TANANA
Rantsambatana manomboka eo amin’ny hatotanana ka hatramin’ny rantsantanana. Heverina ho anisan’ny “tanana” àry ny hatotanana indraindray, ao amin’ny Soratra Masina. Voalaza, ohatra, hoe asiana brasele ny ‘tanana’ (Ge 24:22, 30, 47; Ezk 16:11), ary hoe teo amin’ny ‘tanan’i’ Samsona no natao ny tady namatorana azy. (Mpts 15:14) Ny tanana no mampihatra ny herin’ny sandry any amin’izay tiana hampiasana azy. Matetika àry no misy ifandraisany amin’ny hoe “hery ampiasaina” ny hoe “tanana”, amin’ny heviny an’ohatra. (Ek 7:4; 13:3; De 2:15; Lk 1:66) Kinga ny tanan’ny olombelona, sady mahavita zavatra isan-karazany ka izy io no tena manao asa. Imbetsaka àry izy io ao amin’ny Baiboly no ilazana asa maro isan-karazany.
Yad no teny hebreo fampiasa mba hilazana ny “tanana.” Nadika hoe “tanana” koa indraindray ny kaf (a.b.t.: felatanana). (Jb 22:30) Keir kosa no teny grika nadika matetika hoe “tanana.”
Fihetsika amin’ny tanana sy ny dikan’izany. Nanao fihetsika tamin’ny tanany ny olona mba hilazana zavatra maro. Nanandra-tanana nivavaka, ohatra, izy ireo ka matetika no namelatra izany ary nampitodika ny felatanany tany amin’ny lanitra mba hitalahoana tamin’Andriamanitra (2Ta 6:12; Ne 8:6); nanangan-tanana izy ireo rehefa nianiana (Ge 14:22); nikasika ny molony tamin’ny tanany na nanoroka ny tanany ho fiarahabana (Jb 31:27); nitehaka rehefa faly (2Mp 11:12) na tezitra na naneso (No 24:10; Jb 27:23; Na 3:19); nanambana tamin’ny tanana (Is 10:32); niloloha tanana na nihazona andilana noho ny alahelo na fahoriana (2Sa 13:19; Je 30:5, 6); ary nanasa tanana tamin’ny rano mba hanarahana fombafomba fidiovana na mba hanehoana hoe tsy manan-tsiny na tsy tompon’andraikitra.—Mt 15:1, 2; 27:24; ampifan. Sl 26:5, 6; 51:1, 2; jereo FIHETSIKA SY FANAO.)
Heviny an’ohatra. Ampiasaina hilazana an’ilay olona mihitsy ny hoe “tanana”, indraindray. Hoy, ohatra, i Davida rehefa nangataka sakafo tamin’i Nabala: “Raha sitrakao, dia mba omeo izay azon’ny tananao.” (1Sa 25:8) Ny hoe “tanana” koa dia nilazana ny toe-tsain’ny olona iray na zavatra nataony (Ge 16:12), na ny fanekeny fa tompon’andraikitra amin’izay ataony izy.—Ge 9:5; Ezk 3:18, 20, f.a.p.
Nofenoin’i Mosesy zavatra hatao sorona ny tanan’ireo mpisorona, rehefa natao ny fombafomba fametrahana azy ireo teo amin’ny toerany. Manana heviny an’ohatra izany, ka midika hoe ‘nofenoina fahefana ny tanan’izy ireo’ mba hanaovany ny asan’ny mpisorona.—Le 8:25-27, 33, f.a.p.; jereo TANANA, FENOINA FAHEFANA.
Nanome toky an’i Jakoba i Jehovah fa ‘ny tanan’i Josefa [zanany] no hanakimpy ny masony rehefa maty izy.’ (Ge 46:4) Ny lahimatoa no tokony hanao izany, raha ny tena izy. Nahazo toky àry i Jakoba fa ho eo anilany mandritra ireo taona sisa hahavelomany i Josefa zanany tiany. Toa nilaza mialoha koa izany fa ho lasan’i Josefa ny zon’ny lahimatoa nafoin’i Robena.
