10 Sitrak’i Jehovah anefa ny hanorotoro azy.+ Nataony narary koa izy.+ Raha atolotrao ho fanatitra noho ny heloka+ izy, dia hahita an’izay ho taranany+ sady hanalava ny androm-piainany,+ ary ny tanany no hanatanteraka an-tsakany sy an-davany+ izay sitrak’i+ Jehovah.
2 Ary mandehana mandrakariva amin’ny fitiavana,+ tahaka ny nitiavan’i Kristy anareo+ koa, ka nanolorany ny tenany ho anareo, ho fanatitra+ sy sorona ho an’Andriamanitra mba ho hanitra mamerovero.+
14 Nanolotra ny tenany+ ho antsika izy mba hanafahany+ antsika amin’ny karazana fandikan-dalàna rehetra sy mba hanadiovany+ firenena iray ho azy manokana,+ dia firenena mazoto amin’ny asa tsara.+
17 Koa tsy maintsy tonga tahaka an’ireo “rahalahiny” izy tamin’ny lafiny rehetra,+ mba ho tonga mpisoronabe mamindra fo sy mendri-pitokisana raha ny amin’ny zavatra momba an’Andriamanitra,+ ka hanolotra sorona fampihavanana+ noho ny fahotan’ny olona.+
24 Izy no nitondra ny fahotantsika+ tao amin’ny vatany, teo amin’ny tsato-kazo,+ mba ho afaka amin’ny ota isika+ ka hanao ny marina foana eo amin’ny fiainantsika. “Ny ratra taminy no nahasitrana anareo.”+