Josoa
6 Dia nohidiana mafy ny vavahadin’ny tanànan’i Jeriko noho ny amin’ny Israelita, ka tsy nisy nivoaka na niditra.+
2 Ary hoy i Jehovah tamin’i Josoa: “Ataoko resinao i Jeriko sy ny mpanjakany ary ny miaramilany matanjaka.+ 3 Koa mandehana mihodidina indray mandeha an’ilay tanàna ianareo lehilahy mpiady rehetra. Izany no hataonareo mandritra ny enina andro. 4 Ary asio mpisorona fito mitondra anjombona fito vita amin’ny tandrok’ondry, mandeha eo alohan’ny Vata. Amin’ny andro fahafito kosa, dia hihodidina ny tanàna impito ianareo, ary hotsofin’ny mpisorona ny anjombona.+ 5 Rehefa maneno ny anjombona tandrok’ondry, izany hoe raha vao henonareo ny feon’ny* anjombona, dia hihorakoraka mafy hanao hiakan’ady ny olona rehetra. Dia hirodana ny mandan’ilay tanàna,+ ka hiakatra ny olona ary samy handeha any amin’izay hitsiny avy.”
6 Novorin’i Josoa zanak’i Nona àry ny mpisorona, dia nilazany hoe: “Ento ny Vata misy ny fifanekena, ary asio mpisorona fito mitondra anjombona fito vita amin’ny tandrok’ondry, mandeha eo alohan’ilay Vata masin’i Jehovah.”+ 7 Dia hoy izy tamin’ny olona: “Mandehana manodidina ny tanàna. Ary ny miaramila izay mitondra fitaovam-piadiana+ no handeha eo alohan’ilay Vata masin’i Jehovah.” 8 Dia narahin’izy ireo ny tenin’i Josoa, ka nandeha teo anatrehan’i Jehovah ny mpisorona fito nitondra anjombona fito vita amin’ny tandrok’ondry. Notsofin’ny mpisorona ny anjombona, ary nentina taorian’izy ireo ilay Vata misy ny fifanekena nataon’i Jehovah. 9 Dia nandeha teo alohan’ireo mpisorona nitsoka anjombona ny miaramila nitondra fitaovam-piadiana, fa ny vodilaharana mpiaro kosa nanaraka an’ilay Vata. Ary notsofina foana ny anjombona.
10 Dia nomen’i Josoa baiko ny olona hoe: “Aza mihorakoraka, ary aza atao heno mihitsy ny feonareo. Aza miteny na indraim-bava aza, mandra-pahatongan’ny andro hilazako aminareo hoe: ‘Mihorakoraha!’ Amin’izay ianareo vao hihorakoraka.” 11 Ary nalefany nihodidina indray mandeha an’ilay tanàna ny Vata masin’i Jehovah. Niverina tany an-toby izy ireo avy eo, ka natory tao ny alina.
12 Nifoha maraina i Josoa ny ampitson’iny, ary nentin’ny mpisorona ny Vata+ masin’i Jehovah. 13 Dia nisy mpisorona fito nitondra anjombona fito vita amin’ny tandrok’ondry, nandeha teo alohan’ilay Vata masin’i Jehovah. Ary notsofin’izy ireo foana ny anjombona. Nandeha teo alohan’izy ireo ny miaramila nitondra fitaovam-piadiana, fa ny vodilaharana mpiaro kosa nanaraka an’ilay Vata masin’i Jehovah. Ary notsofina foana ny anjombona. 14 Nihodidina indray mandeha an’ilay tanàna koa izy ireo tamin’ny andro faharoa, dia nody tany an-toby. Hoatr’izany foana no nataon’izy ireo nandritra ny enina andro.+
15 Vao nazava ratsy ny andro tamin’ny andro fahafito, dia nifoha izy ireo. Nihodidina an’ilay tanàna toy ny nataony teo aloha izy ireo, ary nanao an’izany impito. Tamin’io andro io ihany izy ireo no nihodidina an’ilay tanàna impito.+ 16 Dia notsofin’ny mpisorona ny anjombona rehefa nihodina fanimpitony izy ireo. Ary hoy i Josoa tamin’ny olona: “Mihorakoraha,+ fa efa nomen’i Jehovah anareo ny tanàna! 17 Tsy maintsy haringana tanteraka* ilay tanàna sy ny zava-drehetra ao aminy.+ An’i Jehovah daholo izany. I Rahaba+ mpivaro-tena sy ny olona rehetra miaraka aminy ao an-trano ihany no aza vonoina ho faty, satria nanafina an’ireo olona nirahintsika izy.+ 18 Aza manakaiky an’izay zavatra voatokana haringana,+ sao hotsiriritinareo ireny ka halainareo.+ Ho voatokana haringana mantsy ny tobin’ny Israely ka hahita loza,* raha manao an’izany ianareo.+ 19 Fa masina sady an’i Jehovah daholo ny volafotsy sy ny volamena ary ny zavatra vita amin’ny varahina sy vy.+ Tokony hatao any amin’ny fitehirizana an’ireo zava-tsarobidy ho an’i Jehovah ireny.”+
20 Ary nihorakoraka ny olona rehefa notsofina ny anjombona.+ Raha vao henon’izy ireo ny feon’ny anjombona ka nanao hiakan’ady izy ireo, dia nirodana ny manda.+ Niakatra nankao an-tanàna izy ireo avy eo, ka samy nandeha tany amin’izay hitsiny avy, ary azon’izy ireo ilay tanàna. 21 Ary naringan’izy ireo tanteraka tamin’ny sabatra izay rehetra tao an-tanàna, na lehilahy na vehivavy, na antitra na tanora, na omby na ondry na ampondra.+
22 Hoy i Josoa tamin’izy roa lahy izay nitsikilo an’ilay tany: “Mankanesa ao an-tranon’ilay vehivavy mpivaro-tena, ka ento mivoaka izy sy izay rehetra azy, araka ny fianianana nataonareo taminy.”+ 23 Dia nankany ireo tovolahy izay nitsikilo an’ilay tany, ka namoaka an’i Rahaba sy ny rainy sy ny reniny sy ny anadahiny ary izay rehetra azy. Navoakan’izy ireo ny fianakaviany rehetra,+ dia nentiny soa aman-tsara teo amin’ny toerana iray teo ivelan’ny tobin’ny Israely.
24 Ary nodorana ilay tanàna sy ny zava-drehetra tao. Fa natao tany amin’ny fitehirizana zava-tsarobidy tao an-tranon’i Jehovah kosa ny volafotsy sy ny volamena ary ny zavatra vita tamin’ny varahina sy vy.+ 25 I Rahaba mpivaro-tena sy ny ankohonan-drainy ary izay rehetra azy ihany no notsimbinin’i Josoa.+ Ary mbola mipetraka eto Israely i Rahaba hatramin’izao,+ satria nafeniny ireo olona nirahin’i Josoa hitsikilo an’i Jeriko.+
26 Ary nilaza an’izao ozona izao i Josoa* tamin’izay fotoana izay: “Ho voaozona eo anatrehan’i Jehovah izay olona manorina indray an’ity tanànan’i Jeriko ity. Ho faty ny lahimatoany rehefa manao ny fototra izy, ary ho faty koa ny faralahiny rehefa manangana ny vavahadiny izy.”+
27 Ary nanampy an’i Josoa i Jehovah,+ ka niely eran-tany ny lazany.+