Nomery
31 Ary hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: 2 “Valio+ ny Midianita noho ny ratsy nataony tamin’ny Israelita.+ Aorian’izay dia hangonina any amin’ny razambenao* ianao.”+
3 Dia hoy i Mosesy tamin’ny vahoaka: “Asaivo miomana ny lehilahy sasany eo aminareo, mba handeha hiady amin’ny Midianina fa hamaly faty azy i Jehovah. 4 Tokony ho 1 000 lahy isaky ny fokon’ny Israely no halefanareo ao amin’ny tafika.” 5 Nisy 1 000 lahy isaky ny foko àry notendrena avy tamin’ireo fokon’ny Israely,*+ ka 12 000 no vonona handeha hiady.*
6 Dia nalefan’i Mosesy tany an’ady niaraka tamin’i Finehasa+ zanak’i Eleazara ireo 1 000 lahy isam-poko ireo. I Finehasa no mpisorona niaraka tamin’ilay tafika, sady nitondra ny fitaovana masina sy ny trompetra fanairana.+ 7 Niady tamin’ny Midianina izy ireo, araka ny didy nomen’i Jehovah an’i Mosesy, dia naripany ny lehilahy rehetra. 8 Novonoiny niaraka tamin’ireo ny mpanjaka dimy tany Midianina, dia i Evy, Rekema, Zora, Hora, ary Reba. Novonoiny tamin’ny sabatra koa i Balama+ zanak’i Beora. 9 Fa nentin’ny Israelita ho babo kosa ny zaza amam-behivavy tany Midianina. Norobain’izy ireo daholo koa ny biby fiompiny sy ny biby hafa ary ny fananany rehetra. 10 Ary nodorany ny tanàna rehetra nipetrahan’izy ireo sy ny tobiny* rehetra. 11 Dia nalainy daholo ny olona sy biby rehetra azony babo sy norobainy. 12 Avy eo dia nentiny tao an-toby ny olona babo sy ny zavatra norobainy, izany hoe tany amin’i Mosesy sy Eleazara mpisorona ary ny vahoakan’Israely, tany amin’ny lemaka karakaina any Moaba,+ any akaikin’ny Reniranon’i Jordana sady tandrifin’i Jeriko.
13 Dia nivoaka hitsena azy teny ivelan’ny toby i Mosesy sy Eleazara mpisorona ary ny mpiadidy rehetra teo amin’ny vahoaka. 14 Tezitra tamin’ireo lehilahy voatendry hifehy ny tafika anefa i Mosesy, dia tamin’ny lehiben’ny arivo sy ny lehiben’ny zato avy tany an’ady. 15 Hoy izy tamin’ireo: “Ary toa tsy nisy novonoinareo ny vehivavy? 16 Ireo ihany anefa no nitaona ny Israelita hivadika+ tamin’i Jehovah mba hanompo an’i Balan’i Peora,+ rehefa nampirisihin’i Balama, ka namely ny vahoakan’i Jehovah ny loza.+ 17 Vonoy daholo ny ankizilahikely rehetra sy ny vehivavy rehetra efa nanao firaisana tamin’ny lehilahy. 18 Tsy voatery hovonoinareo kosa ny tovovavy rehetra mbola tsy nanao firaisana tamin’ny lehilahy.+ 19 Ary mitobia fito andro atỳ ivelan’ny toby. Izay rehetra nahafaty olona aminareo sy nikasika faty,+ dia tokony hanadio ny vatany,+ amin’ny andro fahatelo sy amin’ny andro fahafito. Tokony hanadio ny tenany koa ny olona nentinareo ho babo. 20 Diovy* koa ny akanjo rehetra, sy ny zavatra rehetra vita amin’ny hoditra, na vita amin’ny volon’osy, na vita amin’ny hazo.”