Voalaza koa fa Andriamanitra dia mampiasa ny ‘tanany’ an’ohatra, izany hoe, ny hery ampiasainy mba hanaovan-javatra, ohatra hoe hamoronana (Sl 8:6; 102:25); handringanana ny fahavalony (Is 25:10, 11); hanafahana ny olony (Ek 7:4, 5); hanehoana fankasitrahana sy fahefana mba hanasoavana an’ireo mitady azy (Ezr 8:22); hanomezana izay ilain’ny olona (Sl 104:28; 145:16); ary hanampiana azy ireny (Is 11:11). Nilaza i Eliho fa lasa ny olo-mahery nefa “tsy nokasihin-tanana.” “Tsy nendahan-tanana” koa ilay vato hitan’i Nebokadnezara tao amin’ny nofy. Ny hoe “tsy nokasihin-tanana” sy ny “tsy nendahan-tanana” dia samy midika hoe tsy tanan’olombelona fa ny herin’i Jehovah no nanatanteraka izany.—Jb 34:1, 20; Da 2:34, 44, 45.
Ny hoe ‘eo am-pelatanan’ny olona iray na eo ambany fitantanany na eo ambanin’ny tanany’ dia midika hoe eo ambany fahefany na fifehezany. (Ge 9:2; 41:35; Jb 2:6; 1Pe 5:6; ampit. Ge 37:21) Mety hidika koa anefa izany hoe manana fahefana amin’ny olon-kafa izy na misy olona ankinina aminy. (Ge 16:6, ampit. Prot.; Ge 42:37, ampit. Prot.; Lk 23:46; Jn 10:28, 29) Mahery ka mandresy kosa no dikan’ny hoe ‘tamin’ny tanana natsangana.’ (Ek 14:8, f.a.p.) Midika hoe manome hery na manome izay fitaovana ilaina na manampy ny hoe ‘mampahery ny tanana.’ (Ezr 1:6, f.a.p.) Manakivy no hevitry ny hoe “mampiraviravy tanana.” (Je 38:4) Midika hoe manao vivery ny aina ny hoe ‘mametraka ny aina eo am-pelatanan’ny olona iray.’ (1Sa 19:5, f.a.p; Jb 13:14, f.a.p.) ‘Nifandray tanana’ ny olona rehefa nampanantena hanao zavatra (Ezr 10:19) na nanaiky hiantoka olona. (Oh 6:1-3; 17:18; 22:26) Midika hoe manao zavatra ny hoe ‘mametraka ny tanana eo amin’ny zavatra iray.’ (De 15:10, ampit. Prot.) Midika ara-bakiteny hoe ‘mametraka ny tanana eo amin’ny fananan’olona’ ny hoe mangalatra na mampiasa zavatr’olona tsy nierana. (Ek 22:7, 8, 10, 11) Ilazana hoe tsy fananan-tsiny ny hoe ‘tanana madio’ (2Sa 22:21, ampit. Sl 24:3, 4), ary famonoana olona ny hoe ‘tanana feno ra.’ (Is 1:15; 59:3, 7) Midika hoe mangina ny hoe ‘manampina ny vava amin’ny tanana’ (Mpts 18:19), ary kivy ny hoe ‘miraviravy tanana.’ (2Ta 15:7; jereo koa Is 35:3; He 12:12, 13.) Ilazana hoe malala-tanana ny hoe ‘manokatra ny tanana.’—De 15:11.
Hahantra ny kamo satria “mbola hamoritra tanana ihany ka hatory kely.” (Oh 6:9-11) Voalaza fa mamizana azy na dia ny hampakatra ny tanany ho ao am-bavany aza, rehefa misakafo. (Oh 26:15) “Hahantra izay kamo miasa, fa mampanan-karena kosa ny tanan’ny mazoto.”—Oh 10:4.
