafahantsika miara-miasa amin’ireo loholona?
13 Inona avy no fomba sasany ahafahantsika miara-miasa amin’ireo loholona? Ny iray amin’izany dia ny fanampiana eo amin’ny fikojakojana sy fanadiovana ny Efitrano Fanjakana. Ny iray hafa dia ny fiaraha-miasa eo amin’ny fitsidihana ireo marary sy ny fanampiana ireo malemy. Eto koa, dia afaka miezaka isika mba hitoetra ho matanjaka ara-panahy, mba tsy ho enta-mavesatra. Ny lafiny lehibe iray ahafahana miara-miasa dia ny fihazonana ny fahadiovan’ny kongregasiona eo amin’ny ara-pitondrantena sy ny ara-panahy, amin’ny fitondrantenantsika sy amin’ny fanaovantsika tatitra momba ny ota lehibe fantatsika.
14. Amin’ny fomba ahoana no tokony hanarahantsika ny fanaovan-javatra ho famaizana raisin’ireo loholona?
14 Indraindray, mba hihazonana ny kongregasiona ho madio, ireo loholona dia voatery mandroaka mpanao ratsy iray tsy mibebaka. (1 Korintiana 5:1-5). Izany dia miaro ny kongregasiona. Mety hanampy ilay nanao ratsy koa izany. Matetika ny famaizana toy izany dia nanampy ny mpanota iray hanao zavatra amim-pahendrena indray. Ahoana anefa raha namana akaiky na havana ilay voaroaka? Aoka hatao hoe ny raintsika na ny renintsika, na ny zanatsika lahy na ny zanatsika vavy, ilay olona. Mbola miara-miasa amin’ireo loholona ihany ve isika ka hanaja ny fanapahan-kevitra noraisiny? Marina fa mety ho sarotra izany. Kanefa ho fampiasana ratsy ny fahafahantsika toy inona moa ny fisalasalana momba ny fahatapahan-kevitr’ireo loholona sy ny fanohizana hanana fifaneraserana ara-panahy amin’ny olona iray izay hita fa hery mitaona manimba ho an’ny kongregasiona! (2 Jaona 10, 11). Ny vahoakan’i Jehovah amin’ny fitambarany dia tsy maintsy anaovana teny fiderana noho ny fahavononany hiara-miasa amin’ireo lafin-javatra ireo. Ho vokatr’izany, dia mitoetra ho tsy voaloton’ity tontolo maloto ity ny fandaminan’i Jehovah. — Jakoba 1:27.
15. Raha manao fahotana lehibe ny olona iray, inona no tokony hataony avy hatrany?
15 Ahoana raha manao fahotana lehibe isika? I Davida mpanjaka dia nilazalaza ny amin’ireo izay ankasitrahan’i Jehovah rehefa nilaza hoe: “Iza no hiakatra any an-tendrombohitr’i Jehovah? Ary iza no hitoetra ao amin’ny fitoerany masina? Izay madio tànana sy mahitsy fo, izay tsy manandratra ny fanahiny ho amin’ny lainga, na mianiana hamitaka.” (Salamo 24:3, 4). Raha toa ka misy antony tsy maha-“madio tanana sy mahitsy fo” antsika intsony, dia tsy maintsy manao zavatra haingana isika. Tandindomin-doza ny fiainantsika mandrakizay.
16, 17. Nahoana ny olona iray meloka ho nanao fahotana lehibe no tsy tokony hanandrana handamina ilay raharaha irery?
16 Nisy nalaim-panahy hanafina fahotana lehibe, angamba tamin’ny fanjohiana hevitra toy izao: ‘Efa nitsotra tamin’i Jehovah sy nibebaka aho. Koa inona intsony no hampidirana ireo loholona amin’izany?’ Mety ho menatra na hatahotra izay mety hataon’ireo loholona ilay nanao ratsy. Tokony hotadidiny anefa fa, na dia i Jehovah irery aza no afaka manadio antsika amin’ny fahotana, dia nametraka ireo loholona ho tompon’andraikitra voalohany indrindra ny amin’ny fahadiovan’ny kongregasiona Izy. (Salamo 51:2). Eo izy ireo mba hanasitrana antsika, ho “fanarenana ny olona masina”. (Efesiana 4:12, NW). Ny tsy fanatonana azy ireny rehefa mila fanampiana ara-panahy isika, dia toy ny tsy fanatonana mpitsabo rehefa marary.
