Ny Taratasy Nosoratan’i Jakoba
3 Ry rahalahiko, tsy tokony ho be dia be ianareo no ho lasa mpampianatra. Fantatrareo mantsy fa ho mafy* kokoa ny hitsarana antsika mpampianatra.+ 2 Fa manao fahadisoana* imbetsaka isika rehetra.+ Raha misy tsy manao fahadisoana amin’izay lazainy, dia izy no olona lavorary, sady mahafehy ny tenany manontolo. 3 Raha asiantsika lamboridy ny vavan’ny soavaly mba hahatonga azy hanaiky antsika, dia ny vatany manontolo koa no ho azontsika baikoina. 4 Jereo koa ange ny sambo e! Na ngezabe aza ireny sady atosiky ny rivotra mahery, dia familiana kely fotsiny no itondran’ny mpanamory azy ho any amin’izay tiany.
5 Hoatr’izany koa ny lela: Kely io taova io ao amin’ny vatana, nefa mirehareha be. Jereo ange ny afo e! Kely fotsiny dia efa mandoro ala be. 6 Afo koa ny lela.+ Amin’ny taova rehetra amin’ny vatantsika, dia ny lela no fototry ny faharatsiana rehetra. Mandoto ny vatana manontolo+ mantsy ny lela, nefa koa mandrehitra* ny fiainana manontolo* sady arehitry ny Gehena.* 7 Azo folahina daholo ny karazana bibidia sy vorona sy biby mandady ary biby any an-dranomasina rehetra, ary efa voafolaky ny olombelona ireny. 8 Tsy misy olombelona mahafolaka ny lela anefa. Tsy voafehy izy io sady manimba, ary feno poizina mahafaty.+ 9 Izy io no iderantsika an’i Jehovah* Raintsika. Izy io koa anefa no anozonantsika ny olona, izay noforonina mba “hisy hitovizana amin’Andriamanitra.”+ 10 Vava iray ihany no iderana sy anozonana.
Tsy mety raha izany no mitranga,+ ry rahalahiko. 11 Loharano iray ihany ve dia hampiboiboika rano mamy sy rano mangidy avy eo amin’ny vavany iray ihany? 12 Ry rahalahiko, aviavy ve dia hamoa oliva, ary voaloboka ve dia hamoa aviavy?+ Ny loharano masira koa tsy mety hamoaka rano mamy.
13 Iza aminareo no hendry sy mahira-tsaina? Aoka izy ho tsara fitondran-tena, ka ho hita amin’ny ataony hoe malemy fanahy izy satria manam-pahendrena. 14 Raha be fialonana+ sy tia ady*+ anefa ianareo ao am-ponareo, dia aza mirehareha+ na milaza zavatra mifanohitra amin’ny fahamarinana. 15 Tsy mba fahendrena avy any ambony izany, fa fahendrena avy eto an-tany,+ sady araka ny nofo sy araka ny demonia. 16 Fa rehefa misy olona mialona sy tia ady,* dia hisy korontana sy zava-dratsy isan-karazany koa.+
17 Ny fahendrena avy any ambony kosa madio aloha,+ dia avy eo tia fihavanana,+ mahay mandanjalanja,+ vonona hankatò, be famindram-po sy manao ny tsara,*+ tsy manavakavaka,*+ ary tsy mihatsaravelatsihy.+ 18 Ankoatra izany, dia afafy ao anatin’ny fihavanana+ ny voan’ny fahamarinana mba hahasoa an’izay mpampihavana.*+