SISIN-TANY
Midika hoe “sisin-tany” ilay teny hebreo hoe gevol, nefa mety hidika koa hoe faritra na tany ao anaty sisin-tany. Izany no hita ao amin’ny Josoa 13:23 hoe: “Lasa sisin-tanin’ny [heb.: gevol] taranak’i Robena ny Reniranon’i Jordana. Izany faritra [ogevol] izany ... no lovan’ny taranak’i Robena.”
Fetra na sisin-tany nataon’i Jehovah. Noroahin’Andriamanitra avy tao amin’ny zaridainan’i Edena i Adama sy Eva, ka voatery nonina tany ivelan’izy io. (Ge 3:23, 24) Tsy navelan’i Jehovah hijanona tao amin’ny faritr’ilay “tany” nilatsahan’ny ran’ny rahalahiny i Kaina, satria ‘niantsoantso nitaraina’ tamin’Andriamanitra ny ran’i Abela. (Ge 4:10, 11) Tatỳ aoriana, dia noferan’Andriamanitra ho “roapolo amby zato taona” (Ge 6:3) ny fotoana nonenan’ny olona teto an-tany, ka ho ringan’ny Safodrano ny ankamaroan’izy ireo aorian’izay. (Ge 6:13) Nandidy an’ireo tsy maty tamin’ilay Safodrano izy mba ‘hameno ny tany.’ Nanao zavatra hanoherana izany anefa ny olona sasany. Niditra an-tsehatra àry Andriamanitra, ka voatery nankatò ny didiny ihany ny olona ary niparitaka eran-tany.—Ge 9:1, 19; 11:1-9.
Nampanantena Andriamanitra, tatỳ aoriana, fa hanome tany iray ho an’i Abrahama sy ny taranany, ary efa nolazainy mazava tsara ny sisin-tanin’izy io. (Ge 15:18-21; Ek 23:31) Mbola navelany hipetraka “efajato taona” tao amin’io Tany Nampanantenaina io anefa ny Kananita. Namoaka didy handroahana azy ireo izy, taorian’izay, rehefa nahatratra ny fara tampony “ny fahadisoan’ny Amorita.” (Ge 15:13-16) Nandidy koa anefa i Jehovah Andriamanitra hoe tsy tokony hiditra any amin’ny sisin-tanin’i Edoma sy Moaba ary Amona ny Israelita. Mpihavana mantsy ny razamben’izy ireo. (De 2:4, 5, 18, 19) Izany rehetra izany no tokony hotadidina, mba hahazoana tsara ny hevitr’ilay hiran’i Mosesy ao amin’ny Deoteronomia 32:8 hoe: “Fony nanome lova ho an’ireo firenena ilay Avo Indrindra, fony izy nanasaratsaraka ny taranak’i Adama, dia nofaritany ny sisin-tanin’ireo firenena, araka ny isan’ny zanak’Israely.”
Mpanjakan’izao rehetra izao i Jehovah, ka zony ny mamoaka didy hamaritra sisin-tany. Izany no nahatonga an’i Jefta Mpitsara hiaro ny zon’ny Israely hipetraka tao amin’ilay tany nomen’Andriamanitra azy ireo. (Mpts 11:12-15, 23-27) Tsy nankatò an’i Jehovah tamin’ny fony anefa ny Israely, ka nisy tamin’ny fahavalon’izy ireo navelan’Andriamanitra hijanona tao anatin’ny sisin-taniny. (No 33:55; Mpts 2:20-23) Tsy afaka nanjaka tamin’ny faritra rehetra tao anatin’ireo sisin-tany nolazain’Andriamanitra izy ireo, raha tsy tamin’ny andron’i Davida Mpanjaka, izany hoe 400 taona teo ho eo taorian’ny nidiran’ny Israely tao Kanana.—2Sa 8:1-15.
