Tononkiran’i Solomona
2 “Toy ny lisy eny amin’ny tsilo ny malalako.
Hafa raha samy ankizivavy izy.”
3 “Hoatran’ny paoma maniry any anaty ala ny malalako.
Hafa raha samy ankizilahy izy.
Mba tiako erỳ ny hipetraka hialokaloka eo ambaniny,
Ary mamy ao am-bavako ny voany!
4 Nentiny tao amin’ny trano misy fanasambe* aho,
Ary toy ny saina kely mikopakopaka eo amboniko ny fitiavany.
5 Omeo mofo vita amin’ny voaloboka maina+ aho mba ho velombelona,
Ary omeo paoma mba hatanjaka,
Fa azon’ny tazom-pitia aho.
7 Ry zanakavavin’i Jerosalema ô!
Asaiko mianiana amin’ny gazela+ sy amin’ny serfavavy any an-tsaha ianareo
Mba tsy hitady hanaitra na hampitsiry fitiavana ato amiko, fa avelao ilay izy hitsiry ho azy.+
8 Izany ny feon’ny malalako!
Iny tamy iny izy,
Mianika tendrombohitra sady mitsambikimbikina eny an-kavoana.
9 Hoatran’ny gazela ny malalako, hoatran’ny zanaka serfa.+
Io mijoro ao ambadiky ny rindrinay io izy!
Mijery eo am-baravarankely izy,
Sady mitsirika eo amin’ny makarakara.
10 Dia hoy ilay mamin’ny foko:
‘Mitsangàna, ry malalako,
Andao hiaraka amiko, ry ilay tsara tarehiko.
11 Jereo fa efa lasa ny ririnina,*
Ary efa nijanona sady efa lasa ny orana.
12 Efa mamelana ny voninkazo eto amin’ny tanintsika,+
Efa tonga ny fotoana fandrantsanana voaloboka,+
Ary heno eto amin’ny tanintsika ny hiran’ny domohina.+
Mitsangàna, ry malalako, dia avia!
Andao hiaraka amiko, ry ilay tsara tarehiko.
14 Ry voromailalako miafina eny an-tsefatsefaky ny harambato,+
Eny anelanelan’ny vatolampy amoron-tevana,
Avelao aho mba hijery anao dia haheno ny feonao,+
Fa mahafinaritra erỳ ny feonao ary mahafatifaty ny bikanao!’”+
15 “Sambory ny amboadia,
Dia ireo amboadia kely mpanimba tanimboaloboka,
Fa efa mamony ny voalobokay.”