2 Samoela
22 Nanao izao tononkira+ izao ho an’i Jehovah i Davida, tamin’ny andro namonjen’i Jehovah azy teo am-pelatanan’ny fahavalony+ rehetra sy teo am-pelatanan’i Saoly.+ 2 Hoy izy:
“I Jehovah no harambatoko+ sy fiarovana mafy+ ho ahy ary Mpanafaka ahy.+
3 Andriamanitro no vatolampiko.+ Hialoka aminy aho,
Fa izy no ampingako+ sy tandroka+ famonjena ahy, tendrombohitra fandosirako,+
Toerana fandosirako,+ ary Mpamonjy ahy.+ Mamonjy ahy amin’ny herisetra ianao.+
4 I Jehovah, Ilay mendrika hoderaina,+ no hantsoiko,
Ka ho voavonjy amin’ny fahavaloko aho.+
5 Fa nihodidina ahy ny onja mahery mahafaty,+
Ary nampihorohoro ahy koa ireo olona tsy manjary, izay nanafotra tampoka toy ny ranotrambo.+
7 Niantso an’i Jehovah foana aho, tao anatin’ny fahoriako.+
Ilay Andriamanitro no nantsoiko mandrakariva.+
Tao an-tempoliny izy no nandre ny feoko,+
Ary ren’ny sofiny ny antso vonjy nataoko.+
8 Nihozongozona sy nihovotrovotra ny tany,+
Nihorohoro ny fototry ny lanitra.+
Nihozongozona tsy an-kijanona ireny satria nisy nampahatezitra Azy.+
9 Nisy setroka niakatra avy teo am-bavorony, ary nisy afo nandevona avy tamin’ny vavany.+
Nisy vainafo niredareda avy taminy.+
13 Ny famirapiratana teo anatrehany no nampirehitra vainafo.+
15 Tsy nitsahatra nandefa zana-tsipìka izy mba hanaparitahana an’ireny,+
Sy tselatra mba hahatonga an’ireny hisahotaka.+
16 Nanjary hita ny fanambanin’ny ranomasina,+
Ary niharihary ny fototry ny tany lonaka,+
Satria niteny mafy azy i Jehovah, ary ny fofonain’ny vavorony+ no nitsofany azy.
17 Avy any amin’ny avo izy no nanatsotra ny tanany ka nandray ahy,+
Ary nisarika ahy avy tao anaty rano be.+
18 Nanafaka ahy tamin’ny fahavalo mahery izy,+
Dia tamin’izay nankahala ahy. Nahery noho izaho mantsy ireny.+
22 Fa nanaraka foana ny lalan’i Jehovah aho,+
Ary tsy niala tamin’Andriamanitro, eny, tsy nanao izany ratsy izany aho.+
25 Enga anie i Jehovah hamaly ahy araka ny fahamarinako,+
Sy araka ny fahadiovako eo imasony!+
26 Ny olona tsy mivadika no tsy hivadihanao,+
Ary ny olo-mahery tsy manan-tsiny no hoentinao amin’ny fomba tsy misy tsiny.+
27 Ny olona madio no hisehoanao ho madio,+
Ary ny olona fatsora no hanaovanao zavatra toa adaladala.+
30 Noho ianao, dia mahavita mihazakazaka hamely mpandroba aho,+
Noho ilay Andriamanitro, dia mahavita mianika manda aho.+
31 Tonga lafatra ny lalan’ilay tena Andriamanitra.+
Madio toy ny metaly voadio ny tenin’i Jehovah.+
Ampingan’izay rehetra mialoka aminy izy.+
32 Fa iza no Andriamanitra ankoatra an’i Jehovah,+
Ary iza no vatolampy ankoatra an’Andriamanitsika?+
35 Mampianatra ny tanako hiady izy,+
Ary ny sandriko no nampiasaiko hamatorana ny tadin’ny tsipìka varahina.+
38 Hanenjika ny fahavaloko aho mba handripahako azy,
Ary tsy hiverina aho mandra-paharingany tanteraka.+
39 Haringako sy hotorotoroiko ireny+ mba tsy ho afa-mitsangana intsony.+
Ho lavo eo ambany tongotro ireny.+
41 Hataonao mandositra eo anatrehako ny fahavaloko,*+
Ary hataoko mangina koa izay mankahala mafy ahy.+
43 Hataoko torotoro toy ny vovo-tany ireny,
Ary hohitsakitsahiko toy ny fotaka eny an-dalambe,+
Ka hohoseko.
44 Hanafaka ahy amin’ny fanakianan’ny oloko ianao.+
Hiaro ahy ianao mba hahatonga ahy ho filohan’ireo firenena,+
Ary vahoaka mbola tsy fantatro no hanompo ahy.+
47 Velona i Jehovah.+ Hisaorana anie ilay Vatolampiko,+
Ary hasandratra anie Andriamanitra, ilay vatolampy mpamonjy ahy!+
48 Ilay tena Andriamanitra no Mpamaly ny ratsy atao amiko.+
Izy no mampietry an’ireo firenena ho eo ambaniko,+
49 Ary Izy no mamoaka ahy ho afaka amin’ny fahavaloko.+
Hanandratra ahy ho ambonin’izay mitsangana hanohitra ahy ianao,+
Ary hanafaka ahy amin’ny olona mahery setra.+