Levitikosy
8 Hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy: 2 “Ento i Arona sy ny zanany lahy,+ ny akanjo,+ ny menaka masina fanosorana,+ ny omby atao fanatitra noho ny ota, ny ondrilahy roa, ary ny harona fasiana mofo tsy misy lalivay.+ 3 Ary vorio eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana ny vahoaka manontolo.”
4 Dia nataon’i Mosesy izay nandidian’i Jehovah azy, ka nivory teo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana ny vahoaka. 5 Ary hoy i Mosesy tamin’izy ireo: “Izao no asain’i Jehovah ataontsika.” 6 Koa nasain’i Mosesy nanatona i Arona sy ny zanany lahy, dia nosasany tamin’ny rano.+ 7 Ary nampanaoviny an’i Arona ny akanjo lava,+ sy ny fehikibo lamba,+ sy ny akanjo ivelany tsy misy tanany,+ ary ny efoda.+ Dia nofatorany ny fehikibo vita tenona, izany hoe ny fehikibon’ilay efoda,+ mba hipetraka tsara ilay efoda. 8 Nampanaoviny azy avy eo ny saron-tratra,+ ary nataony tao amin’ilay saron-tratra ny Orima sy ny Tomima.+ 9 Dia napetrany teo amin’ny lohan’i Arona ny satroka lamba,*+ ary nataony teo anoloana tamin’ilay satroka ny takela-bolamena mamirapiratra, izany hoe ilay famantarana masina hoe voatokana izy,*+ araka ny didy nomen’i Jehovah an’i Mosesy.
10 Dia nalain’i Mosesy ny menaka masina fanosorana, ary nohosorany ny tranolay masina sy ny zava-drehetra tao,+ ka nohamasininy. 11 Dia naka tamin’ilay menaka izy, ka nafafiny impito teo ambony alitara. Ary nohosorany ny alitara sy ny fitaovana rehetra miaraka aminy, ary ny kovetabe sy ny tongony, mba hanamasinana an’ireo. 12 Farany, dia nandrarahany tamin’ilay menaka masina fanosorana ny lohan’i Arona, ka nohosorany izy mba hanamasinana azy.+
13 Dia nasain’i Mosesy nanatona ireo zanakalahin’i Arona ka nampanaoviny akanjo lava sy fehikibo lamba. Ary nataony* teo amin’ny lohan’izy ireo ny fehiloha,+ araka ny didy nomen’i Jehovah an’i Mosesy.
14 Dia nentin’i Mosesy ny omby atao fanatitra noho ny ota. Ary nametraka ny tanany teo amin’ny lohan’ilay omby i Arona sy ny zanany lahy.+ 15 Dia novonoin’i Mosesy ilay omby, ary nakany tamin’ny rantsantanany iray ny ra,+ ka nahosony teo amin’ireo tandroky ny alitara teo amin’ny zorony efatra. Ary nodioviny ho afaka tamin’ny ota ny alitara. Fa ny ambin’ilay ra kosa nararany teo am-pototry ny alitara mba hanamasinany azy. Amin’izay dia azo anaovana sorona ho fandrakofam-pahotana eo amboniny. 16 Avy eo dia nalain’i Mosesy daholo ny taviny teo amin’ny tsinain’ilay omby sy ny jabora teo amin’ny atiny ary ny voa roa sy ny tavin’ireo, ka nodorany teo ambony alitara mba hidona-tsetroka.+ 17 Dia nasainy nodorana tany ivelan’ny toby ny ambin’ilay omby, anisan’izany ny hodiny sy ny henany ary ny tainy,+ araka ny didy nomen’i Jehovah an’i Mosesy.
18 Ary nampanatoniny ny ondrilahy atao fanatitra dorana. Dia nametraka ny tanany teo amin’ny lohan’ilay ondrilahy i Arona sy ny zanany lahy.+ 19 Novonoin’i Mosesy avy eo ilay ondry, ary nafafiny teo amin’ny lafiny rehetra tamin’ny alitara ny ran’ilay izy. 20 Notetitetehiny ilay ondrilahy, ka nodorany mba hidona-tsetroka ny lohany sy ny vatany efa voatetitetika ary ny jaborany.* 21 Ary nosasany tamin’ny rano ny tsinain’ilay ondry sy ny ranjony. Dia nodoran’i Mosesy teo ambony alitara ilay ondrilahy manontolo mba hidona-tsetroka. Fanatitra dorana izany mba hamoaka hanitra mahafinaritra.* Fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah izany, araka ny didy nomen’i Jehovah an’i Mosesy.
