Deoteronomia
4 “Henoy, ry Israely, ny fitsipika sy ny didim-pitsarana ampianariko anareo, dia ankatoavy. Amin’izay ho velona ianareo,+ ka hiditra ao amin’ilay tany homen’i Jehovah Andriamanitry ny razambenareo anareo, ary haka an’izany ho anareo. 2 Aza anampiana ny teny andidiako anareo ary aza analana,+ fa araho tsara ny didin’i Jehovah Andriamanitrareo izay andidiako anareo.
3 “Ny masonareo mihitsy no nahita an’izay nataon’i Jehovah tamin’ny olona rehetra nanaraka an’i Balan’i Peora. Naringan’i Jehovah Andriamanitrareo teo aminareo daholo ry zareo.+ 4 Fa mbola velona daholo kosa izao ianareo izay mifikitra amin’i Jehovah Andriamanitrareo. 5 Efa nampianariko fitsipika sy didim-pitsarana ianareo,+ araka ny didy nomen’i Jehovah Andriamanitro ahy, amin’izay dia hankatò an’ireny ianareo any amin’ilay tany halainareo ho anareo. 6 Araho tsara ireny,+ satria izany no hahitan’ny firenen-kafa hoe hendry+ sy mahira-tsaina+ ianareo. Haheno an’ireny fitsipika rehetra ireny mantsy ry zareo, dia hiteny hoe: ‘Ary tena hendry sy mahira-tsaina io firenena lehibe io!’+ 7 Fa iza no firenena lehibe manana andriamanitra akaiky azy, hoatran’i Jehovah Andriamanitsika izay akaiky antsika ka mamaly antsika isaky ny miantso azy isika?+ 8 Ary iza no firenena lehibe manana fitsipika sy didim-pitsarana marina hoatran’ilay Lalàna manontolo omeko anareo anio?+
9 “Fa mitandrema fotsiny, dia tandremo tsara sao hadinoinao ny zavatra efa hitan’ny masonao, ary sao hiala ao am-ponao izany mandritra ny androm-piainanao. Ampahafantaro ny zanakao sy ny zafinao koa izany.+ 10 Fa tamin’ianao nijoro teo anatrehan’i Jehovah Andriamanitrao tany Horeba, dia hoy i Jehovah tamiko: ‘Vorio ho etỳ amiko ny vahoaka fa tiako hihaino ny teniko,+ mba hianarany hatahotra ahy+ mandritra ny andro rehetra hiainany eo amin’ilay tany, ary mba hampianarany ny zanany.’+
11 “Dia nanatona ianareo, ka nitsangana teo am-pototry ny tendrombohitra. Ary nirehitra ilay tendrombohitra, ka nisy afo nanakatra ny lanitra,* sady nisy haizina sy rahona ary haizim-pito.+ 12 Dia niteny taminareo avy tao anaty afo i Jehovah,+ ka naheno feo ianareo saingy tsy nahita an’ilay niteny.+ Feo ihany no henonareo.+ 13 Ary nolazainy taminareo ilay fifanekena nasainy harahinareo,+ dia ny Didy Folo.*+ Nosoratany teo amin’ny takela-bato roa ilay izy avy eo.+ 14 Dia nasain’i Jehovah nampianatra anareo fitsipika sy didim-pitsarana aho tamin’izay. Tokony hankatoavinareo ireny, any amin’ilay tany halehanareo sy halainareo ho anareo.
