Amosa
9 Ary nahita an’i Jehovah teo ambonin’ny alitara aho.+ Ary hoy izy: “Asio eo amin’ny lohany ny andry mba hihovotrovotra ny tokonana. Dia tapaho ny lohan’ireo andry rehetra.+ Ary hovonoiko amin’ny sabatra ny sisa tavela amin’ny olona. Koa tsy hisy ho afa-mandositra izy ireo, sady tsy hisy ho afa-mitsoaka.+ 2 Ary raha mihady lavaka mba hiafina any amin’ny Fasana* izy ireo, dia any no hakan’ny tanako azy.+ Ary raha miakatra eny amin’ny lanitra izy, dia avy eny no hampidinako azy.+ 3 Ary raha miafina eny an-tampon’i Karmela izy, dia eny no hikarohako azy sy hakako azy.+ Ary raha miafina any amin’ny fanambanin’ny ranomasina+ izy mba tsy ho hitan’ny masoko, dia any ambany any no handidiako ny bibilava mba hanaikitra azy. 4 Ary raha entin’ny fahavalony any amin’ny fahababoana izy, dia any no handidiako ny sabatra mba hamono azy.+ Koa hifantoka aminy ny masoko, mba hanisiako ratsy azy, fa tsy soa.+ 5 Ary i Jehovah Tompon’ny tafika sady Tompo Fara Tampony no Ilay mikasika ny tany, ka hitsonika izany.+ Ary hisaona ny mponina rehetra eo aminy.+ Hisondrotra toa an’i Neily ny tany manontolo, ary avy eo hihena toa an’i Neily any Ejipta.+
6 “‘Ilay manao ny tohatra mankany an-danitra,+ sy ny rafitra mitatao eo ambonin’ilay tany izay naoriny,+ Ilay miantso ny ranon’ny ranomasina+ mba handrarahany azy eto ambonin’ny tany,+ dia Jehovah no anarany.’+
7 “‘Tsy mitovy amin’ny taranaky ny Kosita ihany ve ianareo amiko, ry zanak’Israely?’, hoy i Jehovah. ‘Tsy nentiko niakatra avy tany Ejipta ve ny Israely,+ ary avy tany Kreta ny Filistinina,+ ary avy tany Kira i Syria?’+
8 “‘Eo amin’ilay fanjakana mpanota ny mason’i Jehovah Tompo Fara Tampony,+ ka hofoanany tsy ho eo amin’ny tany izy io.+ Tsy haringako tanteraka anefa ny taranak’i Jakoba’,+ hoy i Jehovah. 9 ‘Hanome baiko aho, ka hohozongozoniko eo amin’ny firenena rehetra ny taranak’i Israely,+ toy ny fanozongozona sivana mba tsy hisy vatokilonjy hilatsaka amin’ny tany. 10 Ho fatin-tsabatra ny mpanota rehetra eo amin’ny oloko,+ dia ireo milaza hoe: “Tsy hanakaiky anay ny loza na hahatratra anay.”’+
11 “‘Amin’izany andro izany, dia hatsangako+ ny trano rantsankazon’i+ Davida izay efa nirodana,+ ary hotampenako izay gorobaka eo amin’izy ireo. Ary haveriko amin’ny laoniny izay sisa tsy rava taminy ka haoriko ho toy ny taloha,+ 12 mba ho lasany izay sisa tavela amin’i Edoma,+ sy ny firenena rehetra izay antsoina amin’ny anarako’,+ hoy i Jehovah izay hanao izany.
13 “‘Ho avy ny andro’, hoy i Jehovah, ‘ka ny mpiasa tany hahatratra ny mpijinja,+ ary ny mpanitsakitsaka voaloboka hahatratra ny mpitondra ny voa afafy.+ Hisy divay mamy hitete eny an-tendrombohitra,+ ary hitsonika ny havoana rehetra.+ 14 Ary hampodiko ny Israely oloko izay babo.+ Dia hanorina ny tanàna rava izy ireo ka honina ao.+ Ary hanao tanimboaloboka izy ka hisotro ny divay avy aminy, sady hanao zaridaina ka hihinana ny vokatra avy aminy.’+
15 “‘Ary hamboleko eo amin’ny taniny izy ireo ka tsy hongotana intsony hiala amin’ilay tany nomeko azy’,+ hoy i Jehovah Andriamanitrao.”