22 Dia nampanatoniny ilay ondrilahy faharoa, izay atao sorona mba hanendrena mpisorona.*+ Ary nametraka ny tanany teo amin’ny lohan’ilay ondry i Arona sy ny zanany lahy.+ 23 Novonoin’i Mosesy ilay ondry ary nakany ny rany, dia nataony teo amin’ny ravintsofin’i Arona ankavanana sy ny ankiben-tanany ankavanana ary ny ankiben-tongony ankavanana. 24 Avy eo dia nasain’i Mosesy nanatona ireo zanakalahin’i Arona, ary nasiany ra ny ravintsofin’izy ireo ankavanana sy ny ankiben-tanany ankavanana ary ny ankiben-tongony ankavanana. Ny ambin’ilay ra kosa nafafiny teo amin’ny lafiny rehetra tamin’ilay alitara.+
25 Dia nalainy ny tavin’ilay ondry, izany hoe ny rambony matavy,* ny taviny rehetra teo amin’ny tsinainy, ny jabora teo amin’ny atiny, ny voa roa sy ny tavin’ireo, ary ny feny ankavanana.+ 26 Ary naka mofo tao amin’ny harona fasiana mofo tsy misy lalivay teo anatrehan’i Jehovah izy, dia mofo boribory iray tsy misy lalivay,+ sy mofo boribory iray misy menaka,+ ary mofo fisaka iray. Dia napetrany teo ambonin’ny tavin’ilay ondry sy ilay feny ankavanana ireo. 27 Avy eo dia napetrany teo amin’ny felatanan’i Arona sy ny zanany lahy ireo rehetra ireo, ka nahetsiketsiny ho fanatitra ahetsiketsika teo anatrehan’i Jehovah. 28 Dia nalain’i Mosesy teny an-tanan’izy ireo izany ka nodorany teo ambony alitara, teo ambonin’ny fanatitra dorana, mba hidona-tsetroka. Sorona atao mba hanendrena mpisorona* izany, ho hanitra mahafinaritra.* Fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah izany.
29 Dia nalain’i Mosesy ny tratran’ilay ondry, ka nahetsiketsiny ho fanatitra ahetsiketsika teo anatrehan’i Jehovah.+ Anjaran’i Mosesy avy tamin’ilay ondrilahy natao sorona mba hanendrena mpisorona* izany, araka ny didy nomen’i Jehovah an’i Mosesy.+
30 Ary nakan’i Mosesy ny menaka masina fanosorana+ sy ny ra teo ambony alitara, ka nafafiny tamin’i Arona sy ny akanjony, sy tamin’ny zanany lahy sy ny akanjon’izy ireo. Toy izany no nanamasinany an’i Arona sy ny akanjony, ary ny zanany lahy+ sy ny akanjon’izy ireo.+
31 Dia hoy i Mosesy tamin’i Arona sy ny zanany lahy: “Andrahoy+ eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana ny hena, ary eo ianareo no hihinana azy, miaraka amin’ny mofo avy ao anatin’ilay harona fampiasa rehefa manendry mpisorona.* Izao mantsy ny didy nomena ahy: ‘I Arona sy ny zanany lahy no hihinana an’izany.’+ 32 Hodoranareo ny ambin’ny hena sy ny mofo.+ 33 Ary aza miala eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana mandritra ny fito andro, mandra-pahatapitry ny andro anendrena anareo ho mpisorona.* Haharitra fito andro mantsy ny fanendrena anareo ho mpisorona.*+ 34 Nampanao an’iny nataontsika androany iny i Jehovah, mba handrakofana ny fahotanareo.+ 35 Hijanona fito andro eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana ianareo, na andro na alina.+ Ary ataovy izay takin’i Jehovah aminareo+ mba tsy ho faty ianareo, fa izany no didy nomena ahy.”
36 Dia nataon’i Arona sy ny zanany lahy izay rehetra nandidian’i Jehovah tamin’ny alalan’i Mosesy.