Jeremia
18 Izao no tenin’i Jehovah tonga tamin’i Jeremia: 2 “Mitsangàna ka midìna any an-tranon’ny mpanefy tanimanga,+ fa any no hilazako aminao ny teniko.”
3 Dia nidina tany an-tranon’ny mpanefy tanimanga aho, ka hitako izy miasa eo amin’ilay milina mihodinkodina fampiasany. 4 Simban’ny tanan’ilay mpanefy tanimanga anefa ilay vilany nataony, ka niova hevitra izy ary novany ho zavatra hafa ilay izy, araka izay tiany hanaovana azy.+
5 Dia tonga tamiko indray ny tenin’i Jehovah hoe: 6 “‘Tsy afaka manao aminareo toy ny nataon’io mpanefy tanimanga io koa ve aho, ry taranak’Israely ô?’, hoy i Jehovah. ‘Toy ny tanimanga eny an-tanan’ny mpanefy tanimanga ianareo eto an-tanako, ry taranak’Israely ô!+ 7 Rehefa manameloka firenena na fanjakana aho, ka mikasa hanongotra sy handrodana ary handrava azy,+ 8 nefa miala amin’ilay faharatsiana nanamelohako azy ilay firenena,+ dia hanenenako ny loza noeritreretiko hamelezana azy.+ 9 Fa rehefa milaza kosa aho hoe hanorina sy hamboly firenena na fanjakana,+ 10 nefa manao ratsy eo imasoko izy ka tsy mankatò ny teniko,+ dia hanenenako ny soa noeritreretiko hanasoavana azy.’
11 “Koa mba lazao amin’ny olon’i Joda sy ny mponin’i Jerosalema hoe: ‘Izao no nolazain’i Jehovah: “Mikasa hahatonga loza aminareo aho ary mieritreritra ny hanasazy anareo.+ Koa samia re miala amin’ny lalan-dratsinareo ianareo e, ka ahitsio ny lalanareo sy ny fanaonareo.”’”+
12 Hoy anefa izy ireo: “Aza manantena an’izany!+ Fa izay noeritreretinay ihany no hataonay. Ary samy hanatanteraka ny ditran’ny fo ratsinay+ izahay.”
13 Koa izao no nolazain’i Jehovah: “Mba anontanio, azafady, ny olona eo amin’ireo firenena hoe: Iza no efa nandre zavatra toy izany? Efa tafahoatra loatra ny zava-mahatsiravina nataon’ny Israely virjiny.+ 14 Ho levona ve ny lanezin’i Libanona eny ambony vatolampy any an-tsaha? Ho ritra ve ny rano mangatsiatsiaka mikoriana avy any an-tany hafa? 15 Fa nanadino ahy ny oloko+ ka nanolotra setroka ho sorona ho an’ny zavatra tsy misy ilana azy,+ ary nanao izay hanafintohina olona teny amin’ny lalany,+ eny, teny amin’ny lalana fahiny,+ mba handehanan’ireny amin’ny lalambe, dia lalana mikitoantoana, 16 ka nahatonga ny taniny higagam-bahoaka+ sy hampisioka olona, mandritra ny fotoana tsy voafetra.+ Hitolagaga izay rehetra mandalo eo ka hihivingivin-doha.+ 17 Haparitako eo anoloan’ny fahavalony izy ireo, toy ny ataon’ny rivotra avy any atsinanana.+ Ary homeko lamosina izy ireo fa tsy hatrehiko,+ amin’ny andro hahitany loza.”
18 Dia hoy izy ireo: “Andao isika hanao tetika hamelezana an’i Jeremia,+ satria tsy ho foana eo am-bavan’ny mpisorona ny lalàna,+ ary tsy ho foana ny torohevitra avy amin’ny olon-kendry, na ny teny avy amin’ny mpaminany.+ Andao isika hiampanga+ an’i Jeremia, ary aza misy miraharaha izay lazainy.”
19 Mba jereo ny manjo ahy, Jehovah ô, ary henoy ny tenin’ireo mpanohitra ahy.+ 20 Dia ratsy ve no havaly ny soa?+ Nihady lavaka hamandrihana ahy*+ izy ireo. Tsarovy ny nitsanganako teo anatrehanao hilaza zavatra tsara momba azy ireo, mba hampisinda ny fahatezeranao taminy.+ 21 Koa ataovy maty mosary ny zanany,+ ary izy ireo kosa atolory ho amin’ny sabatra.+ Aoka ny vadiny tsy hanan-janaka velona intsony, ary ho lasa mpitondratena.+ Aoka ho fatin’aretina ny lehilahy eo aminy, ary ny tovolahy ho lavon-tsabatra any an’ady.+ 22 Aoka hisy fidradradradrana ho re avy ao an-tranon’izy ireo rehefa asainao manafika azy tampoka ny mpandroba.+ Nihady lavaka mantsy izy ireo mba hisamborana ahy, ary nanisy fandrika miafina mba hamandrihana ny tongotro.+
23 Jehovah ô, ianao mahalala tsara ny tetika rehetra hamelezan’izy ireo ahy mba hahafaty ahy.+ Aza manarona ny fahadisoany, ary aza kosehina tsy ho eo anatrehanao ny fahotany. Aoka kosa izy ireo ho tafintohina eo anatrehanao.+ Asio izy ireo amin’ny fotoanan’ny fahatezeranao.+