Salamo
Ho an’ny mpitarika ny Gitita.+ Hiran’ny taranak’i Kora.
2 Manimanina te ho any amin’ny tokotanin’ny tranolain’i Jehovah aho, ka trotraky ny alahelo.+
Mihoby an’ilay Andriamanitra velona ny foko sy ny tenako manontolo.+
3 Na ny vorona aza nahita trano,
Ary ny sidintsidina nahita akany
Hametrahany ny zanany,
Dia eo amin’ny alitaranao be voninahitra, Jehovah Tompon’ny tafika ô, ry Mpanjakako sy Andriamanitro!
6 Na dia lemaka karakaina anirian’ny hazo bakà* aza no andalovany,+
Dia manjary toy ny tany misy loharano.
Mitafy fiderana toy ny fitafy akanjo ilay mpampianatra.+
8 Henoy ny vavaka ataoko, Jehovah Andriamanitry ny tafika ô!+
Aoka ianao hanongilan-tsofina, ry Andriamanitr’i Jakoba ô!+ Sela.
10 Fa ny indray andro eo an-tokotaninao dia tsara noho ny arivo any an-toeran-kafa.+
Aleoko mijoro eo an-tokonam-baravaran’ny tranon’Andriamanitro,+
Toy izay hiriaria ao amin’ny tranolain’ny ratsy fanahy.+
11 Fa masoandro+ sy ampinga+ i Jehovah Andriamanitra,
Fankasitrahana sy voninahitra no omeny.+
Tsy hiahotra ny hanome zava-tsoa ho an’izay mandeha tsy misy tsiny i Jehovah.+
12 Jehovah Tompon’ny tafika ô, sambatra izay olona matoky anao.+