21 Dia hoy i Eleazara mpisorona tamin’ny miaramila nandeha niady: “Izao no lalàna nandidian’i Jehovah an’i Mosesy: 22 ‘Ny volamena, ny volafotsy, ny varahina, ny vy, ny firapotsy, ary ny firamainty ihany, 23 izany hoe izay rehetra mahatanty afo, no ataovy ao anaty afo mba hadio. Hodiovina amin’ny rano fanadiovana+ koa anefa ilay izy. Izay rehetra tsy mahatanty afo kosa dia diovy amin’ny rano. 24 Ary sasao ny akanjonareo amin’ny andro fahafito, dia hadio ianareo ka mahazo miditra ao an-toby.’”+
25 Hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy: 26 “Ataovy lisitra ny zavatra rehetra azo babo, na olona na biby. Ianao sy Eleazara mpisorona ary ny lohan’ireo fianakaviambe eo amin’ny vahoaka no hanao an’izany. 27 Zarao izay rehetra azo babo, ka ny antsasany ho an’izay ao amin’ny tafika nandeha niady, ary ny antsasany ho an’ny vahoaka sisa rehetra.+ 28 Ary tokony hakanao iray isaky ny 500 ny anjaran’ny miaramila nandeha niady, ka hangalana daholo na ny olona na ny omby na ny ampondra na ny ondry aman’osy. Hatao hetra ho an’i Jehovah izany. 29 Tokony halainao amin’ilay anjaran’izy ireo izany, ka homenao an’i Eleazara mpisorona mba hatao fanomezana ho an’i Jehovah.+ 30 Tokony hakanao iray isaky ny 50 kosa ilay anjaran’ny Israelita, ka hakanao daholo na ny olona na ny omby na ny ampondra na ny ondry aman’osy na ny karazana biby fiompy rehetra. Dia omeo ny Levita izany,+ satria manana andraikitra mifandray amin’ny tranolain’i Jehovah izy ireo.”+
31 Nataon’i Mosesy sy Eleazara mpisorona àry izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy. 32 Ary ny ambin’ny zavatra azo babo nentin’ny miaramila, dia ondry aman’osy 675 000, 33 sy omby 72 000, 34 ary ampondra 61 000. 35 Ary 32 000 ny vehivavy mbola tsy nanao firaisana tamin’ny lehilahy.+ 36 Ny anjaran’ireo nandeha niady dia ondry aman’osy 337 500. 37 Nisy 675 àry ny hetra ho an’i Jehovah nalaina tamin’ny ondry aman’osy. 38 Ary 36 000 ny omby, ka 72 ny hetra ho an’i Jehovah. 39 Ny ampondra indray nisy 30 500, ka 61 ny hetra ho an’i Jehovah. 40 Ary nisy 16 000 ny olona, ka 32 ny hetra ho an’i Jehovah. 41 Dia nomen’i Mosesy an’i Eleazara mpisorona izany hetra izany ho fanomezana ho an’i Jehovah,+ araka ny didy nomen’i Jehovah an’i Mosesy.
42 Ny antsasany, izay anjaran’ny Israelita, kosa dia navahan’i Mosesy tamin’ny anjaran’ireo lehilahy nandeha niady. 43 Ireto avy no tao amin’io antsasany io: Ondry aman’osy 337 500, 44 omby 36 000, 45 ampondra 30 500, 46 ary olona 16 000. 47 Tamin’io anjaran’ny Israelita io no nakan’i Mosesy iray isaky ny 50, na tamin’ny olona izany na tamin’ny biby, ka nomeny ny Levita,+ araka ny didy nomen’i Jehovah an’i Mosesy. Manana andraikitra ao amin’ny tranolain’i Jehovah mantsy ny Levita.+
48 Avy eo dia nanatona an’i Mosesy ny lehilahy voatendry hifehy an’ireo antoko ao amin’ny tafika,+ izany hoe ny lehiben’ny arivo sy ny lehiben’ny zato, 49 ka niteny hoe: “Efa nisain’ny mpanomponao ny lehilahy mpiady eo ambany fahefanay, ka nolazaina taminay hoe tsy misy tsy ao na iray aza.+ 50 Aleo àry izahay samy hanolotra ny zavatra hitanay ho fanatitra ho an’i Jehovah, dia zavatra vita amin’ny volamena, rojon-tongotra, brasele, peratra fanombohan-kase, kavina, ary firavaka hafa, mba handrakofana ny fahotanay eo anatrehan’i Jehovah.”
51 Dia noraisin’i Mosesy sy Eleazara mpisorona ny volamena, dia ny firavaka rehetra nomen’izy ireo. 52 Koa nahatratra 16 750 sekely* ny volamena rehetra natao fanomezana ho an’i Jehovah, avy tamin’ireo lehiben’ny arivo sy lehiben’ny zato. 53 Samy naka tamin’ny zavatra norobaina mantsy ny miaramila. 54 Noraisin’i Mosesy sy Eleazara mpisorona ny volamena nomen’ireo lehiben’ny arivo sy lehiben’ny zato, ka nentiny tao amin’ny tranolay fihaonana, mba ho fampahatsiahivana* an’izay nataon’i Jehovah ho an’ny vahoakan’Israely.