Salamo
Vavak’i Davida.
2 Arovy aho satria tsy mivadika aminao.+
Andriamanitro ianao, ka mba vonjeo ity mpanomponao izay matoky anao.+
5 Tsara toetra+ sy vonona hamela heloka+ ianao, Jehovah ô,
Sady tena tsara fanahy sy be fitiavana amin’izay rehetra miantso anao.+
9 Ho avy ny firenena rehetra nataonao,+
Ka hiankohoka eo anatrehanao, Jehovah ô,+
Sy hankalaza ny anaranao!+
11 Ampianaro ny lalanao aho, Jehovah ô!+
Handeha amin’ny fahamarinanao aho.+
Ataovy izay hatahorako ny anaranao amin’ny foko manontolo.+
12 Midera anao amin’ny foko manontolo aho, Jehovah Andriamanitro ô!+
Homeko voninahitra mandritra ny fotoana tsy voafetra ny anaranao,
13 Satria tena tsara fanahy sy be fitiavana amiko ianao,+
Ary novonjenao tsy hidina any amin’ny Fasana* lalina indrindra aho.*+
14 Andriamanitra ô, nitsangana hamely ahy ny olona sahisahy ratsy,+
Ary nifofo ny aiko ny andian’olona lozabe.+
Tsy mba nataon’izy ireo teo anatrehany ianao.+
15 Fa ianao kosa, Jehovah ô, dia Andriamanitra mamindra fo sy tsara fanahy,+
Tsy mora tezitra+ ary be hatsaram-panahy feno fitiavana sady tena tia fahamarinana.+