Mpitsara
4 Nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah indray ny Israelita rehefa maty i Ehoda.+ 2 Navelan’i Jehovah ho resin’i Jabina mpanjakan’i Kanana àry izy ireo.+ Tao Hazora i Jabina no nanjaka, ary i Sisera no lehiben’ny tafiny. Tao Harosetan’ireo firenena* kosa i Sisera no nipetraka.+ 3 Dia nitaraina tamin’i Jehovah ny Israelita,+ satria nanana kalesin’ady 900 nisy lelan’antsy*+ i Jabina,* ary nampijaly be azy ireo izy+ nandritra ny 20 taona.
4 Ary i Debora mpaminanivavy,+ vadin’i Lapidota, no nitsara* ny Israely tamin’izany fotoana izany. 5 Fanaony ny nipetraka teo ambanin’ny hazo palmie iray, izay teo anelanelan’i Rama+ sy Betela,+ tany amin’ny faritra be tendrombohitr’i Efraima. Ary niakatra nankany aminy ny Israelita rehefa te hahafantatra ny didim-pitsaran’Andriamanitra. 6 Ary naniraka olona ho any amin’i Baraka+ zanak’i Abinoama tany Kedesi-naftaly+ i Debora, mba hiteny aminy hoe: “Efa nandidy anao i Jehovah Andriamanitry ny Israely hoe: ‘Mandehana any amin’ny Tendrombohitra Tabara, ary makà lehilahy 10 000 eo amin’ny taranak’i Naftaly sy Zebolona mba hiaraka aminao. 7 Ary hoentiko any aminao, any amin’ny reniranon’i* Kisona,+ i Sisera lehiben’ny tafik’i Jabina sy ireo kalesy fitondrany miady ary ny miaramilany. Dia hataoko resinao izy.’”+
8 Dia hoy i Baraka tamin’i Debora: “Handeha aho raha miaraka amiko ianao, fa raha tsy mandeha ianao, dia tsy handeha koa aho.” 9 Dia hoy i Debora: “Ao fa hiaraka aminao aho! Tsy ianao anefa no hahazo voninahitra amin’ity fanafihana hataonao ity. Vehivavy mantsy no hataon’i Jehovah mandresy an’i Sisera.”+ Dia nitsangana i Debora ka niaraka tamin’i Baraka ho any Kedesy.+ 10 Ary nantsoin’i Baraka ho any Kedesy ny taranak’i Zebolona sy Naftaly,+ ka lehilahy 10 000 no tonga nanaraka azy. Niaraka taminy koa i Debora.
11 Ary efa tsy niaraka tamin’ny Kenita+ taranak’i Hobaba intsony i Hebera Kenita. Rafozandahin’i Mosesy+ io Hobaba io. Teo akaikin’ilay hazobe tao Zananima any Kedesy i Hebera no nanangana ny tranolainy.
12 Ary nisy nilaza tamin’i Sisera hoe efa niakatra any an-tendrombohitra Tabara i Baraka zanak’i Abinoama.+ 13 Tonga dia nangonin’i Sisera daholo ny kalesin’adiny 900 nisy lelan’antsy* sy ny miaramilany rehetra tao Harosetan’ireo firenena,* mba ho any amin’ny reniranon’i* Kisona.+ 14 Ary hoy i Debora tamin’i Baraka: “Mitsangàna fa hataon’i Jehovah resinao i Sisera androany. Tsy i Jehovah ve no mitarika anao?” Dia nidina avy tany an-tendrombohitra Tabara i Baraka sy ireo lehilahy 10 000 niaraka taminy. 15 Ary nataon’i Jehovah nifanaritaka,+ teo anoloan’ny sabatr’i Baraka, i Sisera sy ny kalesy rehetra fitondrany miady ary ny miaramilany rehetra. Dia nidina niala tamin’ny kalesiny i Sisera tamin’ny farany, ka lasa nandositra. 16 Dia nenjehin’i Baraka hatrany Harosetan’ireo firenena* ireo kalesy fitondra miady sy ny miaramila. Matin’ny sabatra daholo ny miaramilan’i Sisera, ka tsy nisy niangana na iray aza.+
17 Fa i Sisera kosa nandositra nankany amin’ny tranolain’i Jaela+ vadin’i Hebera+ Kenita, satria nihavana tsara i Jabina+ mpanjakan’i Hazora sy ny fianakavian’i Hebera Kenita. 18 Dia nitsena an’i Sisera i Jaela, ka niteny hoe: “Mandrosoa tompoko! Mandrosoa ato fa aza matahotra.” Dia niditra tao amin’ilay tranolay i Sisera ary norakofan’i Jaela bodofotsy izy. 19 Ary hoy i Sisera taminy: “Mba omeo rano kely aho azafady, fa mangetaheta.” Dia nanokatra siny hoditra fasiana ronono i Jaela, ary nomeny ronono izy hosotroiny.+ Dia norakofan’i Jaela indray izy avy eo. 20 Hoy koa i Sisera taminy: “Mitsangàna eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay, dia raha misy olona tonga eo ka manontany anao hoe: ‘Sao dia ao ilay lehilahy tadiavinay?’, dia valio hoe: ‘Tsisy an’izany ato.’”
21 Reraka be i Sisera tamin’izay ka natory be. Naka fantsika be fanenjanan-day sy marotoa anefa i Jaela vadin’i Hebera. Dia nitsaitsaika nankeo amin’i Sisera izy ary natsatony teo amin’ny fihirifany ilay fantsika be, ka nokapohiny hilentika hatrany anaty tany. Dia maty i Sisera.+
22 Ary tonga tany i Baraka nanenjika an’i Sisera. Dia nitsena azy i Jaela ka niteny hoe: “Avia fa hasehoko anao ilay lehilahy tadiavinao.” Dia niditra tao amin’ilay tranolay izy ireo, ary nahita an’i Sisera maty teo. Mbola teo amin’ny fihirifany ilay fantsika be.
23 Nataon’Andriamanitra resin’ny Israelita àry i Jabina mpanjakan’i Kanana, tamin’izay andro izay.+ 24 Ary niady tamin’i Jabina mpanjakan’i Kanana+ ny Israelita. Nihamafy foana izany ady izany, mandra-pamonony an’i Jabina mpanjakan’i Kanana.+