-
Levitikosy 26:3-12Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 “‘Raha manaraka ny fitsipiko sy mankatò foana ny didiko ianareo ka manatanteraka an’izany,+ 4 dia homeko ranonorana amin’ny fotoanany,+ ka hahavokatra ny tany+ ary hamoa ny hazo eny an-tsaha. 5 Ny fotoam-piasana eny am-pamoloana ho tratran’ny fiotazam-boaloboka, ary ny fiotazam-boaloboka ho tratran’ny famafazam-boa. Hihinana mofo ianareo ka ho voky, ary hiadana sy hilamina ao amin’ny taninareo.+ 6 Hataoko manjaka ao amin’ilay tany ny filaminana,+ ka tsy hisy hampatahotra anareo rehefa matory ianareo.+ Hesoriko tanteraka ao amin’ilay tany ny bibidia masiaka, ary tsy hisy mpanafika hamely ny taninareo amin’ny sabatra. 7 Hanenjika ny fahavalonareo ianareo, ary hovonoinareo amin’ny sabatra ireny. 8 Ny 5 aminareo hanenjika 100, ary ny 100 hanenjika 10 000, ary hovonoinareo amin’ny sabatra ny fahavalonareo.+
9 “‘Hitahy* anareo aho, ka hataoko manan-taranaka sy ho maro be ianareo,+ ary hohajaiko ny fifanekena nataoko taminareo.+ 10 Mbola tsy laninareo akory ny vokatra tamin’ny taon-dasa, dia efa tsy maintsy hesorinareo izany mba hisy toerana ho an’ny vaovao. 11 Dia hataoko eo aminareo ny tranolaiko,+ ary tsy hanary anareo aho. 12 Ho eo aminareo aho ka ho Andriamanitrareo,+ ary ianareo ho vahoakako.+
-