Tantara Voalohany
29 Ary hoy i Davida Mpanjaka tamin’ny fiangonana manontolo: “Mbola kely sady tsy dia nahita fiainana*+ i Solomona zanako, ilay nofidin’Andriamanitra.+ Asa goavana koa no hatao, satria tsy ho an’olombelona ilay tempoly* fa ho an’i Jehovah Andriamanitra.+ 2 Dia nanao an’izay fara heriko aho mba hanomanana an’izay ilaina ho an’ny tranon’Andriamanitro, ka nanome volamena ho an’izay zavatra ilana volamena, volafotsy ho an’izay ilana volafotsy, varahina ho an’izay ilana varahina, vy ho an’izay ilana vy,+ hazo+ ho an’izay ampiasana hazo, vato oniksa, vato voatefy araikitra amin’ny rihitra, vato madinika samihafa loko, vatosoa isan-karazany, ary vatosanga be dia be. 3 Tiako koa ny tranon’Andriamanitro,+ ka hanome volamena sy volafotsy avy amin’ny harenako+ ho an’ny tranon’Andriamanitro aho, ankoatra izay rehetra efa nomaniko ho an’ilay trano masina. 4 Anisan’izany ny volamena 3 000 talenta* avy any Ofira+ sy ny volafotsy efa voadio 7 000 talenta, mba handrakofana ny rindrin’ireo efitra, 5 sy ny volamena ho an’izay zavatra ilana volamena, sy ny volafotsy ho an’izay ilana volafotsy, ary ho an’izay rehetra hataon’ny mpanao asa tanana. Iza àry izao no vonona hanao fanomezana an-tsitrapo ho an’i Jehovah?”+
6 Dia nirotsaka an-tsitrapo ny andrianan’ireo fianakaviambe, ny andrianan’ny fokon’ny Israely, ny lehiben’ny arivo, ny lehiben’ny zato,+ ary ireo mpiandraikitra ny raharahan’ny mpanjaka,+ 7 ka nanome an’ireto ho an’ny tranon’ilay tena Andriamanitra: Volamena 5 000 talenta, 10 000 darìka,* volafotsy 10 000 talenta, varahina 18 000 talenta, ary vy 100 000 talenta. 8 Ary izay rehetra nanana vatosoa dia nanome an’izany mba hatao ao amin’ny fitehirizana ny zava-tsarobidy tao an-tranon’i Jehovah, ka i Jehiela+ Gersonita+ no nikarakara an’izany. 9 Faly ny vahoaka nanome an’ireny fanatitra an-tsitrapo ireny, satria tamin’ny fony manontolo no nanomezany an’ireny ho an’i Jehovah.+ Faly be koa i Davida Mpanjaka.
10 Dia nidera an’i Jehovah teo anatrehan’ny fiangonana manontolo i Davida, ka hoy izy: “Ry Jehovah Andriamanitr’i Israely razambenay ô, hoderaina mandrakizay doria* anie ianao! 11 Anao Jehovah ô, ny fahalehibeazana+ sy ny hery+ sy ny hatsarana ary ny haja amam-boninahitra,+ fa anao ny zava-drehetra any an-danitra sy etỳ an-tany.+ Anao ny fanjakana, Jehovah ô,+ ary ianao Ilay misandratra ho ambonin’ny zava-drehetra. 12 Avy aminao ny harena sy ny voninahitra,+ ary ianao no manjaka amin’ny zava-drehetra.+ Eo am-pelatananao ny hery+ sy ny tanjaka,+ ary vitanao ny manandratra+ sy manatanjaka ny olon-drehetra.+ 13 Misaotra anao àry izahay, ry Andriamanitray ô, ary derainay ny anaranao kanto dia kanto.