Maro be ny fomba fiteny hebreo ampiasana ny hoe “tanana.” Midika hoe miandany amin’ny olona iray, ohatra, ny hoe ‘momba azy ny tanana.’ (Ek 23:1; 1Sa 22:17) Ny hoe ‘ny tanan’ny olona iray no anaovana zavatra iray’ dia midika hoe eo ambany fiandraiketany na amin’ny alalany no anaovana ilay zavatra. (Ek 38:21; Le 8:36; 10:11; 2Sa 3:18) Lazaina hoe ‘tsy takatry ny tanana’ ny zavatra iray raha tsy voavidy satria sahirana ara-pivelomana ilay tokony hividy azy. (Le 14:21) Midika kosa hoe izay ananana ny hoe ‘izay azon’ny tanana.’ (No 6:21) Midika ara-bakiteny hoe “ny tanan’ny sabatra” ny hoe “ny herin’ny sabatra”, ary ‘ny tanan’ny lela’ ny hoe ny herin’ny lela. (Jb 5:20; Oh 18:21) Midika ara-bakiteny hoe ‘ain’ny tanana’ ny fahazoana hery indray. (Is 57:10) Ny hoe “mafy tanana” amin’ny rahalahy dia midika hoe tsy vonona hanampy azy.—De 15:7.
Nasain’i Jehovah nofatoran’ny Israelita ‘ho famantarana teo amin’ny tanan’izy ireo’ ny teniny. (De 6:6-8; 11:18) Nilaza koa izy fa nataony vita sokitra teo amin’ny felatanany i Ziona, izany hoe, hotsaroany sy hokarakarainy foana. (Is 49:14-16) Izany koa no dikan’ilay teniny tamin’ireo lehilahy novosirina hoe homeny “tsangambato” (na toerana; a.b.t.: tanana) ao an-tranony izy ireo, satria nifikitra tamin’ny fifanekena nataony. (Is 56:4, 5) Voalaza fa nosoratan’ireo mpivavaka tamin’i Jehovah teo amin’ny tanan’izy ireo ny hoe “An’i Jehovah”, mba hilazana hoe mpanompon’i Jehovah izy ireo. (Is 44:5) Toy izany koa ilay ‘mariky’ ny “bibidia” eo amin’ny tanana havanan’ny olona. Midika koa izy io hoe manohana an’ilay “bibidia sy ny sariny” ilay olona ao am-pony sy ao an-tsainy ary amin’ny ataony. Ny tanana mantsy no ampiasain’ny olona rehefa manao zavatra hanompoana ny tompony izy.—Ap 13:16, 17; 14:9, 10; 20:4.
Mametra-tanana. Tsy natao hitazonana zavatra fotsiny ny tanana, fa nampiasaina koa rehefa nametra-tanana tamin’ny olona na zavatra, ary nisy antony maro nanaovana izany. Matetika anefa izy io no natao hanendrena na hampahafantarana olona na zavatra iray. Nametra-tanana teo amin’ny lohan’ilay ombilahy sy ondrilahy roa, ohatra, i Arona sy ny zanany lahy, rehefa natolotra ny sorona fametrahana azy ireo teo amin’ny toerany. Midika izany fa neken’izy ireo hoe ho azy no nanaovana sorona an’ireo biby ireo mba hahatongavany ho mpisorona ho an’i Jehovah Andriamanitra. (Ek 29:10, 15, 19; Le 8:14, 18, 22) Nametra-tanana tamin’i Josoa koa i Mosesy rehefa nanendry an’i Josoa handimby azy. Izany mantsy no nasain’Andriamanitra nataon’i Mosesy. “Feno fanahim-pahendrena” i Josoa taorian’izay ka afaka nitarika ny Israely. (De 34:9) Nametra-tanana tamin’izay tokony hahazo tsodrano ny olona nanan-jo hanao izany. (Ge 48:14; Mr 10:16) Nikasika na nametra-tanana tamin’ny olona sasany nositraniny i Jesosy Kristy. (Mt 8:3; Mr 6:5; Lk 13:13) Nandray ny fanahy masina ny olona sasany rehefa nametra-tanana tamin’izy ireo ny apostoly.—As 8:14-20; 19:6.
Fanendrena mpiandraikitra. Nisy lehilahy matotra, teo anivon’ny fiangonana kristianina, notendrena ho mpiandraikitra. Nametra-tanana tamin’izy ireny ireo nanana fahefana hanao izany. (As 6:6; 1Ti 4:14) Hanampy olona ireny lehilahy voatendry ireny ary ho modely. Hoy àry ny apostoly Paoly tamin’i Timoty: “Aza malaky mametra-tanana amin’olona na iza na iza, ary aza miombona ota amin’ny olona.” Midika izany fa tsy tokony ho maimaika hanendry rahalahy izy, fa tokony hijery tsara raha mahafeno fepetra ilay rahalahy. Mety tsy hanao tsara ny andraikiny mantsy ilay rahalahy avy eo, ka ho tompon’andraikitra amin’izay olana aterak’izany koa i Timoty.—1Ti 5:22.
