Josoa
21 Nanatona an’i Eleazara+ mpisorona sy Josoa zanak’i Nona ary ny lohan’ny fianakaviamben’ny fokon’ny Israely ireo lohan’ny fianakaviamben’ny Levita, 2 ka niteny tamin’izy ireo tao Silo,+ tany Kanana, hoe: “Efa nanome didy tamin’ny alalan’i Mosesy i Jehovah hoe homena tanàna hipetrahana sy kijana ho an’ny biby fiompinay izahay.”+ 3 Nomen’ny Israelita tanàna+ sy kijana avy tamin’ny lovany àry ny Levita,+ araka ny baikon’i Jehovah.
4 Natao ny antsapaka ka nahazo ny anjarany ny fianakavian’ny Kehatita.+ Ary azon’ny Levita, taranak’i Arona mpisorona, tamin’ny antsapaka ny tanàna 13 avy tamin’ny fokon’i Joda+ sy ny fokon’i Simeona+ ary ny fokon’i Benjamina.+
5 Ary ny sisa tamin’ny Kehatita dia nomena* tanàna folo avy tamin’ireo fianakaviana anisan’ny fokon’i Efraima+ sy ny fokon’i Dana ary ny antsasaky ny fokon’i Manase.+
6 Ary ny Gersonita+ kosa nahazo tanàna 13 avy tamin’ny fianakavian’ny fokon’i Isakara, sy ny fokon’i Asera, sy ny fokon’i Naftaly, ary ny antsasaky ny fokon’i Manase any Basana.+
7 Ny azon’ny Merarita+ kosa, araka ny fianakaviany avy, dia tanàna 12 avy tamin’ny fokon’i Robena sy ny fokon’i Gada ary ny fokon’i Zebolona.+
8 Dia nomen’ny Israelita ho an’ny Levita tamin’ny antsapaka ireo tanàna ireo sy ny kijanany, araka ny didy nomen’i Jehovah tamin’ny alalan’i Mosesy.+
9 Voatonona anarana ato ireo tanàna nomena avy tamin’ny fokon’i Joda sy ny fokon’i Simeona.+ 10 Ireo no nomena ho an’ny taranak’i Arona, izany hoe ny fianakavian’ny Kehatita anisan’ny Levita, noho izy ireo nahazo anjara voalohany rehefa natao ny antsapaka. 11 Nomena azy ireo i Kiriata-arba,+ izany hoe Hebrona,+ any amin’ny faritra be tendrombohitr’i Joda, sy ny kijana manodidina azy.—Rain’i Anàka io Arba io.— 12 Nomena an’i Kaleba zanak’ i Jefone kosa ny faritra sy ny tanàna kely manodidina an’ilay tanàna.+
13 Ary nomena ho an’ny taranak’i Arona mpisorona ilay tanàna fialokalofan’izay nahafaty olona,+ dia ny tanànan’i Hebrona+ sy ny kijanany. Nomena azy koa i Libna+ sy ny kijanany, 14 Jatira+ sy ny kijanany, Estemoa+ sy ny kijanany, 15 Holona+ sy ny kijanany, Debira+ sy ny kijanany, 16 Aina+ sy ny kijanany, Jota+ sy ny kijanany, ary Beti-semesy sy ny kijanany. Tanàna sivy no avy tamin’ireo foko roa ireo.
17 Ary ny avy tamin’ny fokon’i Benjamina dia i Gibeona+ sy ny kijanany, Geba sy ny kijanany,+ 18 Anatota+ sy ny kijanany, ary Almona sy ny kijanany, izany hoe tanàna efatra.
19 Ny tanàna rehetra nomena ny mpisorona taranak’i Arona, dia tanàna 13 sy ny kijanany.+
20 Ary nomena tanàna avy tamin’ny fokon’i Efraima, tamin’ny antsapaka, ny sisa tamin’ny fianakavian’ny Kehatita anisan’ny Levita. 21 Nomena azy ireo ilay tanàna fialokalofan’izay nahafaty olona,+ dia i Sekema+ sy ny kijanany eny amin’ny faritra be tendrombohitr’i Efraima. Nomena azy koa i Gazera+ sy ny kijanany, 22 Kibzaima sy ny kijanany, ary Beti-horona+ sy ny kijanany, izany hoe tanàna efatra.