14 “Fa inona moa izay izaho ary inona moa izay vahoakako no hahavita hanao fanatitra an-tsitrapo hoatr’izao? Avy aminao ny zava-drehetra, ka ny avy amin’ny tananao ihany no nomenay anao. 15 Fa mpivahiny sy mpiavy izahay eo anatrehanao, hoatran’ny razambenay ihany.+ Toy ny aloka fotsiny mantsy ny andronay etỳ an-tany,+ ka tsy misy antenaina. 16 Ry Jehovah Andriamanitray ô, avy amin’ny tananao sady anao daholo izao harena nomaninay hanorenana trano ho an’ny anaranao masina izao. 17 Ary fantatro tsara fa mandinika ny fo ianao, ry Andriamanitro ô,+ sady mahafinaritra anao ny olona tsy mivadika.*+ Tamin’ny fo madio* no nanomezako an-tsitrapo an’ireo zavatra rehetra ireo. Tena faly koa aho mahita an’ireto vahoakanao ireto manao fanatitra an-tsitrapo ho anao. 18 Ry Jehovah Andriamanitr’i Abrahama sy Isaka ary Israely razambenay ô! Ampio ity vahoaka ity mba ho tia manome foana sady hanompo anao amin’ny fony manontolo foana.+ 19 Ary ampio i Solomona zanako mba hankatò amin’ny fo manontolo*+ ny didinao+ sy ny fampahatsiahivanao ary ny fitsipikao. Ampio koa izy mba hanao an’ireo zava-drehetra ireo sy hanorina an’ilay tempoly,* fa efa nomaniko izay ilaina amin’izany.”+
20 Dia hoy i Davida tamin’ny fiangonana manontolo: “Derao i Jehovah Andriamanitrareo.” Dia nidera an’i Jehovah Andriamanitry ny razambeny ny fiangonana manontolo, ka niondrika sy niankohoka teo anatrehan’i Jehovah sy ny mpanjaka. 21 Nanao sorona ho an’i Jehovah izy ireo tamin’io andro io, ary nanolotra fanatitra dorana+ ho an’i Jehovah ny ampitson’iny. Ireto avy izany: Vantotr’ombilahy 1 000 sy ondrilahy 1 000 ary ondrilahy kely 1 000, izay samy nampiarahina tamin’ny fanatitra zava-pisotro.+ Nanao fanatitra hafa be dia be koa izy ireo, fa izy ireo no solontenan’ny Israely rehetra.+ 22 Dia nihinana sy nisotro teo anatrehan’i Jehovah izy ireo tamin’iny andro iny sady faly be.+ Ary nambaran’izy ireo fanindroany hoe mpanjaka i Solomona, zanak’i Davida Mpanjaka, ka nohosoran’izy ireo indray teo anatrehan’i Jehovah mba ho mpitarika.+ Nohosoran’izy ireo ho mpisorona koa i Zadoka.+ 23 Dia nipetraka teo amin’ny seza fiandrianan’i Jehovah+ i Solomona ho mpanjaka handimby an’i Davida rainy, ary nahomby izay nataony. Dia nankatò azy ny Israelita rehetra. 24 Samy nanaiky an’i Solomona Mpanjaka daholo ny andriana+ sy ny miaramila matanjaka+ ary ny zanak’i Davida Mpanjaka rehetra.+ 25 Nataon’i Jehovah nisandratra faran’izay ambony teo anatrehan’ny Israely rehetra i Solomona, ary nataony mpanjaka be voninahitra izy ka tsy nisy hoatr’azy ny mpanjakan’ny Israely rehetra teo alohany.+
26 Nanjaka teo amin’ny Israely rehetra àry i Davida zanak’i Jese. 27 Naharitra 40 taona ny fotoana* nanjakany teo amin’ny Israely, ka 7 taona tao Hebrona+ ary 33 taona tao Jerosalema.+ 28 Maty izy rehefa tratrantitra+ sy afa-po tamin’ny fiainana* sady nanan-karem-be ary be voninahitra. Dia i Solomona zanany no nanjaka nandimby azy.+ 29 Ary ny tantaran’i Davida Mpanjaka, hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany, dia voasoratra ao amin’ny asa soratr’i Samoela mpahita sy Natana+ mpaminany ary Gada+ mpahita fahitana. 30 Voasoratra ao koa ny zava-drehetra momba ny fanjakany sy ny heriny, ary izay nitranga tamin’izany ka nahakasika azy sy ny Israely ary ny fanjakana rehetra manodidina.