Genesisy
32 Dia nanohy ny diany i Jakoba, ary nisy anjelin’Andriamanitra nifanena taminy. 2 Raha vao nahita azy ireo i Jakoba, dia hoy izy: “Tobin’Andriamanitra ity!” Koa nataony hoe Mahanaima* ny anaran’ilay toerana.
3 Taorian’izay dia naniraka olona handeha mialoha i Jakoba, ho any amin’i Esao rahalahiny tany amin’ny tany Seira,+ any amin’ny faritr’i* Edoma.+ 4 Dia nomeny baiko izy ireo hoe: “Izao no hoteneninareo amin’i Esao tompoko: ‘Hoy i Jakoba mpanomponao: “Nipetraka* ela be tany amin’i Labana aho,+ 5 dia lasa nanana omby sy ampondra sy ondry sy mpanompolahy ary mpanompovavy.+ Maniraka olona hampahafantatra an’izany aminao aho tompoko, amin’izay aho mba hankasitrahanao.”’”
6 Rehefa afaka elaela, dia niverina teo amin’i Jakoba ireo olona nirahiny ireo, ka niteny hoe: “Nihaona tamin’i Esao rahalahinao izahay. Efa tamy any izy izao hitsena anao, miaraka amin’ny 400 lahy.”+ 7 Dia natahotra be i Jakoba sady nitebiteby,+ ka nozarainy roa ny olona niaraka taminy. Nozarainy roa koa ny ondry aman’osy sy ny omby ary ny rameva. 8 Hoy mantsy izy: “Raha tafihin’i Esao ny antokony anankiray, dia mba ho afaka handositra ny antokony anankiray.”
9 Ary hoy i Jakoba: “Ry Andriamanitr’i Abrahama raiko sy Andriamanitr’i Isaka raiko ô! Jehovah ô! Ianao no niteny tamiko hoe: ‘Miverena any amin’ny taninao sy any amin’ny havanao, fa hanao soa aminao aho.’+ 10 Tena tia ahy sy tsy nivadika tamiko mihitsy ianao, sady nitana ny teninao tamiko foana, nefa izaho mpanomponao tsy mendrika an’izany.+ Fa tsy nanana afa-tsy tehina aho tamin’izaho niampita an’ity Reniranon’i Jordana ity, nefa izao aho lasa manana antokon’olona roa.+ 11 Mba vonjeo+ tsy ho azon’ny tanan’i Esao rahalahiko re aho e, fa matahotra azy aho! Sao mantsy izy ho tonga hanafika ahy+ sy ireto zaza ireto sy ny reniny. 12 Ianao koa efa nilaza hoe: ‘Tena hanao soa aminao tokoa aho, ary hataoko be dia be hoatran’ny fasika any an-dranomasina ny taranakao, ka tsy ho voaisa satria be loatra.’”+
13 Dia natory teo izy tamin’iny alina iny. Ary izao avy no nalainy tamin’ny fananany mba hatao fanomezana ho an’i Esao rahalahiny:+ 14 Osivavy 200, osilahy 20, ondrivavy 200, ondrilahy 20, 15 rameva 30 mampinono miaraka amin’ny zanany, ombivavy 40, ombilahy 10, ampondravavy 20, ary ampondralahy 10.+
16 Dia nomeny ny mpanompony ny andiam-biby tsirairay, ka hoy izy tamin’izy ireo: “Mandehana miampita mialoha ahy, ary ataovy mifanelanelana ny andiam-biby.” 17 Nomeny baiko koa ilay mpanompony voalohany hoe: “Raha mifanena aminao i Esao rahalahiko ka manontany hoe: ‘Fa mpanompon’iza ianao, dia handeha ho aiza? Ary an’iza ireo biby eo alohanao ireo?’, 18 dia teneno hoe: ‘An’i Jakoba mpanomponao. Fanomezana nalefany ho an’i Esao tompoko+ mantsy ireo, ary efa ao aoriananay ao koa izy.’” 19 Nomeny baiko koa ny faharoa sy ny fahatelo, ary izay rehetra nanaraka ny andiam-biby, hoe: “Izany no holazainareo amin’i Esao, rehefa mifanena aminy ianareo. 20 Dia lazao koa hoe: ‘Ao aoriananay ao i Jakoba mpanomponao.’” Nieritreritra mantsy izy hoe: ‘Raha andefasako fanomezana mialoha izy,+ dia hampitony azy izany, dia mety handray tsara ahy izy rehefa mihaona izahay.’ 21 Nandeha niampita mialoha niaraka tamin’ny fanomezana àry ny mpanompony, fa izy kosa nijanona teo amin’ny toby tamin’iny alina iny.
22 Ary nitsangana izy tamin’iny alina iny, ka nalainy ny vadiny roa+ sy ny mpanompovaviny roa+ ary ny zanany 11 lahy, dia nentiny niampita teo amin’izay marivo teo Jaboka.+ 23 Nentiny teny ampitan’ilay renirano* àry izy ireo, ary nentiny daholo koa izay nananany.
24 Farany, dia i Jakoba irery no teo. Dia avy eo nisy lehilahy nifampitolona taminy, mandra-pahazava ratsin’ny andro.+ 25 Rehefa hitan’ilay lehilahy fa tsy resiny i Jakoba, dia nokasihiny ny foto-peny. Koa nipitsoka ny foto-pen’i Jakoba, tamin’izy nifampitolona taminy.+ 26 Ary hoy ilay lehilahy: “Avelao aho handeha, fa efa mazava ratsy ny andro.” Dia hoy i Jakoba: “Tsy havelako handeha ianao, raha tsy mitso-drano* ahy aloha.”+ 27 Hoy àry ilay lehilahy taminy: “Fa iza moa ny anaranao?” Dia hoy izy: “Jakoba.” 28 Hoy indray ilay lehilahy: “Tsy hatao hoe Jakoba intsony ny anaranao fa Israely,*+ satria efa nitolona tamin’Andriamanitra+ sy tamin’olona ianao, ka nandresy tamin’ny farany.” 29 Dia nanontany i Jakoba hoe: “Mba lazao amiko koa ny anaranao.” Hoy anefa ilay lehilahy: “Fa maninona no anontanianao ny anarako?”+ Dia nitso-drano azy teo izy. 30 Dia nataon’i Jakoba hoe Peniela*+ ny anaran’ilay toerana, satria hoy izy: “Efa nifanatrika tamin’Andriamanitra aho, nefa mbola velona ihany.”+
31 Vao nandalo an’i Penoela* izy dia niposaka ny masoandro. Ary nikotringa izy noho ny foto-peny.+ 32 Izany no mahatonga ny zanak’Israely tsy hihinana hozatra eo amin’ny foto-pe* hatramin’izao, satria nokasihin’ilay lehilahy ny hozatry ny foto-pen’i Jakoba.