15 “Tamin’ilay andro niresahan’i Jehovah taminareo avy tao anaty afo, tany Horeba, dia tsy nahita ny endriny ianareo. Koa mitandrema tsara 16 sao manao ratsy ianareo, izany hoe manao sary sokitra ho anareo, na sarin’inona izany na sarin’inona, na sarin-dehilahy na sarim-behivavy,+ 17 na sarim-biby eto an-tany, na sarim-borona manidina eny amin’ny lanitra,+ 18 na sarim-biby mandady amin’ny tany, na sarin-trondro any anaty rano ambanin’ny tany.+ 19 Ary rehefa mitraka mijery ny lanitra ianao ka mahita ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, izany hoe izay rehetra eny amin’ny lanitra, dia tandremo sao miankohoka eo anatrehan’ireny sy manompo azy+ satria hoe manintona anao ireny. Nomen’i Jehovah Andriamanitrao ho an’ny firenena rehetra eny ambanin’ny lanitra manontolo mantsy ireny. 20 Fa ianareo no nalain’i Jehovah sy nentiny nivoaka avy tao amin’ilay fatana fandrendrehana vy, izany hoe avy tany Ejipta, mba ho lasa fananany manokana*+ hoatr’izao androany izao.
21 “Tezitra tamiko i Jehovah noho ny nataonareo,+ ka nianiana hoe tsy hiampita an’i Jordana aho, na hiditra ao amin’ilay tany tsara homen’i Jehovah Andriamanitrareo anareo ho lovanareo.+ 22 Ho faty eto amin’ity tany ity mantsy aho fa tsy hiampita an’i Jordana.+ Fa ianareo no hiampita dia haka an’io tany tsara io ho anareo. 23 Tandremo sao hadinoinareo ilay fifanekena nataon’i Jehovah Andriamanitrareo taminareo.+ Aza manao sary sokitra ho anareo, dia zavatra mitovy bika amin’ireo zavatra nandraran’i Jehovah Andriamanitrareo anareo ireo.+ 24 Fa afo mandevona i Jehovah Andriamanitrareo,+ ilay Andriamanitra mitaky ny hanompoana azy irery ihany.+
25 “Raha miteraka sy manan-jafikely ianareo ka efa ela no nipetraka teo amin’ilay tany, nefa manao ratsy ka manao sary sokitra+ na sarin’inona izany na sarin’inona, ary manao izay ratsy eo imason’i Jehovah Andriamanitrareo ka mampahatezitra azy,+ 26 dia hataoko vavolombelona hiampanga anareo ny lanitra sy ny tany anio, hoe tsy ho ela ianareo dia tsy maintsy ho ripaka eo amin’ilay tany izay halainareo ho anareo eny ampitan’i Jordana. Tsy ho ela velona eo ianareo, fa ho ringana tanteraka.+ 27 Haparitak’i Jehovah any amin’ny firenen-kafa ianareo,+ ka ho vitsy kely sisa ianareo no ho velona,+ any amin’ireo firenena handefasan’i Jehovah anareo. 28 Hanompo andriamanitra vato aman-kazo nataon’olona ianareo any,+ dia andriamanitra tsy mahita na maheno na mihinana na mandre fofona.
