Levitikosy
4 Hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy: 2 “Ilazao ny Israelita hoe: ‘Raha misy olona manota tsy nahy,+ ka manao ny iray amin’ireo zavatra nandraran’i Jehovah, dia izao atao:
3 “‘Raha ny mpisorona voahosotra+ no manota+ ka lasa meloka ny vahoaka, dia hanolotra vantotr’ombilahy tsy misy kilema ho an’i Jehovah izy ho fanatitra noho ny ota, noho ilay fahotana nataony.+ 4 Hoentiny eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana,+ eo anatrehan’i Jehovah, ilay omby. Dia hametraka ny tanany eo amin’ny lohan’ilay omby izy, ary hamono azy eo anatrehan’i Jehovah.+ 5 Hakan’ilay mpisorona voahosotra+ avy eo ny ran’ilay omby, ka hoentiny ao amin’ny tranolay fihaonana. 6 Dia hatsobok’ilay mpisorona ao anaty ra ny rantsantanany iray,+ ary hafafiny impito+ eo anatrehan’i Jehovah ilay ra. Eo anoloan’ny ridao ao amin’ny toerana masina no hamafazany an’izany. 7 Ny ra sasany dia hahosotr’ilay mpisorona eo amin’ireo tandroky ny alitara fandoroana emboka manitra,+ izay eo anatrehan’i Jehovah ao amin’ny tranolay fihaonana. Ary ny ambin’ny ran’ilay omby dia hararany eo am-pototry ny alitara fanaovana fanatitra dorana,+ eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana.
8 “‘Hesorin’ilay mpisorona avy eo ny taviny rehetra amin’ilay omby atao fanatitra noho ny ota, dia ny taviny manarona ny tsinainy, ny taviny rehetra miraikitra amin’ny tsinainy, 9 ary ny voa roa sy ny taviny eo amboniny, izany hoe ilay eo akaikin’ny tehezany. Hesoriny miaraka amin’ny voa koa ny jabora eo amin’ny atiny.+ 10 Mitovy amin’izay esorina amin’ny omby atao sorona iombonana ihany no hesorina.+ Ary hodoran’ny mpisorona eo ambony alitara fanaovana fanatitra dorana ireo, mba hidona-tsetroka.
11 “‘Fa ny hoditr’ilay omby kosa, sy ny henany rehetra, sy ny lohany, sy ny tongony, sy ny tsinainy, ary ny tainy+— 12 ny ambiny rehetra amin’ilay omby—dia hasainy entina any ivelan’ny toby, eo amin’ny toerana madio fanariana ny lavenona.* Ary hodorany eo ambonin’ny kitay izany.+ Eo amin’izay anariana ny lavenona no handoroana azy.
13 “‘Raha ny vahoakan’Israely manontolo no meloka ho nanota tsy nahy,+ nefa tsy fantatry ny fiangonana hoe nanao zavatra nandraran’i Jehovah izy ireo,+ 14 ary fantatra avy eo ilay fahotana, dia hanolotra vantotr’ombilahy ny fiangonana ho fanatitra noho ny ota. Hoentiny eo anoloan’ny tranolay fihaonana izany. 15 Dia hametraka ny tanany eo amin’ny lohan’ilay omby, eo anatrehan’i Jehovah, ny anti-panahy* eo amin’ny vahoaka. Ary hovonoina eo anatrehan’i Jehovah ilay omby.
