Hira Fiakarana nataon’i Davida.
122 Faly aho rehefa hoy izy ireo tamiko:+
“Andao isika ho any an-tranon’i Jehovah!”+
2 Ny tongotray efa mijoro+
Ao an-tanànanao, ry Jerosalema ô!+
3 Toy ny tanàna voaorina tsara i Jerosalema.+
Tafakambana tsara ho iray izy.+
4 Any no iakaran’ireo foko,+
Dia ireo fokon’i Jah,+
Araka ny fampahatsiahivana nomeny ho an’ny Israely,+
Mba hisaotra ny anaran’i Jehovah.+
5 Fa any no ametrahana ny sezan’ny mpitsara,+
Sy ny seza fiandrianan’ny taranak’i Davida.+
6 Mangataha fiadanana ho an’i Jerosalema!+
Tsy hanana ahiahy izay tia anao,+ ry tanàna ô!
7 Hisy fiadanana foana anie ao anatin’ny mandanao,+
Ary hisy tsy fananana ahiahy anie ao anatin’ireo tilikambo fonenana manodidina anao!+
8 Noho ny amin’ny rahalahiko sy ny namako no hilazako hoe:+
“Hisy fiadanana anie ao aminao!”+
9 Noho ny amin’ny tranon’i Jehovah Andriamanitsika,+
Dia hitady izay hahasoa anao foana aho.+