29 “Raha mitady an’i Jehovah Andriamanitrao anefa ianao any, dia tena hahita azy tokoa+ raha mitady azy amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo.+ 30 Rehefa mitranga aminao daholo ireo zavatra voalaza rehetra ireo any aoriana any ka mafy be ny mahazo anao, dia hiverina amin’i Jehovah Andriamanitrao ianao ka hihaino ny feony.+ 31 Fa Andriamanitra mamindra fo i Jehovah Andriamanitrao,+ ka tsy hahafoy anao na handringana anao na hanadino an’ilay fifanekena nianianany tamin’ny razambenao.+
32 “Tadidio ange ny andro taloha e, tamin’ianareo mbola tsy nisy, hatramin’ny andro namoronan’Andriamanitra ny olona teto an-tany! Mandehana mikaroka any amin’ny faravodilanitra iray ka hatrany amin’ny faravodilanitra iray. Angaha efa nisy zavatra miavaka be hoatr’izao, sa efa mba nisy naheno zavatra hoatr’izao?+ 33 Efa nisy vahoaka naheno ny feon’Andriamanitra niteny avy tao anaty afo hoatr’ireny henonao ireny ve, ka mbola velona ihany?+ 34 Sa Andriamanitra efa mba nanandrana naka firenena ho an’ny tenany avy tamin’ny firenena iray, ka namoaka didim-pitsarana* sy nanao famantarana sy fahagagana+ ary niady,+ sady nampiasa ny tanany matanjaka+ sy ny sandriny mahery, ary nanao zavatra mampahatahotra?+ Efa nanao toy izany ve i Jehovah Andriamanitrareo, hoatran’ny nataony taminareo tany Ejipta teo imasonareo? 35 Ianareo ihany no nampisehoana an’izany rehetra izany mba ho fantatrareo fa i Jehovah no tena Andriamanitra,+ ary tsy misy ankoatra azy.+ 36 Nataony henonareo avy any an-danitra ny feony mba hanitsiana anareo. Ary nasehony anareo teto an-tany ny afo miredareda, dia henonareo avy tao anatin’ilay afo ny teniny.+
37 “Tiany ny razambenao ka nofidiny ny taranak’izy ireo.+ Dia nentiny nivoaka avy tany Ejipta teo anatrehany tamin-kery lehibe ianao. 38 Noroahiny niala teo anatrehanao izay firenena lehibe sy matanjaka noho ianao. Amin’izay ianao no hampidirina ao amin’ny tanin’izy ireo, ka homeny anao ilay izy mba ho lovanao, hoatr’izao androany izao.+ 39 Fantaro àry dia ataovy ao am-ponao androany, fa i Jehovah no tena Andriamanitra any amin’ny lanitra ambony sy etỳ amin’ny tany ambany.+ Tsy misy afa-tsy izy.+ 40 Araho ny fitsipiny sy ny didiny izay andidiako anao anio, mba handeha tsara foana ny fiainanao sy ny an’ny taranakao. Dia ho ela velona eo amin’ilay tany homen’i Jehovah Andriamanitrao anao ianao.”+
41 Nanokana tanàna telo teny ampita atsinanan’i Jordana i Mosesy,+ tamin’izay fotoana izay. 42 Raha misy olona mahafaty olona tsy nahy nefa tsy nankahala an’ilay olona talohan’izay,+ dia handositra any amin’ny iray amin’ireo tanàna ireo izy, ka ho velona.+ 43 Ireto avy izany tanàna izany: I Bezera+ any an-tany efitra, eny amin’ny lembalemba,* no ho an’ny Robenita. I Ramota+ any Gileada no ho an’ny Gadita. Ary i Golana+ any Basana no ho an’ny Manasita.+
44 Ary izao no Lalàna+ napetrak’i Mosesy teo anatrehan’ny vahoakan’Israely. 45 Ireto avy ny fampahatsiahivana sy ny fitsipika ary ny didim-pitsarana nomen’i Mosesy ny Israelita, rehefa tafavoaka avy tany Ejipta izy ireo,+ 46 tany amin’ny faritr’i Jordana, teo amin’ilay lohasaha tandrifin’i Beti-peora,+ tao amin’ny tanin’i Sihona mpanjakan’ny Amorita izay nipetraka tao Hesbona,+ dia ilay resin’i Mosesy sy ny Israelita, rehefa tafavoaka avy tany Ejipta izy ireo.+ 47 Ary nalain’izy ireo ny tanin’i Sihona sy ny tanin’i Oga mpanjakan’i+ Basana, dia ny mpanjakan’ny Amorita anankiroa, tany amin’ny faritra atsinanan’i Jordana, 48 manomboka any Aroera,+ eo an-tsisin’ny Lohasahan’i* Arnona, ka hatrany amin’ny Tendrombohitra Siona, izany hoe Hermona,+ 49 sy Araba manontolo any amin’ny faritra atsinanan’i Jordana, ka hatrany amin’ny Ranomasin’i Araba,* eo am-pototry ny havoanan’i Pisga.+