16 “‘Dia hakan’ilay mpisorona voahosotra ny ran’ilay omby, ka hoentiny ao amin’ny tranolay fihaonana. 17 Dia hatsobony ao anaty ra ny rantsantanany iray, ary hafafiny impito eo anatrehan’i Jehovah, eo anoloan’ny ridao,+ ilay ra. 18 Ny ra sasany dia hahosotr’ilay mpisorona eo amin’ireo tandrok’ilay alitara+ eo anatrehan’i Jehovah, izany hoe ilay alitara ao amin’ny tranolay fihaonana. Ary ny ra ambiny rehetra dia hararany eo am-pototry ny alitara fanaovana fanatitra dorana, izay eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana.+ 19 Hesoriny daholo ny tavin’ilay omby, ka hodorany eo ambony alitara mba hidona-tsetroka.+ 20 Mitovy amin’izay nataony tamin’ny omby natao fanatitra noho ny ota ihany no hataony amin’ilay omby. Izany no fomba hanaovany azy. Ary handrakotra ny fahotan’ny vahoaka ilay mpisorona,+ ka ho voavela ny helok’izy ireo. 21 Hasainy entina eny ivelan’ny toby ilay omby, ka hodorany toy ny nandoroany an’ilay omby voalohany.+ Fanatitra noho ny ota ho an’ny fiangonana izany.+
22 “‘Raha mpiadidy+ no manota tsy nahy satria nanao ny iray amin’ireo zavatra andraran’i Jehovah Andriamaniny, ka meloka, 23 na koa lasa fantany fa nanota izy satria nisy didy nodikainy, dia hitondra osilahy kely tsy misy kilema izy ho fanatitra. 24 Ary hametraka ny tanany eo amin’ny lohan’ilay zanak’osy izy, ka hamono azy eo amin’ny toerana famonoana ny fanatitra dorana, eo anatrehan’i Jehovah.+ Fanatitra noho ny ota izany. 25 Hakan’ny mpisorona amin’ny rantsantanany iray ny ran’ny fanatitra noho ny ota, ka hahosony eo amin’ireo tandroky+ ny alitara fanaovana fanatitra dorana. Dia hararany eo am-pototr’io alitara io ny ambin’ilay ra.+ 26 Ary hodorany eo ambony alitara mba hidona-tsetroka ny taviny rehetra amin’ilay fanatitra, toy ny nataony tamin’ny tavin’ny sorona iombonana.+ Ary handrakotra ny fahotan’ilay mpiadidy ilay mpisorona, ka ho voavela ny helony.
27 “‘Raha ny iray amin’ny sarambabem-bahoaka no manota tsy nahy ary meloka satria nanao ny iray amin’ireo zavatra andraran’i Jehovah,+ 28 na koa lasa fantany hoe nanota izy, dia hitondra osivavy kely tsy misy kilema ho fanatitra izy, noho ilay ota nataony. 29 Ary hametraka ny tanany eo amin’ny lohan’ilay fanatitra noho ny ota izy, ka hamono azy eo amin’ny toerana famonoana ny fanatitra dorana.+ 30 Hakan’ny mpisorona amin’ny rantsantanany iray ny ra, ka hahosony eo amin’ireo tandroky ny alitara fanaovana fanatitra dorana. Ary hararany eo am-pototry ny alitara ny ambin’ilay ra.+ 31 Dia hesoriny daholo ny tavin’ilay fanatitra,+ hoatran’ny nanesorana ny tavin’ny sorona iombonana.+ Hodorany eo ambony alitara izany mba hidona-tsetroka, ho hanitra mahafinaritra* an’i Jehovah. Ary handrakotra ny fahotan’ilay olona ny mpisorona, ka ho voavela ny helony.
32 “‘Raha zanak’ondry kosa no atolony ho fanatitra noho ny ota, dia tokony ho vavy tsy misy kilema izany. 33 Ary hametraka ny tanany eo amin’ny lohan’ilay fanatitra izy, ka hamono azy ho fanatitra noho ny ota, eo amin’ny toerana famonoana ny fanatitra dorana.+ 34 Hakan’ny mpisorona amin’ny rantsantanany iray ny ran’ny fanatitra noho ny ota, ka hahosony eo amin’ireo tandroky ny alitara fanaovana fanatitra dorana.+ Ary hararany eo am-pototry ny alitara ny ambin’ilay ra. 35 Dia hesoriny daholo ny tavin’ilay fanatitra, sahala amin’ny fanalana ny tavin’ny vantotr’ondrilahy atao sorona iombonana. Ary hodoran’ny mpisorona ireo mba hidona-tsetroka eo ambony alitara, eo ambonin’ny fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah.+ Ary handrakotra ny fahotan’ilay olona ny mpisorona, ka ho voavela ny helony.+