Nomery
23 Ary hoy i Balama tamin’i Balaka: “Manorena alitara fito eto amin’ity toerana ity,+ dia asio ombilahy fito sy ondrilahy fito efa vonona eto, fa ilaiko.” 2 Tonga dia nataon’i Balaka izay nolazain’i Balama. Dia nanolotra ombilahy iray sy ondrilahy iray teo ambonin’ny alitara tsirairay izy roa lahy.+ 3 Ary hoy i Balama tamin’i Balaka: “Mijanòna eto akaikin’ny fanatitra dorana natolotrao eto, fa handeha kely aho. Angamba hiresaka amiko i Jehovah, dia hoteneniko anao izay ampahafantariny ahy.” Dia nankeo amin’ny havoana iray mangadihady izy.
4 Dia nifandray tamin’i Balama Andriamanitra,+ ka hoy i Balama taminy: “Efa nalahatro ny alitara fito, dia efa nanolotra ombilahy iray sy ondrilahy iray teo ambonin’ny alitara tsirairay aho.” 5 Ary notenenin’i Jehovah an’i Balama izay tokony holazainy,+ ka hoy izy taminy: “Miverena any amin’i Balaka, dia lazao aminy izany.” 6 Dia niverina izy, ary hitany nijoro teo akaikin’ny fanatitra dorana natolony i Balaka sy ny andrianan’i Moaba rehetra. 7 Ary nanao an’izao oha-pitenenana izao i Balama:+
“Nalain’i Balaka mpanjakan’i Moaba avy any Arama aho,+
Avy any amin’ny tendrombohitra any atsinanana, ka hoy izy:
‘Tongava atỳ hanozona an’i Jakoba.
Tongava atỳ hanameloka an’i Israely.’+
8 Ataoko ahoana anefa ny hanozona an’izay tsy nozonin’Andriamanitra?
Ary ataoko ahoana ny hanameloka an’izay tsy nomelohin’i Jehovah?+
9 Avy eto an-tampon’ny harambato aho no mahita azy ireo,
Ary avy eto amin’ny havoana no mahatazana azy.
10 Iza no mahavita manisa ny vahoakan’i Jakoba, izay be dia be hoatran’ny vovoka,+
Na mahavita manisa na dia ny ampahefatry ny Israely fotsiny aza?
Aleo aho ho faty hoatran’ny ahafatesan’ny olo-marina,
Ary enga anie hitovy amin’ny hiafarany no hiafarako!”
11 Dia hoy i Balaka tamin’i Balama: “Fa inona ity ataonao amiko? Nentiko atỳ ianao mba hanozona ny fahavaloko, nefa vao mainka indray ianao mitso-drano azy!”+ 12 Dia hoy i Balama: “Tsy izay asain’i Jehovah lazaiko ihany angaha no lazaiko?”+
13 Ary hoy i Balaka taminy: “Andao re hifindra any an-toeran-kafa hahitanao an-dry zareo koa e! Ny sasany amin-dry zareo ihany no ho hitanao, fa tsy izy rehetra. Dia ozòny ry zareo rehefa any ianao.”+ 14 Koa nentiny nankeo amin’ny sahan’i Zofima teo an-tampon’i Pisga+ i Balama. Dia nanorina alitara fito i Balaka, ary nanolotra ombilahy iray sy ondrilahy iray teo ambonin’ny alitara tsirairay.+ 15 Ary hoy i Balama taminy: “Mijanòna eto akaikin’ny fanatitra dorana natolotrao eto, fa izaho handeha etsy mba hifandray amin’Andriamanitra.” 16 Ary nifandray tamin’i Balama i Jehovah ka noteneniny azy izay tokony holazainy.+ Dia hoy izy taminy: “Miverena eny amin’i Balaka, dia lazao aminy izany.” 17 Koa nankeo amin’i Balaka izy, ary hitany fa efa niandry teo akaikin’ny fanatitra dorana natolony i Balaka sy ireo andrianan’i Moaba. Ary hoy i Balaka tamin’i Balama: “Inona, hono, no nolazain’i Jehovah?” 18 Dia nanao an’izao oha-pitenenana izao i Balama:+
“Mitsangàna, ry Balaka, ka mihainoa.
Henoy aho, ry zanak’i Zipora ô!
Tsy hotanterahiny ve izay nolazainy?+
Tsy hataony ve izay noteneniny?
21 Tsy misy olona avelany hampiasa herin’ny maizina hamelezana an’i Jakoba,
Ary tsy avelany hisy loza hanjo ny Israely.
Manampy azy i Jehovah Andriamaniny,+
Ary ankalazain’izy ireo mafy Izy fa mpanjakany.
22 Entin’Andriamanitra mivoaka avy any Ejipta izy ireo,+
Ary toy ny tandrok’ombidia miaro azy ireo Izy.+
Izao àry no azo lazaina momba an’i Jakoba sy Israely amin’izao:
‘Jereo ny zava-bitan’Andriamanitra!’
Ka tsy hatory raha tsy efa avy mihinana remby,
Sy avy misotro ny ran’izay novonoiny.”
25 Dia hoy i Balaka tamin’i Balama: “Raha tsy afaka manozona azy mihitsy àry ianao, dia aza mitso-drano azy!” 26 Fa hoy i Balama: “Angaha izaho tsy efa nilaza taminao hoe: ‘Izay rehetra tenenin’i Jehovah ihany no hataoko’?”+
27 Ary hoy i Balaka: “Andao re hoentiko ho any an-toeran-kafa indray ianao e! Angamba any ianao no tian’ilay tena Andriamanitra hanozona an-dry zareo.”+ 28 Dia nentin’i Balaka teo an-tampon’i Peora izy, teo amin’ilay ahatazanana an’i Jesimona.*+ 29 Ary hoy i Balama tamin’i Balaka: “Manorena alitara fito eto amin’ity toerana ity, dia asio ombilahy fito sy ondrilahy fito efa vonona eto, fa ilaiko.”+ 30 Dia nataon’i Balaka izay nolazain’i Balama, ka nanolotra ombilahy iray sy ondrilahy iray teo ambonin’ny alitara tsirairay izy.