17 Misy manandrana mandamina ilay raharaha irery ary mahita fa, rehefa afaka volana na taona maromaro, dia mbola manenjika azy mafy foana ny feon’ny fieritreretany. Ny ratsy kokoa aza dia misy hafa izay nanao fahadisoana lehibe tafalatsaka tao anatin’ny ota fanindroany sy fanintelony mihitsy aza. Rehefa manjary fantatr’ireo loholona ilay raharaha amin’ny farany, dia efa raharaha momba ny fanaovan-dratsy miverimberina ilay izy. Ho tsara lavitra toy inona àry ny hanarahana ny torohevitr’i Jakoba! Hoy ny nosoratany: “Misy marary va eo aminareo? Aoka izy hampaka ny loholon’ny fiangonana; ary aoka hanosotra diloilo azy amin’ny anaran’[i Jehovah, NW] ireo sady hivavaka eo aminy.” (Jakoba 5:14). Manatòna ireo loholona raha mbola misy fotoana ho an’ny fanasitranana. Raha miandry ela loatra isika, dia mety hihamafy hatoka ao amin’ny fanaovan-dratsy. — Mpitoriteny 3:3; Isaia 32:1, 2.
Fisehoana ivelany sy fialam-boly
18, 19. Nahoana ny pretra iray no nanao teny tsara momba ny Vavolombelon’i Jehovah?
18 Dimy taona lasa izay, tao amin’ny gazetim-piangonana iray, ny pretra katolika iray dia niresaka tamin-kafanam-po momba ny Vavolombelon’i Jehovah.a Hoy izy: “Raha ny amiko manokana, dia tia ny Vavolombelon’i Jehovah aho; lazaiko amim-pahatsorana izany. (...) Ireo izay fantatro dia mahalala fomba tsy misy ohatra izany, malefa-piteny (...) [ary] mahay mandresy lahatra indrindra. Rahoviana isika no hahatakatra fa ny fahamarinana dia mila fampisehoana azy azo ekena? Fa ireo izay manambara ny fahamarinana dia tsy mila ny ho matimaty, hamoaka fofona maharikoriko, hisavorovoro volo, hiakanjo kitoatoa?”
19 Araka ireo teny ireo, io pretra io dia voatohina noho ny fomba fiakanjon’ny Vavolombelona sy ny fisehoan’izy ireo ivelany, ankoatra ny zavatra hafa. Miharihary fa ireo izay hitany dia nihaino ny torohevitra nomen’ny “mpanompo mahatoky sy malina” nandritra ny taona maro. (Matio 24:45, NW). Milaza ny Baiboly fa ny akanjon’ny vehivavy dia tokony ‘ho voalamina tsara sy maotina’. (1 Timoty 2:9, NW). Amin’izao fotoana feno fikororosiana izao, dia ilaina ho an’ny lehilahy koa izany torohevitra izany. Tsy araka ny fandrindran-kevitra ve ny tokony hananan’ny solontenan’ny Fanjakan’Andriamanitra fisehoana mihaja eo imason’ny olona any ivelany?
20. Nahoana ny Kristiana iray no tokony hihevitra ny fomba fiakanjony amin’ny fotoana rehetra?
20 Mety hisy hanaiky fa raha any am-pivoriana sy eny am-panaovana fanompoana izy ireo dia tokony hitandrina ny amin’ny fomba fiakanjony, nefa mety hihevitra izy fa tsy mihatra amin’ny fotoana hafa ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly. Misy fotoana itsaharantsika tsy ho solontenan’ny Fanjakan’Andriamanitra ve anefa? Marina fa samy hafa ny tarehin-javatra. Raha manampy amin’ny fanorenana Efitrano Fanjakana iray isika, dia hanao akanjo hafa noho izay anaovantsika rehefa manatrika fivoriana ao amin’io Efitrano Fanjakana io ihany. Amin’ny fotoam-pialan-tsasatra isika dia azo inoana fa hanao akanjo fitena kokoa. Kanefa, amin’ny fotoana rehetra ahitan’ny hafa antsika, ny fitafiantsika dia tokony ‘ho voalamina tsara sy maotina’ foana.
21, 22. Tamin’ny fomba ahoana no niarovana antsika tamin’ny fialam-boly manimba, ary amin’ny fomba ahoana no tokony handraisantsika ny torohevitra momba izany?
