Genesisy
43 Ary mafy be ny mosary tao amin’ilay tany.+ 2 Rehefa lany àry ny sakafo nentin’izy ireo avy tany Ejipta,+ dia hoy ny rainy: “Mandehana ianareo miverina mividy sakafo kely ho antsika.” 3 Fa hoy i Joda taminy: “Efa niteny taminay tsara mihitsy ilay lehilahy hoe: ‘Tsy mahazo mankatỳ amiko intsony ianareo, raha tsy miaraka aminareo ilay rahalahinareo!’+ 4 Koa raha alefanao miaraka aminay izy, dia handeha hidina hividy sakafo ho anao izahay. 5 Fa raha tsy alefanao izy, dia tsy hidina izahay, satria efa niteny ilay lehilahy hoe: ‘Tsy mahazo mankatỳ amiko intsony ianareo, raha tsy miaraka aminareo ilay rahalahinareo.’”+ 6 Dia hoy i Israely:+ “Fa maninona ianareo no nampidi-kizo ahy hoatr’izao? Fa maninona no noteneninareo tamin’ilay lehilahy hoe mbola manana rahalahy hafa ianareo?” 7 Dia hoy izy ireo: “Nivantana be mihitsy ange ny fanontanian’ilay lehilahy momba anay sy ny havanay e! Hoy izy: ‘Mbola velona any ve ny rainareo? Manana rahalahy hafa koa ve ianareo?’ Dia nolazainay taminy ny marina.+ Izahay ve moa nanampo fa hiteny izy hoe: ‘Ento midina atỳ ilay rahalahinareo’?”+
8 Hoy i Joda avy eo tamin’i Israely rainy: “Alefaso miaraka amiko izy,+ dia aleo izahay handeha mba tsy ho faty isika,+ na izahay na ianao na ny zanatsika.+ 9 Izaho mihitsy no hiantoka ny fiarovana azy.+ Aleo izaho no ho tompon’andraikitra raha maninomaninona izy. Koa raha tsy entiko miverina atỳ aminao izy, dia ho fahotako aminao mandrakizay izany. 10 Fa hoatr’izay raha tsy niandriandry izahay, dia ho efa tonga tany ka efa tafaverina fanindroany.”
11 Dia hoy i Israely rainy: “Raha tsy maintsy hoe izay àry, dia izao atao: Alaivo ny vokatra tsara indrindra amin’ny tany ka ataovy ao anaty goninareo, dia ento hatao fanomezana ho an’ilay lehilahy:+ Balsama kely,+ tantely kely, ditin-kazo ladanoma, hodi-kazo misy ditiny,+ voanjombazaha, ary amandy. 12 Mitondrà vola indroa henin’ilay teo. Dia ento miverina koa ilay vola naverina teo am-bavan’ny goninareo,+ fa angamba sendra diso fotsiny ry zareo. 13 Ento koa ilay rahalahinareo, dia mandehana miverina any amin’ilay lehilahy. 14 Enga anie mba hataon’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra miantra anareo izy, dia mba hafahany ilay rahalahinareo iray ary tsy hotazoniny any i Benjamina. Raha tsy maintsy hafoiko anefa ny zanako, dia vonona hamoy ny zanako aho!”+
15 Dia nentin’izy ireo ilay fanomezana. Nitondra vola indroa henin’ilay teo koa izy ireo sady nitondra an’i Benjamina. Dia lasa nidina nankany Ejipta izy ireo, ary nankeo anatrehan’i Josefa indray.+ 16 Rehefa nahita an’i Benjamina niaraka tamin’izy ireo i Josefa, dia tonga dia niteny tamin’ilay lehilahy niandraikitra ny tao an-tranony hoe: “Ento any an-trano ireo lehilahy ireo. Ary makà biby, dia vonoy, dia karakarao hatao sakafo, fa hiara-misakafo amiko ry zareo rantoandro.” 17 Tonga dia nataon’ilay lehilahy izay nolazain’i Josefa,+ ka nentiny ho any an-tranon’i Josefa izy ireo. 18 Natahotra anefa izy ireo rehefa nentina tany, ka nifampiresaka hoe: “Ilay vola naverina tao anaty gonintsika tamin’ny farany iny izao no antony itondrana antsika eto. Hosamborin-dry zareo izao isika, dia hataony andevo, dia halainy koa ny ampondrantsika!”+
