Deoteronomia
33 Izao no tsodrano nolazain’i Mosesy, lehilahin’Andriamanitra, rehefa nitso-drano ny Israelita izy talohan’ny nahafatesany.+ 2 Hoy izy:
“Tonga avy any Sinay i Jehovah,+
Ary avy tao Seira izy no namirapiratra teo amin’izy ireo.
Namirapiratra sy be voninahitra izy, avy tao amin’ny faritra be tendrombohitr’i Parana.+
Nisy anjely masina an’alinaliny niaraka taminy,+
Ary teo ankavanany ny miaramilany.+
5 Lasa mpanjaka teo amin’i Jesorona* Andriamanitra,+
Rehefa nivory ny lohandohany teo amin’ny vahoaka,+
Sy ny foko rehetra teo amin’ny Israely.+
7 Izao no tsodrano nolazainy momba an’i Joda:+
“Henoy ny feon’i Joda, Jehovah ô,+
Ary enga anie ianao hamerina azy any amin’ny vahoakany!
Niady taminy ianao* teo akaikin’ilay rano tao Meriba,+
9 Dia tamin’ilay lehilahy niteny tamin’ny ray aman-dreniny hoe: ‘Tsy raharahiako ianareo.’
Na ny rahalahiny aza tsy nekeny,+
Ary tsy noraharahiany ny zanany.
Fa nanaraka ny teninao izy ireo,
Ary nohajainy foana ny fifanekena nataonao taminy.+
Aleo izy ireo hanolotra emboka manitra mba ho hanitra mahafinaritra anao,*+
Ary hanolotra fanatitra mba hodorana manontolo eo amin’ny alitaranao.+
11 Tahio ny heriny, Jehovah ô!
Ary enga anie hahafinaritra anao ny asan’ny tanany!
Ataovy torotoro ny tongotr’izay* mitsangana hiady aminy,
Mba tsy ho tafarina intsony izay mankahala azy.”
12 Hoy indray izy momba an’i Benjamina:+
“Aleo ilay malalan’i Jehovah hipetraka tsy hanana ahiahy eo akaikiny,
Ary izy hanome fialofana azy mandritra ny andro manontolo.
Hipetraka eo anelanelan’ny sorony izy.”
13 Hoy izy momba an’i Josefa:+
“Enga anie hotahin’i Jehovah ny taniny,+
Ka hahazo ny zavatra tena tsara avy any an-danitra,
Dia ando sy rano avy any amin’ny loharano any ambany any,+
14 Zavatra tena tsara entin’ny masoandro,
Vokatra tsara azo isam-bolana,+
15 Ny zavatra tsara indrindra avy amin’ny tendrombohitra efa nisy hatrizay,*+
Zavatra tena tsara eny amin’ny havoana efa teo hatry ny ela,
16 Ny zavatra tena tsara avy amin’ny tany sy izay rehetra eo aminy,+
Ary ny fankasitrahan’Ilay mipetraka ao amin’ny voarointsilo.+
Enga anie izy ireny ho eo an-dohan’i Josefa,
Dia ho eo an-tampon-dohan’ilay nosinganina tamin’ny rahalahiny!+
17 Ny voninahiny dia hoatran’ny voninahitry ny ombilahy nateraka voalohany,
Ary tandrok’ombidia ny tandrony.
Hanoto ny vahoaka amin’ireny izy,
Ka hatosiny hatrany amin’ny faran’ny tany izy rehetra.
Ireny no alinalin’i Efraima,+
Sady arivoarivon’i Manase.”
18 Hoy izy momba an’i Zebolona:+
“Mifalia, ry Zebolona, noho ny varotra ataonao any ivelany,
Ary ianao, ry Isakara, mifalia ao an-tranolainao.+
19 Hantsoin’izy ireo ho any an-tendrombohitra ny vahoaka,
Ka any izy ireo no hanao sorona araka ny fahamarinana.
Fa haka amin’ny* harem-be any an-dranomasina izy ireo,
Sady haka amin’ny harena miafina ao amin’ny fasika.”
20 Hoy kosa izy momba an’i Gada:+
“Hotahina ilay manitatra ny sisin-tanin’i Gada.+
Mamitsaka hoatran’ny liona izy,
Ka vonona hamiravira sandry, sy hamiravira tampon-doha mihitsy aza.
21 Hifidy ny ampahany tsara indrindra izy,+
Satria io no anjara natokan’ny mpanao lalàna homena azy.+
Hiara-mivory ny lohandohany eo amin’ny vahoaka.
Izay rariny amin’i Jehovah no hampihariny,
Ary hampihariny amin’ny Israely ny didim-pitsarany.”
“Zana-diona i Dana.+
Hitsambikina avy ao Basana izy.”+
23 Hoy indray izy momba an’i Naftaly:+
“Voky fankasitrahana i Naftaly,
Ary tototry ny fitahian’i Jehovah.
Alaivo ho anao ny tany any andrefana sy ny any atsimo.”
24 Ary hoy izy momba an’i Asera:+
“Hotahina i Asera ka hahazo zanakalahy.
Enga anie izy mba hankasitrahan’ny rahalahiny,
Ary enga anie izy hanatsoboka* ny tongony ao anaty menaka!
26 Tsy misy hoatran’ilay Andriamanitr’i+ Jesorona,+
Izay mamakivaky ny lanitra mba hanampy anao,
Sady mitaingina rahona amin’ny voninahiny lehibe.+
27 Fialofana hatramin’ny taloha ela be Andriamanitra,+
Ary hanohana anao ny sandriny maharitra mandrakizay.+
28 Hilamina ny tanin’i Israely,
Ary ho voaro ny lavadranon’i Jakoba,
Eo amin’ny tany be varimbazaha sy divay vaovao,+
Ary hitete ando ny lanitra eo amboniny.+