Salamo
Nataon’i Davida.
א [Alefa]
ב [Beta]
3 Matokia an’i Jehovah ka manaova ny tsara.+
Aoka ianao honina amin’ny tany sy ho mendri-pitokisana amin’izay ataonao.+
ג [Gimela]
6 Hataony miharihary toy ny hazavana ny fahamarinanao,+
Ary hataony miharihary toy ny mitataovovonana ny fitiavanao ny rariny.+
ד [Daleta]
7 Aoka ianao hangina eo anatrehan’i Jehovah,+
Ka hiandry azy fatratra.+
Aza tezitra amin’ny olona mahomby amin’izay ataony,+
Dia ny olona mahatanteraka ny teti-dratsiny.+
ה [He]
8 Ialao ny fahatezerana ary atsaharo ny fahavinirana.+
Aza tezitra sao hahatonga anao hanao ratsy izany.+
ו [Vao]
10 Rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy intsony ny ratsy fanahy.+
Handinika an’izay nisy azy ianao, nefa tsy ho eo intsony izy.+
ז [Zaina]
ח [Heta]
14 Manatsoaka sabatra ny ratsy fanahy, sady mamatotra ny tadin-tsipìkany,+
Mba handavoana ny ory sy ny mahantra,+
Ary hamonoana an’ireo manao izay mahitsy.+
ט [Teta]
י [Yôda]
18 Fantatr’i Jehovah ny fiainan’ny tsy manan-tsiny,+
Ary haharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra ny lovan’izy ireo.+
19 Tsy ho menatra izy ireo amin’ny fotoam-pahoriana,+
Ary ho voky izy amin’ny andro isian’ny mosary.+
כ [Kafa]
20 Ho ringana ny ratsy fanahy,+
Ary ny fahavalon’i Jehovah dia ho tahaka ny hakanton’ny kijana,
Izay tsy maintsy ho levona.+ Eny, ho levona ireny ka ho lasa setroka.+
ל [Lameda]
21 Misambotra ny ratsy fanahy, nefa tsy mamerina,+
Fa ny olo-marina kosa miantra ka manao fanomezana.+
מ [Mema]
נ [Nona]
25 Efa mba tanora ihany aho, ary efa antitra aho ankehitriny,+
Nefa mbola tsy nahita olo-marina nafoy tanteraka,+
Na nahita ny zanany nangataka hanina.+
ס [Sameka]
27 Mialà amin’ny ratsy ka manaova ny tsara,+
Dia honina amin’ny tany mandritra ny fotoana tsy voafetra ianao.+
Ho voaro mandritra ny fotoana tsy voafetra izy ireo,+
Fa horinganina kosa ny taranaky ny ratsy fanahy.+
פ [Pe]
צ [Tsade]
33 Fa i Jehovah kosa tsy hahafoy azy ho eo am-pelatanan’ny ratsy fanahy,+
Na hanameloka azy rehefa tsaraina izy.+
ק [Kôfa]
34 Aoka ianao hanantena an’i Jehovah sy hanaraka ny lalany,+
Dia hanandratra anao izy ary handova ny tany ianao.+
Ho hitanao ny handringanana ny ratsy fanahy.+
ר [Resa]
35 Hitako fa mpanjakazaka ny ratsy fanahy,+
Sady misandrahaka toy ny hazo midoroboka eo amin’ny tany efa nisy azy hatramin’izay.+
ש [Shina]
38 Ho ripaka daholo kosa ny mpandika lalàna,+
Ary fandringanana no miandry ny ratsy fanahy, amin’ny hoavy.+
ת [Tao]