Tamin’ny farany, dia navelan’i Jehovah hitsofoka tao amin’ny sisin-tanin’ny Tany Nampanantenaina ny firenena mpanompo sampy, ka nanao sesitany an’ireo Israelita, araka ny efa nampitandreman’Andriamanitra azy. Nivadi-pinoana mantsy izy ireo ka nosaziny. (De 28:36, 37, 49-53; Je 25:8-11) Nampiasa an’i Isaia, Jeremia, Ezekiela, ary Daniela mpaminany Andriamanitra mba hilaza hoe iza avy ireo firenena matanjaka hifandimby, aorian’i Babylona. Hihamahery aloha ireny firenena ireny, nefa ho resy ihany amin’ny farany. (Is 13:1–14:4; 44:28–45:5; Je 25:12-29; Ezk 21:18-27; Da toko 2, 7, 8, ary 11:1–12:4) Nilefitra i Jehovah ka navelany hisy sy hitondra eto an-tany ireo firenena, saingy mandritra ny vanim-potoana voatondro ihany. Efa nilaza mialoha koa izy fa haringany tanteraka ireny ary hesoriny ny sisin-tany nataon’izy ireny. Ny Fanjakan’ny Mesia no ampiasainy hanatanteraka izany.—Da 2:44; ampit. Ap 11:17, 18; 19:11-16.
“Faritra noferany” honenan’ny olona. Nohazavain’i Paoly tamin’ny Atenianina, fa ‘efa nisy fotoana voatondron’Andriamanitra sy faritra noferany [gr.: hôrôtesias, a.b.t.: sisin-tany nofaritany] honenan’ny olona.’ (As 17:26) Mitovy amin’izany koa ny voalazan’ny Salamo 74:17 momba ny Mpamorona hoe: “Ianao no nametra ny sisin’ny faritra rehetra eto an-tany, ary ianao no namorona ny fahavaratra sy ny ririnina.” Ilay Avo Indrindra no nanisy fetra voajanahary toy ny renirano, farihy, ranomasina, ary tendrombohitra, izay mamaritra ny toerana azon’ny olona onenana.—Ampit. Je 5:22.
Sisin-tanin’ireo fokon’ny Israely. (SARINTANY, Boky 1, p. 744) Rehefa azon’ny Israely ny Tany Nampanantenaina, dia nomena ho lovan’ny fokon’i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny fokon’i Manase, ny faritra eny “ampitan’i Jordana manandrify ny fiposahan’ny masoandro.” (No 32:1-5, 19, 33-42; 34:14, 15; Js 13:8-13, 15-32) Mbola niady nandritra ny enin-taona anefa aloha ny Israely mba handresena ny Kananita, ary taorian’izay vao nofaritana ny sisin-tany tany andrefan’i Jordana ho an’ireo foko sivy sy ilay antsasany ambiny tamin’ny fokon’i Manase. I Josoa sy Eleazara mpisorona ary mpiadidy iray isam-poko no notendren’i Jehovah hiandraikitra ny fizarana an’ilay tany. (No 34:13-29; Js 14:1) Izao nandidian’Andriamanitra an’i Mosesy izao no narahin’izy ireo: “Arakaraka ny hamaroany no hampitomboanao ny lovany, ary arakaraka ny havitsiany no hampihenanao ny lovany. Tokony homena araka ny isan’ny voasoratra anarana ny lovan’ny tsirairay. Antsapaka ihany no hizarana ny tany.”—No 26:52-56; 33:53, 54.
Toa natao antsapaka ny fizarana an’ilay tany, nefa nojerena koa ny haben’ny foko tsirairay. Ny faritra ho azon’ny foko tsirairay ihany anefa no nasehon’ny antsapaka, ka nahafantarana hoe tany avaratra ve ilay izy, sa tany atsimo sa atsinanana sa andrefana sa teny amin’ny lemaka amoron-tsiraka sa teny amin’ny faritra be tendrombohitra. Ny fanapahan-kevitr’i Jehovah no nasehon’ny antsapaka. Amin’izay dia tsy hisy foko hifampialona na hiady. (Oh 16:33) Ny antsapaka koa no nitarihan’Andriamanitra ny toe-javatra, mba ho tanteraka tamin’ny foko tsirairay ilay faminaniana nolazain’i Jakoba tamin’izy efa ho faty.—Ge 49:1-33.
