Genesisy
25 Ary nanambady indray i Abrahama. Ketora no anaran’ilay vadiny. 2 Ireto avy no naterany tamin’i Abrahama, rehefa nandeha ny fotoana: Zimrana, Joksana, Medana, Midianina,+ Jisbaka, ary Soaha.+
3 Ary niteraka an’i Sheba sy Dedana i Joksana.
Ny zanakalahin’i Dedana dia i Asorima sy Letosima ary Leomima.
4 Ny zanakalahin’i Midianina dia i Efaha, Efera, Hanoka, Abida, ary Eldaha.
Ireo rehetra ireo no taranak’i Ketora.
5 Tatỳ aoriana, dia nomen’i Abrahama an’i Isaka ny fananany rehetra.+ 6 Fanomezana kosa no nomeny an’ireo zanany lahy hafa naterak’ireo vadikeliny. Mbola velona koa izy, dia efa nasainy nankany Atsinanana ireo, mba hipetraka lavitra an’i Isaka zanany.+ 7 Ary 175 taona ny andro niainan’i Abrahama. 8 Dia niala aina izy ka maty, rehefa ela velona sady efa antitra sy afa-po tamin’ny fiainana. Ary nangonina any amin’ny razambeny* izy. 9 Dia nandevina azy tao amin’ny lava-bato tao Makpela ireo zanany roa lahy, Isaka sy Ismaela, tao amin’ny sahan’i Efrona zanak’i Zohara Hetita. Io ilay saha tandrifin’i Mamre,+ 10 izay novidin’i Abrahama tamin’ny taranak’i Heta. Tao no nandevenana an’i Abrahama sy Saraha vadiny.+ 11 Taorian’ny nahafatesan’i Abrahama, dia mbola nitahy foana an’i Isaka zanany Andriamanitra.+ Ary nipetraka teny akaikin’i Bera-lahai-roy+ i Isaka.
12 Izao no tantaran’i Ismaela+ zanakalahin’i Abrahama, izay naterak’i Hagara+ Ejipsianina, mpanompovavin’i Saraha:
13 Ireto avy ny anaran’ny zanakalahin’i Ismaela, araka ny anarany avy sy araka ny fianakaviana nipoirany: I Nebaiota+ no lahimatoan’i Ismaela, ary nanarakaraka azy i Kedara,+ Adbela, Mibsama,+ 14 Misma, Doma, Masa, 15 Hadada, Tema, Jetora, Nafisy, ary Kedema. 16 Ireo no zanakalahin’i Ismaela, ary ireo no anarany araka ny tanànany avy sy ny tobiny,* izany hoe mpiadidy 12, araka ny fokony avy.+ 17 Ary velona 137 taona i Ismaela, dia niala aina ka maty. Ary nangonina any amin’ny razambeny* izy. 18 Nipetraka hatrany Havila+ teny akaikin’i Sora,+ tany akaikin’i Ejipta, ka hatrany Asyria ny taranany. Nipetraka teny akaikin’ny rahalahiny rehetra izy ireo.*+
19 Ary izao no tantaran’i Isaka zanakalahin’i Abrahama:+
I Abrahama niteraka an’i Isaka. 20 Ary 40 taona i Isaka tamin’izy nanambady an’i Rebeka, zanakavavin’i Betoela+ Aramianina avy any Padana-arama, sady anabavin’i Labana Aramianina. 21 Nitalaho foana tamin’i Jehovah ho an’ny vadiny i Isaka, satria momba ilay vadiny. Dia nohenoin’i Jehovah ny fitalahoany, ka bevohoka i Rebeka. 22 Ary niady ireo zaza tao an-kibony.+ Dia hoy i Rebeka: “Raha hijaly hoatr’izao aho, dia maninona àry aho no mbola velona ihany?” Koa nanontany an’i Jehovah izy. 23 Dia hoy i Jehovah taminy: “Firenena roa no ao an-kibonao,+ ary vahoaka roa no hisaraka avy ao anatinao.+ Ny vahoaka iray dia hatanjaka noho ny iray,+ ary ny zokiny hanompo ny zandriny.”+
24 Rehefa tonga ny fotoana tokony hiterahany, dia kambana tokoa no tao an-kibony! 25 Dia nivoaka ny voalohany, ka mena ny vatany manontolo sady voloina be.+ Koa natao hoe Esao* ny anarany.+ 26 Avy eo dia nivoaka koa ny rahalahiny, ary nitazona ny voditongotr’i Esao ny tanany.+ Koa natao hoe Jakoba* ny anarany.+ Ary 60 taona i Isaka tamin’i Rebeka niteraka azy mirahalahy.
27 Rehefa nihalehibe ireo zazalahy ireo, dia lasa mpihaza mahay i Esao,+ ka tia nandehandeha tany an-tsaha. I Jakoba indray lehilahy tsy nisy tsiny, sady nipetraka an-tranolay.+ 28 Ary tia an’i Esao i Isaka, satria izy nitondra haza hohaniny. Fa i Rebeka kosa tia an’i Jakoba.+ 29 Nahandro lantihy i Jakoba, indray mandeha, dia iny fa tonga avy tany an-tsaha i Esao. Reraka be izy tamin’izay. 30 Dia hoy i Esao tamin’i Jakoba: “Mba omeo amin’io* lantihy mena io* aho! Haingana fa reraka be* aho!” Izany no nahatonga ny anarany hatao hoe Edoma.*+ 31 Dia hoy i Jakoba: “Amidio amiko àry aloha ny zonao amin’ny maha lahimatoa anao!”+ 32 Ary hoy i Esao: “Efa ho faty ihany aho, ka hataoko inona koa izay zon’ny lahimatoa?” 33 Dia hoy i Jakoba: “Mila mianiana amiko aloha ianao e!” Dia nianiana tamin’i Jakoba i Esao, ka namidiny taminy ny zony amin’ny maha lahimatoa azy.+ 34 Koa nomen’i Jakoba mofo sy lantihy izy, ka nihinana sy nisotro. Ary nitsangana izy dia lasa. Toy izany no nanaovan’i Esao tsinontsinona ny zon’ny lahimatoa.