Nomery
24 Rehefa hitan’i Balama fa tian’i Jehovah* hahazo tsodrano ny Israely, dia tsy nandeha nitady fambara ratsy intsony izy.+ Dia nitodika tany an-tany efitra izy. 2 Ary niasa tamin’i Balama ny fanahin’Andriamanitra,+ tamin’izy nitazana ka nahita an’ireo Israelita nitoby araka ny fokony avy.+ 3 Dia nanao an’izao oha-pitenenana izao izy:+
“Ny tenin’i Balama zanak’i Beora,
Dia ny tenin’ilay lehilahy nampahiratina ny masony.
4 Ny tenin’ilay maheno ny tenin’Andriamanitra,
Sy nahazo fahitana avy tamin’ilay Mahery Indrindra,
Dia ilay niankohoka sady natao nahiratra ny masony:+
6 Nitatra lavitra ireny, hoatran’ny lohasaha,*+
Hoatran’ny zaridaina eo amoron’ny renirano,
Toy ny hazo aloesy nambolen’i Jehovah,
Ary toy ny hazo sedera eo amoron-drano.
8 Entin’Andriamanitra mivoaka avy any Ejipta i Israely,
Ary toy ny tandrok’ombidia miaro azy ireo Izy.
Hataony ripaka ireo firenena mampijaly azy,+
Dia hokepokepohiny ny taolan’ireny, ary ny zana-tsipìkany no hamotipotehany an’ireny.
9 Mipetraka ambany izy, ary mitsilailay hoatran’ny liona,
Toy ny liona izy, ka iza no sahy hanaitra azy?
Mahazo fitahiana izay mitso-drano anao,
Fa voaozona kosa izay manozona anao.”+
10 Dia tezitra be tamin’i Balama i Balaka. Sady tezitra izy no nitehaka, dia niteny tamin’i Balama hoe: “Ny hanozona ny fahavaloko no niantsoako anao,+ nefa vao mainka ianao nitso-drano azy intelo be izao. 11 Mandehana mody izao dia izao! Nieritreritra aho hoe homeko voninahitra miavaka be ianao,+ nefa nosakanan’i Jehovah tsy hahazo an’izany.”
12 Dia hoy i Balama tamin’i Balaka: “Koa izaho efa niteny tamin’ireny olona nirahinao ireny hoe: 13 ‘Na omen’i Balaka ahy aza ny tranony feno volafotsy sy volamena, dia tsy afaka manao izay tiako* aho, na tsara izany na ratsy, afa-tsy izay asain’i Jehovah ataoko ihany. Izay tenenin’i Jehovah amiko ihany no hoteneniko’!+ 14 Handeha hody any amin’ny fireneko aho izao. Avia àry fa hoteneniko anao izay hataon’io firenena io amin’ny firenenao any aoriana* any.” 15 Dia nanao an’izao oha-pitenenana izao izy:+
“Ny tenin’i Balama zanak’i Beora,
Dia ny tenin’ilay lehilahy natao nahiratra ny masony,+
16 Ny tenin’ilay maheno ny tenin’Andriamanitra,
Sy manana ny fahalalana ananan’ilay Avo Indrindra,
Ary nahazo fahitana avy tamin’ilay Mahery Indrindra,
Tamin’izy niankohoka sady natao nahiratra ny masony:
17 Hahita azy aho, nefa tsy izao dia izao,
Hahatazana azy aho, nefa tsy ho ato ho ato.
19 Hisy mpandresy koa avy amin’i Jakoba.+
Dia handringana an’izay sisa mbola velona ao an-tanàna izy.”
20 Rehefa nahita an’i Amaleka izy, dia mbola nanao oha-pitenenana ihany hoe:
21 Rehefa nahita ny Kenita+ izy, dia mbola nanao oha-pitenenana indray hoe:
“Voaro tsara ny tranonao, ary naorina teny amin’ny harambato ny fonenanao.
22 Hisy handoro anefa i Kaina.*
Rahoviana vao hitondra anao ho babo i Asyria?”
23 Ary mbola nanao oha-pitenenana ihany izy hoe:
“Loza! Iza no ho tafavoaka velona rehefa manao an’izany Andriamanitra?
24 Hisy sambo ho tonga avy any amin’ny morontsirak’i Kitima,+
Dia hampijaly an’i Asyria+ ireny,
Sady hampijaly an’i Ebera.
Ho ringana tanteraka koa anefa izy.”
25 Dia lasa niverina tany aminy i Balama.+ Dia lasa koa i Balaka.