Rehefa vita ny antsapaka, dia nofantarina hoe hoatran’ny ahoana ny haben’ny faritany homena ny foko tsirairay, arakaraka ny haben’ilay foko. Hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Zarao ho anareo ilay tany araka ny fianakaviana eo aminareo, ka antsapaka no hizaranareo azy. Ampitomboy ny lovan’izay maro, ary ahenao kosa ny lovan’izay vitsy. Izay tany azony amin’ny antsapaka no ho lasany.” (No 33:54) Izay faritra nasehon’ny antsapaka ihany àry no nohazonina, saingy mety hoe namboarina ny habeny. Lehibe loatra, ohatra, ny anjara faritanin’i Joda ka nahena, ary nisy ampahany maromaro tamin’ilay izy nomena ny fokon’i Simeona.—Js 19:9.
Tsy ny velaran’ny faritra azon’ilay foko ihany anefa no nojerena, rehefa nanapa-kevitra hoe hampitomboina sa hahena ny tany nomena ho lovany. Ny fokon’i Dana, ohatra, no foko faharoa be mponina indrindra, nefa kely kokoa tsy araka ny tokony ho izy ny faritany nomena azy. Mety ho nisy zavatra hafa koa mantsy nojerena, anisan’izany ny hoe firy ny tanàna tao amin’ilay faritany, toerana nanao ahoana ilay izy, ary tsara sa ratsy ny nofon-tany teo aminy.—Ampit. Js 17:14-18.
Voafaritra kokoa ny sisin-tanin’ny foko tsirairay taorian’izay, ka azo notendrena amin’izay ny anjaran’ny isam-pianakaviana. Toa tsy antsapaka no nanaovana izany. I Eleazara sy Josoa ary mpiadidy iray isam-poko kosa no komity voatendry hiandraikitra izany. (Js 17:3, 4) Izay no antony nilazan’ny Deoteronomia 19:14 hoe: “Aza ahemotra ny fetra mamaritra ny tanin’ny namanao, rehefa ho voafaritry ny razanao ny anjara lovanao.”—Jereo FETRA MAMARITRA TANY.
Ny anjaran’ireto foko ireto no nofaritana voalohany: Ny fokon’i Joda (Js 15:1-63) sy Josefa (Efraima) (Js 16:1-10) ary ilay antsasaky ny fokon’i Manase nonina tany andrefan’i Jordana. (Js 17:1-13) Ny sisin-tanin’izy ireo sy ny tanànany mantsy no voaresaka ao amin’ny fitantarana momba ny fizarana ny tany teny ampita andrefan’i Jordana. Toa niato ny fizarana taorian’izay, satria voalaza fa niala tany Gilgala ny Israely ary nitoby tao Silo. (Js 14:6; 18:1) Tsy fantatra hoe naharitra hafiriana izany fiatoana izany. Tamin’ny farany, dia niteny mafy an’ireo foko fito ambiny i Josoa, noho izy ireo tsy maika honina tao amin’ny sisa tamin’ny Tany Nampanantenaina. (Js 18:2, 3) Maro ny antony naroson’ireo mpivaofy teny. Nisy nilaza fa tsy nahatsapa ireo foko ireo hoe tokony halaina haingana ny sisa tamin’ilay Tany Nampanantenaina, satria betsaka ny zavatra azony babo, tamin’izy ireo niady mba hahazoana an’ilay tany. Misy koa nanazava fa nahatsiaro ho nilamindamina izy ireo satria ny Kananita tsy afaka nanafika avy hatrany. Angamba koa hoe tsy te hifanandrina tamin’ireo fahavalo mahery izay mbola nanohitra tany amin’ny faritra sasany izy ireo. (Js 13:1-7) Mety ho antony koa ny hoe tsy tena fantatr’izy ireo tsara io ampahany tamin’ny Tany Nampanantenaina io, raha oharina amin’ireo efa azony.
