FOKO
Fitambaran’olona misy fianakaviambe maromaro, izay iray fiaviana na mitovy fomba amam-panao, ary mitovy koa ny mpitarika azy ireo.
Miseho intelo ao amin’ny Soratra Hebreo ilay teny hebreo hoe ʼommah, izay nadika hoe ‘foko’, ary ilazana antokon’olona tsy Israelita. Antsoina hoe ‘foko’, ohatra, ny taranak’izy 12 lahy zanak’i Ismaela, any am-piandohan’ny tantaran’izy ireo. (Ge 25:16) ‘Foko’ koa no ilazana ny taranak’i Midianina. (No 25:15) Ahitana an’io teny hebreo io koa ao amin’ilay tononkalo ao amin’ny Salamo 117:1, ary mifanitsy amin’ny teny hoe “firenena” izy io ao.
Teny hebreo hafa adika matetika hoe “foko” koa ny hoe shevet sy ny hoe matteh. Samy hita ao amin’ny Nomery 18:2 ireo teny hebreo roa ireo: “Asaivo miaraka aminao ireo rahalahinao avy amin’ny fokon’i [matteh] Levy, izany hoe ny fokon’ny [shevet] rainao.”
Midika hoe ‘tehina’ na ‘tsorakazo’ ireo teny hebreo nadika matetika hoe “foko” (matteh sy shevet). (Ek 7:12; Oh 13:24) Nilazana antokon’olona notarihin’ny lehibe na mpiadidy nitondra tehina koa anefa ireo teny hebreo ireo, ka lasa nidika hoe “foko.” (Ampit. No 17:2-6.) Ny teny manodidina no ahalalana raha “foko” no tiana horesahina, na “tehina.” Raha “foko” no tiana horesahina, dia ny fokon’ny Israely no tondroin’ilay teny, ohatra hoe “ny fokon’i [matteh] Gada” na “ny fokon’ny [shevet] Levita.” (Js 13:24, 33) Ny firenen’Israely iray manontolo anefa no ilay lazain’ny Salamo 74:2 hoe ‘foko navotan’Andriamanitra ho lovany’ mba hanavahana azy amin’ny firenen-kafa. Toa nilazana antokon’olona vitsy kokoa ilay teny hoe ‘foko’ ao amin’ny Nomery 4:18. Ny Kehatita, izay anisan’ny fizarana iray ao anatin’ny fokon’i Levy, no nantsoina hoe ‘foko’ ao. Antokon’olona nosokajina araka ny faritra nisy azy, na araka ny sarangany na ny toy izany ireo ‘foko’ tany Ejipta resahin’ny Isaia 19:13.
Ny teny grika hoe fyle kosa no nadika hoe “foko.” Manondro fitambaran’olona taranaky ny razambe iray ihany io teny io sady manondro ny fizarana ao amin’io fitambaran’olona io. Matetika no ilazana an’ireo foko teo amin’ny firenen’Israely io teny io ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. (As 13:21; Ro 11:1; Fi 3:5; He 7:13, 14; Ap 5:5) Antokon’olona taranaky ny razambe iray ihany ny hoe “foko” ao amin’ny Apokalypsy 5:9. Ny olon-drehetra kosa no tiana holazaina amin’ilay hoe “avy tamin’ny foko sy fiteny sy vahoaka ary firenena rehetra” ao amin’io andininy io. Anisan’izany ny foko misy an’ireo mpihavana, ireo mitovy fiteny, ny ampahany lehibe amin’ny olona eto an-tany, ary ireo firenena. (Ap 7:9; 11:9; 13:7; 14:6) Ahitana an’ilay teny hoe fyle koa ao amin’ny hoe “ireo foko rehetra eto an-tany”, resahin’ny Apokalypsy 1:7, ka ny olon-drehetra eto an-tany no tiana holazaina amin’izany, satria milaza koa io andininy io fa “hahita azy ny maso rehetra.”—Ampit. Mt 24:30.
Fokon’ny Israely. Avy amin’izy 12 lahy zanak’i Jakoba ireo foko teo amin’ny Israely. (Ge 29:32–30:24; 35:16-18) Ireo ‘roa ambin’ny folo lahy loham-pianakaviana [gr.: dôdeka patriarkas]’ ireo no razamben’ny “foko roa ambin’ny folon’ny Israely.” (Ge 49:1-28; As 7:8) Nomen’i Jakoba tsodrano ireo zanak’i Josefa roa lahy, dia i Manase (zokiny) sy Efraima (zandriny), ka hoy izy: “Ho ahy i Efraima sy Manase, tahaka an’i Robena sy Simeona [izay tena zanany].” (Ge 48:5, 13-20) Rehefa nozaraina tamin’ireo fokon’ny Israely ny Tany Nampanantenaina dia tsy nahazo anjara lova ny “fokon’i” Josefa (Js 13-19), fa i Manase sy Efraima ‘zanany’ kosa samy nisaina ho foko iray avy. (Jereo SARINTANY, Boky 1, p. 744; SISIN-TANY.) Tsy nomen’i Jehovah anjara tany ho lovany anefa ny Levita mba tsy ho lasa 13 ny fokon’ny Israely nizarana lova. Nofidin’i Jehovah hanompo tao amin’ny toerana masina “ny fokon’i Levy” (No 1:49) ho solon’ny lahimatoa teo amin’ireo foko hafa. (Ek 13:1, 2; No 3:6-13, 41; De 10:8, 9; 18:1; jereo LEVITA.) Nisy 12 àry ny foko teo amin’ny Israely, ary tsy anisan’ireny ny Levita.—Js 3:12, 13; Mpts 19:29; 1Mp 11:30-32; As 26:7.
