4 “Aza manao sary sokitra ho anao, na bikabikan-javatra mitovy amin’izay eny amin’ny lanitra ambony, na izay etỳ amin’ny tany ambany, na izay any anaty rano ambanin’ny tany.+
26“‘Aza manao andriamanitra tsy misy dikany,+ na sary sokitra+ na tsangambato masina ho anareo. Aza asiana vato voasokitra+ eo amin’ny taninareo mba hiankohofanareo aminy.+ Fa izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
14 Tsy misaina mihitsy ny olona rehetra ka tsy mahalala.+ Ho menatra ny mpanefy rehetra fa nanao sary sokitra.+ Fitaka fotsiny ny sarivongana metaly nataony,+ fa tsy misy aina.+