Tsy tian’i Josoa hitarazoka intsony izany, ka naniraka lehilahy 21 izy, izany hoe 3 isak’ireo foko 7. Nilazany izy ireo hoe: “Ataovy sary ilay tany ka zarao fito.” ‘Notsinjarain’izy ireo ho fito’ àry ilay tany, “arakaraka ireo tanàna.” Nanao antsapaka ho azy ireo i Josoa avy eo, mba hahalalana ny hevitr’i Jehovah. (Js 18:4-10) Resahina ao amin’ny Josoa 18:11–19:49 ny anjara lovan’ny foko tsirairay.
Tsy nomena faritra iray nitokana ny fokon’i Levy, izay fokon’ny mpisorona. Tanàna sy kijana 48 tany anatin’ny sisin-tanin’ireo foko hafa kosa no nomena azy ireo.—Js 13:14, 33; 21:1-42.
Sisin-tany karazany hafa. Nanao ny fifaneken’ny Lalàna tamin’ny Israely olony Andriamanitra, mba ‘hanavahana’ azy ireo tamin’ireo hafa firenena, nandritra ny 1 545 taona. (Le 20:26) Toy ny hoe lasa nisy “rindrina” àry teo anelanelan’ny Jiosy sy ny hafa firenena, ka nanasaraka azy ireo. Noravan’Andriamanitra anefa ilay rindrina rehefa maty ho sorona ny Zanany. Nofoanany tamin’izay koa ilay Lalàna nisy didy maro. Niresaka an-kolaka momba ilay fefy na rindrina (sorega) tao amin’ny tempoly i Paoly, ao amin’ny Efesianina 2:12-16. Toy ny hoe sisin-tany tsy azon’ny hafa firenena nihoarana io rindrina io, raha tsy te ho faty izy ireo. Nety tsara àry ny nampiasan’i Paoly azy io ho ohatra ilazana hoe nampisy fisaratsarahana ny fifaneken’ny Lalàna.
Nanao ny fifanekena vaovao Andriamanitra, ary i Kristy Jesosy no mpanelanelana amin’izy io. Nanjary nisy karazana sisin-tany àry nampisaraka an’ireo Kristianina anisan’ny Israely ara-panahy tamin’ny olona rehetra. Miavaka kokoa noho ny sisin-tany ara-bakiteny izy io. (Jn 17:6, 14-19; 1Pe 2:9-11) Efa taloha ela i Jehovah no naminany fa hanorina an’i Ziona amin’ny vatosoa sarobidy, ary “vatosoa tena tsara” no hanaovany ny sisin-taniny rehetra. Naka teny tamin’io faminaniana io i Jesosy, ka nampihariny tamin’ireo lasa mpianany ny andininy manaraka. (Is 54:12, 13; Jn 6:45; ampit. Ap 21:9-11, 18-21.) Tsy tokony hihoarana ireny sisin-tany an’ohatra ireny, ary efa nampitandrina Andriamanitra hoe haringany izay manao izany.—Ampitahao Is 54:14, 15; 60:18 sy 1Ko 3:16, 17.
Tsy tokony hivoaka an’ireny sisin-tany an’ohatra ireny ireo Kristianina anisan’ny Israely ara-panahy. Midika izany fa tsy maintsy mifanaraka amin’ny fitsipik’Andriamanitra ny fitondran-tenan’izy ireo. (1Ko 5:9-13; 6:9, 10; 1Te 4:3-6) Tsy tokony hihoarany koa ny sisin-tany an’ohatra mampisaraka azy amin’ny fivavahan-diso sy amin’izao tontolo izao. (2Ko 6:14-18; Jk 4:4; Ap 18:4) Tokony hohajain’izy ireo ny fetra mamaritra hoe hatraiza ny Kristianina no hankatò ny “manam-pahefana” mpitondra. (Ro 13:1, 5; 1Pe 2:13-16; As 4:19, 20; 5:29) Tsy maintsy manaja ny fitsipika mifehy ny fanambadiana ny mpivady. (1Ko 7:39; 1Pe 3:1, 7) Tokony hankatò an’Andriamanitra amin’ny lafiny hafa rehetra koa izy ireo.
Nilaza koa i Paoly fa misy sisin-tany mamaritra ny faritany anaovana fanompoana.—2Ko 10:13-16.