21 Ny lafiny hafa iray nitarihana ny saina betsaka dia ny fialam-boly. Mila fialam-boly ny olombelona — indrindra fa ny tanora. Tsy fahotana na fandaniam-potoana ny manao fandaharana mba hialan’ny fianakaviana voly. Na dia i Jesosy aza dia nanasa ny mpianany mba ‘hiala sasatra kelikely’. (Marka 6:31). Tandremo anefa mba tsy hanokatra ny lalana ho an’ny fandotoana ara-panahy ny fialam-bolinao. Miaina ao amin’ny tontolo iray izay anasongadinan’ny fialam-boly ny fahalotoam-pitondrantena eo amin’ny lahy sy ny vavy, ny herisetra mahatsiravina, ny zavatra mampihorohoro ary ny spiritisma, isika. (2 Timoty 3:3; Apokalypsy 22:15). Ny mpanompo mahatoky sy malina dia mailo mahita ireny loza ireny ary tsy mitsahatra mampitandrina antsika ny amin’izy ireny. Mihevitra ve ianao fa manelingelina ny fahafahanao izany fampahatsiahivana izany? Sa velom-pankasitrahana ianao satria ampy fiahiana ny aminao ny fandaminan’i Jehovah mba hanintonana tsy tapaka ny sainao ho amin’ireny loza ireny? — Salamo 19:7; 119:95.
22 Aza hadinoina na oviana na oviana fa, na dia avy amin’i Jehovah aza ny fahafahantsika, dia tompon’andraikitra ny amin’ny fomba fampiasantsika azy io isika. Raha tsy miraharaha torohevitra tsara isika ka manao fanapahan-kevitra diso, dia tsy afaka manome tsiny olon-kafa. Hoy ny apostoly Paoly: “Samy hampamoahin’Andriamanitra ny amin’ny tenany avy isika rehetra.” — Romana 14:12; Hebreo 4:13.
Tadiavo ny fahafahan’ireo zanak’Andriamanitra
23. a) Fitahiana inona avy no azontsika izao raha ny amin’ny fahafahana? b) Fitahiana inona avy no andrasantsika amim-pahadodonana?
23 Tena vahoaka voatahy marina isika. Afaka amin’ny fivavahan-diso sy ny finoanoam-poana isika. Noho ny sorom-panavotana, dia afaka manatona an’i Jehovah amin’ny feon’ny fieritreretana voadio isika, afaka amin’ny heviny ara-panahy amin’ny fanandevozan’ny ota sy ny fahafatesana. Ary tsy ho ela dia ho tonga ny “fampiharihariana ireo zanak’Andriamanitra”. Ao Haramagedona, ireo rahalahin’i Jesosy, any amin’ny voninahiny any an-danitra, dia haharihary amin’ny olombelona ho toy ny mpandringana ireo fahavalon’i Jehovah. (Romana 8:19, NW; 2 Tesaloniana 1:6-8; Apokalypsy 2:26, 27). Aorian’izay, ireo zanak’Andriamanitra ireo dia haharihary ho toy ny fitaovana handrotsahana fitahiana amin’ny taranak’olombelona avy any amin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra. (Apokalypsy 22:1-5). Amin’ny farany, io fampiharihariana ireo zanak’Andriamanitra io dia hitarika ho amin’ny fitahiana ny taranak’olombelona mahatoky, amin’ny fanomezana azy ny fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra. Maniry mafy ny hahatongavan’izany fotoana izany ve ianao? Ampiasao amim-pahendrena àry ny fahafahanao kristiana. Manompoa an’Andriamanitra izao, ary dia hahazo izany fahafahana mahatalanjona izany ho mandrakizay ianao!
[Fanamarihana ambany pejy]
a Nitsoaka io teny fiderana nataony io ilay pretra tatỳ aoriana, toa teo ambany fanerena.
Famerenana
◻ Tamin’ny ahoana no nanomezan’ireo voahosotra sy ny ondry hafa
voninahitra an’i Jehovah?
◻ Nahoana ny Kristiana no tokony hanaja ny fahefana tsy ara-pivavahana?
◻ Amin’ny fomba ahoana avy no ahafahan’ny Kristiana iray miara-miasa amin’ireo loholona?
◻ Raha ny amin’ny akanjo, nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no miavaka amin’ny olona maro eo amin’izao tontolo izao?
◻ Inona no tokony handosirantsika raha ny amin’ny fialam-boly?
[Sary, pejy 28]
Ireo loholona dia mendrika indrindra ny fitiavantsika sy ny fiaraha-miasantsika
[Sary, pejy 29]
Ny akanjon’ny Kristiana iray dia tokony ho voalamina tsara, maotina ary mifanentana amin’ny tarehin-javatra