Nehemia
8 Niray saina ny vahoaka manontolo ka nivory teo amin’ilay tany malalaka tandrifin’ny Vavahadin-drano.+ Dia nasain’izy ireo nentin’i Ezra,+ mpanao dika soratra,* ny boky misy ny Lalàn’i Mosesy+ izay nandidian’i Jehovah ny Israely.+ 2 Nentin’i Ezra mpisorona teo anatrehan’ny fiangonana+ àry ilay boky. Tafavory teo ny lehilahy sy ny vehivavy ary izay rehetra afaka mihaino ka efa mahazo hevitra. Andro voalohan’ny volana fahafito tamin’izay.+ 3 Teo anoloan’ny tany malalaka tandrifin’ny Vavahadin-drano i Ezra, dia novakiny mafy tamin’ny lehilahy sy ny vehivavy ary izay efa mahazo hevitra ilay boky misy ny Lalàna.+ Vao maraina be ka hatramin’ny mitataovovonana izy no namaky, ary nihaino tsara+ an’izay novakina ny olona. 4 Nijoro teo amin’ilay lampihazo natao ho an’io fotoan-dehibe io i Ezra mpanao dika soratra.* Niaraka nijoro taminy teo koa i Matitia, Sema, Anaia, Oria, Hilkia, ary Mahaseia, ary teo ankavanany izy ireo. Teo ankaviany kosa i Pedaia, Misaela, Malkia,+ Hasoma, Hasbadana, Zakaria, ary Mesolama.
5 Dia nosokafan’i Ezra teo imason’ny olona rehetra ilay boky, fa avo kokoa noho izy rehetra no nisy azy. Nitsangana daholo ny olona rehefa nosokafany ilay izy. 6 Avy eo i Ezra dia nidera an’i Jehovah Andriamanitra, Ilay Andriamanitra tena miavaka. Ary nampiakatra ny tanany ny olona rehetra sady niteny hoe: “Amena!* Amena!”+ Dia niondrika sy niankohoka tamin’ny tany teo anatrehan’i Jehovah izy ireo. 7 Ary nanazava ny Lalàna tamin’ny vahoaka+ ny Levita sasany, dia i Jesoa, Bany, Serebia,+ Jamina, Akoba, Sabetahy, Hodia, Mahaseia, Kelita, Azaria, Jozabada,+ Hanana, ary Pelaia. Mbola nitsangana ihany ny vahoaka tamin’izay. 8 Ary nanohy namaky mafy an’ilay boky misy ny Lalàn’Andriamanitra ny Levita, ka nohazavain’izy ireo mazava tsara ny dikany. Nampiany hahazo ny dikan’izay novakiny àry ny olona.*+
9 Ary niteny tamin’ny olona rehetra i Nehemia izay governora* tamin’izay, sy Ezra+ mpisorona sady mpanao dika soratra,* ary ny Levita izay nampianatra ny vahoaka, hoe: “Masina amin’i Jehovah Andriamanitrareo ity andro ity.+ Koa aza malahelo na mitomany!” Nitomany daholo mantsy ny olona, rehefa naheno an’izay voalazan’ny Lalàna. 10 Hoy izy tamin’ireo: “Mandehana ka mihinàna sakafo tena tsara* ary misotroa zava-mamy. Dia anatero sakafo+ izay tsy manana, fa masina amin’ny Tompontsika ity andro ity. Aza malahelo fa ny fifaliana avy amin’i Jehovah no manda fiarovana anareo.”* 11 Ary nasain’ny Levita nangina ny olona rehetra, ka hoy izy ireo: “Aza mitomany intsony re e! Aza malahelo fa masina ity andro ity.” 12 Dia lasa daholo ny olona nihinana sy nisotro ary nanatitra sakafo ho an’izay tsy nanana. Faly be mihitsy izy ireo+ satria azony tsara izay nohazavaina taminy.+
13 Tamin’ny andro faharoa, dia niangona teo amin’i Ezra mpanao dika soratra* ny lohan’ny fianakaviamben’ny vahoaka manontolo sy ny mpisorona ary ny Levita. Te hahazo kokoa ny dikan’izay lazain’ny Lalàna mantsy izy ireo. 14 Dia hitan’izy ireo voasoratra tao amin’ny Lalàna ny didy nomen’i Jehovah tamin’ny alalan’i Mosesy, hoe tokony hipetraka ao anaty trano rantsankazo* ny Israelita mandritra ny fety amin’ny volana fahafito.+ 15 Tokony hampandre+ ny olona manerana ny tanànany rehetra sy eran’i Jerosalema koa izy ireo, ka hilaza hoe: “Mandehana any amin’ny faritra be tendrombohitra, dia makà rantsankazo be ravina avy amin’ny hazo oliva, sy hazo kesika, sy mirta, sy palmie, ary hazo hafa, mba hanaovana trano rantsankazo araka izay voasoratra.”
16 Dia lasa naka an’izany ny olona ka samy nanao trano rantsankazo teny an-tampon-tranony, sy teny an-tokotaniny, sy teny an-tokotanin’ny tranon’ilay tena Andriamanitra,+ sy teny amin’ny tany malalaka tandrifin’ny Vavahadin-drano,+ ary teny amin’ny tany malalaka tandrifin’ny Vavahadin’i Efraima.+ 17 Dia nanao trano rantsankazo sy nipetraka tao amin’ireny ny fiangonana manontolo, izany hoe ireo tafaverina avy any an-tsesitany. Tena faly be ny Israelita tamin’izay,+ satria mbola tsy nankalaza an’ilay fety hoatr’izany mihitsy izy ireo, hatramin’ny andron’i Josoa+ zanak’i Nona ka hatramin’io andro io. 18 Ary novakina isan’andro ny boky misy ny Lalàn’Andriamanitra,+ nanomboka tamin’ny andro voalohany ka hatramin’ny andro farany. Nanao fety nandritra ny fito andro izy ireo, ary nisy fivoriambe makotrokotroka tamin’ny andro fahavalo, araka izay notakin’ny Lalàna.+