19 Koa nanatona an’ilay lehilahy niandraikitra ny tao an-tranon’i Josefa izy ireo, ka niresaka taminy teo am-baravarana. 20 Hoy izy ireo: “Miala tsiny re, tompoko ô! Nidina hividy sakafo tatỳ izahay tamin’ny voalohany.+ 21 Rehefa tonga tany amin’ny toeram-pilasiana anefa izahay ka nosokafanay ny goninay, dia io fa teo am-bavan’ny goninay tsirairay ny volanay, sady ilay lanjany iny ihany fa tsy nisy banga.+ Dia tianay haverina ilay izy. 22 Dia nitondra vola hafa koa izahay izao hividianana sakafo. Tsy fantatray hoe iza no nametraka ny volanay tao anaty goninay.”+ 23 Dia hoy ilay lehilahy: “Tsy maninona izany, fa aza matahotra! Ilay Andriamanitrareo sy Andriamanitry ny rainareo no nametraka harena tao anaty goninareo. Fantatro hoe efa nandoa vola ianareo.” Taorian’izay dia navoakany teo amin’izy ireo i Simeona.+
24 Dia nampidirin’ilay lehilahy tao an-tranon’i Josefa izy ireo, ka nomeny rano hanasany tongotra. Nomeny sakafo koa ny ampondrany. 25 Fantatr’izy ireo fa ho avy i Josefa amin’ny mitataovovonana dia ao izy ireo no hisakafo,+ ka nomaniny ny fanomezana+ homena an’i Josefa. 26 Rehefa tonga tao an-trano i Josefa, dia nentin’izy ireo tao aminy ilay fanomezana, ary niankohoka tamin’ny tany teo anatrehany izy ireo.+ 27 Nanontany ny fahasalaman’izy ireo izy avy eo, sady niteny hoe: “Manao ahoana izay ilay rainareo be taona noresahinareo? Mbola velona ve izy?”+ 28 Dia hoy izy ireo: “Salama tsara ny rainay mpanomponao, ary mbola velona izy.” Dia niondrika izy ireo ka niankohoka teo anatrehany.+
29 Rehefa nahita an’i Benjamina rahalahiny, ilay iray tam-po taminy*+ i Josefa, dia hoy izy: “Io ve ilay zandrinareo faralahy noresahinareo tamiko?”+ Hoy koa izy: “Hotahin’Andriamanitra anie ianao, anaka!” 30 Ary niala teo haingana i Josefa, satria feno be ny fony noho izy nahita an’ilay rahalahiny. Koa nitady toerana hitomaniana izy, ka nankao amin’ny efitra iray mba ho irery, dia nitomany tao.+ 31 Avy eo dia nosasany ny tarehiny, dia nivoaka avy tao izy. Efa nahafehy ny fihetseham-pony izy tamin’izay, ka niteny hoe: “Arosoy ny sakafo.” 32 Dia naroson’izy ireo ny sakafo, ka nataony mitokana ny an’i Josefa, mitokana ny an’ny rahalahiny, ary nihinana mitokana koa izay Ejipsianina niaraka tamin’i Josefa teo. Tsy nahazo niara-nisakafo tamin’ny Hebreo mantsy ny Ejipsianina, satria naharikoriko ny Ejipsianina izany.+
33 Ary nasaina nipetraka nifanatrika tamin’i Josefa ireo rahalahiny ireo,* arakaraka ny taonany, nanomboka tamin’ny lahimatoa, izay nanana ny zon’ny lahimatoa,+ ka hatramin’ny faralahy. Dia nifampijery izy ireo sady gagagaga. 34 Nomen’i Josefa sakafo avy teo amin’ny latabany foana izy ireo, ka naroso teo amin’ny latabatr’izy ireo ilay izy. Nataony avo dimy heny noho ny an’ny hafa rehetra anefa ny anjaran’i Benjamina.+ Dia nihinana sy nisotro niaraka taminy izy ireo, mandra-pahavokiny.