Deoteronomia 15:7 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 7 “Raha misy amin’ny rahalahinao lasa mahantra ao amin’ny iray amin’ny tanànanao, ao amin’ny taninao izay omen’i Jehovah Andriamanitrao anao, dia aza manamafy fo, ary aza mafy tanana amin’ny rahalahinao mahantra.+ Salamo 112:9 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 9 Manao fanomezana be dia be izy, ary manome ho an’ny mahantra.+ צ [Tsade]Maharitra mandrakizay ny fahamarinany.+ ק [Kôfa]Hisandratra amim-boninahitra ny tandrony.*+ Ohabolana 14:21 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 21 Manota izay manao tsinontsinona ny namany,+ fa sambatra kosa izay miantra ny ory.+ Ohabolana 22:9 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 9 Hotahina izay manana fijery mangoraka, satria anomezany ho an’ny mahantra ny sakafony.+
7 “Raha misy amin’ny rahalahinao lasa mahantra ao amin’ny iray amin’ny tanànanao, ao amin’ny taninao izay omen’i Jehovah Andriamanitrao anao, dia aza manamafy fo, ary aza mafy tanana amin’ny rahalahinao mahantra.+
9 Manao fanomezana be dia be izy, ary manome ho an’ny mahantra.+ צ [Tsade]Maharitra mandrakizay ny fahamarinany.+ ק [Kôfa]Hisandratra amim-boninahitra ny tandrony.*+