Salamo
BOKY FAHADIMY
(Salamo 107 – 150)
2 Aoka hilaza izany ireo navotan’i Jehovah,+
Dia ireo navotany avy teo an-tanan’ny fahavalo,+
3 Sy nangoniny avy tany amin’ny tany maro,+
Avy tany amin’ny fiposahan’ny masoandro sy ny filentehany,+
Ary avy tany avaratra sy tany atsimo.+
4 Nirenireny tany an-tany efitra+ sy teny amin’ny tany karakaina+ izy ireo.
Ary tsy nahita lalana hahatongavana any amin’izay tanàna azo onenana.+
6 Dia nitaraindraina tamin’i Jehovah izy ireo rehefa ory+
Ka nafahany tamin’ny fahorian-tsainy+
7 Sy nampandehaniny tamin’ny lalana tokony halehany,+
Mba ho tonga any amin’izay tanàna azo onenana.+
8 Misaora an’i Jehovah noho ny hatsaram-panahiny feno fitiavana,+
Sy noho ny asa mahatalanjona nataony ho an’ny zanak’olombelona.+
10 Nisy tamin’izy ireo tao anatin’ny haizina sy ny haizim-pito+
Sady voagejan’ny fahoriana sy ny gadra vy,+
11 Satria nikomy+ tsy nanaraka ny tenin’Andriamanitra,+
Ary tsy niraharaha ny torohevitr’ilay Avo Indrindra.+
12 Koa navelan’Andriamanitra hitondra fahoriana izy ireo mba hamolahana ny fony.+
Tafintohina izy ireo, ary tsy nisy namonjy.+
13 Dia niantso vonjy tamin’i Jehovah izy ireo rehefa ory.+
Koa namonjy azy tamin’ny fahorian-tsainy izy, toy ny efa fanaony.+
14 Navoakany avy tao anatin’ny haizina sy ny haizim-pito izy ireo,+
Ary notapahiny ny fatotra nangeja azy ireo.+
15 Misaora an’i Jehovah noho ny hatsaram-panahiny feno fitiavana,+
Sy noho ny asa mahatalanjona nataony ho an’ny zanak’olombelona.+
18 Nanjary nankaloiloy azy daholo ny karazan-tsakafo rehetra+
Ary efa teo akaikin’ny vavahadin’ny fahafatesana+ izy ireo.
19 Niantso vonjy tamin’i Jehovah izy ireo rehefa ory.+
Koa namonjy azy tamin’ny fahorian-tsainy izy,+ toy ny efa fanaony.
21 Misaora an’i Jehovah noho ny hatsaram-panahiny feno fitiavana,+
Sy noho ny asa mahatalanjona nataony ho an’ny zanak’olombelona.+
22 Ary aoka izy ireo hanolotra sorona fisaorana,+
Sy hanambara amim-pihobiana ny asan’Andriamanitra.+
23 Ireo midina any an-dranomasina ka mandray sambo+
Mba hanao raharaham-barotra eny amin’ny rano midadasika,+
24 No mahita ny asan’i Jehovah+
Sy ny asany mahatalanjona, any amin’ny rano lalina.+
25 Hitan’izy ireo fa rehefa miteny Andriamanitra dia misy rivo-mahery mifofofofo,+
Ka mampiakatra ny onjan-dranomasina.+
26 Miakatra eny amin’ny lanitra izy ireo,
Ary midina any amin’ny fanambanin’ny ranomasina.
Mitsonika toy ny savoka izy ireo+ noho ny fahoriana.
30 Dia faly izy ireo satria tony ireny,
Ary notarihin’Andriamanitra ho any amin’ny seranana niriny hahatongavana izy ireo.+
31 Misaora an’i Jehovah noho ny hatsaram-panahiny feno fitiavana,+
Sy noho ny asa mahatalanjona nataony ho an’ny zanak’olombelona.+
33 Manova ny renirano ho tany efitra Andriamanitra,+
Ny loharano ovany ho tany karakaina,+
34 Ary ny tany mahavokatra ho tanin-tsira,+
Noho ny faharatsian’ny mponina eo.
35 Manova ny tany efitra ho kamory anirian’ny bararata izy,+
Ary ny tany karakaina ovany ho loharano.+
40 Ataony tototry ny latsa ny olona ambony+
Mba hahatonga azy ireo hirenireny any an-tany efitra, izay tsy misy lalan-kivoahana.+