23 Ny avy tamin’ny fokon’i Dana dia i Elteke sy ny kijanany, Gibetona sy ny kijanany, 24 Aialona+ sy ny kijanany, ary Gata-rimona sy ny kijanany, izany hoe tanàna efatra.
25 Ary ny avy tamin’ny antsasaky ny fokon’i Manase dia i Tanàka+ sy ny kijanany, ary Gata-rimona sy ny kijanany, izany hoe tanàna roa.
26 Folo ny tanàna rehetra sy ny kijanany azon’ny sisa tamin’ny fianakavian’ny Kehatita.
27 Ary nahazo tanàna avy tamin’ny antsasaky ny fokon’i Manase ny Gersonita+ anisan’ny fianakavian’ny Levita, dia ilay tanàna fialokalofan’izay nahafaty olona, izany hoe ny tanànan’i Golana+ any Basana sy ny kijanany. Azony koa i Bestera sy ny kijanany, izany hoe tanàna roa.
28 Ny avy tamin’ny fokon’i Isakara+ dia i Kisiona sy ny kijanany, Daberata+ sy ny kijanany, 29 Jarmota sy ny kijanany, ary En-ganima sy ny kijanany, izany hoe tanàna efatra.
30 Ny avy tamin’ny fokon’i Asera+ dia i Misala sy ny kijanany, Abdona sy ny kijanany, 31 Helkata+ sy ny kijanany, ary Rehoba+ sy ny kijanany, izany hoe tanàna efatra.
32 Ary ny avy tamin’ny fokon’i Naftaly dia ilay tanàna fialokalofan’izay nahafaty olona,+ izany hoe ny tanànan’i Kedesy+ any Galilia sy ny kijanany. Azony koa i Hamota-dora sy ny kijanany, ary Kartana sy ny kijanany, izany hoe tanàna telo.
33 Ny tanàna rehetra azon’ny Gersonita, araka ny fianakaviany avy, dia tanàna 13 sy ny kijanany.
34 Ary nahazo tanàna avy tamin’ny fokon’i Zebolona+ ny fianakavian’ny Merarita,+ izany hoe ny sisa tamin’ny Levita, dia ny tanànan’i Jokneama+ sy ny kijanany, Karta sy ny kijanany, 35 Dimna sy ny kijanany, ary Nahalala+ sy ny kijanany, izany hoe tanàna efatra.
36 Ny avy tamin’ny fokon’i Robena dia i Bezera+ sy ny kijanany, Jahaza sy ny kijanany,+ 37 Kedemota sy ny kijanany, ary Mefata sy ny kijanany, izany hoe tanàna efatra.
38 Ary ny avy tamin’ny fokon’i Gada+ dia ilay tanàna fialokalofan’izay nahafaty olona, izany hoe ny tanànan’i Ramota any Gileada+ sy ny kijanany. Azony koa i Mahanaima+ sy ny kijanany, 39 Hesbona+ sy ny kijanany, ary Jazera+ sy ny kijanany. Tanàna efatra ny fitambarany.
40 Ny tanàna rehetra azon’ireo fianakaviana anisan’ny Merarita, izay sisa tamin’ny fianakavian’ny Levita, dia tanàna 12.
41 Ny tanàna rehetra an’ny Levita teo amin’ny lovan’ny Israelita, dia tanàna 48 sy ny kijanany.+ 42 Nanana kijana manodidina azy ny tsirairay tamin’ireo tanàna ireo. Hoatr’izany daholo ireo tanàna ireo.
43 Nomen’i Jehovah ny Israely àry ilay tany manontolo, izay nanaovany fianianana tamin’ny razambeny hoe homeny azy ireo.+ Dia nalain’izy ireo izany ka nipetrahany.+ 44 Ary nataon’i Jehovah nilamina tanteraka ny tanin’izy ireo, araka ny fianianana nataony tamin’ny razamben’izy ireo,+ ka tsy nisy nahatohitra azy ny fahavalony rehetra na iray aza.+ Nataon’i Jehovah resin’izy ireo daholo ny fahavalony.+ 45 Tsy nisy tsy tanteraka na iray aza ny zava-tsoa* rehetra nampanantenain’i Jehovah tamin’ny taranak’Israely, fa tanteraka daholo.+