Tsy notononin’i Mosesy tao amin’ny tsodranony ho an’ireo foko, ny anaran’i Simeona, (De 33:6-24) angamba noho io fokon’i Simeona io lasa kely dia kely sy nanana anjara tany tao anatin’ny faritanin’i Joda. Mitovy amin’ny lisitr’ireo foko nahazo lova tantarain’ny bokin’i Josoa ny lisitr’ireo foko ao amin’ny fahitan’i Ezekiela momba ny fanomezana masina sy ireo foko 12. (Ezk 48:1-8, 23-28) Tao anatin’ilay “fanomezana masina” kosa ny fokon’i Levy, tao amin’io fahitana io.—Ezk 48:9-14, 22.
Firafitr’ireo foko. Niankina betsaka tamin’ireo foko ny nandaminana ny Israelita, na rehefa nandeha, na rehefa nitoby tany an-tany efitra. (No 2:1-31; 10:5, 6, 13-28) Arakaraka ny foko no nizarana ny tany ho lova, ary nisy lalàna nomena mba tsy hifindrafindra foko ny anjara lova.—No 36:7-9; Js 19:51.
Nozarazaraina isaky ny lohan’ny fianakaviambe ilay firenena, ka isam-poko no nanaovana izany. Fizarana lehibe indrindra teo amin’ny firenen’Israely ny foko, nefa izy io koa aza voazarazara ho “fianakaviambe” maromaro taranaky ny lohan’ny fianakaviambe. (No 3:20, 24; 34:14) Ny fianakaviambe tsirairay kosa nisy fianakaviana maromaro. Ahitana an’izany rafitra izany ao amin’ny Josoa 7:16-18 sy ny 1 Samoela 9:21; 10:20, 21.
Ireo foko anisan’ny Israely ara-panahy. Zarain’ny Apokalypsy 7:4-8 ho ‘foko’ 12 ireo 144 000 anisan’ny Israely ara-panahy, ka 12 000 no ao amin’ny foko tsirairay. (Jereo ISRAELIN’ANDRIAMANITRA.) Tsy tena mitovy ny lisitry ny zanakalahy naterak’i Jakoba (ampidirina koa i Levy) sy ilay lisitra omen’ny Apokalypsy. (Ge 49:28) Izao no mety ho antony:
Nafoin’i Robena lahimatoan’i Jakoba ny zon’ny lahimatoa, noho izy nanao hadalana. (Ge 49:3, 4; 1Ta 5:1, 2) Azon’i Josefa (lahimatoan’i Jakoba tamin’i Rahely, vadiny faharoa tiany indrindra) kosa izany zo izany ka nahazo anjaran’olon-droa izy teo amin’ny Israely. (Ge 48:21, 22) Hita ao amin’ny lisitry ny Apokalypsy izany, ka ilay hoe “Josefa” dia nisolo an’i Efraima, ary ilay hoe Manase no anjara faharoan’i Josefa teo amin’ny Israely ara-panahy. Ahitana ny fokon’i Levy ao amin’ilay lisitry ny Apokalypsy 7:4-8. Mba tsy hihoaran’ny isan’ireo foko àry dia tsy notononina ny fokon’i Dana, fa tsy hoe nisy zava-dratsy vitany akory. Nampidirina kosa ny fokon’i Levy mba hampisehoana fa tsy nisy foko iray voatokana ho mpisorona teo amin’ny Israely ara-panahy, fa io firenena io manontolo mihitsy no “sady mpisorona no mpanjaka.”—1Pe 2:9.
“Hitsara ny foko roa ambin’ny folon’ny Israely.” Nilazan’i Jesosy ireo apostoly fa “amin’ny fotoanan’ny fanavaozana” dia ‘hipetraka eo ambony seza fiandrianana roa ambin’ny folo izy ireo, ka hitsara ny foko roa ambin’ny folon’ny Israely.’ (Mt 19:28; jereo FOTOANAN’NY FANAVAOZANA.) Niteny toy izany koa izy rehefa nanao fifanekena momba ilay Fanjakana tamin’ireo apostoliny tsy nivadika. (Lk 22:28-30) Tsy te hilaza akory i Jesosy hoe hitsara an’ireo foko roa ambin’ny folon’ny Israely ara-panahy resahin’ny Apokalypsy izy ireo. Anisan’ny Israely ara-panahy ihany mantsy ireo apostoly. (Ef 2:19-22; Ap 3:21) Hitsara ireo “voantso ho olona masina”, ka “izao tontolo izao” no hotsarainy fa tsy ny tenan’izy ireo. (1Ko 1:1, 2; 6:2) Ho mpanjaka sy mpisorona ireo hiara-manjaka amin’i Kristy. (1Pe 2:9; Ap 5:10) “Ny foko roa ambin’ny folon’ny Israely” resahin’ny Matio 19:28 sy ny Lioka 22:30 àry dia “izao tontolo izao”, izany hoe ireo tsy anisan’ny mpanjaka sy mpisorona, fa hotsarain’ireo mipetraka eo ambony seza fiandrianana any an-danitra kosa.—Ap 20:4.