Ny tanana havanana. Tena zava-dehibe sy manana heviny an’ohatra ny tanana havanana. Ninian’i Jakoba napetraka teo amin’ny lohan’i Efraima zanak’i Josefa ny tanany havanana rehefa nitso-drano izy. Tiany homena tsodrano tsara kokoa mantsy i Efraima. Tsy faly anefa i Josefa, satria i Efraima no zandriny. (Ge 48:13-20) Toerana faran’izay ambony ny hoe eo ankavanan’ny mpitondra iray, satria manarakaraka an’ilay mpitondra mihitsy (Sl 110:1; As 7:55, 56; Ro 8:34; 1Pe 3:22) na manana ny toeran’ny olona ankasitrahana. (Mt 25:33) Voalaza fa eo an-tanana havanan’i Jesosy ny kintana fiton’ireo fiangonana fito. Midika izany fa ankasitrahany ireny anti-panahy rehetra ireny ary eo ambany fahefany, ka izy no mitarika azy ireny.—Ap 1:16, 20; 2:1.
Nahazo hery ny olona iray rehefa nandray ny tanany ankavanana Andriamanitra. (Sl 73:23) Mazàna no tamin’ny tanany ankavanana no nihazonan’ny miaramila ny sabany, fa tamin’ny tanany ankavia kosa ny ampingany. Tsy voaro àry ny tanany ankavanana, ka nisy namany nijoro na niady teo ankavanany mba hiarovana azy. Ampiasaina an’ohatra izany mba hilazana ny fanampiana sy fiarovan’Andriamanitra an’ireo manompo azy.—Sl 16:8; 109:30, 31; 110:5; 121:5.
Hoy ny mpanoratra ny Mpitoriteny: “Ny fon’ny hendry dia eo ankavanany, fa ny fon’ny adala kosa eo ankaviany.” Tia manao izay mahitsy sy marina mantsy ny hendry, fa ny adala kosa tia manao ratsy.—Mpto 10:2.
Atsimo sy avaratra. Nadika koa hoe “atsimo” ny teny hebreo (yamin) midika hoe “tanana havanana”, ary nadika hoe “avaratra” ny teny hebreo (semôʼl) midika hoe “tanana havia.” (Ge 14:15; Sl 89:12) Mitodika miantsinanana mantsy ny olona rehefa te hamantatra hoe aiza ny atsimo sy avaratra ary andrefana. Eo ankavanan’ny olona iray àry ny atsimo.—1Sa 23:19, 24.
Heviny hafa. Ny teny hebreo hoe yad, izay nadika hoe “tanana”, dia nampiasaina koa hilazana hoe ‘eny amoron’ny’ zavatra iray (Ek 2:5), na ‘eo am-pelatanan’ny’ olona (Mpto 4:1), na ‘eo anilan’ny’ olona (Ne 3:4, 5, 7); ‘ny morontsiraka’ (No 24:24); ary ny “lahiny” tamin’ny rafitr’ilay tranolay masina. (Ek 26:17) Ny teny hebreo hoe kaf, izay nadika matetika hoe “felatanana” sy “tanana”, dia nampiasaina koa hilazana ny faladia amin’ny ‘tongotra’ (Ge 8:9), ny “kaopy” tao amin’ny tranolay masina sy ny tempoly (Ek 25:29; No 7:84, 86; 2Mp 25:14), ny lempona eo amin’ny “foto-pe”, ary ny “foitran’ny” pilotra. (Ge 32:25, 32; 1Sa 25:29) Mbola misy teny malagasy hafa nandikana ny yad (tanana) sy ny kaf (felatanana; tanana).
Ilay teny hoe “be” (a.b.t.: eran’ny tanana imbetsaka) ao amin’ny Genesisy 41:47, dia midika hoe vokatra be dia be. Mety hidika hoe zavatra kely kosa ny hoe ‘eran-tanan’ila’ (1Mp 17:12; Mpto 4:6), arakaraka ny teny manodidina.—Jereo ANKIBEN-TANANA; FANASANA TANANA; SANDRY.